Fampidiran-dresaka
Torohevitra 12 Mahasambatra ny Fianakaviana
Be dia be ny fianakaviana tsy sambatra amin’izao.
Nitombo be ny isan’ny mpivady nisaraka tany Etazonia, teo anelanelan’ny 1990 sy 2015. Lasa avo roa heny izany ho an’ireo mpivady 50 taona mahery, ary avo telo heny ho an’ireo 65 taona mahery.
Maro ny ray aman-dreny sahiran-tsaina, satria misy manam-pahaizana milaza fa tokony hoderaina foana ny ankizy. Ny hafa indray miteny hoe tokony ho hentitra be amin’ny zanany izy ireo.
Be dia be ny tanora tsy manana ny fahaizana ilaina mba hiatrehana ny fiainana.
Raha ny marina anefa dia hoe:
Afaka ny ho sambatra ny mpivady sady afaka ny haharitra ny fiarahan’izy ireo.
Azon’ny ray aman-dreny atao tsara ny manafay ny zanany fa tokony hatao amim-pitiavana izany.
Azon’ny tanora atao ny manana ny fahaizana ilaina mba hiatrehana ny fiainana.
Amin’ny fomba ahoana? Misy torohevitra 12 mahasambatra ny fianakaviana ato amin’ity Mifohaza! ity.