Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Hoatran’ny ahoana ny haavon’ilay tilikambo fidirana mankao amin’ny tempolin’i Solomona?

Ilay tilikambo no fidirana tao amin’ny efitra masina tao amin’ny tempoly. Nilaza Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nivoaka talohan’ny 2023 fa “nisy tilikambo fidirana teo anoloan’ilay tempoly. Nirefy 20 hakiho mitovy amin’ny sakan’ilay trano ny lavany, ary 120 ny haavony.” (2 Tan. 3:4) Misy Baiboly hafa koa milaza hoe “120 hakiho” ny haavon’ilay tilikambo, izany hoe 53 metatra be izao!

Izao anefa no resahin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao natao pirinty tamin’ny 2023 momba ny tilikambo fidirana mankao amin’ny tempolin’i Solomona: “20 hakiho ny haavony”, na 9 metatra eo ho eo. a Andao isika handinika antony vitsivitsy nahatonga an’izay fanitsiana izay.

Tsy miresaka ny haavon’ilay tilikambo fidirana ny 1 Mpanjaka 6:3. Niresaka momba ny halavan’ilay tilikambo sy ny sakany, fa tsy ny haavony, i Jeremia ao amin’io andininy io. Nilaza tamin’ny an-tsipiriany ny zavatra hafa nampiavaka an’ilay tempoly izy tao amin’ny toko manaraka, anisan’izany ilay fitoeran-drano varahina lehibe nantsoina hoe Ranomasina sy ireo kalesy folo ary ireo andry varahina roa teo ivelan’ilay tilikambo. (1 Mpanj. 7:15-37) Raha tena 50 metatra mahery ilay tilikambo sady avo be noho ny ambin’ilay tempoly, dia maninona i Jeremia no tsy niresaka momba an’izany? Na dia taonjato maro tatỳ aoriana aza, dia nisy mpanoratra jiosy nilaza fa tsy avo kokoa noho ny ambin’ilay tempolin’i Solomona ilay tilikambo.

Misy manam-pahaizana misalasala hoe tsy ho nahazaka tilikambo 120 hakiho ny rindrin’ny tempoly. Nanorina zavatra avo be vita tamin’ny vato sy biriky ny olona taloha, ohatra hoe ny vavahadin’ny tempolin’i Ejipta. Ngezabe ny fototr’izy ireny ary nihakely mandra-pahatonga teny amin’ny tampony. Tsy hoatr’izany anefa ny tempolin’i Solomona. Misy manam-pahaizana milaza hoe tsy nihoatra ny 6 hakiho, izany hoe 2,7 metatra, ny hatevin’ny rindrin’izy io. Hoy àry i Theodor Busink, manam-pahaizana momba ny tantaran’ny taotrano: “Sarotra inoana hoe nahatratra 120 hakiho [ny haavon’ilay] tilikambo, raha jerena ny hatevin’ny rindrin’ny [fidirana tao amin’ny tempoly].”

Mety ho nanao fahadisoana ireo nanao dika mitovy ny 2 Tantara 3:4. Marina fa hoe “120” no hita ao amin’io andininy io, ao amin’ny sora-tanana sasany taloha. Ny asa soratra hafa azo atokisana kosa mampiasa hoe “20 hakiho”, ohatra hoe ny Kôdeksa Alexandrinus tamin’ny taonjato fahadimy, sy ny Kôdeksa Ambrosianus tamin’ny taonjato fahenina. Fa inona no mety ho nahatonga ny mpanora-dalàna hanoratra hoe “120”? Satria mitovitovy ny teny hoe “zato” sy “hakiho” amin’ny teny hebreo. Mety hoe “zato” àry no nosoratan’ilay mpanora-dalàna fa tsy hoe “hakiho.”

Mazava ho azy fa miezaka mafy isika hahazo an’ireo tsipiriany ireo sy hanazava amin’ny fomba marina tsara ny tempolin’i Solomona. Ny mifanitsy amin’ilay tempoly anefa no tena ifantohantsika, izany hoe ny tempoly ara-panahy lehibe. Misaotra an’i Jehovah isika fa asainy manompo azy ao amin’io tempoly io ny mpanompony rehetra!​—Heb. 9:11-14; Apok. 3:12; 7:9-17.

a Misy fanamarihana ambany pejy eo amin’io andininy io manazava hoe “misy sora-tanana taloha manao hoe ‘120’, fa misy sora-tanana sy dikan-teny hafa kosa manao hoe ‘20 hakiho.’”