Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 23

HIRA 28 Te ho Namanao Izahay, Jehovah

Manasa Antsika ho Vahininy i Jehovah

Manasa Antsika ho Vahininy i Jehovah

“Ho eo amin’izy ireo ny tranolaiko, ka izaho ho Andriamaniny.”​—EZEK. 37:27.

HEVITRA HODINIHINA

Hanampy antsika ity lahatsoratra ity hankasitraka kokoa an’ilay fanasan’i Jehovah hivahiny ao amin’ny tranolainy sy ny fomba ikarakarany antsika.

1-2. Inona no fanasana omen’i Jehovah an’ireo mpanompony tsy mivadika?

 RAHA misy manontany ianao hoe ahoana no iantsoanao an’i Jehovah, dia inona no havalinao? Mety hiteny ianao hoe: ‘Dadako izy, Andriamanitro, dia Namako.’ Misy fomba hafa na anaram-boninahitra hafa azonao iantsoana azy koa. Efa noeritreretinao koa anefa ve fa azo antsoina hoe Mpampiantrano anao izy?

2 Nampitovin’i Davida Mpanjaka tamin’ny fifandraisan’ny vahiny sy ny mpampiantrano azy ilay hoe i Jehovah minamana amin’ny mpanompony tsy mivadika. Izao no nanontanian’i Davida: “Jehovah ô, iza no afaka mivahiny ao amin’ny tranolainao? Iza no afaka monina ao amin’ny tendrombohitrao masina?” (Sal. 15:1) Hita amin’ireo teny nasain’i Jehovah nosoratany ireo hoe afaka ny ho lasa vahinin’i Jehovah isika, izany hoe ho lasa namany. Tsy hitanao hoe tena miavaka ve izany fanasana izany?

TIAN’I JEHOVAH HO VAHININY ISIKA

3. Iza no vahinin’i Jehovah voalohany, ary inona no tsapan’i Jehovah sy ilay vahininy?

3 I Jehovah irery no nisy talohan’ny namoronany ny zava-drehetra. Avy eo anefa izy namorona ny Zanany lahimatoa, dia nampandrosoiny tao amin’ny tranolainy izy io. Io Zanany io no vahininy voalohany. Lasa hoatran’ny hoe Mpampiantrano izy nanomboka teo, dia tiany be ny nanao an’izany. Resahin’ny Baiboly hoe “tena nahafinaritra” an’i Jehovah io Zanany io, dia io vahininy io indray ‘falifaly foana teo anatrehany.’​—Ohab. 8:30.

4. Ahoana no nanitaran’i Jehovah tsikelikely ny tranolainy?

4 Namorona anjely hafa i Jehovah tatỳ aoriana, dia nasainy hivahiny tao aminy koa ry zareo. Antsoina hoe “zanak’Andriamanitra” ny anjely, ary voalaza fa faly ry zareo miaraka amin’i Jehovah. (Joba 38:7; Dan. 7:10) Nandritra ny fotoana elaela, dia izay niara-nipetraka taminy tany an-danitra ihany no afaka ninamana tamin’Andriamanitra. Nitariny anefa ny tranolainy tatỳ aoriana, ka afaka nankao koa ny olombelona tetỳ an-tany. Anisan’ny nahazo an’izany tombontsoa izany i Enoka, Noa, Abrahama, ary Joba. Nantsoina hoe naman’Andriamanitra ireo mpanompony ireo, na “niara-nandeha tamin’ilay tena Andriamanitra.”​—Gen. 5:24; 6:9; Joba 29:4; Isaia 41:8.

5. Inona no ianarantsika avy amin’ilay faminaniana ao amin’ny Ezekiela 37:26, 27?

5 Mbola nanasa ny namany hivahiny tao aminy foana i Jehovah nandritra ny taonjato maro. (Vakio ny Ezekiela 37:26, 27.) Ianarantsika ao amin’ny faminanian’i Ezekiela, ohatra, hoe tena tian’Andriamanitra hifandray akaiky aminy ny mpanompony tsy mivadika. Mampanantena izy fa hanao “fifanekem-pihavanana amin’izy ireo.” Rahoviana izany no hitranga? Rehefa lasa “andiany iray” ireo manantena hiaina any an-danitra sy ireo manantena hiaina eto an-tany, ka ho tafaray ao amin’ny tranolainy. (Jaona 10:16) Efa tanteraka amin’izao izany!

MIKARAKARA ANTSIKA ANDRIAMANITRA NA AIZA NA AIZA MISY ANTSIKA

6. Ahoana no hahatonga ny olona iray ho vahiny ao amin’ny tranolain’i Jehovah, ary aiza no misy an’io tranolay io?

6 Toerana natao hakana aina ny tranolay taloha, sady natao hiarovana amin’ny andro ratsy sy ny hainandro. Afaka nanantena izay vahiny tao hoe ho voakarakara tsara. Rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah isika, dia afaka mivahiny ao amin’ny tranolainy. (Sal. 61:4) Mankafy sakafo ara-panahy be dia be isika sady afaka minamana amin’ireo efa vahinin’i Jehovah. Tsy hoe amin’ny toerana iray fotsiny no misy ny tranolainy. Efa nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana tany an-tany hafa angamba ianao, dia nifankahita tamin’ny olona falifaly ao amin’ny tranolain’Andriamanitra. Misy tranolain’i Jehovah foana àry na aiza na aiza misy mpanompony mankatò azy.​—Apok. 21:3.

7. Nahoana isika no afaka milaza hoe mbola vahiny ao amin’ny tranolain’i Jehovah na dia ireo olona maty tsy nivadika aza? (Jereo koa ny sary.)

7 Ary ahoana ny amin’ireo mpanompony tsy mivadika efa maty? Mbola azo lazaina hoe vahiny ao amin’ny tranolain’i Jehovah ve izy ireny? Izany mihitsy! Nahoana? Satria tadidin’i Jehovah foana ireny olona ireny, ka velona ry zareo aminy. Izao no nohazavain’i Jesosy: “Na i Mosesy aza nampahafantatra hoe hatsangana ny maty, tao amin’ny fitantarana momba an’ilay voarointsilo, rehefa niantso an’i Jehovah hoe ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba.’ Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona satria aminy dia velona daholo izy rehetra ireo.”​—Lioka 20:37, 38.

Mbola heverina hoe vahiny ao amin’ny tranolain’Andriamanitra, na dia ireo mpanompony tsy mivadika efa maty aza (Fehintsoratra 7)


SADY TOMBONTSOA NO ANDRAIKITRA

8. Inona ny soa azon’izay mivahiny ao amin’ny tranolain’i Jehovah?

8 Toerana natao hakana aina ny tranolay sady natao hiarovana amin’ny andro ratsy sy ny hainandro. Hoatr’izany koa ny tranolain’i Jehovah. Miaro ny vahininy amin’izay mety hanimba ny fifandraisany aminy izy io, sady miaro an-dry zareo tsy ho very fanantenana. Tsy afaka ny hanisy ratsy antsika maharitra i Satana, raha mbola mifandray akaiky amin’i Jehovah isika. (Sal. 31:23; 1 Jaona 3:8) Mbola hiaro ny namany tsy mivadika i Jehovah ao amin’ny tontolo vaovao. Tsy hoe hiaro an-dry zareo amin’izay mety hanimba ny fifandraisany aminy ihany izy, fa hiaro an-dry zareo tsy ho faty koa.​—Apok. 21:4.

9. Inona ny zavatra andrasan’i Jehovah amin’ny vahininy?

9 Tena voninahitra be ilay hoe mivahiny ao amin’ny tranolain’i Jehovah, izany hoe mifandray akaiky aminy foana. Dia inona no tokony hataontsika raha te hivahiny ao aminy foana isika? Raha asain’olona ho any an-tranony ianao, dia tianao ho fantatra hoe inona no takiny aminao. Rehefa asainy manala kiraro, ohatra, ianao alohan’ny hidirana, dia tonga dia vonona hanao an’izany. Hoatr’izany koa fa tena tiantsika ho fantatra hoe inona no takin’i Jehovah amin’izay te hivahiny foana ao amin’ny tranolainy. Tia an’i Jehovah isika, dia manao izay fara herintsika mba ‘hampifaliana azy tanteraka.’ (Kol. 1:10) Raisintsika ho Namana i Jehovah, nefa fantatsika koa hoe Andriamanitsika sy Dadantsika izy, ka mendrika ny hohajaina. (Sal. 25:14) Tokony hanaja lalina azy foana àry isika sady tsy hanadino mihitsy hoe iza izy. Hanampy antsika tsy hanao zavatra mampahatezitra azy izany. Azo antoka hoe te “hanetry tena [isika] rehefa miara-mandeha” amin’ny Andriamanitsika.​—Mika 6:8.

TSY NANAVAKAVAKA I JEHOVAH TANY AN-TANY EFITRA

10-11. Nahoana ny fomba nitondran’i Jehovah ny Israelita tany an-tany efitr’i Sinay no mampiseho hoe tsy manavakavaka izy?

10 Tsy manavakavaka i Jehovah rehefa mikarakara ny vahininy. (Rom. 2:11) Hitantsika izany tamin’ny fomba nitondrany ny Israelita tany an-tany efitr’i Sinay.

11 Nanendry mpisorona hanompo tao amin’ny tranolay masina i Jehovah, rehefa avy nanafaka ny vahoakany mba tsy ho andevo tany Ejipta. Notendreny hanao asa hafa tao koa ny Levita. Nokarakarain’i Jehovah kokoa noho ny olon-kafa ve izay nanompo tao amin’ny tranolay masina, na izay nipetraka teny akaikikaikin’ilay izy? Tsy izany! Tsy manavakavaka mantsy i Jehovah.

12. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe tsy manavakavaka izy rehefa nampiantrano an’ilay firenena vaovao vao niforona? (Eksodosy 40:38) (Jereo koa ny sary.)

12 Samy afaka ninamana tamin’i Jehovah ny rehetra tao an-toby, na nanana andraikitra manokana na tsia, ary na akaiky na lavitra an’ilay tranolay masina no nisy azy. Nataon’i Jehovah azo antoka, ohatra, hoe ilay firenena manontolo mihitsy no nahita an’ilay andry rahona sy andry afo teo ambonin’ny tranolay masina. (Vakio ny Eksodosy 40:38.) Nahita an’ilay rahona nifindra daholo na dia ny olona nipetraka lavitra indrindra an’ilay tranolay masina aza, dia afaka nangorona ny entany ry zareo, nandrava ny tranolainy, ary niara-niainga tamin’ny mpiray firenena taminy. (Nom. 9:15-23) Naheno tsara daholo ny olona rehefa notsofina mafy sy mazava tsara ny trompetra volafotsy roa, mba hampahafantarana hoe mila miainga ry zareo. (Nom. 10:2) Mazava àry fa tsy hoe izay nipetraka teo akaikin’ny tranolay masina no ninamana kokoa tamin’i Jehovah. Afaka ny ho vahinin’i Jehovah kosa ny olona tsirairay ao amin’ilay firenena vao niforona, sady afaka niantehitra tamin’ny tari-dalany sy ny fiarovany. Hoatr’izany koa amin’izao. Na aiza na aiza misy antsika eto an-tany, dia afaka mandray soa amin’ny fitiavan’i Jehovah sy ny fikarakarany ary ny fiarovany isika.

Hita amin’ilay fandaharana momba ny tranolay masina sy ny toerana misy azy io hoe tsy manavakavaka Andriamanitra (Fehintsoratra 12)


TSY MANAVAKAVAKA KOA I JEHOVAH AMIN’IZAO

13. Inona ny fomba iray ampisehoan’i Jehovah hoe tsy manavakavaka izy amin’izao?

13 Misy amin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao mipetraka eny akaikin’ny foibe na ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy aza manompo ao mihitsy. Lasa afaka mandray anjara amin’ny zavatra be dia be atao ao ry zareo, dia afaka mifanerasera mivantana amin’ireo mitarika antsika. Ny sasany indray mpiandraikitra mpitety faritany na manao karazana fanompoana manontolo andro manokana hafa. Ahoana anefa raha anisan’ireo olona be dia be tsy mba anisan’izany ianao izao? Matokia fa tian’i Jehovah daholo izay ekeny ho vahininy. Io Mpampiantrano io mihitsy no hikarakara an’izay ilain’ny vahininy tsirairay. (1 Pet. 5:7) Mahazo an’izay sakafo ara-panahy sy tari-dalana ary fiarovana ilainy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.

14. Ahoana koa no ahitana hoe Mpampiantrano tsy manavakavaka i Jehovah?

14 Ahoana koa no ahitantsika hoe Mpampiantrano tsy manavakavaka i Jehovah? Nataony afaka mahazo Baiboly daholo ny olona eran-tany amin’izao. Nosoratana tamin’ny fiteny telo ny Soratra Masina tany am-boalohany: Hebreo, aramianina, ary grika. Akaiky kokoa an’i Jehovah noho ny olon-kafa ve izay mahay mamaky ny Baiboly amin’ireo fiteny ireo? Tsy izany mihitsy!​—Mat. 11:25.

15. Inona no manaporofo hoe tsy manavakavaka i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)

15 Tsy miankina amin’ny fianarana vitantsika na ny fiteny haintsika ny fankasitrahan’i Jehovah antsika. Tsy hoe izay avara-pianarana ihany no afaka mahazo ny fahendreny, fa ny olona rehetra eran-tany koa, na nahita fianarana na tsia. Nadika tamin’ny fiteny an’arivony ny Teniny na ny Baiboly, ka afaka mandray soa avy amin’ny fampianarana ao ny olona eran-tany, sady afaka mianatra hoe inona no tokony hatao raha te ho lasa namany.​—2 Tim. 3:16, 17.

Misy amin’ny fiteny maro be ny Baiboly amin’izao. Nahoana izany no manaporofo hoe tsy manavakavaka Andriamanitra? (Fehintsoratra 15)


MIEZAHA FOANA MBA ‘HANKASITRAHAN’I’ JEHOVAH

16. Inona no azontsika atao mba hankasitrahan’i Jehovah foana isika? (Asan’ny Apostoly 10:34, 35)

16 Tombontsoa be ilay hoe ampandrosoin’i Jehovah ao amin’ny tranolainy, dia mivahiny ao. Izy no Mpampiantrano tsara fanahy sy be fitiavana ary mahay mandray vahiny indrindra, sady tsy misy hoatr’azy. Tsy manavakavaka koa izy dia raisiny tsara daholo isika, na avy aiza na avy aiza, na inona na inona zavatra iainantsika sy fianarana vitantsika ary firazanana na foko misy antsika, na firy taona isika na firy taona, ary na lahy na vavy. Izay manaraka ny fitsipiny ihany anefa no ekeny hivahiny ao aminy.​—Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

17. Aiza isika no hahita fanazavana fanampiny momba an’izay mivahiny ao amin’ny tranolain’i Jehovah?

17 Nanontany hoatr’izao i Davida ao amin’ny Salamo 15:1: “Jehovah ô, iza no afaka mivahiny ao amin’ny tranolainao? Iza no afaka monina ao amin’ny tendrombohitrao masina?” Nahazo fanahy masina io mpanao salamo io, dia afaka namaly an’ireo fanontaniana ireo. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fepetra sasany takina amintsika, raha tiantsika ny hankasitrahan’i Jehovah foana.

HIRA 32 Miandania Amin’i Jehovah!