Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NAHAVITA NIOVA IZY IREO

Ny Tantaran’i Ricardo sy Andres

Ny Tantaran’i Ricardo sy Andres

Mahavita miova ny olona rehefa mahalala an’izay tena ampianarin’ny Baiboly. Manaporofo an’izany ny tantaran’i Ricardo sy Andres.

RICARDO: Vao 15 taona aho dia efa niaraka tamin’ny andian-jiolahy. Lasa nitovy toe-tsaina tamin-dry zareo aho. Ny tanjoko aza tamin’izany hoe mba higadra folo taona. Adala angamba aho, hoy ianao. Tena nohajaina anefa ny olona efa nigadra, tany aminay. Dia mba te ho hoatr’ireny koa aho.

Nataoko daholo izay fanaon’ny jiolahy. Nidoroka zava-mahadomelina, ohatra, aho, ratsy fitondran-tena, ary nahery setra. Nifampitifitra tamin’ny andian-jiolahy hafa izahay, indray alina izay. Natahotra be aho sao ho voatifitra fa tafatsoaka ihany. Tena nandinika ny fiainako sy ny tanjoko aho, taorian’izay, dia tapa-kevitra ny hiova. Iza anefa no afaka nanampy ahy?

Nanana olana be dia be ny ankamaroan’ny fianakaviako, sady tsy sambatra. Hafa mihitsy anefa ny fianakavian’ilay dadatoanay izay. Tsy mba nanao ratsy ry zareo, fa nanaraka an’izay lazain’ny Baiboly. Ry zareo no nanoro an’ahy hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Nivavaka àry aho hoe: ‘Jehovah ô, mba ampio aho.’ Gaga be aho fa nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga ny ampitson’iny. Izy io no lasa nampianatra Baiboly an’ahy.

Nisy olana anefa. Imbetsaka ireo namako taloha no niantso an’ahy mba hiaraka amin-dry zareo indray. Tsy nanaiky aho na dia tsy mora aza izany. Tapa-kevitra aho fa hanohy hianatra Baiboly. Soa ihany aho fa nanao an’izany. Nihatsara mantsy ny fiainako, dia tena sambatra aho izao.

Nivavaka tamin’Andriamanitra aho, indray mandeha, dia nolazaiko taminy fa vonona higadra folo taona aho taloha. Niangavy azy àry aho hoe: ‘Avelao aho izao mba hitory manontolo andro mandritra ny folo taona, fara fahakeliny. Nampian’ny olona hiova aho, dia mba te hanampy ny hafa koa.’ Tena novalian’Andriamanitra ilay izy, satria efa 17 taona aho izao no nitory manontolo andro! Dia izao koa: Mbola tsy nigadra mihitsy aho!

Efa nigadra an-taonany maro izao ny ankamaroan’ny namako taloha. Nisy aza maty mihitsy! Mankasitraka an’ilay dadatoanay sy ny fianakaviany aho. Tsy natahotra ny hiavaka ry zareo, sady tena nampihatra an’izay lazain’ny Baiboly. Na ireo jiolahy mpiaraka tamiko taloha aza tsy nohajaiko hoatran-dry zareo. I Jehovah anefa no tena isaorako, satria izy no nampianatra ahy ny fomba fiaina tsara indrindra.

ANDRES: Nahantra kely ilay tanàna nahalehibe ahy, sady be olona mpifoka rongony, mpanao sinto-mahery, mpamono olona, ary mpivaro-tena. Nisotro toaka sy nifoka rongony koa ny dadanay. Nifamaly foana izy sy Neny sady nifampikasi-tanana.

Mbola kely aho dia efa nisotro toaka sady nidoroka zava-mahadomelina. Tsy nipetraka an-trano mihitsy aho, fa nangalatra sy nivarotra an’izay nangalariko. Mba te hifandray kokoa tamiko ny dadanay rehefa nihalehibe aho. Dia inona no nataony? Natorony an’ahy hoe ahoana no atao raha te hampiditra an-tsokosoko rongony na zavatra hafa tsy ara-dalàna. Natorony koa hoe ahoana no hivarotana azy ireny. Vetivety aho dia lasa nanam-bola be. Nosamborin’ny polisy aho, tatỳ aoriana, satria nikasa hamono olona. Notsaraina aho ary voaheloka higadra dimy taona.

Nilazana izahay, indray maraina izay, hoe ho tonga hitory ao am-ponja ny Vavolombelon’i Jehovah. Mba nanatrika an’ilay izy aho. Hitako hoe nitombina ny zavatra noresahin-dry zareo, dia nanomboka nianatra Baiboly aho. Tsy izay tiako ho re fotsiny no nampianarin-dry zareo, fa nasehony tsara hoe inona no tian’Andriamanitra hataontsika.

Hitako avy eo hoe nila fanampiana aho raha te hiova. Vao mainka sarotra anefa izany, satria nandrahona ahy ny gadra sasany noho izaho nianatra Baiboly. Nivavaka tamin’i Jehovah àry aho mba hahafantatra izay tokony hatao sy hanana hery hiatrehana an’ilay olana. Lasa tsy natahotra an-dry zareo aho, ary nahavita nitory mihitsy.

Efa zatra ny fiainana tao am-ponja aho dia natahotra indray rehefa nafahana. Hoatran’ny hoe te hijanona tao izany aho. Be dia be ny nanao veloma an’ahy rehefa handeha aho. Nisy aza tsara fanahy erỳ rehefa niteny hoe: “Tongava soa leisy pasitera kely a!”

Efa ratsy fiafara aho hoatr’izay raha tsy nanaiky hampianarin’Andriamanitra. Mihoron-koditra aho rehefa mieritreritra an’izany. Tena faly aho hoe tia an’ahy Andriamanitra, sady tsy nieritreritra izy hoe tsy avotra intsony aho. a

a Betsaka ny olona nampian’ny Baiboly hiova. Misy tantaran’olona hoatr’izany ao amin’ny jw.org/mg. Midira ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY, ary jereo ao ilay andian-dahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly.”