Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MBA ANDRAMO IZAO

Manaova Sary mba Hitadidiana Hevitra

Manaova Sary mba Hitadidiana Hevitra

Betsaka ny olona mahita hoe sarotra ny mitadidy an’izay ianarany, ary mety ho hoatr’izany koa angamba ianao. Hitanao ve anefa hoe mora tadidy ny fanoharana nampiasain’i Jesosy? Afaka maka sary an-tsaina azy ireny tsinona ianao dia izay no manampy anao hitadidy an’ilay izy. Raha maka sary an-tsaina hoatr’izany koa ianao rehefa mianatra, dia betsaka ny zavatra ho tadidinao. Ahoana no azonao hanaovana an’izany? Manaova sary rehefa mianatra.

Matetika no tadidin’ny olona kokoa ny zava-baovao ianarany rehefa ataony sary. Tsy hoe teny fotsiny no tadidiny fa hevitra koa. Sary tsotsotra no ataon-dry zareo fa tsy hoe niangaliana be. Voaporofo koa hoe tena mety amin’ny olona be taona io teknika io.

Maninona àry raha manao sary vitsivitsy an’izay ianaranao amin’ny manaraka? Tsy hampoizinao ny habetsahan’ny zavatra tadidinao!