Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana Tena?

Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana Tena?

ZAVA-DEHIBE NY MANAJA TENA

Tsy mora milavo lefona ny olona manaja tena. Feno toky izy miatrika olana.

  • Hitan’ny mpikaroka fa mora miady saina sy mora kivy lava ary mahery misakafo be na malain-komana ny olona tsy manisy vidiny ny tenany. Atahorana kokoa hiboboka toaka sy hidoroka zava-mahadomelina koa ry zareo.

  • Tsy mampitaha ny tenany amin’ny hafa ny olona manaja tena. Mora kokoa aminy àry ny mifandray amin’ny manodidina azy sy mahazo namana akaiky. Ny olona tsy dia manisy vidiny ny tenany kosa mora manakiana, nefa mandrava fihavanana izany.

  • Matanja-tsaina ny olona manaja tena na dia miatrika fitsapana aza. Miezaka foana izy manatratra ny tanjony na dia misy sakana aza. Tsy hoatr’izany kosa ny olona tsy manisy vidiny ny tenany. Matetika na zavatra tsy mety kely aza, dia eritreretiny hoe olana be. Mora milavo lefona àry izy.

NY AZONAO ATAO

Mifidiana namana mampahery. Miezaha hinamana amin’ny olona manaja ny hafa sy tena mitady izay hahasoa anao ary hampahery anao.

“Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”​—Ohabolana 17:17.

Ampio ny hafa. Tena hahasambatra anao ny manome rehefa tsara fanahy ianao sady manao zavatra ho an’ny hafa, anisan’izany ny olona tsy afaka mamaly soa anao. Marina foana izany, na dia hoatran’ny hoe tsy misy mankasitraka aza ny zavatra tsara ataonao.

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—Asan’ny Apostoly 20:35.

Ampio ny zanakao hahay hanaja tena. Manao an’izany, ohatra, ianao raha ry zareo ihany no avelanao hamaha ny olana mahazo azy, araka izay vitany. Manampy ny zanakao hiatrika sy hamaha olana izany. Hahay hanaja tena kokoa izy vokatr’izay, ary ilainy foana izany rehefa lehibe izy.

“Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”​—Ohabolana 22:6.

NY ATAONAY

Manampy ny olona hanatsara ny fiainany sy hanaja tena ny fivoriana sy ny fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.

NY FIVORIANA FANAONAY ISAN-KERINANDRO

Mihaino lahateny ara-baiboly izahay mandritra ny fivoriana fanaonay isan-kerinandro. Matetika amin’izy ireny no misy soso-kevitra momba ny tokony hatao raha te hahay hanaja tena. Tsy misy vidim-pidirana ny fivorianay sady azon’ny rehetra atrehina. Hianaranao any, ohatra, hoe...

  • nahoana ianao no sarobidy amin’Andriamanitra

  • ahoana no hananana tanjona tsara eo amin’ny fiainana

  • ahoana no hahazoana namana akaiky sy maharitra

‘Mifampiahy’ ny olona any ary hahita tena namana ianao.​—1 Korintianina 12:25, 26.

Karohy ao amin’ny jw.org/mg ilay video fohy hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana?, raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny fivorianay ianao.

NY FAMPIANARANA BAIBOLY ATAONAY

Manasa olona hianatra Baiboly maimaim-poana amin’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! izahay. Ahitana an’ireto ao amin’io boky io: Andinin-teny manasongadina hevi-dehibe, fanazavana tsotra, fanontaniana mampisaintsaina, video manohina ny fo, ary sary tsara tarehy. Manampy ny olona hanatsara ny fiainany sy hahatsapa hoe misy vidiny ny fampianarana Baiboly ataonay.

Karohy ao amin’ny jw.org/mg ilay video fohy hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?, mba hahitanao hoe nahoana no mahasoa ny mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.