Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 1

HIRA 2 Jehovah no Anaranao

Omeo Voninahitra i Jehovah

Omeo Voninahitra i Jehovah

ANDININ-TENY HO AN’NY TAONA 2025: “Omeo voninahitra i Jehovah fa mendrika an’izany ny anarany.”​—SAL. 96:8.

HEVITRA HODINIHINA

Hianarantsika ato hoe ahoana no anomezantsika an’i Jehovah ny voninahitra mendrika azy.

1. Inona no ifantohan’ny olona maro?

 TSIKARITRAO ve hoe be dia be amin’izao no mifantoka be amin’ny tenany? Misy, ohatra, manao zavatra be ao amin’ny tambazotran-tserasera mba hisarihana ny sain’ny olona amin’ny tenany sy amin’ny zava-bitany. Vitsy kosa amin’izao no manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra. Hodinihintsika ato ny dikan’ny hoe manome voninahitra an’i Jehovah sy hoe inona no tokony handrisika antsika hanao an’izany. Hianarantsika koa hoe ahoana no anomezantsika an’Andriamanitra ny voninahitra mendrika azy, ary ahoana no hataony atsy ho atsy mba hanomezana voninahitra ny anarany.

INONA NO DIKAN’NY HOE MANOME VONINAHITRA AN’I JEHOVAH?

2. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah ny voninahiny teo amin’ny Tendrombohitra Sinay? (Jereo koa ny sary.)

2 Inona no atao hoe voninahitra? Ny teny hoe “voninahitra” ao amin’ny Baiboly dia ilazana an’izay zavatra mahatonga ny olona iray hanan-danja. Nampiseho ny voninahiny tamin’ny fomba miavaka i Jehovah, taoriana kelin’ny nanafahany ny Israelita tsy ho andevo tany Ejipta. Saintsaino ange izay nitranga tamin’izay e! Israelita an-tapitrisany no nivory teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay mba hihaona tamin’ny Andriamanitr’izy ireo. Rakotra rahona matevina ny tampon’ilay tendrombohitra. Nihovotrovotra tampoka ny tany satria nisy horohoron-tany nahery be ary hoatran’ny hoe hisy volkano hipoaka. Nisy tselatra sy kotroka ary feon’anjombona nankarenin-tsofina koa tamin’izay. (Eks. 19:16-18; 24:17; Sal. 68:8) Azo antoka fa tena talanjona ireo Israelita ireo rehefa nampiseho ny voninahiny tamin’ny fomba miavaka i Jehovah.

Nampiseho ny voninahiny tamin’ny fomba miavaka tamin’ny Israelita i Jehovah, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay (Fehintsoratra 2)


3. Inona no dikan’ny hoe manome voninahitra an’i Jehovah?

3 Ary isika olombelona ve afaka manome voninahitra an’i Jehovah? Eny. Manao an’izany, ohatra, isika rehefa miresaka amin’ny hafa momba ny heriny mahatalanjona sy ny toetrany tena tsara. Manome voninahitra an’Andriamanitra koa isika raha midera azy rehefa mahavita zavatra noho ny fanampiany. (Isaia 26:12) Tena modely amin’ny fanomezam-boninahitra an’i Jehovah i Davida Mpanjaka. Izao no nolazainy an’Andriamanitra rehefa nivavaka teo anatrehan’ny fiangonan’Israely izy: “Anao Jehovah ô, ny fahalehibeazana sy ny hery sy ny hatsarana ary ny haja amam-boninahitra, fa anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” “Nidera an’i Jehovah ... ny fiangonana manontolo” rehefa vita ilay vavaka.​—1 Tan. 29:11, 20.

4. Ahoana no nanomezan’i Jesosy voninahitra an’i Jehovah?

4 Nanao fahagagana be dia be i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. Nanome voninahitra ny Rainy izy rehefa niaiky hoe Izy no nahavitany an’ireny. (Mar. 5:18-20) Nanome voninahitra an’i Jehovah koa i Jesosy tamin’ny zavatra noresahiny momba an’io Rainy io sy ny fomba nitondrany ny hafa. Nampianatra tao amin’ny synagoga iray, ohatra, i Jesosy indray mandeha. Nisy demonia nandritra ny 18 taona ny vehivavy iray nihaino azy. Nataon’ilay demonia nanjoko be io vehivavy io ka tsy afa-nitraka mihitsy. Nampalahelo be izy! Nangoraka azy i Jesosy dia nanatona azy sady tsara fanahy be niteny hoe: “Ravehivavy, afaka amin’ny aretinao ianao!” Nametra-tanana taminy izy avy eo ary tonga dia nijoro mahitsy ilay vehivavy. Sitrana izy sady tsy afa-baraka intsony ka nanomboka “nanome voninahitra an’Andriamanitra.” (Lioka 13:10-13) Tena nanana antony hanomezana voninahitra an’i Jehovah io vehivavy io, dia hoatr’izany koa isika.

INONA NO MANDRISIKA ANTSIKA HANOME VONINAHITRA AN’I JEHOVAH?

5. Inona avy no mahatonga antsika hanaja an’i Jehovah?

5 Manome voninahitra an’i Jehovah isika satria manaja lalina azy. Betsaka ny antony hanajantsika azy. Mahery Indrindra izy ary tsy misy fetra ny heriny. (Sal. 96:4-7) Hita amin’ny zavatra ataony hoe tena hendry izy. Izy no manome aina antsika sy manome an’izay ilaina mba hahavelona antsika. (Apok. 4:11) Tsy mivadika koa izy. (Apok. 15:4) Mety daholo izay ataony sady manatanteraka ny fampanantenany foana izy. (Jos. 23:14) Tsy mahagaga raha nilaza hoatr’izao momba an’i Jehovah i Jeremia mpaminany: “Tsy misy toa anao mihitsy eo amin’ny olon-kendry rehetra eo amin’ireo firenena sy eo amin’ny fanjakany rehetra.” (Jer. 10:6, 7) Tena tokony hanaja an’ilay Raintsika any an-danitra àry isika. Tsy hoe mendrika ny hohajaina fotsiny anefa i Jehovah fa mahatehotia koa.

6. Nahoana isika no tia an’i Jehovah?

6 Manome voninahitra an’i Jehovah isika satria tena tia azy. Eritrereto fotsiny ange ny toetrany e! Izy izao mamindra fo sy mangoraka. (Sal. 103:13; Isaia 49:15) Miombom-pihetseham-po amintsika koa izy ary malahelo rehefa malahelo isika. (Zak. 2:8) Ataony koa izay hahatonga antsika ho lasa Namany. (Sal. 25:14; Asa. 17:27) Manetry tena koa i Jehovah. “Miondrika izy mba hijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany, ka atsangany hiala amin’ny vovoka ny olona ambany.” (Sal. 113:6, 7) Iza no tsy te hanome voninahitra Andriamanitra hoatr’izany?​—Sal. 86:12.

7. Inona no tombontsoa ananantsika?

7 Manome voninahitra an’i Jehovah isika satria tiantsika hahafantatra azy ny olona. Betsaka no tsy mahafantatra ny marina momba an’i Jehovah. Manaparitaka lainga mahatsiravina momba an’i Jehovah mantsy i Satana mba hanajambana ny sain’ny olona. (2 Kor. 4:4) Nataony izay hahatonga ny olona hino hoe tia mamaly faty i Jehovah, tsy miraharaha antsika, ary izy no mahatonga antsika hijaly. Fantatsika tsara anefa ilay Andriamanitsika! Tombontsoa ho antsika ny milaza ny marina momba azy amin’izay izy mahazo voninahitra. (Isaia 43:10) Miresaka betsaka momba ny fanomezana voninahitra an’i Jehovah ny Salamo faha-​96. Handinika andininy vitsivitsy ao isika izao, dia eritrereto hoe inona avy no azonao atao mba hanomezana an’i Jehovah ny voninahitra mendrika azy.

AHOANA NO AZONTSIKA ANOMEZANA AN’I JEHOVAH NY VONINAHITRA MENDRIKA AZY?

8. Ahoana no azontsika anomezana voninahitra an’i Jehovah? (Salamo 96:1-3)

8 Vakio ny Salamo 96:1-3. Manome voninahitra an’i Jehovah isika amin’izay lazaintsika momba azy. Manasa ny vahoakan’i Jehovah ireo andininy ireo mba ‘hihira ho an’i Jehovah’, ‘hidera ny anarany’, ‘hanambara ny vaovao tsaran’ny famonjeny’, ary ‘hilaza amin’ireo firenena hoe be voninahitra izy.’ Fomba hiderana an’ilay Raintsika any an-danitra daholo ireo. Na ny Jiosy nanam-pinoana na ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, dia samy tsy nisalasala niaro ny lazan’i Jehovah sy niresaka momba ny zavatra tsara nataon’i Jehovah ho azy ireo. (Dan. 3:16-18; Asa. 4:29) Isika koa ve afaka manao hoatr’izany?

9-10. Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Angelena? (Jereo koa ny sary.)

9 Diniho ny ohatr’i Angelena, a anabavy any Etazonia. Be herim-po izy niaro ny lazan’i Jehovah tao amin’ilay orinasa vao nidirany. Nisy fivoriana ho an’ny mpiasa vaovao tao amin’ilay orinasa, dia asaina milaza ny mombamomba azy ny mpiasa vaovao rehetra. Nanomana sary vitsivitsy i Angelena mba hampisehoana hoe faly izy satria Vavolombelon’i Jehovah. Nisy zavatra nampanahy azy anefa rehefa ho tonga ny anjarany. Nilaza mantsy ilay lehilahy teo alohany hoe zanaka Vavolombelon’i Jehovah, dia nanomboka nanaratsy ny zavatra inoantsika izy avy eo. Nitantara i Angelena hoe: “Nidobodoboka be ny foko. Nieritreritra anefa aho hoe: ‘Dia avelako hilaza lainga momba an’i Jehovah ve izy? Tsy maintsy miaro ny anaran’i Jehovah aho!’”

10 Rehefa vita ny anjaran’ilay lehilahy dia nivavaka mangina haingana i Angelena. Tsara fanahy izy niteny tamin’ilay lehilahy hoe: “Mitovy isika satria izaho koa zanaka Vavolombelon’i Jehovah. Fa izaho mbola Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izao.” Na dia nampatahotra aza ilay toe-javatra, dia tony foana i Angelena rehefa nampiseho ny sariny niaraka tamin’ny namany faly manompo an’i Jehovah. Vitany koa ny nanazava tsara ny zavatra inoany. (1 Pet. 3:15) Dia inona no vokany? Tony ihany ilay lehilahy rehefa vita ny fanazavan’i Angelena. Niaiky mihitsy aza izy hoe betsaka ny zavatra mahafinaritra tsaroany tamin’izy niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no lazain’i Angelena: “Mendrika ny harovana ny anaran’i Jehovah. Tena tombontsoa ny miaro ny anarany.” Manana tombontsoa hidera an’i Jehovah sy hanome voninahitra azy koa isika rehefa haratsin’ny olona izy.

Afaka manome voninahitra an’i Jehovah isika amin’ny tenintsika (Fehintsoratra 9-10) b


11. Ahoana no nataon’ny mpanompon’i Jehovah hatramin’izay mba hampiharana ny torolalana ao amin’ny Salamo 96:8?

11 Vakio ny Salamo 96:8. Manome voninahitra an’i Jehovah isika amin’ny zava-tsarobidy ananantsika. Nanome voninahitra an’i Jehovah hoatr’izany foana ny mpanompony hatramin’izay. (Ohab. 3:9) Nanao fanomezana, ohatra, ny Israelita mba hanorenana sy hikojakojana ny tempoly. (2 Mpanj. 12:4, 5; 1 Tan. 29:3-9) “Nampiasa ny fananany” ny mpianatr’i Kristy mba hikarakarana azy sy ny apostoliny. (Lioka 8:1-3) Nandefa fanampiana ho an’ny mpiara-manompo tamin-dry zareo koa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 11:27-29) Manome voninahitra an’i Jehovah koa isika amin’izao rehefa manao fanomezana an-tsitrapo.

12. Nahoana no manome voninahitra an’i Jehovah ny fanomezana ataontsika? (Jereo koa ny sary.)

12 Intỳ misy tantara mampiseho hoe manome voninahitra an’i Jehovah ny fanomezana ataontsika. Noresahin’ny tatitra iray tamin’ny 2020 hoe olona an-tapitrisany no natahorana ho fatin’ny hanoanana noho ny hain-tany naharitra ela be tany Zimbabwe. Tratran’izany koa ny anabavy iray antsoina hoe Prisca. Na teo aza anefa ilay hain-tany dia mbola nitory hoatran’ny fanaony foana izy isaky ny alarobia sy zoma, na dia tamin’ny fotoana fambolena aza. Nanesoeso azy ny mpiray tanàna taminy satria hoe nilaozany nanompo fa tsy niasa tany. Nilaza ry zareo hoe: “Ho fatin’ny hanoanana ianao.” Izao foana no navaliny azy ireo: “Tsy mbola nanary ny mpanompony izany mihitsy i Jehovah.” Tsy ela taorian’izay dia nahazo fanampiana avy amin’ny fandaminana izy. Ny fanomezana ataontsika no nahafahana nandefa an’ireny fanampiana ireny. Gaga be ny mpiray tanàna tamin’i Prisca dia niteny hoe: “Tena tsy nanary anao marina Andriamanitra, dia te hianatra bebe kokoa momba azy izahay.” Nanomboka nivory ny fito tamin’izy ireo taorian’izay.

Afaka manome voninahitra an’i Jehovah isika amin’ny zava-tsarobidy ananantsika (Fehintsoratra 12) c


13. Ahoana no anomezantsika voninahitra an’i Jehovah amin’ny fitondran-tenantsika? (Salamo 96:9)

13 Vakio ny Salamo 96:9. Manome voninahitra an’i Jehovah isika amin’ny fitondran-tenantsika. Tsy maintsy madio ny mpisorona nanompo tao amin’ny tempolin’i Jehovah. (Eks. 40:30-32) Mbola zava-dehibe noho ny hoe madio ara-batana anefa ny hoe madio fitondran-tena. (Sal. 24:3, 4; 1 Pet. 1:15, 16) Mila miezaka mafy isika mba hanaisotra ‘ny toetra taloha’ dia hitafy “ny toetra vaovao.” (Kol. 3:9, 10) Ialantsika izany ny toe-tsaina sy ny fanao maloto, fa ataontsika mifanaraka amin’ny toetran’i Jehovah be voninahitra ny toe-tsaintsika sy ny zavatra ataontsika. Na dia ny olona tena ratsy fitondran-tena sy mahery setra aza, dia afaka miova sy mitafy ny toetra vaovao rehefa ampian’i Jehovah.

14. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Jack? (Jereo koa ny sary.)

14 Diniho ny tantaran’i Jack. Tena nahery setra izy sady nampatahotra, dia nantsoin’ny olona hoe Demony. Voaheloka ho faty izy noho ny heloka bevava be dia be nataony. Talohan’ny namonoana azy dia nanaiky hianatra Baiboly izy, rehefa nisy rahalahy nitsidika tao amin’ilay fonja nigadrany. Nahavita nanala ny toetrany taloha i Jack na dia efa raiki-tampisaka taminy aza ilay izy, ary nahafeno fepetra hatao batisa izy tatỳ aoriana. Tena niova be i Jack. Nilatsaka ny ranomason’ny mpiambina sasany rehefa hanao veloma azy, tamin’izy hovonoina ho faty. Nilaza hoatr’izao ny miaramila iray niasa tao amin’ilay fonja: “I Jack no olona mahatsiravina indrindra tato amin’ity fonja ity taloha. Izy anefa izao no anisan’ny mahafinaritra indrindra.” Herinandro taorian’ny namonoana an’i Jack, dia niverina tany amin’ilay fonja ny rahalahy mba hitarika fivoriana fanao isan-kerinandro. Nihaona tamin’ny gadra iray vao sambany nivory ry zareo. Nanomboka nivory io lehilahy io satria tena nampiaiky azy ny fiovan’i Jack, dia tiany ho fantatra hoe ahoana no atao mba hanompoana an’i Jehovah. Hita avy amin’izany hoe tena afaka manome voninahitra an’ilay Raintsika any an-danitra ny fitondran-tenantsika.​—1 Pet. 2:12.

Afaka manome voninahitra an’i Jehovah isika amin’ny fitondran-tenantsika (Fehintsoratra 14) d


AHOANA NO HATAON’I JEHOVAH ATSY HO ATSY MBA HANOMEZANA VONINAHITRA NY ANARANY?

15. Inona no hataon’i Jehovah atsy ho atsy mba hahazo voninahitra tanteraka ny anarany? (Salamo 96:10-13)

15 Vakio ny Salamo 96:10-13. Asehon’ireo andininy farany ao amin’ny Salamo faha-​96 ireo hoe Mpitsara sy Mpanjaka manao ny rariny i Jehovah. Ahoana no hataon’i Jehovah atsy ho atsy mba hanomezana voninahitra ny anarany? Amin’ny alalan’ny didim-pitsarany. Tsy ho ela izy dia handringana an’i Babylona Lehibe noho izy io manaratsy ny anarany masina. (Apok. 17:5, 16; 19:1, 2) Mety hanapa-kevitra hanompo an’i Jehovah miaraka amintsika ny olona sasany mahita ny fandravana an’i Babylona Lehibe. Rehefa tonga ny Aramagedona dia horavan’i Jehovah ny tontolon’i Satana manontolo. Haringany daholo ny olona manohitra azy sy manevateva ny anarany, fa hovonjeny kosa ireo olona tia sy mankatò azy ary mirehareha satria manome voninahitra azy. (Mar. 8:38; 2 Tes. 1:6-10) Ho vitan’i Jehovah tanteraka ny hanamasina ny anarany rehefa tapitra ny fitsapana farany, aorian’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. (Apok. 20:7-10) Amin’izay fotoana izay dia ‘ho feno fahalalana ny voninahitr’i Jehovah ny tany, hoatran’ny rano manarona ny fanambanin’ny ranomasina.’​—Hab. 2:14.

16. Tapa-kevitra hanao inona ianao? (Jereo koa ny sary.)

16 Ho avy ny fotoana hanomezan’ny olona rehetra an’i Jehovah ny voninahitra mendrika ny anarany. Hampientanentana be izao izany! Mandra-pahatongan’izany anefa dia hanararaotra hanome voninahitra an’ilay Andriamanitsika isika, isaky ny afaka manao an’izany. Tian’ny Filan-kevi-pitantanana hifantoka amin’izany andraikitra lehibe izany isika. Izany no nahatonga azy hifidy ny Salamo 96:8 mba ho andinin-teny ho an’ny taona 2025. Izao ilay izy: “Omeo voninahitra i Jehovah fa mendrika an’izany ny anarany.”

Hanome an’i Jehovah ny voninahitra mendrika ny anarany daholo ny olona amin’ny hoavy! (Fehintsoratra 16)

HIRA 12 Jehovah Tompo, Ilay Avo Indrindra

a Novana ny anarana sasany.

b SARY: Tsy tena izy: Sary mampiseho ny zavatra niainan’i Angelena.

c SARY: Tsy tena izy: Sary mampiseho ny zavatra niainan’i Prisca.

d SARY: Tsy tena izy: Sary mampiseho ny tantaran’i Jack.