Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te ho Naman’Andriamanitra Isika Rehefa Mahafantatra Azy

Te ho Naman’Andriamanitra Isika Rehefa Mahafantatra Azy

Tsy hoe mahery fotsiny ilay Mpamorona antsika fa manana toetra tsara be dia be koa. Tiany hianatra momba azy sy ho akaiky azy isika. (Jaona 17:3; Jakoba 4:8) Izay no nahatonga azy hampahafantatra zavatra be dia be momba azy.

Manana anarana ilay Mpamorona antsika

“Ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!”​—SALAMO 83:18.

Milaza ny Baiboly fa i Jehovah ihany no tena Andriamanitra. Izy no namorona an’izao rehetra izao sy ny zavamananaina, ary izy irery no tokony hivavahana.​—Apokalypsy 4:11.

Andriamanitra be fitiavana i Jehovah

“Andriamanitra dia fitiavana.”​—1 JAONA 4:8.

Ampahafantarin’i Jehovah antsika ny toetrany. Mampiasa ny Baiboly sy ny zavaboary izy mba hanaovana an’izany. Ny fitiavana no tena mampiavaka azy satria izany no mahatonga azy hanao zavatra. Vao mainka tia an’i Jehovah isika arakaraka ny hahafantarantsika azy.

Vonona hamela heloka i Jehovah

“Andriamanitra mamela heloka ... ianao.”​—NEHEMIA 9:17.

Fantatr’i Jehovah hoe tsy lavorary isika dia vonona hamela ny helotsika izy. Rehefa mifona aminy isika sady miezaka mafy tsy hanao ratsy intsony, dia hamela ny fahadisoantsika izy ary tsy hanasazy antsika.​—Salamo 103:12, 13.

Tian’i Jehovah hivavaka aminy isika

“Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah. ... Hohenoiny izy ireo rehefa miantso vonjy.”​—SALAMO 145:18, 19.

Tsy mila manao fombafomba na mampiasa sary sy zavatra hafa isika rehefa mivavaka amin’i Jehovah. Mihaino antsika izy rehefa mivavaka aminy isika, hoatran’ny ray aman-dreny be fitiavana mihaino ny zanany tena tiany.