Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hitsitsiana Angovo?

Ahoana no Hitsitsiana Angovo?

MILA angovo isika mba hampahafana na hampangatsiatsiaka ny tranontsika, hampandeha ny fiarantsika, ary hanaovana an’ireo zavatra mahazatra antsika isan’andro. Olana eran-tany anefa ny tsy fahampian’ny angovo.

Sahirana, ohatra, i Gary atsy Afrika Atsimo, satria “midangana be ny vidin’ny solika.” I Jennifer any Philippines indray miasa saina fa “tapaka foana ny jiro.” I Fernando any Salvadaoro kosa ‘manahy momba ny tontolo iainana.’ Mandoto ny tontolo iainana mantsy ny angovo ampiasaina any amin’ny tany maro.

Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Dia inona izany no azoko atao?’

Afaka mifidy ny hitsitsy angovo daholo isika. Mahasoa ny mampiasa tsara azy ireny. Mitsitsy vola isika raha ahenantsika ny angovo ampiasaintsika. Voaro koa ny tontolo iainana, satria tsy mitombo ny angovo ilaina.

Afaka mitsitsy isika amin’ireto lafiny telo ireto: Ao an-trano, rehefa mampiasa fitaterana, ary eo amin’ny fiainana andavanandro.

AO AN-TRANO

Aza mandanilany foana rehefa mampiasa fitaovana mampahafana na mampangatsiatsiaka. Hitan’ny mpikaroka tany Grande-Bretagne fa tena mitsitsy angovo ny tokantrano iray ao anatin’ny taona, raha ampidininy degre roa monja ny fitaovana mampahafana ny tranony rehefa ririnina. Mitovy hevitra amin’izany i Derek, any Kanada. Hoy izy: “Mitsitsy kokoa izahay mianakavy raha manao akanjo ba rehefa ririnina, fa tsy ny mari-pana ao an-trano no ampiakarina.”

Miezaka ny handanjalanja koa i Rodolfo any Philippines rehefa mampiasa fitaovana mampangatsiatsiaka, ka ferany ny degre ampiasainy. Amin’izay, hono, izy mitsitsy vola sy angovo.

Hidio ny varavarana sy varavarankely rehefa mampiasa fitaovana mampahafana na mampangatsiatsiaka. * Mitsitsy angovo isika raha tsy avelantsika hivoaka an’ilay efitra ny rivotra mafana na mangatsiaka. Mitombo be, ohatra, ny angovo ilaina mba hampahafana ny trano, raha avela hisokatra ny varavarana nefa mangatsiaka ny andro.

Azo atao koa ny mampiasa varavarankely manokana, izay tsy mamela ny hafanana hivoaka, mba hitsitsiana angovo.

Mampiasà ampola mitsitsy. Hoy i Jennifer, ilay voaresaka tetsy aloha: “Tsy mampiasa ampola mazava be izahay, fa ampola mitsitsy kokoa.” Marina fa lafo kokoa izy ireny nefa tsy dia mandany angovo, ka ahafahana mitsitsy vola rehefa mandeha ny fotoana.

FITATERANA

Mampiasà fitateram-bahoaka raha azo atao. Hoy i Andrew any Grande-Bretagne: “Mandeha lamasinina na bisikileta aho rehefa mandeha miasa, raha mbola azoko atao.” Milaza ny boky iray momba ny angovo fa raha kajina ny “solika lany isaky ny mpandeha, dia avo telo heny ny an’ny fiara raha oharina amin’ny an’ny bisy sy lamasinina.”

Alamino ny dia ataonao. Hitsitsy solika sy vola ary fotoana ianao raha alaminao mialoha hoe aiza avy no alehanao, mba tsy hivezivezy be.

Feran’i Jethro any Philippines, ohatra, ny vola hividianany solika isam-bolana. Hoy izy: “Manampy ahy handamina kokoa ny dia ataoko izany.”

FIAINANA ANDAVANANDRO

Ahenao ny rano mafana ampiasainao. Hitan’ny mpikaroka fa ny fitaovana ahazoana rano mafana ao an-trano no “mandany ny 1,3 isan-jaton’ny angovo ilain’ny tanàna aostralianina, na ny 27 isan-jaton’ny angovo ampiasain’ny tokantrano iray.”

Mitsitsy àry isika rehefa tsy dia mampiasa rano mafana. Hoy i Victor atsy Afrika Atsimo: “Iezahanay atao kely ny rano mafana ampiasainay rehefa mandro izahay.” Hoy i Steven Kenway, mpahay siansa: ‘Ahazoan-tombony ny mitsitsy rano mafana. Mihena ny angovo sy rano lanin’ny mpanjifa, kely kokoa ny angovo mila vokarina, ary mitsitsy vola ny tokantrano.’

Vonoy ilay izy. Ohatra hoe ny jiro sy ny fera ary ny fitaovana elektronika, toy ny tele sy ordinatera. Na vonoina aza anefa ny ankamaroan’izy ireny fa tsy maty tanteraka, dia mbola mandany herinaratra ihany. Misy manam-pahaizana àry milaza fa tsara kokoa raha tsoahana mihitsy ny prizy mba hitsitsiana herinaratra, na vonoina ilay jiro mena kely raha prizy multiple no ampiasaina. Zatra manao an’izany i Fernando. Hoy izy: “Vonoiko ny jiro ary tsoahako ny prizy rehefa tsy ampiasaiko ilay fitaovana.”

Tsy ho vitantsika ny hampihena ny vidin’ny angovo na ny vokatr’izy io eo amin’ny tontolo iainana. Afaka mifidy ny hitsitsy angovo anefa isika. Mahita fomba maro anaovana an’izany ny olona eran-tany. Mety hilana ezaka sy fandaminana mialoha izany, nefa tena mahasoa. Hoy i Valeria any Meksika: “Mitsitsy vola aho sady miaro ny tontolo iainana.”

^ feh. 10 Araho tsara ny toromariky ny mpanamboatra an’ireny fitaovana ireny. Mety hilaina hosokafana ny varavarana na ny varavarankely rehefa mampiasa fitaovana sasany.