Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana ny Aina?

Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana ny Aina?

ZAVA-DEHIBE NY MANAJA NY AINA

Misy zavatra fanaon’ny olona mampiseho hoe tsy manaja ny aina izy. Mety hankarary sady hampidi-doza ny fiaraha-monina izany.

  • Tsy vitan’ny hoe mahavoan’ny kansera ny fifohana sigara, fa lasa sarotra amin’ny vatana koa ny miady amin’ilay aretina. Raha atambatra, dia ny 90 isan-jato eo ho eo amin’ny olona matin’ny kanseran’ny havokavoka no mpifoka sigara, na tratran’ny setro-tsigaran’ny olona mpifoka.

  • Be dia be isan-taona no manana olana ara-pihetseham-po noho ny tifitra variraraka. Izao ny tatitra navoakan’ny Oniversiten’i Stanford: “Hita tamin’ny fikarohana fa na dia nieren-doza [tamin’ny tifitra variraraka tany an-tsekoly] aza ny olona sasany, dia mety tsy ho afaka ao an-tsainy mihitsy izay nitranga ka hampijaly azy mandritra ny taona maro.”

  • Tandindomin-doza ny ain’ny mpamily, eny fa na dia ny ain’ireo mpandeha an-tongotra aza, noho ny afitsoky ny olona mamo toaka na mamon-drongony nefa mbola mitondra fiara ihany. Ny tsy manan-tsiny matetika no mijinja ny vokany rehefa tsy manisy vidiny ny aina ny olona.

NY AZONAO ATAO

Tandrovy ny fahasalamanao. Mbola tsy tara raha izao ianao no miala amin’ny fahazaran-dratsy, ohatra hoe ny fifohana rongony sy sigara tsotra na elektronika ary ny fisotroana tafahoatra. Manimba ny fiainanao izany sady ahitana hoe tsy manaja ny ain’ny manodidina anao ianao, anisan’izany ny fianakavianao.

“Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’izay rehetra mandoto ny vatana.”​—2 Korintianina 7:1.

Mitandrema foana mba tsy hisian’ny loza. Amboary izay simba amin’ny tranonao mba hisorohana loza. Mitandrema tsara rehefa mitondra fiara na môtô, ary kojakojao tsara foana izy ireny. Aza manaiky hoteren’ny olona hanao zavatra fantatrao hoe mety handratra na hahafaty.

“Asio arofanina ny tampon-trano raha manao trano vaovao ianao, sao hivesatra trosan-dra ianao sy ny ao an-tranonao, raha sanatria misy olona mianjera avy eny.”​—Deoteronomia 22:8. a

Miezaha ho tsara fanahy. Hita amin’ny fiheveranao ny olona tsy mitovy fiaviana sy firenena ary saranga aminao, raha manaja ny aina ianao na tsia. Ny fanavakavahana sy ny fankahalana mantsy no fototry ny ankamaroan’ny herisetra sy ny ady eran-tany.

“Esory aminareo daholo rehefa mety ho lolompo, fahatezerana, fisafoahana, filelalelana, ary fanevatevana, sy ny toetra hafa rehetra mampalahelo ny hafa. Miezaha kosa ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy.”​—Efesianina 4:31, 32.

NY ATAONAY

Manampy ny olona hanana fomba fiaina voalanjalanja sy mahasalama ny Vavolombelon’i Jehovah. Manampy olona ho afaka amin’ny fahazaran-dratsy ny fandaharana fampianarana Baiboly ataonay.

Manaraka fitsipika hentitra momba ny aro loza izahay rehefa manao fanorenana. Ampiofanina hisoroka loza ny mpiasa an-tsitrapo manorina ny toeram-pivorianay sy ny trano hafa ampiasainay. Misy fitsirihana atao tsy tapaka amin’ireny trano ireny, mba hifanaraka amin’ny lalàna eo an-toerana momba ny aro loza izy ireny.

Manampy ny tra-boina izahay. Nanampy tra-boina tratran’ny loza 200 teo ho eo nitranga maneran-tany izahay, tao anatin’ny herintaona. Nandany efa ho 12 tapitrisa dolara avy amin’ny fanomezana azonay izahay mba hanampiana an’ireny olona ireny.

Rehefa nandripaka olona be dia be tany Afrika Andrefana (2014) sy tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (2018) ny aretina Ebola, dia natoronay ny olona izay azo atao mba tsy hiparitahan’io aretina mahafaty io. Nandefa solontena izahay mba hiresaka tamin’ny antokon’olona samihafa momba an’ilay loha hevitra hoe: “Mamonjy Aina ny Fankatoavana.” Ankoatra izay, dia nasianay fitaovana fanasana tanana isaky ny fidirana amin’ny toeram-pivavahanay. Nantitranterinay koa hoe zava-dehibe ny manasa tanana sy manaraka fepetra fiarovana hafa.

Nidera ny Vavolombelon’i Jehovah ny radio iray tany Sierra Leone, satria ry zareo nanampy ny mpiara-mivavaka aminy sy ny olona tsy Vavolombelona teo an-toerana mba hiaro tena amin’ny virosin’i Ebola.

Toerana fanasana tanana ao amin’ny Efitrano Fanjakana any Liberia, tamin’ny fotoana niparitahan’ny aretina Ebola tamin’ny 2014

a Nety tsara ho an’ny olona tany Israely sy ny manodidina io fitsipika io, satria mampiseho hoe zava-dehibe ny miaro ny ain’ny fianakaviana sy ny ain’ny olon-kafa. Fisaka mantsy ny tampon-tranon’izy ireo ary betsaka ny zavatra natao teny.