LAHATSORATRA FIANARANA 43
HIRA 90 Andao Isika Hifampahery
Inona no Hanampy Anao Tsy Hisalasala?
“Hamarino tsara daholo ny zava-drehetra.”—1 TES. 5:21.
HEVITRA HODINIHINA
Ny azonao atao raha misy zavatra mampisalasala anao ka mety hisy vokany amin’ny fanompoanao an’i Jehovah.
1-2. a) Inona ny zavatra sasany mety hampisalasala ny mpanompon’i Jehovah? b) Inona no hodinihintsika ato?
MISY zavatra mampisalasala a antsika rehetra indraindray, na firy taona isika na firy taona. Mety hanontany tena, ohatra, ny tanora Vavolombelona iray hoe mba tena miahy azy ve i Jehovah. Tsy tena tapa-kevitra ny hatao batisa àry izy. Na eritrereto ny rahalahy iray efa zokinjokiny izay nifidy ny hikatsaka an’ilay Fanjakana tamin’izy tanora, toy izay hanao asa be karama. Lasa sahirana ara-bola anefa izao izy mianakavy dia mety ho lasa saina izy raha nety ny safidy nataony. Alao sary an-tsaina indray ny anabavy iray be taona efa tsy dia matanjaka intsony. Mety ho kivy izy satria tsy mahavita hoatran’ny vitany taloha. Ary ianao? Efa nisy fotoana ve ianao nieritreritra hoe: ‘Mba tena hitan’i Jehovah ihany ve aho? Tsy maty antoka ve aho nanao an’ireny sorona ho an’i Jehovah ireny? Mbola azony ampiasaina ihany ve aho?’
2 Raha avelantsika amin’izao fotsiny ny fanontaniana hoatr’ireo dia mety hisy fiantraikany amin’ny fanompoantsika. Hodinihintsika àry hoe ahoana no hanampian’ny torolalan’ny Baiboly antsika raha misalasala isika hoe 1) mba miahy antsika ihany ve i Jehovah, 2) nety ve ny fanapahan-kevitra noraisintsika taloha, na 3) mbola azon’i Jehovah ampiasaina ve isika.
NY AZONAO ATAO MBA TSY HISALASALA INTSONY
3. Inona, ohatra, no azontsika atao amin’izay isika tsy misalasala intsony?
3 Anisan’ny hanampy antsika tsy hisalasala intsony ny mitady ny valin’ny fanontaniantsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Raha manao an’izany isika dia hihamatanjaka ny finoantsika, hihamatotra isika, ary ‘hiorina tsara [kokoa] amin’ny finoana.’—1 Kor. 16:13.
4. Ahoana no atao raha tiantsika ‘hohamarinina tsara daholo ny zava-drehetra’? (1 Tesalonianina 5:21)
4 Vakio ny 1 Tesalonianina 5:21. Mampirisika antsika ny Baiboly eo mba ‘hanamarina tsara daholo ny zava-drehetra.’ Ahoana no anaovana an’izany? Ampitahao amin’izay lazain’ny Baiboly izay inoanao, amin’izay azonao antoka hoe marina ve ilay izy sa tsia. Eritrereto, ohatra, ny amin’ilay tanora nisalasala raha mba misy vidiny amin’Andriamanitra ihany izy. Tokony havelany amin’izao fotsiny ve izany? Tsia. Tokony ‘hohamarininy tsara daholo [kosa] ny zava-drehetra’ ka hiezaka hahatakatra ny fomba fihevitr’i Jehovah momba an’izany izy.
5. Rehefa manao inona isika no hoatran’ny hoe mihaino an’i Jehovah mamaly ny fanontaniantsika?
5 Hoatran’ny hoe mihaino an’i Jehovah miresaka amintsika isika rehefa mamaky ny Teniny. Misy ezaka tokony hataontsika anefa raha te hahafantatra ny heviny momba ny fanontaniana iray voafaritra tsara isika. Mila mitady andinin-teny misy ifandraisany amin’izay mampanahy antsika isika rehefa hamaky Baiboly, dia izay no ifantohantsika. Afaka manao fikarohana momba an’ilay izy isika, ka mampiasa an’ireo fitaovam-pianarana be dia be omen’ny fandaminan’i Jehovah. (Ohab. 2:3-6) Azontsika atao ny mivavaka mba hitarika ny fikarohana ataontsika i Jehovah sy hanampy antsika hahita ny fomba fiheviny. Afaka mitady torolalana sy fanazavana mahasoa azo ampiharina amin’ilay zavatra iainantsika isika avy eo. Mety hahasoa antsika koa ny mandinika tantaran’olona ao amin’ny Baiboly, izay niatrika zavatra mitovitovy amin’ny antsika.
6. Nahoana no manampy antsika tsy hisalasala ny fivoriana?
6 Hoatran’ny hoe mihaino an’i Jehovah miresaka amintsika koa isika any am-pivoriana. Raha mivory tsy tapaka isika dia mety haheno lahateny na valin-teny mifanitsy amin’ny zavatra ilaintsika mihitsy, mba hahatonga antsika tsy hisalasala intsony. (Ohab. 27:17) Andao àry isika handinika zavatra voafaritra tsara mety hampisalasala antsika.
REHEFA MISALASALA IANAO HOE MIAHY ANAO VE I JEHOVAH
7. Inona ny fanontaniana mety hoeritreretin’ny olona sasany?
7 ‘Mba tena hitan’i Jehovah ihany ve aho?’ Asa raha efa nieritreritra hoatr’izany ianao. Raha mahatsiaro ho tsy misy vidiny ianao, dia mety ho sarotra aminao ny hino hoe afaka ny ho naman’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao ianao. Mety ho efa nandalo tao an-tsain’i Davida Mpanjaka ny eritreritra hoatr’izany. Gaga izy hoe mba voamarik’i Jehovah ihany ny olombelona. Hoy izy: “Jehovah ô! Inona moa izay olombelona no mahaliana anao, ary inona moa izay zanak’olombelona mety maty no karakarainao?” (Sal. 144:3) Aiza àry no hahitanao ny valin’ilay fanontaniana mampiasa saina anao?
8. Inona no hitan’i Jehovah rehefa mijery ny olona izy, araka ny 1 Samoela 16:6, 7, 10-12?
8 Hitantsika ao amin’ny Baiboly hoe voamarik’i Jehovah ireo olona hoatran’ny tsy dia misy miraharaha. Nirahin’i Jehovah ho any an-tranon’i Jese, ohatra, i Samoela mba hanosotra ny iray tamin’ireo zanany ho mpanjakan’ny Israely. Valo lahy ny zanak’i Jese dia niantso ny fito tamin’ireo izy mba hihaona tamin’i Samoela. Tsy nantsoiny kosa i Davida faralahy, nefa izy no nofidin’i Jehovah. b (Vakio ny 1 Samoela 16:6, 7, 10-12.) Hitan’i Jehovah mantsy ny tena maha izy an’i Davida. Hitany hoe tena tia azy io ankizilahy io.
9. Nahoana ianao no matoky fa miahy anao i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)
9 Eritrereto ny fomba efa nampisehoan’i Jehovah hoe mahita anao izy. Manome anao torohevitra mifanaraka tsara amin’izay ilainao izy. (Sal. 32:8) Ahoana moa no ahafahany manao an’izany raha tsy fantany tsara ianao? (Sal. 139:1) Ho resy lahatra ianao hoe miahy anao i Jehovah rehefa mampihatra ny toroheviny ianao sady mahatsapa hoe mahasoa anao ilay izy. (1 Tan. 28:9; Asa. 17:26, 27) Hitan’i Jehovah ny ezaka ataonao. Hitany ny toetra tsaranao dia te hifandray aminao izy. (Jer. 17:10) Tiany raha manaiky ho namany koa ianao.—1 Jaona 4:19.
REHEFA MISALASALA IANAO HOE NETY VE NY FANAPAHAN-KEVITRA NORAISINAO
10. Inona ny fanontaniana mety hahalasa saina antsika rehefa mieritreritra ny fanapahan-kevitra noraisintsika isika?
10 Mety hanao jery todika ny lasa ny olona sasany rehefa mandeha ny fotoana, dia hanontany tena raha nety ihany ny fanapahan-keviny. Nanapa-kevitra angamba ry zareo hoe hamoy asa be karama, na tsy hanao raharaham-barotra mety hahazoam-bola be mba hanompoana bebe kokoa an’i Jehovah. Efa am-polony taona angamba izay no lasa. Mety hisy olom-pantany tsy nanao safidy hoatran’ny azy, nefa manam-bola sy hoatran’ny hoe milamindamina erỳ ny fiainany amin’izao. Mety ho lasa saina àry ry zareo hoe: ‘Mba nisy dikany ihany ve ireny sorona nataoko ho an’i Jehovah ireny sa maty antoka aho satria tsy mba nahay nanararaotra tamin’izany?’
11. Inona no nampiasa saina an’ilay mpanoratra ny Salamo faha-73?
11 Raha miasa saina hoatr’izany ianao dia eritrereto izay tsapan’ny mpanoratra ny Salamo faha-73. Hoatran’ny hoe salama sy nanankarena ary tsy nanana ahiahy ny fahitany ny olon-kafa. (Sal. 73:3-5, 12) Rehefa nandinika an’ireny olona ireny izy ka nahita hoe hoatran’ny tafita be ry zareo, dia nieritreritra izy hoe very maina ny ezaka nataony nanompoana an’i Jehovah. Kivy izy dia niasa saina “tontolo andro.” (Sal. 73:13, 14) Ahoana no niatrehany an’izany fihetseham-pony izany?
12. Inona no nanampy an’ilay mpanoratra tsy hanahy intsony, araka ny Salamo 73:16-18?
12 Vakio ny Salamo 73:16-18. Nankany amin’ny toerana masin’i Jehovah ilay mpanao salamo. Nilamina be tany dia afaka nandinika tsara izy. Lasa hitany hoe na dia toa niadana be aza ny olona sasany dia tsy azo antoka ny hoavin-dry zareo. Nilamin-tsaina izy rehefa takany izany. Fantany mantsy hoe ny manao an’i Jehovah ho loha laharana eo amin’ny fiainana no safidy tsara indrindra. Lasa tapa-kevitra ny hanohy hanompo azy indray àry izy.—Sal. 73:23-28.
13. Inona no hanampy anao hilamin-tsaina raha tsy azonao antoka hoe nety sa tsia ny fanapahan-kevitra noraisinao? (Jereo koa ny sary.)
13 Afaka manampy anao hilamin-tsaina hoatr’izany koa ny Tenin’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana? Saintsaino ny zava-tsarobidy anananao, anisan’izany ny harena voangonao any an-danitra. Ampitahao amin’izay hiafaran’ireo olona tsy manana afa-tsy izay atolotr’izao tontolo izao izany. Mety ho ny zava-bitany amin’izao ihany no tena ianteheran’izy ireny satria tsy manantena na inona na inona intsony izy ireo amin’ny hoavy. Tsy hoatr’izany kosa ianao. Mampanantena anao fitahiana mihoatra lavitra noho izay eritreretinao i Jehovah. (Sal. 145:16) Eritrereto koa izao: Tena hainao ve hoe ho nanao ahoana ny fiainanao raha hafa ny fanapahan-kevitra noraisinao? Izao ihany no azo antoka: Tsy ho maty antoka mihitsy ianao fa hahazo an’izay zavatra tena mahasambatra anao, raha ny fitiavanao an’Andriamanitra sy ny olon-kafa no mahatonga anao hanao safidy iray.
REHEFA MISALASALA IANAO HOE AZON’I JEHOVAH AMPIASAINA VE
14. Manao ahoana ny zavatra iainan’ny olona sasany, ary inona ny fanontaniana mety hanahiran-tsaina azy?
14 Mihaosa ny mpanompon’i Jehovah sasany satria efa mahazoazo taona na tsy salama na manana kilema. Mety hisalasala àry ry zareo raha misy vidiny amin’i Jehovah ihany, dia hieritreritra hoe: ‘Mbola misy ilan’i Jehovah ahy ihany ve?’
15. Resy lahatra ny amin’inona ilay mpanoratra ny Salamo faha-71?
15 Niady saina hoatr’izany koa ilay mpanoratra ny Salamo faha-71. Nivavaka izy hoe: “Aza afoy aho rehefa mihena ny heriko.” (Sal. 71:9, 18) Na izany aza, dia mbola resy lahatra foana ilay mpanao salamo hoe hitari-dalana sy hanohana azy ilay Andriamaniny raha tsy mivadika aminy izy. Lasa fantany fa faly i Jehovah rehefa manao izay tsara indrindra vitany ny olona iray mba hanompoana azy, na dia voafetra aza ny azony atao.—Sal. 37:23-25.
16. Ahoana avy no azon’i Jehovah ampiasana ny zokiolona? (Salamo 92:12-15)
16 Ry zokiolona, eritrereto hoe ahoana no fahitan’i Jehovah ny zavatra iainanareo. Afaka manatanjaka anao ara-panahy izy na dia mihaosa aza ny vatanao. (Vakio ny Salamo 92:12-15.) Aza mifantoka amin’izay tsy azonao atao intsony fa izay mbola azo atao ifantohana. Afaka manatanjaka ny hafa, ohatra, ianao rehefa tsy mivadika sy miahy an-dry zareo. Azonao tantaraina koa hoe ahoana no nanampian’i Jehovah anao hatramin’izay, sy hoe inona ny fampanantenana efa tsy andrinao ny hahatanteraka azy. Misy vokany tsara be koa ny vavaka avy amin’ny fo ataonao ho an’ny hafa. (1 Pet. 3:12) Aza hamaivanina mihitsy izany. Samy manan-javatra atolotra ho an’i Jehovah sy ho an’olon-kafa àry isika, na inona na inona toe-javatra iainantsika.
17. Nahoana isika no tsy tokony hampitaha ny tenantsika amin’ny hafa?
17 Kivy ve ianao hoe tsy mba afaka manao be amin’ny fanompoana an’i Jehovah? Raha izany, dia matokia fa sarobidy aminy izay rehetra vitanao. Mety halaim-panahy ianao hampitaha an’izay vitanao amin’izay vitan’ny hafa. Aza manao an’izany. Fa maninona? Satria i Jehovah aza tsy manao an’izany. (Gal. 6:4) Nanome an’i Jesosy menaka manitra lafo vidy be, ohatra, i Maria. (Jaona 12:3-5) Ilay mpitondratena mahantra kosa nandatsaka vola madinika kely anankiroa zara raha nisy vidiny tao amin’ny vatan’ny tempoly. (Lioka 21:1-4) Nilaza anefa i Jesosy hoe samy naneho finoana izy mirahavavy. Tena sarobidy amin’i Jehovah Rainy izay rehetra ataonao na dia hoatran’ny hoe kely aza, raha noho ny finoanao sy ny fitiavanao azy no anaovanao an’ilay izy.
18. Inona no hanampy antsika tsy hisalasala? (Jereo koa ilay hoe “ Afaka Manampy Anao Tsy Hisalasala ny Tenin’i Jehovah.”)
18 Misy zavatra mampisalasala antsika rehetra indraindray. Hitantsika tato anefa hoe afaka manampy antsika handresy an’izany ny Tenin’Andriamanitra, izay marina sy azo itokisana. Miezaha mafy àry hitady ny valin’ny fanontaniana mampisalasala anao, amin’izay ianao hatoky tena fa tsy hanahy be intsony. Tena hitan’i Jehovah ianao. Ankasitrahany ny sorona nataonao ary vonona hamaly soa anao izy. Matokia fa hitan’i Jehovah hoe mendrika ny hotiaviny sy hanehoany fiahiana ny mpanompony rehetra tsy mivadika.
HIRA 111 Maro ny Antony Mahafaly Antsika
a FANAZAVANA: Ny hoe fisalasalana ato, dia izay mahatonga antsika tsy hahazo antoka raha misy vidiny amin’i Jehovah isika, na hoe nety ve ny fanapahan-kevitra noraisintsika. Tsy anisan’izany ny fisalasalana resahin’ny Baiboly hoe mety hananan’ny olona iray noho izy tsy tena mino an’i Jehovah sy ny fampanantenany.
b Mety ho mbola tanora kely i Davida tamin’izany, na dia tsy resahin’ny Baiboly aza hoe firy taona marina izy tamin’i Jehovah nifidy azy.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 2011, p. 29, feh. 2.