Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 42

HIRA 103 Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry

Asehoy hoe Ankasitrahanao Ireo ‘Lehilahy Natao Fanomezana’

Asehoy hoe Ankasitrahanao Ireo ‘Lehilahy Natao Fanomezana’

“Niakatra tany amin’ny avo [izy], ary lehilahy no nataony fanomezana.”​—EFES. 4:8.

HEVITRA HODINIHINA

Ahoana no anampian’ny mpikarakara fiangonana sy ny anti-panahy ary ny mpiandraikitra ny faritra antsika? Ahoana koa no ampisehoantsika hoe mankasitraka an’izay ataon’ireo lehilahy tsy mivadika ireo isika?

1. Milazà fanomezana sasany omen’i Jesosy antsika.

 MBOLA tsy nisy olombelona nalala-tanana hoatran’i Jesosy mihitsy. Tsy nitsitsitsitsy izy nampiasa ny heriny mba hanampiana ny hafa tamin’izy tetỳ an-tany. (Lioka 9:12-17) Nanome ny ainy ho antsika izy ary izay no fanomezana lehibe indrindra nataony. (Jaona 15:13) Mbola nalala-tanana foana i Jesosy na dia taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty aza. Araka ny nampanantenainy, dia nangataka tamin’i Jehovah izy handrotsaka ny fanahy masina tamintsika mba hampianarana sy hampiononana antsika. (Jaona 14:16, 17, f.a.p.; 16:13) Mbola manome an’izay ilaintsika i Jesosy amin’izao, amin’ny alalan’ny fivorian’ny fiangonana, mba hampianarantsika ny olona eran-tany ho lasa mpanara-dia azy.​—Mat. 28:18-20.

2. Iza no anisan’ireo ‘lehilahy natao fanomezana’? (Efesianina 4:7, 8)

2 Misy fanomezana hafa koa nomen’i Jesosy. Nilaza ny apostoly Paoly hoe rehefa niakatra tany an-danitra i Jesosy dia “lehilahy no nataony fanomezana.” (Vakio ny Efesianina 4:7, 8.) Nohazavainy hoe nanome azy ireo i Jesosy mba hanohana ny fiangonana amin’ny fomba samihafa. (Efes. 1:22, 23; 4:11-13) Anisan’ireo ‘lehilahy natao fanomezana’ ireo amin’izao ny mpikarakara fiangonana sy ny anti-panahy ary ny mpiandraikitra ny faritra. a Mazava ho azy hoe tsy lavorary ry zareo dia manao fahadisoana. (Jak. 3:2) Ry zareo anefa no ampiasain’i Jesosy Kristy Tompontsika mba hanampy antsika, ary fanomezany ho antsika ireo lehilahy ireo.

3. Hazavao amin’ny ohatra hoe ahoana no azon’ny rehetra anohanana ny asan’ny ‘lehilahy natao fanomezana.’

3 Notendren’i Jesosy hanatanjaka ny fiangonana ny ‘lehilahy natao fanomezana.’ (Efes. 4:12) Isika rehetra anefa afaka manampy mba hahavitan-dry zareo an’io andraikitra lehibe io. Diniho izao: Misy amintsika mandray anjara mivantana amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Ny hafa indray manohana an’ireny mpiasa ireny ka manome sakafo, ohatra, na mikarakara fitaterana. Hoatr’izany koa fa afaka manohana ny ezaka ataon’ny mpikarakara fiangonana sy ny anti-panahy ary ny mpiandraikitra ny faritra isika rehetra amin’izay lazaintsika sy ataontsika. Inona ny soa azontsika avy amin’ny asa mafy ataon-dry zareo? Ary ahoana no ampisehoantsika amin’ireo lehilahy ireo sy amin’i Jesosy, izay nanome azy ireny, hoe ankasitrahantsika ny ‘lehilahy natao fanomezana’?

“MANAMPY OLONA” NY MPIKARAKARA FIANGONANA

4. Ahoana, ohatra, no nanampian’ny mpikarakara fiangonana ny olona tamin’ny taonjato voalohany?

4 Nisy rahalahy notendrena ho mpikarakara fiangonana tamin’ny taonjato voalohany. (1 Tim. 3:8) Ry zareo angamba ilay “manampy olona” noresahin’i Paoly. (1 Kor. 12:28) Tena nilaina ny asan-dry zareo, mba hahafahan’ny anti-panahy nifantoka tamin’ny fampianarana sy ny fiandrasana ondry. Mety ho nanampy tamin’ny fanaovana dika mitovy ny Soratra Masina, ohatra, ny mpikarakara fiangonana na nividy fitaovana hanaovana an’izany.

5. Inona, ohatra, no fanampiana omen’ny mpikarakara fiangonana amin’izao?

5 Eritrereto ange ny fanampiana omen’ny mpikarakara fiangonana ao aminareo e! (1 Pet. 4:10) Mety hasaina mikarakara ny kaonty na ny faritanin’ny fiangonana ry zareo, manafatra boky sy gazety dia mizara an’izany amin’ny mpitory, mikarakara ny resaka feo sy video, mikarakara ny mpanatrika, na mikojakoja Efitrano Fanjakana. Samy ilaina ireo mba handeha tsara ny zava-drehetra ao amin’ny fiangonana. (1 Kor. 14:40) Ankoatra izay, dia misy mpikarakara fiangonana manao anjara amin’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana sy manao lahateny ho an’ny besinimaro. Mety hotendrena hanampy ny mpiandraikitra ny andia-mpitory koa ry zareo. Indraindray koa misy mpikarakara fiangonana mahafeno fepetra miara-manao fitsidihan’ny mpiandry amin’ny anti-panahy.

6. Inona ny antony sasany mahatonga antsika hankasitraka ny asa mafy ataon’ny mpikarakara fiangonana?

6 Inona avy ny soa azontsika noho ny asan’ny mpikarakara fiangonana? Izao no lazain’i Beberly, b anabavy any Bolivia: “Mankafy tsara ny fivoriana aho noho ny asa ataon’ny mpikarakara fiangonana. Afaka mihira aho, manome valin-teny, mihaino lahateny, ary mianatra avy amin’ireo video sy sary. Ataon-dry zareo izay hiarovana ny mpivory dia karakarainy tsara izay manatrika fivoriana amin’ny vidéoconférence. Mitarika ny fanadiovana ry zareo rehefa mirava, manampy amin’ny kaonty, dia ataon-dry zareo azo antoka hoe mahazo ny boky sy gazety ilainay izahay. Tena faly aho manana an-dry zareo!” Hoy koa i Leslie, vadin’anti-panahy any Kolombia: “Miantehitra amin’ny mpikarakara fiangonana ny vadiko mba hamitana andraikitra isan-karazany. Vao mainka ho be atao be izy raha tsy teo ry zareo. Tena misaotra an’ireny mpikarakara fiangonana ireny aho satria mazoto sy vonona hanampy ry zareo.” Azo inoana hoe hoatr’izany koa no tsapanao.​—1 Tim. 3:13.

7. Ahoana no ampisehoantsika hoe mankasitraka ny mpikarakara fiangonana isika? (Jereo koa ny sary.)

7 Mety hankasitraka ny mpikarakara fiangonana isika any am-pontsika any. Mampirisika antsika anefa ny Baiboly hoe: “Asehoy ... fa mahay mankasitraka ianareo.” (Kol. 3:15) Nanao an’izany i Kristofer, anti-panahy any Failandy. Hoy izy: “Mandefa karta na SMS misy andinin-teny any amin’ny mpikarakara fiangonana aho. Resahiko izay zavatra nataony nampahery ahy sy ny antony ankasitrahako ny asany.” Ary ahoana indray no nataon’i Pascal sy Jael, mipetraka any Nouvelle-Calédonie? Matetika izy mivady no mivavaka ho an’ny mpikarakara fiangonana. Manazava i Pascal hoe: “Momba an’ireo rahalahy voatendry ao amin’ny fiangonanay ny fitalahoana sy ny fangatahana ary ny vavaka fisaorana nataonay tato ho ato.” Henoin’i Jehovah ny vavaka hoatr’izany ary mandray soa ny fiangonana manontolo.​—2 Kor. 1:11.

“MIASA MAFY EO AMINAREO” NY ANTI-PANAHY

8. Nahoana i Paoly no nanoratra hoe ‘niasa mafy’ ny anti-panahy tamin’ny taonjato voalohany? (1 Tesalonianina 5:12, 13)

8 Niasa mafy ho an’ny fiangonana ny anti-panahy tamin’ny taonjato voalohany. (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:12, 13; 1 Tim. 5:17) ‘Nitarika’ ny fiangonana ry zareo, izany hoe nitarika fivoriana sy niara-nandray fanapahan-kevitra. ‘Nananatra’ ny rahalahy sy anabaviny koa ry zareo, ka nanome torohevitra voafaritra tsara sy feno fitiavana mba hiarovana ny fiangonana. (1 Tes. 2:11, 12; 2 Tim. 4:2) Mbola niasa mafy koa ireo lehilahy ireo mba hanomezana an’izay nilain’ny fianakaviany, sady niezaka hatanjaka ara-panahy foana.​—1 Tim. 3:2, 4; Tit. 1:6-9.

9. Inona ny andraikitra sasany sahanin’ny anti-panahy amin’izao?

9 Be atao ny anti-panahy amin’izao. Mpitory ny vaovao tsara izy ireo. (2 Tim. 4:5) Mafana fo izy ireo mitarika ny fanompoana eny amin’ny saha, mandamina ny fitoriana eo an-toerana, ary mampiofana antsika hahay hitory sy hampianatra. Mpitsara mamindra fo sy tsy manavakavaka koa ry zareo. Rehefa misy Kristianina nanao fahotana lehibe, dia miezaka mafy ny anti-panahy mba hanampy azy hifandray tsara amin’i Jehovah indray. Mitandrina tsara koa ry zareo mba hadio foana ny fiangonana. (1 Kor. 5:12, 13; Gal. 6:1) Mpiandry no tena ahafantarana ny anti-panahy. (1 Pet. 5:1-3) Manao lahateny ara-baiboly voaomana tsara izy ireo, miezaka hahafantatra ny tsirairay ao amin’ny fiangonana, ary manao fitsidihan’ny mpiandry. Misy anti-panahy koa manampy amin’ny fanorenana sy fikojakojana Efitrano Fanjakana, ny fandaminana fivoriambe, ny asan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly sy ny Antokona Mpamangy Marary, ary ny andraikitra hafa. Tena miasa mafy ho antsika ny anti-panahy!

10. Inona ny antony sasany mahatonga antsika hankasitraka ny asa mafy ataon’ny anti-panahy?

10 Efa nilaza i Jehovah hoe hisy mpiandry hikarakara tsara antsika ary “tsy hatahotra intsony [isika] na hihorohoro.” (Jer. 23:4) Hitan’i Johanna, anabavy any Failandy, hoe marina ireo teny ireo rehefa narary mafy ny mamany. Hoy izy: “Sarotra tamiko ny nilaza ny fihetseham-poko. Nisy anti-panahy tsy dia tena fantatro izay anefa nanam-paharetana tamiko sy niara-nivavaka tamiko ary nanome toky ahy hoe tian’i Jehovah aho. Tsy tena tadidiko izay noresahiny fa tadidiko hoe nahatsiaro ho tony aho. I Jehovah mihitsy no naniraka azy mba hanampy ahy amin’ny fotoana mety.” Inona koa no efa nataon’ny anti-panahy ho anao?

11. Ahoana no ampisehoantsika hoe mankasitraka ny anti-panahy isika? (Jereo koa ny sary.)

11 Tian’i Jehovah hasehontsika hoe tena mankasitraka ny anti-panahy isika “noho izay [ataon’izy ireo].” (1 Tes. 5:12, 13) Hoy i Henrietta, mipetraka any Failandy: “Vonona hanampy ny hafa ny anti-panahy nefa ry zareo tsy hoe manana fotoana na hery mihoatra noho ny antsika, sady mba manana olana koa ry zareo. Indraindray aho miteny amin-dry zareo hoe: ‘Mba tiako ho fantatrao fotsiny hoe anti-panahy tena mahafinaritra ianao!’” Izao koa no lazain’i Sera, anabavy any Torkia: “Hoatran’ny hoe mila solika ny anti-panahy mba hahafahany manohy ny andraikiny. Manome an-dry zareo an’izany isika rehefa manoratra karta ho azy, manasa azy hisakafo, na miara-manompo aminy.” Misy anti-panahy tianao hisaorana manokana ve noho ny ezaka ataony? Mitadiava àry fomba hampisehoana hoe ankasitrahanao izy.​—1 Kor. 16:18.

Afaka manome an’ilay “solika” ilain’ny rahalahy voatendry ianao mba hahafahan-dry zareo manohy manao ny andraikiny (Fehintsoratra 7, 11, 15)


MANATANJAKA NY HAFA NY MPIANDRAIKITRA NY FARITRA

12. Inona no fandaharana nanatanjaka ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany? (1 Tesalonianina 2:7, 8)

12 Nanendry ‘lehilahy natao fanomezana’ koa i Kristy Jesosy mba hanompo ny fiangonana amin’ny fomba hafa. Nampiasa ny anti-panahy tao Jerosalema izy mba haniraka an’i Paoly sy Barnabasy ary olon-kafa hanao ny asan’ny faritra. (Asa. 11:22) Nahoana? Mba hanatanjaka ny fiangonana, hoatran’ny nanendrena ny mpikarakara fiangonana sy ny anti-panahy ihany. (Asa. 15:40, 41) Nahafoy fiainana milamindamina ireny lehilahy ireny, ary nanao vivery ny ainy mihitsy aza mba hampianarana sy hampaherezana ny hafa.​—Vakio ny 1 Tesalonianina 2:7, 8.

13. Inona, ohatra, ny andraikitry ny mpiandraikitra ny faritra?

13 Mifindrafindra toerana foana ny mpiandraikitra ny faritra. Misy mandeha an-jatony kilaometatra mba hitsidihana fiangonana. Isan-kerinandro dia manao lahateny maromaro ny mpiandraikitra ny faritra, mitsidika ondry, ary mitarika ny fivorian’ny mpisava lalana sy ny an’ny anti-panahy ary ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Manomana lahateny koa ry zareo ary mandamina fivoriambe. Ankoatra izay, dia mampianatra amin’ny sekolin’ny mpisava lalana ry zareo, mandamina fivoriana manokana miaraka amin’ny mpisava lalana ao amin’ny faritra, dia manao an’izay asa ampanaovin’ny biraon’ny sampana azy, izay maika indraindray.

14. Milazà antony sasany hankasitrahantsika ny asa mafy ataon’ny mpiandraikitra ny faritra.

14 Inona avy ny soa raisin’ny fiangonana noho ny asa sarobidy ataon’ny mpiandraikitra ny faritra? Hoy ny rahalahy iray any Torkia, momba ny fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany: “Isaky ny avy mitsidika ry zareo dia vao mainka aho te hanampy ny rahalahy sy anabaviko. Betsaka ihany ny mpiandraikitra efa hitako fa mora hatonina daholo ry zareo sady tsy nisy nampiseho tamiko na ny iray aza hoe be atao.” Niara-nanompo tamin’ny mpiandraikitra ny faritra i Johanna, ilay voaresaka terỳ aloha, fa tsy nahita olona ry zareo. Izao no nolazainy: “Tsy hadinoko mihitsy anefa iny andro iny hatramin’izao. Lasa nifindra lavitra be mantsy ny zokiko roa vavy dia tena nalahelo an-dry zareo aho. Nampahery be ahy ilay mpiandraikitra. Nampiany aho hahita hoe tsy maharitra izany fisarahan-toerana izany satria tsy voatery ho tafaraka amin’ny fianakaviantsika isika amin’ny fanompoana an’i Jehovah, fa any amin’ny tontolo vaovao isika ho afaka hiaraka foana.” Be dia be koa ny mpiandraikitra ny faritra lasa tsy foin’ireo notsidihiny.​—Asa. 20:37–21:1.

15. a) Ahoana no ampisehoantsika hoe mankasitraka ny mpiandraikitra ny faritra isika, araka ny 3 Jaona 5-8? (Jereo koa ny sary.) b) Nahoana isika no tokony hiahy ny vadin’ireo rahalahy voatendry, ary ahoana no anaovantsika an’izany? (Jereo ilay hoe “ Aza Hadinoina ny Vadin’izy Ireo.”)

15 Nampirisika an’i Gaio ny apostoly Jaona mba hampiantrano sy handray tsara an’ireo rahalahy mitsidika fiangonana. Nilaza koa izy hoe: “Karakarao tsara izy ireny rehefa handeha, ka ataovy araka izay itiavan’Andriamanitra azy izany.” (Vakio ny 3 Jaona 5-8.) Manao hoatr’izany koa, ohatra, isika rehefa manasa mpiandraikitra hisakafo, na manohana ny fandaharam-panompoana mandritra ny fitsidihany. Nahita fomba hafa hampisehoana fankasitrahana koa i Leslie, ilay voaresaka terỳ aloha. Hoy izy: “Mivavaka aho mba homen’i Jehovah an’izay ilainy ry zareo. Manoratra ho an’ireny mpiandraikitra ireny koa izahay mivady dia teneninay hoe manampy be anay ny fitsidihan-dry zareo.” Tadidio fa tsy hoe tsy mety reraka na tsy manana olana ny mpiandraikitra ny faritra. Indraindray ry zareo marary sy miady saina ary kivy mihitsy aza dia mivavaka mba hahazo fanampiana. Mety ho ilay teny feno hatsaram-panahy na ilay fanomezana kely nataonao àry no valin’ny vavaka nataon’ilay mpiandraikitra ny faritra anareo!​—Ohab. 12:25.

ILAINTSIKA IREO ‘LEHILAHY NATAO FANOMEZANA’

16. Inona avy ny fanontaniana mety ho azon’ny rahalahy eritreretina, araka ny Ohabolana 3:27?

16 Mila rahalahy betsaka kokoa isika eran-tany mba ho lasa ‘lehilahy natao fanomezana.’ Rahalahy vita batisa ve ianao ary “mbola azonao atao ihany ny manampy”? (Vakio ny Ohabolana 3:27.) Vonona hiezaka hahafeno fepetra ho mpikarakara fiangonana ve ianao? Te hanome an’izay ilain’ny rahalahinao ve ianao ka hiezaka ho lasa anti-panahy? c Misy azonao ovana ve amin’ny fiainanao mba hahafahanao mangataka hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana? Hanampy anao io sekoly io mba ho azon’i Jesosy ampiasaina bebe kokoa ianao. Mivavaha raha mahatsapa ianao hoe tsy mahafeno fepetra. Angataho i Jehovah hanome anao ny fanahiny masina mba ho vitanao tsara izay asa anendrena anao.​—Lioka 11:13; Asa. 20:28.

17. Inona no ianarantsika momba an’i Kristy Jesosy Mpanjakantsika, rehefa jerena ny asan’ireo ‘lehilahy natao fanomezana’?

17 Hita hoe mitarika antsika i Jesosy mandritra ny andro farany rehefa jerena ny asan’ireo ‘lehilahy nataony fanomezana.’ (Mat. 28:20) Tsy faly ve ianao manana Mpanjaka be fitiavana, malala-tanana, miahy, ary manome rahalahy mahafeno fepetra hikarakara an’izay ilaintsika? Mitadiava àry hevitra mba hampisehoana hoe mankasitraka an’ireo lehilahy miasa mafy ireo ianao. Aza hadinoina mihitsy koa ny misaotra an’i Jehovah, ilay Loharanon’ny “fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.”​—Jak. 1:17.

HIRA 99 Vavolombelona Maro

a ‘Lehilahy natao fanomezana’ koa ny anti-panahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana sy ny mpanampy azy ireo, ny Komitin’ny Sampana, ary ireo manana andraikitra hafa.

b Novana ny anarana sasany.

c Te hahafeno fepetra ho mpikarakara fiangonana na ho anti-panahy ve ianao? Misy fanazavana momba an’izany ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ry Rahalahy, Miezaka ho Lasa Mpikarakara Fiangonana ve Ianareo?” sy ilay hoe “Ry Rahalahy, Miezaka ho Lasa Anti-panahy ve Ianareo?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Novambra 2024.