Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ao Tolède no tena ahitana ny tantara sy kolontsaina mampiavaka an’i Espaina. Lasa anisan’ny Lova Iraisam-pirenena i Tolède tamin’ny 1986, ary mahasarika mpizaha tany maro

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Espaina

Fitsidihana An’i Espaina

MISY faritra samihafa sy olona isan-karazany any Espaina. Fahita any ny sahana varimbazaha sy tanimboaloboka ary hazo oliva. Tsy lavitra an’i Afrika io firenena io, satria 14 kilaometatra monja ny ranomasina manasaraka azy ireo.

Any atsimoandrefan’i Eoropa no misy an’i Espaina. Maro no nifindra monina nankany, anisan’izany ny Fenisianina sy ny Grika ary ny mponin’i Carthage avy any Afrika Avaratra. Resin’ny Romanina ilay faritra, tamin’ny taonjato fahatelo Talohan’i Kristy, ka nantsoiny hoe Hispanie. Ny Visigoths sy ny Silamo taranaka Arabo indray no nibodo azy io tatỳ aoriana. Mbola ahitana soritry ny kolontsain’izy ireo any.

Olona 68 tapitrisa mahery no nitsidika an’i Espaina tamin’ny 2015. Mahasarika azy ireo ny hafanana, ny torapasika mivolombolamena, ny zavakanto, ny tantara, ary ny taotrano mampiavaka an’ilay firenena. Be mpitia koa ny sakafo espaniola, toy ny hazandranomasina, jambon, voamaina be fangarony, salady, ary legioma asiana menak’oliva fotsiny na andrahoina. Malaza eran-tany ny paella (vary maina mifangaro legioma sy hazandrano), tapas (karazana tsakitsaky), ary ny atody endasina miaraka amin’ny ovy sy persily.

Mariscada sakafo misy hazandranomasina

Mandihy flamenko

Sariaka ny mponina any. Katolika ny ankamaroany, nefa vitsy no mamonjy Lamesa. Nifindra tany Espaina ny olona maro avy atỳ Afrika, Amerika Latinina, ary Azia, tato ho ato. Betsaka no tia miresaka momba ny zavatra inoany sy ny fomba amam-panaony. Manararaotra miresaka amin’izy ireny ny Vavolombelon’i Jehovah, ka afaka mampahafantatra an’izay tena ampianarin’ny Baiboly.

Vavolombelona 10 500 mahery, tamin’ny 2015, no nanolo-tena hanorina na hanavao Efitrano Fanjakana 70, izay trano fivorian’izy ireo. Nomen’ny kaominina ny tany sasany nanorenana azy ireny. Te hanampy an’ireo mpifindra monina koa ny Vavolombelona any, ka mandamina fivoriana amin’ny fiteny 30 mahery ankoatra ny teny espaniola. Maherin’ny 186 000, tamin’ny 2016, no nanatrika ny fivoriana manokana natao hahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy.