Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 40

HIRA 30 Jehovah no Raiko sy Namako

“Manasitrana An’ireo Torotoro Fo” i Jehovah

“Manasitrana An’ireo Torotoro Fo” i Jehovah

“Manasitrana an’ireo torotoro fo izy; fonosiny ny ratran’izy ireo.”​—SAL. 147:3.

HEVITRA HODINIHINA

Tena miahy an’ireo olona mijaly noho ny ratram-po i Jehovah. Ho hitantsika ato hoe ahoana no anampiany antsika mba hanamaivanana ny fahoriantsika sy hahaizantsika mampionona ny hafa.

1. Inona no hitan’i Jehovah rehefa mijery ny mpanompony izy?

 INONA no hitan’i Jehovah rehefa mijery ny mpanompony etỳ an-tany izy? Fantany rehefa faly isika na malahelo. (Sal. 37:18) Faly erỳ izy mahita antsika miezaka manompo azy araka izay tsara indrindra vitantsika, na dia misy zavatra manavesatra ny fontsika aza! Tsy izay ihany, fa tena te hanohana sy hampionona antsika izy.

2. Inona no ataon’i Jehovah amin’ireo torotoro fo, ary ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny fikarakarany?

2 Milaza ny Salamo 147:3 fa ‘fonosin’i [Jehovah] ny ratran’ireo torotoro fo.’ Hita avy amin’izany hoe be fitiavana i Jehovah mikarakara an’ireo kivy sy manana fo maratra. Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny hokarakarainy? Diniho ity ohatra ity: Afaka manampy be ny olona iray maratra ny dokotera mahay. Raha te ho sitrana anefa ilay olona, dia tsy maintsy manaraka tsara ny toromarik’ilay dokotera izy. Ho hitantsika ato hoe inona no lazain’i Jehovah ao amin’ny Teniny amin’ireo mijaly noho ny ratram-po. Hodinihintsika koa hoe ahoana no ampiharana ny torohevitra feno fitiavana avy aminy.

MANOME TOKY ANTSIKA I JEHOVAH HOE MISY VIDINY ISIKA

3. Nahoana ny olona sasany no mieritreritra hoe tsy misy vidiny ry zareo?

3 Tsy manam-pitiavana ny olona manodidina antsika. Mampalahelo fa betsaka no lasa mahatsapa hoe tsy misy vidiny noho ny ataon’ireny olona ireny. Izao no nolazain’ny anabavy iray atao hoe Helen: a “Tsy mba nifankatia izany ny fianakavianay. Nahery setra i Dada, dia naverimberiny taminay foana isan’andro hoe tsy misy ilana anay.” Nampijalina hoatran’i Helen koa angamba ianao, na nokianina matetika, na nataon’ny olona izay hahatsapanao hoe tsy misy mpitia ianao. Raha izany, dia mety ho sarotra aminao ny hino hoe misy olona tena miahy anao.

4. Inona ny toky omen’i Jehovah antsika ao amin’ny Salamo 34:18?

4 Na dia mampijaly anao aza ny hafa, dia matokia fa tia anao i Jehovah sady sarobidy aminy ianao. “Akaiky an’izay torotoro fo” izy. (Vakio ny Salamo 34:18.) Raha “kivy” ianao, dia tadidio hoe nahita zavatra tsara tao am-ponao i Jehovah ary izy mihitsy no nitaona anao hanatona azy. (Jaona 6:44) Vonona hanampy anao foana izy satria sarobidy aminy ianao.

5. Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nitondran’i Jesosy an’ireo olona natao tsinontsinona?

5 Hahafantatra an’izay tsapan’i Jehovah isika rehefa mandinika ny ohatr’i Jesosy. Voamarik’i Jesosy ireo olona natao tsinontsinona tamin’izy nanompo tetỳ an-tany, ary nangoraka azy ireny izy. (Mat. 9:9-12) Nisy vehivavy iray, ohatra, nikasika ny akanjon’i Jesosy satria nanantena ny ho sitrana tamin’ny aretina mafy nahazo azy. Ahoana no nataon’i Jesosy? Nampionona azy izy sady nidera azy noho ny finoany. (Mar. 5:25-34) Mitovy tanteraka amin’ny toetran’ny Rainy ny toetran’i Jesosy. (Jaona 14:9) Matokia àry fa sarobidy amin’i Jehovah ianao ary hitany ny toetra tsaranao, anisan’izany ny finoanao sy ny fitiavanao azy.

6. Inona no azon’ny olona iray atao raha mahatsiaro ho tsy misy vidiny izy?

6 Ahoana raha mbola misalasala ianao raha tena misy vidiny, na lasa misalasala momba an’izany indray? Vakio ny andininy ao amin’ny Baiboly manome toky anao hoe sarobidy amin’i Jehovah ianao ary saintsaino izy ireny. b (Sal. 94:19) Aza masiaka loatra amin’ny tenanao raha nisy tanjona tsy tratranao, na kivy ianao satria tsy mahavita be hoatran’ny hafa. Tsy mitaky zavatra tsy ho vitanao mihitsy i Jehovah. (Sal. 103:13, 14) Raha nisy nampijaly ianao, dia aza manamelo-tena noho ny zavatra nataon’ilay olona. Tsy mendrika ny hampijalina ianao! Tadidio fa ny mpanao ratsy no ampamoahin’i Jehovah fa tsy izay olona nampijalina. (1 Pet. 3:12) Nisy nampijaly, ohatra, i Sandra tamin’ny mbola kely dia izao no noteneniny: “Mivavaka amin’i Jehovah foana aho mba hampiany hahay handanjalanja, ka hitovy amin’ny fahitany ahy ny fahitako ny tenako.”

7. Azontsika ampiasaina tsara eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ny zavatra niainantsika taloha. Hazavao.

7 Aza misalasala mihitsy hoe afaka mampiasa anao i Jehovah mba hanampiana ny hafa. Nomeny voninahitra ianao hiara-miasa aminy eny amin’ny fanompoana. (1 Kor. 3:9) Azo inoana hoe hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa ianao noho ny zavatra niainanao ary hahazo tsara an’izay tsapany. Betsaka àry no azonao atao mba hanampiana an-dry zareo. Nisy nanampy i Helen, ilay voaresaka terỳ aloha, dia afaka manampy kokoa ny hafa izy izao. Hoy izy: “Nataon’i Jehovah izay hahatsapako hoe tiana aho sady ilaina, na dia nihevitra aza aho hoe olona kely tsisy dikany.” Faly erỳ i Helen amin’izao fa mpisava lalana maharitra!

TIAN’I JEHOVAH HANAIKY ISIKA HOE MAMELA HELOKA IZY

8. Inona ny toky omena antsika ao amin’ny Isaia 1:18?

8 Misy mpanompon’i Jehovah miady saina be noho ny zavatra nataony taloha, na taorian’ny batisany mihitsy aza. Tsara anefa ny mitadidy hoe nanome ny vidim-panavotana i Jehovah satria tena tiany isika. Azo antoka fa tiany hanaiky an’io fanomezana io isika. Manome toky izy fa tsy homelohiny noho ny fahotana nataontsika intsony isika, rehefa avy ‘mifandamina’ c aminy. (Vakio ny Isaia 1:18.) Tena be fitiavana i Jehovah dia tsy mitadidy an’izay fahotana nataontsika taloha! Etsy an-danin’izay, dia tsy hohadinoiny mihitsy ny zavatra tsara ataontsika.​—Sal. 103:9, 12; Heb. 6:10.

9. Nahoana isika no tokony hanao izay fara herintsika mba hifantohana amin’ny ankehitriny sy ny hoavy, fa tsy hamisavisa ny lasa?

9 Mbola kaikerin’ny nenina ve ianao noho ny zavatra nataonao taloha? Raha izay, dia ataovy izay rehetra azonao atao mba hifantohana amin’ny ankehitriny sy amin’ny hoavy, fa aza mamisavisa ny lasa. Diniho, ohatra, ny apostoly Paoly. Nanenina izy satria nanenjika be an’ireo Kristianina. Fantany anefa hoe namela azy i Jehovah. (1 Tim. 1:12-15) Dia mbola naverimberiny tao an-tsaina foana ve ny fahotana efa vitany? Azo antoka fa tsy nanao an’izany izy, hoatran’ilay izy hoe tsy nieritreritra be ny zava-bitany tamin’izy mbola nafana fo tamin’ny Fivavahana Jiosy. (Fil. 3:4-8, 13-15) Nazoto nanompo kosa i Paoly sady nibanjina ny hoavy. Tsy afaka nanova ny lasa izy, dia hoatr’izany koa ianao. Afaka manome voninahitra an’i Jehovah anefa ianao amin’izao sady mibanjina an’ilay hoavy tsara be ampanantenainy anao.

10. Inona no azontsika atao raha nandratra ny hafa ny zavatra nataontsika taloha?

10 Nandratra ny hafa angamba ny zavatra nataonao taloha, dia mety hampiady saina anao izany. Inona àry no azo atao? Ataovy izay hanarenana ny tsy nety nataonao, anisan’izany ny hoe mandeha mifona any amin’ilay olona. (2 Kor. 7:11) Angataho koa i Jehovah mba hanampy an’ireo olona nijaly noho ny nataonao. Afaka manampy anao sy ireo olona ireo izy mba hiaritra sy hilamin-tsaina indray.

11. Inona no ianarantsika avy amin’i Jona mpaminany? (Jereo koa ny sary.)

11 Makà fianarana avy amin’ny fahadisoanao ary avelao i Jehovah hampiasa anao amin’izay itiavany azy. Eritrereto i Jona mpaminany. Nasain’Andriamanitra nankany Ninive izy. Nandositra tany amin’ny toerana nifanohitra tamin’izay nasaina nalehany anefa izy. Nanarin’i Jehovah izy dia nianatra avy tamin’ny fahadisoany. (Jona 1:1-4, 15-17; 2:7-10) Mbola nampiasa an’i Jona foana anefa i Jehovah. Nasainy nankany Ninive indray izy taorian’izay, dia tonga dia nankatò. Nanenina noho ny fahadisoany izy, nefa tsy navelany hisakana azy tsy hanao an’ilay asa nanendren’i Jehovah azy izany.​—Jona 3:1-3.

Tafavoaka velona i Jona mpaminany rehefa avy niaritra ny mafy tao anatin’ilay trondro ngezabe. Nirahin’i Jehovah hitory tany Ninive indray izy taorian’izay (Fehintsoratra 11)


MAMPIONONA ANTSIKA AMIN’NY ALALAN’NY FANAHY MASINA I JEHOVAH

12. Ahoana no anomezan’i Jehovah antsika ny fiadanany rehefa misy zava-dratsy na loza mitranga? (Filipianina 4:6, 7)

12 Mampionona antsika amin’ny alalan’ny fanahiny masina i Jehovah rehefa misy zava-dratsy na loza mitranga. Diniho izay nanjo an’i Ron sy Carol. Mampalahelo fa namono tena ny zanak’izy ireo lahy. Izao no nolazain’izy mivady: “Betsaka ihany izay olana efa natrehinay izay, fa iny no nangidy indrindra. Imbetsaka izahay no tsy nahita tory dia nivavaka. Tena tsapanay ilay fiadanana resahin’ny Filipianina 4:6, 7.” (Vakio.) Miatrika fitsapana mahavaky fo koa ve ianao? Aborahy amin’i Jehovah àry izay tsapanao. Afaka mivavaka aminy matetika sy ela araka izay tianao mihitsy ianao. (Sal. 86:3; 88:1) Aza mitsahatra mangataka ny fanahiny masina. Sanatria azy ny hanampin-tsofina tsy hihaino ny fangatahanao.​—Lioka 11:9-13.

13. Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika mba ho afaka hanompo an’i Jehovah foana isika sady tsy hivadika aminy? (Efesianina 3:16)

13 Mahatsapa hoe tsy misy hery intsony ve ianao noho ny zava-tsarotra atrehinao? Afaka manome hery anao ny fanahy masina, mba hahafahanao manompo an’i Jehovah foana sy tsy hivadika aminy. (Vakio ny Efesianina 3:16.) Diniho ny tantaran’ny Ranabavy Flora. Misionera izy sy ny vadiny nefa nanitsakitsaka azy ilay lehilahy dia nisaraka ry zareo. Hoy i Flora: “Nalahelo be mihitsy aho noho izy namitaka ahy, dia lany hery tanteraka. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba homeny fanahy masina, amin’izay mahavita miaritra. Nanome an’izay nilaiko i Jehovah mba hanasitranana ny ratram-poko, sy hahavitako hiatrika an’izay tsy noeritreretiko mihitsy hoe ho zakako.” Tsapan’i Flora hoe nampian’Andriamanitra hatoky kokoa azy izy ary ho eo foana Andriamanitra rehefa ao anatin’ny sarotra izy. Izao koa no nolazainy: “Tena nihatra tamiko mihitsy ilay Salamo 119:32 hoe: ‘Ho mailaka hampihatra ny didinao aho eo amin’ny fiainako, satria halalahinao ny foko mba ho afaka handray an’izany.’”

14. Inona no azontsika atao mba hiasa amintsika ny fanahin’Andriamanitra?

14 Rehefa avy nangataka fanahy masina ianao dia manaova zavatra mifanaraka amin’izany, mba hahatonga ny fanahin’Andriamanitra hiasa aminao, anisan’izany ny hoe mivory sy manompo. Ny hevitr’i Jehovah koa no ataovy mameno ny sainao ka vakio isan’andro ny Teniny. (Fil. 4:8, 9) Rehefa mamaky Baiboly ianao, dia mariho hoe iza no niatrika olana ary saintsaino hoe ahoana no nanampian’i Jehovah azy hiaritra. Niatrika olana lehibe nisesisesy i Sandra, ilay voaresaka terỳ aloha. Hoy izy: “Tena manohina ny foko ny tantaran’i Josefa. Tsy navelany hampihena ny fifandraisany tamin’i Jehovah ny fitsapana sy ny tsy rariny nahazo azy.”​—Gen. 39:21-23.

MAMPIONONA ANTSIKA AMIN’NY ALALAN’NY MPIARA-MANOMPO I JEHOVAH

15. Iza no afaka mampionona antsika, ary ahoana no anampian-dry zareo antsika? (Jereo koa ny sary.)

15 ‘Tena mampionona’ antsika ny mpiara-manompo rehefa mijaly isika. (Kol. 4:11, f.a.p.) Ny rahalahy sy anabavintsika no tena ampiasain’i Jehovah mba hampisehoana hoe tia antsika izy. Afaka mampionona antsika ry zareo rehefa mangoraka sy mihaino antsika, na mety hoe manohana antsika eo akaikintsika eo. Mety hiresaka andinin-teny mampahery koa izy na hiara-mivavaka amintsika. d (Rom. 15:4) Mety hisy rahalahy na anabavy indraindray hampahatsiahy antsika ny fomba fisainan’i Jehovah, ka hanampy antsika ho tony kokoa izany. Afaka manao zavatra mivaingana koa ry zareo mba hanohanana antsika, ohatra hoe manome sakafo rehefa kivy isika.

Tena afaka mampionona sy manohana anao ny namana matotra sy azo itokisana (Fehintsoratra 15)


16. Inona no mety hilaintsika hatao mba hahafahan’ny hafa manohana antsika?

16 Mety hila hangataka fanampiana amin’ny hafa isika mba hahafahan-dry zareo manampy antsika. Tia antsika sady te hanampy antsika ny rahalahy sy anabavintsika. (Ohab. 17:17) Mety tsy ho fantatr’izy ireo anefa izay tsapantsika na ilaintsika. (Ohab. 14:10) Raha maratra àry ny fonao, dia aza misalasala miresaka an’izay tsapanao amin’ny namana matotra. Ampahafantaro an-dry zareo hoe ahoana no azony anampiana anao. Mety hifidy ny hiresaka amin’ny anti-panahy iray na roa manavanana anao ianao. Misy anabavy indray mahita hoe mampahery ny miresaka amin’ny anabavy matotra.

17. Inona ny olana sasany mety hisakana antsika tsy hahazo fampaherezana, ary ahoana no andresena an’izany?

17 Aza mitokantokana ela loatra. Mety tsy te hifandray amin’iza na iza mantsy ianao rehefa kivikivy. Mety tsy hahazo tsara an’izay tsapanao koa ny rahalahy sy anabavinao indraindray, na hanao teny tsy voahevitra. (Jak. 3:2) Aza avela hisakana anao tsy handray an’izay fampaherezana ilainao anefa izany rehetra izany. Kivy matetika ny anti-panahy iray atao hoe Gavin, ary efa aretina mihitsy ilay izy. Hoy izy: “Misy fotoana aho tsy te hiaraka amin’ny namako mihitsy.” Niady mafy tamin’izany fihetseham-po izany anefa i Gavin, dia niaraka tamin’ny hafa ihany ary nahasoa azy izany. Izao indray no lazain’ny anabavy atao hoe Amy: “Tsy dia matokitoky olona aho noho ny zavatra niainako. Mianatra ho tia sy hatoky an’ireo rahalahy sy anabaviko anefa aho, hoatran’ny ataon’i Jehovah. Fantatro hoe mahafaly an’i Jehovah izany sady mahafaly ahy koa.”

MAMPIONONA ANTSIKA NY FAMPANANTENAN’I JEHOVAH

18. Inona no efa tsy andrintsika, ary inona no azontsika atao dieny izao?

18 Afaka miandrandra ny hoavy isika, satria fantatsika hoe tsy ho ela i Jehovah dia hanafoana tanteraka ny fanaintainana sy hanasitrana ny ratram-po rehetra. (Apok. 21:3, 4) “Tsy handreraka fo” intsony amin’izany ny zavatra nampijaly antsika. (Isaia 65:17) Hitantsika teo anefa fa na amin’izao aza dia efa ‘fonosin’i [Jehovah] ny ratrantsika.’ Hararaoty daholo àry ny fandaharana feno fitiavana ataony mba hampiononana sy hanamaivanana anao. Aza misalasala mihitsy na dia kely fotsiny aza hoe ‘miahy anao izy.’​—1 Pet. 5:7.

HIRA 7 Jehovah, Herinay sy Tanjakay

a Novana ireo anarana.

b Jereo ilay hoe “ Sarobidy Amin’i Jehovah Ianao.”

c Mba hahafahana ‘mifandamina’ amin’i Jehovah, dia mila porofointsika hoe mibebaka isika ka mangataka aminy mba hamela ny fahotantsika ary miova. Raha nanao fahotana lehibe isika, dia ilaintsika koa ny mangataka fanampiana amin’ny anti-panahy.​—Jak. 5:14, 15.

d Diniho, ohatra, ireo andinin-teny eo ambanin’ny foto-kevitra hoe “Fampiononana” sy “Fanahiana” ao amin’ilay boky hoe Andinin-teny Manampy Amin’ny Fiainantsika Kristianina.