Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana ny Fianakaviana?

Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana ny Fianakaviana?

ZAVA-DEHIBE NY MANAJA NY FIANAKAVIANA

Milamina ny fiainana ao an-trano rehefa mifanaja ny mpianakavy. Mahatsiaro ho voaro koa ny mpivady sy ny ankizy.

  • Milaza ilay boky hoe Torohevitra Fito Hahasambatra ny Tokantrano (anglisy) fa rehefa mifanaja ny mpivady dia “tsy amin’ny zavatra lehibe ihany” no ampisehoany hoe mifankatia ry zareo, “fa amin’ny zavatra madinidinika ataony isan’andro koa.”

  • Hitan’ny mpikaroka fa mahatsapa ho misy vidiny kokoa ny ankizy mianatra hanaja ny hafa. Mifankahazo kokoa amin’ny ray aman-dreniny ry zareo, ary tsy dia manana olana loatra na ara-tsaina na ara-pihetseham-po.

NY AZONAO ATAO

Miaraha midinika ianareo mianakavy. Voalohany, ataovy mazava tsara ao an-tsain’ny tsirairay ny dikan’ny hoe “manaja.” Faharoa, soraty mazava hoe inona no andrasana aminareo tsirairay sy izay tsy tokony hataonareo. Fahatelo, iaraho midinika hoe ahoana no ampisehoanareo sy ny zanakareo fa manaja ny hafa ianareo.

“Tsy tanteraka izay kasaina hatao raha tsy maka hevitra amin’olona, fa tanteraka kosa izany rehefa be dia be ny mpanoro hevitra.”​—Ohabolana 15:22.

Miezaha ho modely. Manakiana ny fianakavianao ve ianao rehefa manao ny tsy mety ry zareo? Sa maneso azy rehefa milaza ny heviny izy? Tsy miraharaha an’izay lazainy ve ianao na manapaka ny teniny?

Soso-kevitra: Raiso hoe adidinao ny manaja ny vadinao sy ny zanakao, fa tsy hoe mila manao zavatra ry zareo vao mendrika ny hohajainao.

“Mifanomeza voninahitra, ka aoka ianareo no ho voalohany hanome voninahitra ny hafa.”​—Romanina 12:10.

Hajao ny hafa na dia tsy mitovy hevitra aminy aza ianao. Rehefa milaza ny hevitrao ianao dia aza miteny, ohatra, hoe “ianao mananona foana” na hoe “ianao tsy mba mananona mihitsy.” Halahelo mantsy ny mpianakavinao raha manao teny manakiana hoatr’izany ianao, ary mety ho lasa fifamaliana be ny tsy fifankahazoana kely.

“Mampitony hatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny henjana kosa vao mainka mampahatezitra.”​—Ohabolana 15:1.

NY ATAONAY

Mampirisika ny fianakaviana hifanaja ny Vavolombelon’i Jehovah. Miresaka matetika momba an’izany izahay ao amin’ny lahatsoratra sy boky sy bokikely ary video avoakanay, ary azo alaina maimaim-poana izany.

HO AN’NY MPIVADY: Afaka manampy ny mpivady hanao an’ireto ilay andian-dahatsoratra hoe Ho An’ny Fianakaviana:

  • Hihaino tsara

  • Tsy ho zatra tsy mifampiteny

  • Tsy hifamaly

(Karohy ao amin’ny jw.org/mg ilay hoe “Ho An’ny Fianakaviana”)

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY: Afaka manampy ny ray aman-dreny hampiofana ny zanany hanao an’ireto ilay andian-dahatsoratra hoe Ho An’ny Fianakaviana:

  • Hankatò

  • Hanampy amin’ny raharaha ao an-trano

  • Hiteny hoe “azafady” sy “misaotra”

(Karohy ao amin’ny jw.org/mg ilay hoe “Fitaizana Ankizy” sy “Fitaizana Tanora”)

Jereo koa ilay fanazavana fanampiny hoe “Manontany ny Ray Aman-dreny” ao amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora​—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany. (Karohy ao amin’ny jw.org/mg ilay hoe “Manontany ny Ray Aman-dreny”)

HO AN’NY TANORA: Misy lahatsoratra sy video ary fampiasana ao amin’ilay fizarana hoe Tanora, ao amin’ny jw.org/mg, ary hanampy ny tanora hanao an’ireto izany:

  • Tsy hiady amin’ny ray aman-dreniny sy ny iray tam-po aminy

  • Hahay hiresaka amin’ny dada sy mamany hoe tsy rariny ny fitsipika apetraky ry zareo

  • Hanao zavatra mba hahatonga ny ray aman-dreniny hatoky azy

(Karohy ao amin’ny jw.org/mg ilay hoe “Tanora”)

Maimaim-poana ny fidirana ao amin’ny tranonkala jw.org. Raha miditra ao ianao, dia tsy mila mandoa vola na misoratra anarana na miditra ho mpikambana na manome fanazavana momba anao.