Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NY OLANA?

Betsaka ny Zavatra Mampanahy

Betsaka ny Zavatra Mampanahy

“Mbola tsy nandroso be hoatran’ny amin’izao mihitsy ny teknolojia sy ny siansa ary ny toe-karena ... Mbola tsy ratsy hoatran’ny amin’izao mihitsy anefa ny fiainana.”​—Tatitra Momba ny Olana Eran-tany 2018, Fihaonam-be Momba ny Toe-karena Eran-tany.

BE DIA BE NY OLONA MATAHOTRA HOE MBA HANAO AHOANA NY HOAVY. FA NAHOANA? MISY ANTONY VITSIVITSY IRETO:

  • INTERNET: Izao no lazain’ny gazety iray any Aostralia: ‘Mihamampidi-doza izao ny mampiasa Internet. Be dia be mantsy ny olon-dratsy mampiasa azy io, toy ny mpametaveta ankizy sy ny mpisoloky.’ Hoy koa izy io: ‘Anisan’ny heloka bevava mahazo vahana indrindra izao ilay hoe misandoka anarana. Efa ratsy saina sy tia mampijaly ny hafa ny olona hatramin’izay. Vao mainka miharihary izany ao amin’ny Internet.’

  • TSY MITOVY NY FARI-PIAINANA: Mitovy amin’ny fananan’ireo olona 3600 tapitrisa mahantra indrindra eto an-tany ny an’ireo 8 manankarena indrindra, araka ny tatitry ny fikambanana iray mikarakara ny mahantra. Hoy koa ilay tatitra: “Tsy araka ny tokony ho izy intsony ny toe-karena amin’izao. Ny manankarena vao mainka mihamanankarena ary ny mahantra mihamahantra. Vehivavy ny ankamaroan’ireo mahantra ireo.” Matahotra ny olona sasany hoe mety hiteraka korontana izany.

  • ADY SY FANAVAKAVAHANA: “Mbola tsy nisy mpifindra monina betsaka hoatran’ny amin’izao hatramin’izay”, araka ny tatitry ny Firenena Mikambana (ONU), tamin’ny 2018. Olona 68 tapitrisa mahery no voatery nifindra monina, ary ny ady sy ny fanavakavahana no tena anton’izany. “Olona 1 isaky ny roa segondra no voatery mifindra monina”, araka ilay tatitra.

  • MIHASIMBA NY TONTOLO IAINANA: “Be dia be mihitsy izao ny karazana biby sy zavamaniry ripaka haingana be”, araka ny Tatitra Momba ny Olana Eran-tany 2018 (anglisy). Hoy koa ilay tatitra: “Maloto ny rivotra sy ny ranomasina, ka vao mainka atahorana hisy vokany amin’ny fahasalamana izany.” Tena mihavitsy koa ny bibikely, any amin’ny tany sasany, nefa izy ireny no mamindra vovobony amin’ny zavamaniry. Atahorana ho simba tanteraka àry ny tontolo iainana. Mihavitsy hoatr’izany koa ny haran-dranomasina. Efa ho ny antsasak’izy ireny mantsy no tsy hita intsony, tato anatin’ny 30 taona.

Inona àry ny vahaolana? Misy zavatra tokony hampianarina ny olona ve? Raha misy, dia inona? Hiresaka an’izany ity gazety ity.