Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahasalamana

Fahasalamana

Tsy boky momba ny fitsaboana ny Baiboly. Misy toro lalana manampy antsika ho salama kokoa anefa ao. Hijery ohatra vitsivitsy isika.

KARAKARAO TSARA NY FAHASALAMANAO

TORO LALANA: “Tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa sy maneho fitiavana azy.”—Efesianina 5:29.

AHOANA IZANY? Mila mitandrina ny fahasalamantsika isika. Hita tamin’ny fanadihadiana iray fa be dia be ny aretina mahazo ny olona, satria tsy mety ny fomba itondrany ny fiainany. Mila manao safidy tsara àry isika raha te ho salama kokoa.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Mitandrema amin’ny resaka sakafo. Mihinàna sakafo mahasalama ary misotroa rano ampy tsara.

  • Manaova fanatanjahan-tena. Hanampy anao ho salama kokoa izany, na firy taona ianao na firy taona, ary na kilemaina ianao na manana aretina mitaiza. Afaka manome torohevitra anao ny dokotera sy ny olona akaiky anao. Ianao mihitsy anefa no mila manao zavatra.

  • Miezaha ho ampy torimaso. Mety harary mafy ny olona iray, raha tsy ampy torimaso mandritra ny fotoana elaela. Tsy matory ny olona sasany amin’ny fotoana tokony hatoriany, fa aleony manao zavatra hafa. Ho salama kokoa anefa izy raha miezaka ho ampy torimaso.

MIALÀ AMIN’NY FAHAZARAN-DRATSY

TORO LALANA: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina.”—2 Korintianina 7:1.

AHOANA IZANY? Ho salama kokoa isika raha tsy manimba ny vatantsika amin’ny zava-mahadomelina, toy ny sigara sy paraky. Ireo no anisan’ny mankarary sy mahafaty olona be indrindra.

INONA NO AZONAO ATAO? Ahoana, ohatra, raha te hiala amin’ny sigara ianao? Farito mialoha hoe rahoviana ianao no hiala amin’ilay izy, ary soraty eo amin’ny kalandrie izany. Ario daholo ny birike, afokasoka, ary ny fasiana tain-tsigara, alohan’io andro io. Aza mankany amin’ny toerana be olona mifoka. Ilazao koa ny fianakavianao sy ny namanao fa te hiala amin’ny sigara ianao.

TORO LALANA HAFA

Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo raha te hahazo Baiboly ianao

MIEZAHA HISOROKA LOZA.

“Asio arofanina ny tampon-trano raha manao trano vaovao ianao. Amin’izay dia tsy hahatonga trosan-dra amin’ny tranonao ianao. Mety hisy olona hianjera mantsy avy eny.”—DEOTERONOMIA 22:8.

MAHAIZA MIFEHY NY HATEZERANAO.

“Ny olona tsy mora tezitra dia tena manana fahaiza-manavaka, fa mampiharihary ny hadalany kosa ny olona tsy manam-paharetana.”—OHABOLANA 14:29.

AZA MIHINANA TAFAHOATRA.

‘Aoka ianao tsy ho isan’ny [mpihinan-kanina] tafahoatra.’—OHABOLANA 23:20.