Porofo eo Amin’izao Rehetra Izao
Variana foana ny mpahay siansa rehefa mandinika an’izao rehetra izao. Mbola tsy afa-po amin’ny fitaovana ananany anefa izy ireo. Inona no hitan’izy ireo hatreto?
Voalamina tsara izao rehetra izao. Hoy ny gazety iray momba ny kintana sy planeta: “Milamina tsara ny vahindanitra fa tsy hoe miparitadritaka fotsiny.” Ahoana no mampety an’izany? Mino ny mpahay siansa hoe misy hery tsy hita maso mihazona an’ireo vahindanitra eo amin’ny toerany avy.
Nahoana no milamina be hoatr’izany izao rehetra izao? Dia ho tongatonga ho azy ve izany? Mariho ny tenin’i Allan Sandage, tamin’izy mbola velona. Nino an’Andriamanitra izy ary anisan’ny niavaka indrindra sy tò teny tamin’ireo manam-pahaizana momba ny kintana sy planeta, tamin’ny taonjato faha-20.
Hoy izy: “Amiko aloha sarotra inoana hoe nilamina ho azy izao rehetra izao, fa tsy maintsy nisy nandamina.”
Misy lalàna maty paika mahatonga ny tany ho azo iainana. Diniho ilay antsoin’ny mpahay siansa hoe hery niokleary malefaka. Mahatonga ny masoandro hirehitra foana izy io. Raha nalefaka kokoa io hery io, dia tsy ho niforona mihitsy ny masoandro. Raha nahery loatra anefa izy io, dia efa ela ny masoandro no levona.
Vao iray amin’ireo lalàna be dia be iankinan’ny aintsika anefa izy io. Nanazava ilay mpahay siansa atao hoe Anil Ananthaswamy fa raha vao ny iray tamin’ireny lalàna fizika ireny fotsiny no tsy nifanaraka tamin’ny tokony ho izy, dia “tsy ho niforona mihitsy ny kintana sy ny planeta ary ny vahindanitra. Tsy ho nisy koa ny zavamananaina.”
Misy toerana mety tsara ho an’ny olombelona. Mety tsara ireo gazy ao amin’ny atmosfera sy ny habetsahan’ny rano eto an-tany. Antonony koa ny haben’ny volana, ka tsy miala eo amin’ny toerany ny tany. Hoy ny gazety Vaovao Momba ny Tany (anglisy): “Ny tany irery no planeta azo iainana eo amin’izao rehetra izao. Ny fiaraha-miasan’ny tontolo iainana sy ny zavamananaina no mahatonga an’izany.” a
Hoy ny mpanoratra iray: “Mitokana kely ny rafi-masoandro misy antsika” ao amin’ilay vahindanitra misy azy. Lavitra ny kintana hafa mantsy izy io dia lasa azo iainana ny tany. Raha akaiky kokoa an’ireo kintana hafa ilay rafi-masoandro, izany hoe tany afovoan’ilay vahindanitra na tany amin’ny sisiny, dia ho be loatra ny taratra tonga etỳ an-tany ka hanimba antsika. Ao amin’ilay faritra azo iainana indrindra amin’ilay vahindanitra anefa no misy antsika, araka ny tenin’ny mpahay siansa.
Nanao fikarohana momba an’izao rehetra izao sy ny lalàna fizika eo amin’izy io i Paul Davies, mpahay fizika. Hoy izy: “Tsy mino aho hoe kisendrasendra fotsiny no nampisy antsika eo amin’izao rehetra izao. Efa natao hiaina eto mihitsy isika.” Tsy nilaza i Davies hoe Andriamanitra no namorona an’izao rehetra izao sy ny olombelona. Ahoana kosa ny hevitrao? Toa natao hiainana mihitsy ny tany raha ny firafitr’izao rehetra izao no jerena. Tsy hoatran’ny hoe nisy Mpamorona ve tao ambadik’izany?
a Tsy te hilaza akory ilay lahatsoratra tao amin’io gazety io hoe Andriamanitra no namorona ny tany sy ny olombelona. Te hilaza fotsiny izy hoe mety tsara ho an’ny olombelona ny tany.