AHOANA NO HIAFARAN’ITY TANINTSIKA ITY?
Rivotra
MILA mifoka rivotra isika mba ho velona. Tsy izay ihany anefa no ilana ny rivotra. Miaro ny tany amin’ny ankamaroan’ireo taratra manimba avy amin’ny masoandro izy io. Raha tsy teo ny rivotra, dia ambanin’ny zero ny mari-pana eran-tany.
Atahorana haloto loatra ny rivotra
Tena maloto ny rivotra amin’izao, ka atahorana ho faty ny zavamananaina eto an-tany. Ny iray isan-jaton’ny mponina eto an-tany ihany no mifoka rivotra madio mifanaraka amin’ny fenitra navoakan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana.
Misy ifandraisany amin’ny rivotra maloto ny aretin’ny taovam-pisefoana, ny kanseran’ny havokavoka, ary ny aretim-po. Olona 7 000 000 eo ho eo koa no maty aloha be isan-taona, noho ny rivotra maloto.
Noforonina mba haharitra ny tany
Efa natao ho afaka hamatsy rivotra madio ho an’ny zavamananaina rehetra ny tany. Hahavita an’izany foana izy io, raha tsy dia mandoto ny tontolo iainana ny olona. Diniho ireto ohatra vitsivitsy ireto:
-
Efa be mpahalala fa mahavita mifoka ny gazy karbonika eny amin’ny rivotra ny ala. Tsy dia be mpahalala anefa hoe mbola tsy mahatoraka ny ala honko eny amoron-tsiraka ny ala. Avo dimy heny noho ny gazy karbonika fohin’ny alan’ny tany mafana mantsy no fohin’ny ala honko.
-
Hita tamin’ny fanadihadiana vao haingana fa tsy vitan’ny hoe mifoka ny gazy karbonika eny amin’ny rivotra ny ahidrano lehibe sasany, fa mandevina azy io koa. Misy kitapo kely feno rivotra eo amin’ny ravin’ny ahidrano antsoina hoe kelp, ka afaka mitsingevana sy miala lavitra ny morontsiraka ireny ravina ireny. Vaky ireo kitapon-drivotra rehefa tonga eny afovoany eny, dia milentika any amin’ny fanambanin’ny ranomasina ilay kelp feno gazy karbonika. Any ilay izy no milevina mandritra ny an-jatony taona.
-
Hita tamin’ilay fihibohana tamin’ny COVID-19, fa afaka ny hadio ho azy ny atmosfera na dia feno loto aza teo aloha. Vetivety dia nihanadio ny rivotra tamin’ny 2020, rehefa tsy nandoto ny tontolo iainana intsony ny ankamaroan’ny orinasa sy ny fiara eran-tany. Maherin’ny 80 isan-jaton’ireo firenena nadinadinina no nilaza fa nadio kokoa ny rivotra tany amin-dry zareo, tsy ela taorian’ilay fihibohana, araka ny “Tatitra Momba ny Fahadiovan’ny Rivotra Eran-tany (2020).”
Ny ezaka efa natao
Tenenin’ny fitondram-panjakana foana izao ny orinasa mba tsy dia handoto ny rivotra. Ny mpahay siansa indray mahita fomba vaovao foana hanarenana ny vokatry ny fandotoana. Mampiasa mikraoba, ohatra, ry zareo mba hanovana ny loto ao amin’ny rivotra ho lasa zavatra tsy mankarary. Ny olona koa ampirisihin’ny manam-pahaizana handeha an-tongotra na bisikileta fa tsy handeha fiara, ary hitady hevitra mba tsy handany angovo be loatra rehefa ao an-trano.
Tsy ampy anefa izany, araka ny tatitra maromaro tamin’ny 2022 navoakan’ny fikambanana iraisam-pirenena, anisan’izany ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana sy ny Banky Iraisam-pirenena.
Milaza ny tatitra tamin’ny 2020 fa ny iray ampahatelony eo ho eo amin’ny olona eran-tany no mampiasa zavatra mandoto tontolo iainana rehefa mahandro sakafo. Vitsy ihany any amin’ny faritra maro no afaka mampiasa karazana fatana vaovao, na afaka mampiasa angovo hafa.
Mbola misy azo antenaina—Inona no lazain’ny Baiboly?
“Izao no tenin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, dia ilay Mpamorona ny lanitra ... Ilay nanao ny tany sy ny vokatra eo aminy, Ilay manome fofonaina ho an’ny mponina eny ambonin’ny tany.”—Isaia 42:5.
Andriamanitra no namorona ny rivotra iainantsika, sy ireo tsingerina manadio azy io. Tsy misy fetra koa ny heriny sy ny fitiavany ny olombelona. Izy ve dia hijery fotsiny an’izao fandotoana ny rivotra iainantsika izao? Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mampanantena Andriamanitra fa ho Tsara Fiafara ity Tanintsika Ity.”