Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIFOHAZA! No. 1 2024 | Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana?

Hoatran’ny zavamaniry atahorana ho lany tamingana ny fanajana. Tsy dia fahita intsony mantsy izy io, ka tonga dia voamarika izay maneho azy.

Be dia be, ohatra, ny olona tsy miraharaha ny hafa. Tsy raharahian-dry zareo ny ray aman-dreniny, ny zokiolona, ny mpitandro filaminana, ny mpampiasa, ary ny mpampianatra. Mihabetsaka koa ny fanamarihana masiaka sy manambanimbany ao amin’ny tambazotran-tserasera! Milaza ny gazetiboky iray navoakan’ny Oniversiten’i Harvard fa “mitombo be” ny tsy fanajana ny hafa. Miresaka koa izy io fa “mihabetsaka ny tatitra voaray momba an’izany tato ho ato.”

 

Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana ny Hafa?

Jereo ato hoe nahoana no zava-dehibe ny manaja ny hafa ary ahoana no anehoanao an’izany.

Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana ny Aina?

Diniho ny torohevitry ny Baiboly momba ny hoe ahoana no azontsika ampisehoana fa manaja ny aintsika sy ny ain’ny hafa isika.

Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana ny Fianakaviana?

Ho sambatra kokoa ny fianakaviana raha mifanaja ny mpianakavy.

Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana Tena?

Manampy ny olona hanatsara ny fiainany sy hahatsapa hoe misy vidiny ary hahay hanaja tena ny Baiboly.

Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana?

Hahita lahatsoratra momba ny fanajana ianao ato, sy momba an’izay ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanajana olona sy hampirisihana ny fiaraha-monina hifanaja.