Manavakavaka ve Ianao?
Hoatran’ny virosy ny fanavakavahana. Tena manimba izy io, ary mety ho efa ao aminao fa tsy fantatrao akory.
Mety hiharan’ny fanavakavahana ny olona iray noho ny fiaviany, volon-kodiny, fiteniny, fivavahany, sarangany, na noho izy lahy na vavy. Misy olona mankahala ny hafa noho ny taonany, ny fianarana vitany, ny kilemany, na ny paoziny. Mbola mieritreritra ihany anefa izy hoe tsy manavakavaka.
Mety hanavakavaka koa ve ianao? Mora amin’ny ankamaroantsika ny mahita hoe manavakavaka ny hafa. Mety ho efa manavakavaka koa anefa isika, fa sarotra amintsika ny mahita an’ilay izy. Azo lazaina hoe manavakavaka daholo isika. Misy olona mankahala karazan’olona sasany, dia tsy tsapany akory hoe hafa mihitsy ny fomba itondrany an’ireny olona ireny rehefa mihaona aminy izy. Izany no tenin’ny Profesora David Williams, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina.
Mipetraka ao amin’ny tany iray any atsimoatsinanan’i Eoropa, ohatra, ny lehilahy iray atao hoe Jovica. Hoy izy momba ny foko iray any: “Nino aho hoe tsy afaka ny ho tsara toetra mihitsy ny olona avy amin’io foko io.” Hoy koa izy: “Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe nanavakavaka tamin’izany. Izany tsinona no zava-misy.”
Be dia be ny fitondram-panjakana mamoaka lalàna hiadiana amin’ny fanavakavahana. Mbola misy foana anefa ilay izy. Natao hifehezana ny zavatra ataon’ny olona fotsiny mantsy ny lalàna, fa tsy afaka mifehy ny eritreriny sy ny fihetseham-pony. Manomboka ao an-tsaina sy ao am-po anefa ny fanavakavahana. Tsy ho resy mihitsy àry ve izany ny fanavakavahana? Inona no vahaolana amin’izy io?
Olona maro no afaka nanala ny fanavakavahana tao am-pony sy tao an-tsainy. Hijery toro lalana dimy nanampy azy ireo isika ato.