Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 16

“Hitsangana ny Anadahinao”!

“Hitsangana ny Anadahinao”!

“Hoy i Jesosy [tamin’i Marta]: ‘Ao fa hitsangana ny anadahinao.’”​—JAONA 11:23.

HIRA 151 Hiantso i Jehovah

HO HITANAO ATO a

1. Ahoana no nampisehoan’ny ankizilahikely iray hoe mino izy fa mbola hatsangana ny maty?

 NARARY mafy ny ankizilahikely atao hoe Matthew, ary tsy maintsy nodidiana imbetsaka. Nijery fandaharana Tele JW niaraka tamin’ny fianakaviany izy indray andro, tamin’izy fito taona. Nisy hira tany amin’ny faramparan’ilay fandaharana. Momba ny olona mitsena ny havany natsangana tamin’ny maty ilay izy. b Rehefa vita ilay fandaharana, dia nankeny amin’ny ray aman-dreniny izy, noraisiny ny tanan-dry zareo, ary izao no nolazainy: “Hitan’i Dada sy Neny? Na maty aza aho, dia mbola hitsangana. Afaka miandry ahy ianareo. Ao fa tsy maninona io!” Azonao an-tsaina ve ny fihetseham-pon’izy mivady rehefa fantany hoe tena nino ny fitsanganana amin’ny maty ny zanany?

2-3. Nahoana isika no tokony hisaintsaina an’ilay fampanantenana fitsanganana amin’ny maty?

2 Tsara isika rehetra raha misaintsaina tsindraindray an’ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe hatsangana ny maty. (Jaona 5:28, 29) Tsy haintsika mihitsy mantsy hoe rahoviana isika no harary mafy. Mety ho faty tampoka koa ny olona akaiky antsika. (Mpito. 9:11; Jak. 4:13, 14) Hanampy antsika hiatrika olana hoatr’izany ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. (1 Tes. 4:13) Manome toky ny Soratra Masina fa mahafantatra antsika tsara ilay Raintsika any an-danitra sady tena tia antsika. (Lioka 12:7) Eritrereto ange e! Tsy maintsy hoe mahafantatra antsika tsara i Jehovah matoa vitany ny hamorona antsika indray, dia hamerina ny toetrantsika sy ny fitadidiantsika. Tena tia antsika izy ka nataony ho afaka hiaina mandrakizay isika, na dia hoe mila manangana antsika amin’ny maty aza izy raha ilaina izany.

3 Horesahintsika voalohany hoe nahoana isika no afaka mino fa hatsangana ny maty. Handinika fitantarana manatanjaka finoana isika avy eo. Ho hitantsika ao amin’izy io ilay andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity hoe: “Ao fa hitsangana ny anadahinao.” (Jaona 11:23) Amin’ny farany isika hijery hoe ahoana no hatokisantsika kokoa fa hatsangana ny maty.

NAHOANA ISIKA NO AFAKA MINO FA HATSANGANA NY MATY?

4. Inona aloha no tsy maintsy maharesy lahatra anao vao hino fampanantenana iray ianao? Hazavao amin’ny ohatra.

4 Efa nisy nampanantena zavatra anao ve? Tsy maintsy resy lahatra aloha ianao hoe maniry hanatanteraka an’ilay fampanantenany ilay olona, sady manana hery na fahaizana hanatanterahana an’ilay izy, izay ianao vao hino azy. Andao hatao hoe ravan’ny rivo-doza ny tranonao. Nanatona anao ny namanao iray sady nampanantena hoe: ‘Ao fa hanampy anao hanamboatra ny tranonao aho.’ Tamim-pahatsorana no nilazany an’izany, ary resy lahatra ianao hoe maniry hanampy anao izy. Fantatrao koa hoe ho vitany izany, raha mahay manao trano izy sady ampy fitaovana. Lasa mino an’ilay fampanantenany àry ianao. Ary ahoana ilay fampanantenan’Andriamanitra hanangana ny maty? Tena maniry hamelona azy ireny ve izy, sady manana hery hanaovana an’izany?

5-6. Nahoana isika no afaka matoky fa maniry hanangana ny maty i Jehovah?

5 Maniry hanangana ny maty ve i Jehovah? Azo antoka izany. Nisy mpanoratra Baiboly vitsivitsy nasainy nanoratra an’ilay fampanantenany hanangana ny maty. (Isaia 26:19; Hosea 13:14; Apok. 20:11-13) I Jehovah koa rehefa mampanantena, dia tanterahiny foana ilay izy. (Jos. 23:14) Efa tsy andriny mihitsy aza ny hamelona an’ireo efa maty. Nahoana isika no milaza an’izany?

6 Diniho ny tenin’ilay loham-pianakaviana atao hoe Joba. Natoky izy fa tsy ho andrin’i Jehovah ny hahita azy velona indray, raha sanatria maty izy. (Joba 14:14, 15, f.a.p.) Tsy i Joba irery no tiany ho hita indray, fa ny mpanompony rehetra efa nodimandry. Efa tsy andriny ny hamelona an-dry zareo, ary tiany ho salama sy sambatra ry zareo. Ary ahoana ny amin’ireo an’arivony tapitrisa efa maty nefa mbola tsy afaka nianatra ny marina momba an’i Jehovah? Tian’ilay Andriamanitsika be fitiavana hatsangana koa ireny olona ireny. (Asa. 24:15) Tiany ho lasa namany sy hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireny. (Jaona 3:16) Hitantsika avy amin’izany fa maniry hanangana ny maty i Jehovah.

7-8. Nahoana isika no afaka matoky fa manana hery hananganana ny maty i Jehovah?

7 Manana hery hananganana ny maty koa ve i Jehovah? Mazava ho azy! Izy mantsy “ilay Mahery Indrindra.” (Apok. 1:8) Ampy tsara àry ny heriny mba handresena ny fahavalony rehetra, na dia ny fahafatesana aza. (1 Kor. 15:26) Mampahery sy mampionona antsika izany. Diniho ny tantaran’ny Ranabavy Emma Arnold. Niaritra fitsapana mafy izy mianakavy nandritra ny Ady Lehibe II. Maromaro ny olona akaiky an-dry zareo maty tany amin’ny toby fitanana nazia, dia te hampahery an’ilay zanany vavy izy. Izao no nolazainy: “Tsy mahery noho Andriamanitra ve ny fahafatesana, raha mahavita mangeja ny olona mandrakizay?” Tsy misy mahery noho i Jehovah mihitsy anefa! Vitan’ilay Andriamanitra mahery indrindra ny hamerina ny ain’izay efa maty, satria izy no namorona an’izany.

8 Misy antony hafa koa mahatonga antsika hino hoe mahavita manangana ny maty Andriamanitra. Tsy voafetra ny fitadidiany. Antsoiny amin’ny anarany avy, ohatra, ny kintana tsirairay. (Isaia 40:26) Tadidiny daholo koa izay olona efa maty. (Joba 14:13; Lioka 20:37, 38) Tsy sarotra aminy ny mitadidy ny tsipiriany madinika indrindra momba an’izay hatsangany amin’ny maty, anisan’izany ny bikabikany, ny maha izy azy, ny zavatra niainany, ary ny fitadidiany.

9. Nahoana ianao no mino an’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hatsangana ny maty?

9 Inoantsika àry ilay fampanantenan’i Jehovah hanangana ny maty, satria fantatsika fa maniry hamelona ny maty izy sady manana hery hanaovana an’izany. Ity koa misy antony hafa mahatonga antsika hino an’io fampanantenana io: Efa nanangana ny maty i Jehovah. Nisy lehilahy manam-pinoana vitsivitsy nomeny hery hanaovana an’izany, anisan’izy ireny i Jesosy. Andao isika handinika fitantarana iray ao amin’ny Jaona toko faha-​11. Miresaka olona iray natsangan’i Jesosy tamin’ny maty izy io.

MATY ILAY NAMANA TSY FOIN’I JESOSY

10. Inona no nitranga tao Betania tamin’i Jesosy nitory tany ampitan’i Jordana, ary inona no nataon’i Jesosy? (Jaona 11:1-3)

10 Vakio ny Jaona 11:1-3. Eritrereto izay nitranga tao Betania, tany amin’ny faramparan’ny taona 32. Tao no nisy an’i Lazarosy sy ny anabaviny roa, izany hoe i Maria sy Marta. Naman’i Jesosy akaiky ry zareo. (Lioka 10:38-42) Narary anefa i Lazarosy ka nanahy ny anabaviny. Nandefa hafatra tany amin’i Jesosy àry ry zareo. Tany ampitan’i Jordana i Jesosy tamin’izay, izany hoe dia an-tongotra roa andro teo ho eo niala an’i Betania. (Jaona 10:40) Nampalahelo fa maty i Lazarosy rehefa tonga tany amin’i Jesosy ilay mpitondra hafatra. Na dia fantatr’i Jesosy aza hoe maty ilay namany, dia mbola nijanona roa andro fanampiny tany amin’ilay nisy azy izy, izay vao nankany Betania. Efa maty efatra andro àry i Lazarosy tamin’i Jesosy tonga tany. Te hanao zavatra izy tamin’izay mba hahasoa an’ireo namany sy hanomezana voninahitra an’Andriamanitra.​—Jaona 11:4, 6, 11, 17.

11. Hoatran’ny ahoana no atao hoe namana raha io tantara io no jerena?

11 Hoatran’ny ahoana no atao hoe namana raha io tantara io no jerena? Diniho izao: Rehefa nampitondra hafatra tany amin’i Jesosy i Maria sy Marta, dia tsy niangavy azy ho any Betania. Nilaza fotsiny ry zareo hoe marary ilay namany tsy foiny. (Jaona 11:3) Rehefa maty indray i Lazarosy, dia azon’i Jesosy natao ny nanangana azy avy any lavitra any. Naleony anefa nankany Betania mba hiaraka tamin’ny namany, izany hoe i Maria sy Marta. Ianao koa ve manana namana tsy miandry iangaviana fa tonga dia manampy? Raha izany, dia matoky ianao hoe azonao ianteherana izy amin’ny “fotoan-tsarotra.” (Ohab. 17:17) Namana hoatr’izany i Jesosy. Enga anie ianao mba hanahaka azy! Andao indray hojerentsika ny tohin’ilay tantara.

12. Inona no nampanantenain’i Jesosy an’i Marta, ary nahoana izany no tsy fampanantenana poakaty? (Jaona 11:23-26)

12 Vakio ny Jaona 11:23-26. Rehefa henon’i Marta hoe tany akaikin’i Betania i Jesosy, dia lasa haingana izy nitsena azy. Izao no nolazainy: “Tompo ô, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.” (Jaona 11:21) Marina hoe afaka nanasitrana an’i Lazarosy i Jesosy. Te hanao zavatra miavaka noho izany anefa izy. Nampanantena izy hoe: “Ao fa hitsangana ny anadahinao.” Izao koa no nolazainy, amin’izay i Marta mino kokoa an’ilay fampanantenana: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.” Efa nomen’Andriamanitra hery hananganana ny maty tokoa i Jesosy. Nanangana ankizivavikely tamin’ny maty izy talohan’izay, ary tsy ela taorian’ny nahafatesan’izy io no nanaovany an’izany. Efa nanangana tovolahy iray koa izy, angamba tamin’ny andro nahafatesan’ilay tovolahy. (Lioka 7:11-15; 8:49-55) Ho vitan’i Jesosy anefa ve ny hanangana olona efa maty efatra andro, sady efa manomboka simba ny vatany?

“RY LAZAROSY, MIVOAHA!”

Tena nangoraka an’ireo namany novesaran’alahelo i Jesosy (Fehintsoratra 13-14)

13. Inona no tsapan’i Jesosy rehefa nahita an’i Maria sy ny olon-kafa nitomany, araka ny Jaona 11:32-35? (Jereo koa ny sary.)

13 Vakio ny Jaona 11:32-35. Eritrereto indray izay nitranga taorian’izay. Nandeha nitsena an’i Jesosy koa i Maria, ilay anabavin’i Lazarosy anankiray. Izay notenenin’ilay rahavaviny ihany no naveriny. Hoy izy: “Tompo ô, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.” Tena novesaran’alahelo izy sy ny olona niaraka taminy. Hontsa ny fon’i Jesosy rehefa nahita sy naheno an-dry zareo nitomany. Tena nangoraka ny namany izy ka nirotsaka ny ranomasony. Tsapany hoe mafy izany mamoy olona akaiky izany. Azo antoka àry fa tsy andriny ny hanala an’ilay antony nahatonga an-dry zareo nitomany!

14. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah rehefa jerena izay tsapan’i Jesosy nahita an’i Maria nitomany?

14 Lasa fantatsika hoe Andriamanitra tena mangoraka i Jehovah, rehefa jerena izay tsapan’i Jesosy nahita an’i Maria nitomany. Nahoana isika no milaza an’izany? Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa manahaka tanteraka ny fomba fisainana sy ny fihetseham-pon’ny Rainy i Jesosy. (Jaona 12:45) Rehefa mamaky àry isika hoe tena nangoraka izy nahita ny namany vonton’alahelo ka nitomany, dia afaka milaza isika hoe malahelo be koa i Jehovah rehefa mahita antsika ory sy mitomany. (Sal. 56:8) Tsy mandrisika anao hifandray akaiky amin’ilay Andriamanitsika be fitiavana ve izany?

Nasehon’i Jesosy hoe manana hery hananganana ny maty izy (Fehintsoratra 15-16)

15. Inona no nitranga teny amin’ilay fasana nisy an’i Lazarosy, araka ny Jaona 11:41-44? (Jereo koa ny sary.)

15 Vakio ny Jaona 11:41-44. Rehefa tonga teny amin’ilay fasana nisy an’i Lazarosy i Jesosy, dia nasainy nesorina ny vato nanampina an’ilay izy. Tsy nanaiky anefa i Marta, satria tsy maintsy maimbo, hono, izay ilay faty. Hoy anefa i Jesosy: “Angaha moa izaho tsy efa niteny taminao hoe raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?” (Jaona 11:39, 40) Nitraka nijery ny lanitra izy avy eo, dia nivavaka teo imason’olona. I Jehovah mantsy no tiany hahazo voninahitra amin’izay hitranga eo. Niantso mafy izy avy eo hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Dia iny i Lazarosy fa nivoaka avy tao am-pasana! Zavatra noeritreretin’ny olona sasany hoe tsy hitranga mihitsy no vitan’i Jesosy. c

16. Nahoana ny Jaona toko faha-​11 no manampy antsika hino kokoa fa hitsangana ny maty?

16 Manampy antsika hino kokoa ny fitsanganana amin’ny maty ny Jaona toko faha-​11. Nahoana? Tadidio ilay fampanantenan’i Jesosy an’i Marta hoe: “Ao fa hitsangana ny anadahinao.” (Jaona 11:23) Hoatran’ny Rainy mantsy i Jesosy, ka maniry hanangana ny maty sady manana hery hanaovana an’izany. Ilay izy nirotsa-dranomaso koa mampiseho hoe tena te hanafoana ny fahafatesana sy ny alahelo vokatr’izany izy. Ary vao nivoaka ny fasana i Lazarosy, dia voaporofon’i Jesosy indray hoe manana hery hananganana ny maty izy. Saintsaino koa ilay teniny tamin’i Marta hoe: “Angaha moa izaho tsy efa niteny taminao hoe raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?” (Jaona 11:40) Be dia be àry ny antony inoantsika fa tena hanatanteraka an’ilay fampanantenany hanangana ny maty Andriamanitra. Inona anefa no azonao atao mba hatoky kokoa an’izany?

AHOANA NO HATOKISANTSIKA KOKOA FA HATSANGANA NY MATY?

17. Inona no tokony hotadidintsika rehefa mamaky tantaran’olona natsangana tamin’ny maty ao amin’ny Baiboly isika?

17 Vakio sy saintsaino ireo fananganana ny maty taloha. Miresaka olona valo natsangana teto an-tany ny Baiboly. d Maninona raha fakafakaina tsirairay ireny tantara ireny? Rehefa manao an’izany ianao, dia tadidio fa tena nisy ireny lehilahy sy vehivavy ary ankizy natsangana ireny. Mitadiava lesona azonao ianarana. Saintsaino hoe nahoana ny fitantarana tsirairay no manaporofo fa maniry hanangana ny maty Andriamanitra sady manana hery hanaovana an’izany. Ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty anefa no lehibe indrindra, ary izany no tena tokony hosaintsainintsika. Tadidio fa an-jatony ny Vavolombelona nanamarina hoe natsangana tamin’ny maty izy. Vao mainka manatanjaka ny finoantsika izany.​—1 Kor. 15:3-6, 20-22.

18. Ahoana no azonao ampiasana an’ireo hira momba ny fitsanganana amin’ny maty? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

18 Ampiasao tsara ireo “hira masina” momba ny fitsanganana amin’ny maty. e (Efes. 5:19) Hanampy anao hatoky kokoa ny fitsanganana amin’ny maty izy ireny, sady hanatanjaka ny finoanao an’io fampanantenana sarobidy io. Henoy izy ireny, averimbereno, ary diniho mandritra ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianareo ny tonony. Raketo ao am-ponao sy ao an-tsainao ny tonon’izy ireny. Hahasoa anao izany, raha miatrika fitsapana mety hamoizanao ny ainao ianao, na misy olona akaiky anao indaosin’ny fahafatesana. Hanampy anao hahatsiaro an’ireny hira ireny mantsy ny fanahin’i Jehovah, ka hampionona sy hampahery anao izy ireny.

19. Inona no azonao saintsainina momba ny fitsanganana amin’ny maty? (Jereo ilay hoe “ Inona no Hanontanianao An-dry Zareo?”)

19 Miezaha maka sary an-tsaina. Nataon’i Jehovah afaka maka sary an-tsaina ny tenanao ao amin’ny tontolo vaovao ianao. Hoy ny anabavy iray: “Im-be dia be aho no naka sary an-tsaina ny tenako ao amin’ny tontolo vaovao, dia hoatran’ny hoe henoko mihitsy ny fofon’ny raozy ao amin’ny Paradisa.” Saintsaino hoe hahita an’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana taloha ianao. Iza izao no efa tsy andrinao ny hihaona aminy? Inona no hanontanianao azy? Eritrereto koa hoe tafahaona amin’ny olona akaiky anao efa maty ianao. Alao sary an-tsaina ilay fihaonanareo: Ny zavatra voalohany horesahinao aminy, sy ilay ianareo mifamihina, ary ny ranomasom-pifalianareo.

 

20. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

20 Soa ihany i Jehovah fa nampanantena hanangana ny maty! Afaka matoky isika hoe ho tanteraka izany, satria maniry hanangana ny maty izy sady manana hery hanaovana an’izany. Enga anie isika ho tapa-kevitra hino kokoa an’io fanantenana sarobidy io, amin’izay isika ho akaiky kokoa an’Andriamanitra mihoatra noho ny hatramin’izay. Izy mantsy ilay mampanantena antsika tsirairay hoe: ‘Ao fa hitsangana ilay olona akaikin’ny fonao!’

HIRA 147 Azo Antoka ny Fiainana Mandrakizay

a Efa nisy olona akaiky anao nodimandry ve? Raha izany, dia azo antoka fa tena mampionona anao ny fampanantenana fitsanganana amin’ny maty. Ahoana anefa no hanazavanao amin’ny olona hoe nahoana ianao no mino an’io fampanantenana io? Ary ahoana no hatokisanao kokoa fa hatsangana ny maty? Hanampy antsika rehetra hino kokoa an’izany ity lahatsoratra ity.

b Efa ao Ambadika Ao no lohatenin’ilay hira, ary nivoaka tamin’ny fandaharana Tele JW Novambra 2016.

c Jereo ilay hoe “Nahoana no afaka efatra andro i Jesosy vao tonga tany amin’ny fasan’i Lazarosy?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2008, p. 31.

d Jereo ilay hoe “Olona Valo Nitsangana Tamin’ny Maty”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2015, p. 4.

e Jereo ao amin’ny Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah ireto hira ireto: “Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao” (Hira 139), “Banjino Ilay Lokanao!” (Hira 144), ary ilay hoe “Hiantso i Jehovah” (Hira 151). Jereo ao amin’ny jw.org/mg koa ireto hira ireto: “Efa ao Ambadika Ao”, “Ilay Tontolo Vaovao”, ary “Ho Tianao.”