Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 2

HIRA 132 Iray Isika Izao

Ry Lehilahy, Omeo Voninahitra ny Vadinareo

Ry Lehilahy, Omeo Voninahitra ny Vadinareo

“Ianareo lehilahy, ... omeo voninahitra ny [vadinareo].”​—1 PET. 3:7.

HEVITRA HODINIHINA

Inona no azon’ny lehilahy atao mba hanomezana voninahitra ny vadiny amin’izay lazainy sy ataony?

1. Inona no anisan’ny nahatonga an’i Jehovah namorona ny fanambadiana?

 “ANDRIAMANITRA falifaly” i Jehovah dia tiany ho faly koa isika. (1 Tim. 1:11) Betsaka ny fanomezana nomeny mba hahafahantsika mankafy fiainana, anisan’izany ny fanambadiana. (Jak. 1:17) Rehefa mivady ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, dia manao voady ry zareo hoe hifankatia sy hifanaja. Tena ho sambatra izy mivady raha mifankatia be foana.​—Ohab. 5:18.

2. Manao ahoana ny tokantrano maro amin’izao?

2 Mampalahelo fa be dia be amin’izao ny mpivady tsy miraharaha ny voadim-panambadiana nataony, dia lasa tsy sambatra. Vao haingana ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana no nanao tatitra hoe be dia be ny lehilahy mamono vady, manevateva azy, na mampijaly azy amin’ny fomba hafa. Mety hoe manaja tsara ny vadiny ny lehilahy hoatr’izany rehefa eny imason’olona, nefa mifanohitra amin’izay rehefa ao an-trano. Be dia be koa ny tokantrano manana olana rehefa mijery sary vetaveta ilay lehilahy.

3. Inona avy no mety hahatonga ny lehilahy hampijaly vady?

3 Inona no mahatonga ny lehilahy sasany hampijaly ny vadiny? Nahery setra be angamba ny dadany, dia mieritreritra izy hoe tsy maninona raha manao hoatr’izany koa. Ny kolontsaina indray no mahatonga ny lehilahy sasany hanana hevi-diso hoe tsy “tena lehilahy” izy raha tsy mampiasa herisetra, mba hampisehoana amin’ny vadiny hoe manana fahefana izy. Ny sasany indray tsy nampianarina hifehy ny fihetseham-pony, ohatra hoe hifehy ny hatezerany. Misy indray lehilahy zatra mijery sary vetaveta, dia lasa miova ny fiheverany ny vehivavy sy ny firaisana. Ankoatra izay, dia be dia be ny tatitra nilaza hoe vao mainka nitombo ireo olana ireo noho ilay valanaretina COVID-19. Tsy manala tsiny ny lehilahy mahery setra amin’ny vadiny mihitsy anefa ireo notanisaintsika ireo.

4. Inona no mila itandreman’ny lehilahy kristianina manambady, ary nahoana?

4 Mila mitandrina ny lehilahy kristianina manambady mba tsy hanana hevi-diso momba ny vehivavy. a Ny zavatra eritreretin’ny olona iray mantsy matetika no mahatonga azy hanao zavatra. Nampitandrina ny Kristianina voahosotra tany Roma ny apostoly Paoly mba tsy hanaiky “hovolavolain’izao tontolo izao intsony.” (Rom. 12:1, 2) Azo antoka hoe efa ela io fiangonana tany Roma io no niforona, tamin’i Paoly nanoratra ho an-dry zareo. Hita amin’ilay teniny anefa hoe mbola nisy vokany be tamin’ny Kristianina sasany tao ny fanao sy ny toe-tsain’ny olona tamin’izany. Izay no nahatonga azy hampirisika an-dry zareo hanova ny toe-tsainy sy ny fitondran-tenany. Tena mbola mihatra amin’ny lehilahy kristianina manambady io torohevitra io. Mampalahelo fa misy vokany amin’ny rahalahy sasany ny toe-tsain’izao tontolo izao, dia lasa mahery setra amin’ny vadiny mihitsy aza ry zareo. b Ahoana anefa no tian’i Jehovah hitondran’ny lehilahy ny vadiny? Mamaly an’izany ny andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity.

5. Ahoana no tokony hitondran’ny lehilahy ny vadiny, araka ny 1 Petera 3:7?

5 Vakio ny 1 Petera 3:7. Mandidy ny lehilahy i Jehovah mba hanome voninahitra ny vadiny. Ilazana ny fomba itondrantsika ny olona hajaintsika ilay hoe manome voninahitra. Be fitiavana sy tsara fanahy amin’ny vadiny ny lehilahy manome voninahitra azy. Hodinihintsika ato izay azon’ny lehilahy atao mba hanomezana voninahitra ny vadiny. Andao aloha hojerentsika hoe inona avy ny fanao tsy manome voninahitra ny vehivavy.

HALAVIRO NY FANAO TSY MANOME VONINAHITRA NY VADINAO

6. Ahoana no fahitan’i Jehovah ny lehilahy mamono vady? (Kolosianina 3:19)

6 Mamono vady. Halan’i Jehovah ny olona mahery setra. (Sal. 11:5) Nosinganiny manokana mihitsy hoe manameloka ny lehilahy mamono vady izy. (Mal. 2:16; vakio ny Kolosianina 3:19.) Raha tsy tsara fanahy amin’ny vadiny àry ny lehilahy iray dia ho simba ny fifandraisany amin’Andriamanitra, araka ny 1 Petera 3:7, izay andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity. Mety tsy hihaino ny vavaka ataony mihitsy aza i Jehovah.

7. Inona no tsy tokony hataon’ny lehilahy manambady, araka ny Efesianina 4:31, 32? (Jereo koa ilay hoe “Fanazavana.”)

7 Manevateva. Misy lehilahy sasany masiaka be sy manao teny maharary amin’ny vadiny. Halan’i Jehovah anefa ny “fahatezerana, fisafoahana, filelalelana, ary fanevatevana.” c (Vakio ny Efesianina 4:31, 32.) Maheno ny zava-drehetra izy, dia zava-dehibe aminy ny fomba iresahan’ny lehilahy amin’ny vadiny na dia rehefa izy roa irery aza no ao an-trano. Raha masiaka amin’ny vadiny ny lehilahy iray, dia tsy ny fifandraisany amin’ilay vehivavy ihany no ho simba fa ny fifandraisany amin’Andriamanitra koa.​—Jak. 1:26.

8. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny sary vetaveta, ary nahoana?

8 Mijery sary vetaveta. Tena tsy tian’i Jehovah ny sary vetaveta. Manimba ny fifandraisany amin’i Jehovah àry ny lehilahy iray sady manambany ny vadiny, raha mijery sary maloto. d Tian’i Jehovah tsy hivadika amin’ny vadiny mihitsy ny lehilahy, na amin’ny ataony izany na amin’ny eritreriny. Nilaza i Jesosy fa raha misy lehilahy mijery vehivavy hafa ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady “tao am-pony” izy. e​—Mat. 5:28, 29.

9. Maninona no halan’i Jehovah ny lehilahy manery ny vadiny hanao zavatra manambany azy?

9 Manery ny vadiny hanao zavatra manambany azy rehefa manao firaisana. Rehefa manao firaisana amin’ny vadiny ny lehilahy sasany, dia manery azy hanao zavatra manambany azy, na mahatonga azy hahatsapa hoe maloto na tsy tiana. Halan’i Jehovah ny toe-tsaina tia tena sy tsy miraharaha ny hafa hoatr’izany. Tiany kosa ny lehilahy raha tsara fanahy sy tia ny vadiny ary manaja ny fihetseham-pony. (Efes. 5:28, 29) Ahoana raha misy lehilahy kristianina manambany ny vadiny, na mamono azy, na mijery sary vetaveta? Inona no hanampy azy hanova ny toe-tsainy sy ny zavatra ataony?

INONA NO HANAMPY NY LEHILAHY HIOVA?

10. Inona no azon’ny lehilahy manambady ianarana avy amin’i Jesosy?

10 Inona no hanampy ny lehilahy tsy hampijaly na hanambany ny vadiny? Afaka miezaka mafy manahaka an’i Jesosy izy. Marina hoe tsy nanambady i Jesosy, fa hita tamin’ny fomba nitondrany ny mpianany anefa hoe hoatran’ny ahoana no tokony hitondran’ny lehilahy ny vadiny. (Efes. 5:25) Diniho, ohatra, izay azon’ny lehilahy manambady ianarana avy amin’ny fomba nitondran’i Jesosy ny apostoliny, sy ny fomba niresahany tamin-dry zareo.

11. Ahoana no nitondran’i Jesosy ny apostoliny?

11 Tsara fanahy sy nanaja ny apostoliny i Jesosy. Tsy nasiaka na nanjakazaka tamin-dry zareo mihitsy izy. Na dia Tompon’izy ireo aza i Jesosy, dia tsy nieritreritra izy hoe mila mampiasa ny heriny mba hanaporofoana hoe manam-pahefana amin-dry zareo. Nanetry tena kosa izy ka nanompo ny mpianany. (Jaona 13:12-17) Nilaza tamin-dry zareo izy hoe: “Mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo.” (Mat. 11:28-30) Mariho hoe nalemy fanahy i Jesosy. Tsy hoe tsy manana hazondamosina akory ny olona malemy fanahy. Tena matanjaka kosa izy ka mahavita mifehy tena. Tony foana izy sady mahay mifehy ny fihetseham-pony rehefa misy mampahatezitra azy.

12. Hoatran’ny ahoana ny firesak’i Jesosy tamin’ny olona?

12 Nampionona sy nampahery i Jesosy rehefa niteny. Tsy nasiaka tamin’ny mpanara-dia azy izy. (Lioka 8:47, 48) Na dia nanambanimbany sy nila ady taminy aza ny fahavalony, dia “tsy mba nanambanimbany” an-dry zareo izy. (1 Pet. 2:21-23) Naleon’i Jesosy mihitsy aza nangina indraindray, toy izay hanao teny masiaka. (Mat. 27:12-14) Tena ohatra tsara ho an’ny lehilahy kristianina manambady izany!

13. Ahoana no ampisehoan’ny lehilahy hoe ‘mikambana amin’ny vadiny’ izy? (Matio 19:4-6) (Jereo koa ny sary.)

13 Nandidy ny lehilahy i Jesosy mba tsy hivadika amin’ny vadiny mihitsy. Namerina ny tenin’ny Rainy izy hoe tokony “hikambana amin’ny vadiny” ny lehilahy. (Vakio ny Matio 19:4-6.) Ilay matoanteny grika hoe “mikambana” eo amin’io andininy io, dia midika ara-bakiteny hoe “miraikitra amin’ny lakaoly.” Tena tokony ho mafy be izany ny fifandraisan’ny mpivady, ka hoatran’ny hoe misy lakaoly mampiraikitra an-dry zareo. Tsy maintsy hijaly na ny andaniny na ny ankilany raha simba io fifandraisana io. Raha miezaka ny hiraiki-po be hoatr’izany amin’ny vadiny ny lehilahy, dia tsy hijery zavatra vetaveta mihitsy na inona izany na inona. Tonga dia hihodina izy fa tsy hanaiky “hijery zavatra tsy misy ilana azy.” (Sal. 119:37) Manao fifanekena amin’ny masony izy mba tsy hijery vehivavy hafa ankoatra ny vadiny, ka hoe haniry hanao firaisana aminy.​—Joba 31:1.

Tsy manaiky hijery sary vetaveta ny lehilahy tsy mivadika amin’ny vadiny (Fehintsoratra 13) g


14. Inona avy no tokony hataon’ny lehilahy mampijaly vady raha te hifandray tsara amin’i Jehovah sy ny vadiny indray izy?

14 Inona no mbola mila ataon’ny lehilahy mampijaly na manevateva ny vadiny, raha te hifandray tsara amin’i Jehovah sy amin’ny vadiny indray izy? Voalohany, miaiky izy hoe manana olana be. Tsy azony afenina izany satria tsy misy na inona na inona miafina eo imason’i Jehovah. (Sal. 44:21; Mpito. 12:14; Heb. 4:13) Faharoa, tsy mampijaly na manevateva ny vadiny intsony izy dia miova. (Ohab. 28:13) Fahatelo, mifona amin’ny vadiny sy amin’i Jehovah izy, dia mangataka famelan-keloka amin-dry zareo. (Asa. 3:19) Tokony hitalaho amin’i Jehovah koa izy mba hanampy azy haniry hiova, sy hifehy ny eritreriny, ny teniny, ary ny zavatra ataony. (Sal. 51:10-12; 2 Kor. 10:5; Fil. 2:13) Fahefatra, manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataony izy, ka mianatra mankahala ny karazana herisetra sy ny fanevatevana rehetra. (Sal. 97:10) Fahadimy, mitady haingana ny fanampian’ny mpiandry be fitiavana ao amin’ny fiangonana izy. (Jak. 5:14-16) Fahenina, eritreretiny mialoha izay azony atao mba tsy hamerenany intsony ny fahadisoany. Tokony hanao an’ireo dingana ireo koa ny lehilahy manambady mijery sary vetaveta. Hotahin’i Jehovah ny ezaka ataony mba hiovana. (Sal. 37:5) Efa tsara ilay hoe miala amin’ny fanao tsy manome voninahitra ny vadiny ny lehilahy. Tsy ampy anefa izay fa mila mianatra manome voninahitra azy koa izy. Ahoana izany?

FOMBA ANOMEZANAO VONINAHITRA NY VADINAO

15. Ahoana no ampisehoan’ny lehilahy hoe tiany ny vadiny?

15 Manehoa fitiavana. Inona ny fahazarana ananan’ny rahalahy sasany sambatra am-panambadiana? Manao zavatra ry zareo isan’andro mba hampisehoana amin’ny vadiny hoe tiany izy. (1 Jaona 3:18) Na dia amin’ny zavatra kely aza dia afaka mampiseho fitiavana ny vadiny ny lehilahy, ohatra hoe mitantana azy na mamihina azy. Azony atao koa ny mandefa hafatra kely hoe: “Malahelo an-drỳ aho!”, na hoe: “Tiako indrỳ!” Mety koa indraindray ny manoratra karta kely misy teny mamy, na mba mitondra azy mandehandeha. Manome voninahitra ny vadiny ny lehilahy rehefa manao hoatr’izany, sady manamafy orina ny tokantranony.

16. Nahoana no tokony hidera ny vadiny ny lehilahy?

16 Mahaiza mankasitraka. Mampahery ny vadiny sy manampy azy hatoky tena ny lehilahy rehefa manome voninahitra azy. Tsy hadinony, ohatra, ny misaotra ny vadiny noho izay rehetra ataony mba hanohanana azy. (Kol. 3:15) Rehefa manao teny fiderana amin’ny fony ny lehilahy iray, dia manohina ny fon’ny vadiny izany, ka mahatsapa hoe voaro sy tiana ary omena voninahitra izy.​—Ohab. 31:28.

17. Ahoana no ampisehoan’ny lehilahy hoe manaja ny vadiny izy?

17 Miezaha ho tsara fanahy sy hanaja. Mihevitra ny vadiny ho sarobidy ny lehilahy tia ny vadiny. (Ohab. 18:22; 31:10) Fanomezana tsara be avy amin’i Jehovah no fiheverany azy. Tsara fanahy aminy àry izy sady manaja azy na dia rehefa manao firaisana aza ry zareo. Tsy hanery ny vadiny hanao zavatra tsy mampahazo aina azy, na manambany azy, na tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretany ilay lehilahy rehefa manao firaisana ry zareo. f Hiezaka mafy koa ilay lehilahy mba hanana feon’ny fieritreretana madio foana eo anatrehan’i Jehovah.​—Asa. 24:16.

18. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona ny lehilahy manambady? (Jereo koa ilay hoe “ Fomba Efatra Hanampy Anao ho Lehilahy Manaja Vady.”)

18 Ry lehilahy, matokia fa hitan’i Jehovah sy ankasitrahany ny ezaka ataonareo mba hanomezana voninahitra ny vadinareo amin’izay rehetra ataonareo. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny hanome voninahitra ny vadinao, ka hanalavitra an’ireo fanao tsy manome voninahitra azy, ho tsara fanahy, hanaja, ary hampiseho fitiavana. Asehonao amin’izany hoe mamin’ny fonao izy sady sarobidy aminao. Raha manome voninahitra ny vadinao ianao, dia hiaro ny fifandraisanao amin’i Jehovah, ary izany no zava-dehibe indrindra.​—Sal. 25:14.

HIRA 131 “Nampiraisin’Andriamanitra” ny Mpivady

a Hahasoa ny lehilahy manambady ilay lahatsoratra hoe “Toy ny An’i Jehovah ve ny Fomba Itondranao ny Vehivavy?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Janoary 2024.

b Raha iharan’ny herisetra ianao ao an-tokantrano, dia mety hahasoa anao ilay lahatsoratra hoe “Fanampiana An’ireo Iharan’ny Herisetra ao An-tokantrano”, ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Foto-kevitra Hafa” ao amin’ny jw.org/mg sy ny JW Library®.

c FANAZAVANA: Anisan’ny hoe “manevateva” ny mametaka anarana manambany sy manakiana mafy tsy misy farany. Azo lazaina hoe fanevatevana ny ompa sy izay teny rehetra mandratra fo sy manambany.

d Jereo ao amin’ny jw.org/mg sy ao amin’ny JW Library ilay lahatsoratra hoe “Mety Handrava ny Tokantranonao ny Fijerena Sary Vetaveta.”

e Raha mijery sary vetaveta ny lehilahy iray, dia hahasoa ny vadiny ilay lahatsoratra hoe “Ahoana Raha Mijery Zavatra Vetaveta ny Vadinao?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Aogositra 2023.

f Tsy resahin’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany hoe inona avy ny fanao madio sy maloto rehefa manao firaisana ny mpivady. Anjaran’ny mpivady kristianina ny manapa-kevitra ny amin’izany, ary tokony ho hita hoe tapa-kevitra ny hanome voninahitra an’i Jehovah ry zareo, hampifaly ny andaniny sy ny ankilany, ary hanana feon’ny fieritreretana madio foana. Amin’ny ankapobeny, dia tsy horesahin’ny mpivady amin’ny olon-kafa ny resaka hoatr’izany satria fiainan-dry zareo manokana.

g SARY: Ampirisihin’ny mpiara-miasa aminy tsy Vavolombelona ny rahalahy iray mba hijery boky misy sary vetaveta.