Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana ny Hafa?

Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana ny Hafa?

ZAVA-DEHIBE NY MANAJA NY HAFA

Tsy hitatra ny olana sady ho tony ny andaniny sy ny ankilany raha manaja ny hafa ianao.

  • Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Mampitony hatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny henjana kosa vao mainka mampahatezitra.” (Ohabolana 15:1) Hoatran’ny hoe mandraraka lasantsy amin’ny afo ny olona iray rehefa tsy manaja ny hafa amin’ny teniny sy ny ataony, ary matetika no ratsy be ny vokatr’izany.

  • Nilaza i Jesosy hoe: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Matio 12:34) Hita hoe manana olana isika raha tsy manaja ny hafa amin’izay lazaintsika. Mety hiharihary mantsy hoe ahoana no tena fahitantsika ny olona tsy mitovy fiaviana, foko, firenena, na fari-piainana amintsika.

    Olona 32000 mahery avy any amin’ny tany 28 no nanaovana fanadihadiana vao haingana. Ny antsasany mahery no nilaza hoe mbola tsy betsaka hoatran’ny amin’izao mihitsy ny olona tsy mahalala fomba sy tsy mifanaja.

NY AZONAO ATAO

Hajao ny olona rehetra, na any am-pianarana na any am-piasana, na dia tsy mitovy hevitra aminy aza ianao. Miezaha hitady marimaritra iraisana. Hanampy anao tsy hanakiana na ho tia mitsaratsara olona izany.

“Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina.”​—Matio 7:1.

Izay tianao hitondrana anao itondrana ny hafa. Raha miahy ny olona sy manao ny rariny amin-dry zareo ianao, dia ho azo inoana hoe hoatr’izany koa no hataony aminao.

“Izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.”​—Lioka 6:31.

Miezaha hamela heloka. Aza miahiahy ny hafa. Aza mifantoka amin’izay teny na fihetsika manafintohina nataony.

“Mahatsindry fo ny olona lalin-tsaina, ary voninahitra ho azy ny mamela fahadisoana.”​—Ohabolana 19:11.

NY ATAONAY

Manaja olona ny Vavolombelon’i Jehovah sady manampy ny fiaraha-monina hanao hoatr’izany koa, any amin’izay toerana ipetrahan-dry zareo sy iasany.

Asainay hianatra Baiboly maimaim-poana ny olon-drehetra, nefa tsy manery ny hafa hanaiky ny zavatra inoanay na ny hevitray izahay. Miezaka ny “halemy fanahy sy ho feno fanajana” kosa izahay rehefa mitory, araka ny torohevitry ny Baiboly.​—1 Petera 3:15; 2 Timoty 2:24.

Tsy manavakavaka izahay. Raisinay tsara daholo ny karazan’olona rehetra te hahafantatra an’izay ampianarin’ny Baiboly ka tonga mivory miaraka aminay. Miezaka ‘manaja ny karazan’olona rehetra’ izahay na dia tsy mitovy amin’ny anay aza ny safidy ataon’izy ireo.​—1 Petera 2:17.

Manaja ny fahefan’ny mpitondra fanjakana any amin’izay tany misy anay izahay. (Romanina 13:1) Mankatò lalàna izahay ary mandoa hetra. Marina hoe tsy manao politika izahay nefa hajainay ny zon’ny olona hanapa-kevitra amin’ny resaka politika.