Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANTARO IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Ady

Ady

Nandeha niady tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamaniny ny Israelita fahiny. Mankasitraka ny ady hitantsika amin’izao àry ve Andriamanitra?

Nahoana ny Israelita fahiny no nandeha niady?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

 

Nanompo ‘andriamanitra tia ady’ sy lian-dra ny Israelita.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

 

Tia herisetra ireo firenena noresen’ny Israelita sady nanao zavatra mamoafady. Ohatra hoe nanao firaisana tamin’ny biby, na tamin’olom-pady, ary nanao sorona ankizy. Efa an-jatony taona izy ireny no nasain’Andriamanitra niova. Hoy izy tamin’ny Israelita tatỳ aoriana: “Nandoto tena tamin’izany rehetra izany ireo firenena izay horoahiko tsy ho eo anatrehanareo.”—Levitikosy 18:21-25; Jeremia 7:31.

“Noho ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no handroahan’i Jehovah Andriamanitrao azy tsy ho eo anatrehanao.”—Deoteronomia 9:5.

Manohana ny ady ve Andriamanitra amin’izao?

EFA HITANAO ANGAMBA FA

 

matetika rehefa misy ady, dia samy mihambo ho ampian’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana ao amin’ny andaniny sy ny ankilany. Hoy ny boky Ny Mahatonga ny Ady (anglisy): “Niditra tamin’ny ady foana ny fivavahana hatramin’izay.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

 

Tsy mahazo miady amin’ny fahavalony ny Kristianina. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. Aza mamaly faty.”—Romanina 12:18, 19.

Tsy nirahin’i Jesosy hiady ny mpanara-dia azy. Hoy kosa izy: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.” (Matio 5:44, 45) “Tsy anisan’izao tontolo izao” ny Kristianina. (Jaona 15:19) Tsy momba ny atsy na ny aroa àry izy ireo, na dia mandeha miady aza ny firenena misy azy. Tian’Andriamanitra ho tia ny fahavalony sy ho tafasaraka amin’ity tontolo ity ny mpanompony eran-tany. Tsy manampy an’izay firenena na vondron’olona mifanandrina amin’izao fotoana izao àry izy.

“Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako. Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.”—Jaona 18:36.

Tsy hisy ady intsony ve indray andro any?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

 

Hisy foana ny ady. Hoy ny boky Ny Ady sy ny Fahefana Mandritra ny Taonjato Faha-21 (anglisy): “Tsy hilamina izany ny tany amin’ity taonjato ity.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

 

Tsy hisy intsony ny ady rehefa tsy te hiady intsony ny olona. Tsy ho ela dia hopotehin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fitaovam-piadiana rehetra eto an-tany, ary hampianariny hitandro fihavanana ny olona. Fitondram-panjakana tena misy io fanjakana io, ary avy any an-danitra izy io no mitondra. Milaza ny Baiboly fa “hanitsy izay tsy mety eo amin’ireo firenena matanjaka any lavitra [Andriamanitra]. Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Na izy ireo, na ireo firenena dia samy tsy hanainga sabatra hifamely. Ary tsy hianatra ady intsony koa izy ireo.”—Mika 4:3.

Mifaninana mba hahazo tombontsoa ho an’ny tenany ny fanjakana sasany. Ampianarin’ny Baiboly fa tsy hisy intsony izany rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy intsony koa ny lalàna tsy ara-drariny mahatonga ny olona hikomy, sy ny fanavakavahana miteraka adim-poko. Ho foana àry ny ady. Hoy Andriamanitra: “Tsy handratra na hanimba ... izy ireo, satria ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany, toy ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”—Isaia 11:9.

“Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany izy. Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona. Dorany ny kalesin’ady.”—Salamo 46:9.