MATOAN-DAHATSORATRA | AVY AMIN’IZA NY HERY MIAFINA?
Maro no Liana Amin’ny Hery Miafina!
“Efa nilaozan’ny toetrandro ny resaka vampira, bibiolona, ary lolovokatra. Ny olona misy demonia na manala demonia indray izao no malaza.”—Ny Gazetin’i Wall Street (anglisy).
LASA fahita amin’ny boky sy filma ary lalao video izao ny mpanao mazia mbola tanora sy efa antitra, ny mpamosavy manja kely, ary ny vampira tsara tarehy. Fa nahoana?
Hoy i Claude Fischer, mpandinika fiaraha-monina: ‘Amerikanina iray isaky ny folo taloha no nino hoe misy ny matoatoa. Lasa iray isaky ny telo anefa izany tato ho ato. Avo roa heny eo ho eo noho ny isan’ny olon-dehibe amerikanina ny isan’ny tanora amerikanina milaza fa efa nankany amin’ny mpanandro, ary mino hoe misy ny matoatoa sy ny trano misy lolo.’
Tsy mahagaga raha lasa malaza indray ny tantaran’olona misy fanahy ratsy. Hoy i Michael Calia tao amin’ny Gazetin’i Wall Street: “Maro indray izao no liana amin’ny tantaran’olona misy demonia. Nanjary be mpitia tampoka mantsy tato anatin’ny folo taona ny resaka vampira sy bibiolona ary lolovokatra.”
Milaza ny tatitra iray fa ny “25 ka hatramin’ny 50 isan-jaton’ny mponina eran-tany no mino hoe misy ny matoatoa, ary resahina betsaka amin’ny boky izy ireny.” Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’i Christopher Bader sy Carson Mencken, mpandinika fiaraha-monina, fa ‘mino ny 70 ka hatramin’ny 80 isan-jaton’ny Amerikanina hoe misy zava-mitranga tsy voazavan’ny siansa na tsy mifanaraka amin’ny lalàn’ny natiora.’
Tsy mampaninona ve ny mampiasa herin’ny maizina na ny manao fialam-boly misy resaka hery miafina?