Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy mampianatra ny zanany ho be fitiavana fotsiny ny ray aman-dreny, fa manome modely koa

INONA NO AZO ATAO DIENY IZAO?

Mila Ampianarina Hanao ny Tsara ny Olona

Mila Ampianarina Hanao ny Tsara ny Olona

Niaraka nanao dia lavitra ny mpianatra tao amin’ny sekoly malaza iray any Kanada. Nisy ankizilahy maromaro nametaveta ankizilahy iray, nandritra an’ilay dia. Niresaka momba an’ilay zava-nitranga i Leonard Stern, tao amin’ny gazety kanadianina iray. Hoy izy: “Na nahita fianarana aza ny tanora iray ary na manam-bola be aza ny fianakaviany, dia tsy mahasakana azy tsy hanao ratsy izany.”

Hoy ihany i Stern: “Mety hieritreritra ianao hoe ny hanampy ny zanany ho tsara fitondran-tena no adidin’ny ray aman-dreny voalohany indrindra. Izay hahatafita ny zanany anefa no tena zava-dehibe amin’ny ray aman-dreny maro.”

Tena ilaina ny mianatra. Na ny sekoly faran’izay tsara aza anefa tsy mahavita manampy ny olona hiala amin’ny toetra ratsiny. Inona àry no vahaolana?

NY FAMPIANARANA TSARA INDRINDRA

Hoatran’ny fitaratra ny Baiboly. Manampy antsika hahita kokoa ny toetra ratsintsika sy ny zavatra tsy ho vitantsika izy io. (Jakoba 1:23-25) Ampiany koa anefa isika mba hiova, ka lasa mihavana tsara amin’ny hafa. Lasa tsara toetra mantsy isika, tsara fanahy, manam-paharetana, mahay mifehy tena, ary be fitiavana. Antsoina hoe “tady tonga lafatra mampifamatotra antsika” mihitsy aza ny fitiavana. (Kolosianina 3:14) Nahoana no tena ilaina io toetra io? Hoy ny Baiboly:

  • “Ny fitiavana manam-paharetana sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao zavatra tsy mendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo, tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana [na zava-dratsy] fa mifaly noho ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zava-drehetra, ... ary miaritra ny zava-drehetra. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.” ​—1 Korintianina 13:4-8.

  • “Tsy mba manisy ratsy ny namany izay manam-pitiavana.”​—Romanina 13:10.

  • “Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava lalina, satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.”​—1 Petera 4:8.

Azo antoka hoe milamin-tsaina ianao, rehefa miaraka amin’ireo olona tia anao. Fantatrao mantsy hoe izay hahasambatra anao no tadiaviny. Tsy hanao zavatra hampalahelo anao mihitsy izy ireo.

Mahavita zavatra miavaka koa ny olona manana fitiavana. Vonona hamoy zavatra tena tiany izy, raha izay no hahasoa ny hafa. Faly be, ohatra, ny lehilahy iray fa nahazo zafikely. Mpifoka sigara be anefa izy, ka tsy navelan’ny vinantolahiny hanakaikikaiky an’ilay zaza. Inona àry no nataony? Niala tamin’ny sigara izy, nefa efa 50 taona izy no nifoka. Tena tiany mantsy ilay zafikeliny.

Manampy antsika ho tsara toetra sy ho tsara fanahy ary ho be fitiavana ny Baiboly

Mila ianarana ilay hoe maneho fitiavana. Ny ray aman-dreny no tena tokony hampianatra ny zanany haneho an’io toetra io. Ahoana no hanaovany an’izany? Mamelona sy miaro ny zanany izy ireo, mikarakara azy rehefa marary na maratra izy, ary miresaka tsara aminy sady mampianatra azy. Manitsy ny zanany koa ny ray aman-dreny, ka mampianatra azy hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Tsy mampianatra fotsiny anefa izy ireo, fa manome modely koa.

Mampalahelo fa tsy mba manao an’ireo ny ray aman-dreny sasany. Tsy maintsy ho ratsy fiafara ve izany ny zanak’izy ireo? Tsy voatery. Betsaka no lasa ratsy toetra noho ny zavatra niainany tamin’ny mbola kely. Nahavita niova anefa izy ireny, ka lasa be fitiavana sy azo itokisana. Nisy tamin’izy ireny aza noeritreretina hoe efa tsy avotra intsony. Hijery tantaran’olona hoatr’izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.