Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Georgette Douwma/Stone via Getty Images

AHOANA NO HIAFARAN’ITY TANINTSIKA ITY?

Ranomasina

Ranomasina

TSY vitan’ny hoe mamatsy ny ankamaroan’ny sakafo hanintsika ny ranomasina, fa misy zavatra be dia be ilaina hanamboarana fanafody koa ao. Izy io no mamokatra ny antsasany mahery amin’ny oksizenina ilaina eran-tany, sady mitroka ny gazy karbonika avy amin’ny zavatra ataon’ny olombelona. Mampifandanja ny toetrandro eran-tany koa ny ranomasina.

Atahorana ny hoavin’ny ranomasina

Miovaova be ny toetrandro, dia misy vokany amin’ny haran-dranomasina sy ny biby misy akora ary ny zavamananaina hafa any an-dranomasina izany. Milaza ny mpahay siansa fa atahorana ho faty ny ankamaroan’ny haran-dranomasina ato anatin’ny 30 taona. Ny ampahefatry ny zavamananaina any an-dranomasina anefa, fara fahakeliny, no miankina amin’izy ireny mba ho velona.

Milaza ny manam-pahaizana fa mety ho efa nihinana plastika ny 90 isan-jaton’ny voron-dranomasina. Misy koa mieritreritra hoe an-tapitrisany ny biby any an-dranomasina matin’ny plastika isan-taona.

Izao no nolazain’i António Guterres, sekretera jeneralin’ny ONU, tamin’ny 2022: ‘Tsy noraharahiantsika ny ranomasina, dia izao izy io tandindomin-doza.’

Noforonina mba haharitra ny tany

Mahay manadio ny tenany ny ranomasina sy ny zavamananaina ao aminy, rehefa tsy mandoto be azy io ny olona. Nilaza ny boky iray momba ny fiovaovan’ny toetrandro fa na ny ampahany amin’ny ranomasina fotsiny aza no voaro amin’ny loto avy amin’ny orinasa, dia efa “tsy voahelingelina ny ranomasina rehefa manadio ny tenany.” Diniho ireto ohatra vitsivitsy ireto:

  • Ny gazy karbonika no eritreretina hoe mahatonga ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany. Misy ahidrano bitika kely mifoka sy manangona azy ireny anefa. Be dia be mihitsy ny gazy karbonika voangon’io ahidrano bitika io, satria efa hila hitovy amin’ny fitambaran’ny gazy karbonika voangon’ny hazo sy bozaka ary ny zavamaniry hafa rehetra etỳ an-tanety izany.

  • Mety handoto ny ranomasina ny taolana sy ny hoditry ny trondro maty. Hanin’ny mikraoba anefa izy ireny, dia ireny mikraoba ireny indray avy eo no lasa sakafon’ny zavamananaina hafa any. Izany fiaraha-miasa izany no mahatonga “ny ranomasina hadio mangalahala foana”, araka ny nolazain’ny Fikambanana Naorin’i Smithson.

  • Manimba an’ireo haran-dranomasina sy biby misy akora ary zavamananaina hafa ny asidra any an-dranomasina. Betsaka anefa ny zavamananaina any an-dranomasina afaka manova ny rano misy asidra ho lasa rano mahasalama kokoa, rehefa mandevon-kanina ry zareo.

Ny ezaka efa natao

Hihena ny zavatra plastika ariana any an-dranomasina, rehefa mampiasa harona sy tavoahangy azo ampiasaina imbetsaka isika

Tsy mila manadio ny loto avy amintsika ny ranomasina rehefa tsy alefantsika any ireny. Ampirisihin’ny manam-pahaizana àry ny olona mba hampiasa harona sy fitaovana ary boaty azo ampiasaina imbetsaka, fa tsy hampiasa zavatra vita amin’ny plastika, nefa indray mandeha ihany no ilana azy dia avy eo ariana.

Tsy ampy anefa izany. Vao haingana izay no nisy fikambanana mpiaro ny tontolo iainana nahangona fako 9 200 taonina, tao anatin’ny herintaona, tany amin’ny tany 112. Nentin’ny onja teny amoron-tsiraka izy ireny. Vao iray ampaharivon’ny fako lasa any an-dranomasina isan-taona anefa izany.

Milaza ny gazetiboky Vaovao Momba ny Tany (anglisy) fa “hoatran’ny tsy ho vita intsony ny hampihena ny asidra” ao an-dranomasina. ‘Mampalahelo fa tsy araky ny zavaboary any intsony ny manadio ny ranomasina, satria be loatra ny solika, gazy, arintany, ary ny zavatra hafa hoatr’izany ampiasain’ny olona. Tsy lafo vidy mantsy izy ireny sady iankinan’ny toe-karena eran-tany.’

Mbola misy azo antenaina​—Inona no lazain’ny Baiboly?

“Feno zavatra nataonao ny tany. Tena lehibe sy midadasika koa ny ranomasina, izay ahitana zavamananaina kely sy lehibe tsy hita isa sady mifanaretsaka.”​—Salamo 104:24, 25.

Ny Mpamorona antsika no nanao ny ranomasina, dia nataony afaka manadio ny tenany izy io. Diniho izao: Raha mahalala tsara ny ranomasina sy ny zavamananaina rehetra any ny Mpamorona, dia tsy ho hainy koa ve ny hanafoana ny vokatry ny zava-dratsy rehetra natao tamin’ny ranomasina? Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mampanantena Andriamanitra fa ho Tsara Fiafara ity Tanintsika Ity”, ao amin’ny pejy 15.