Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 17

Ho eo Foana i Jehovah na dia Miovaova aza ny Fiainanao

Ho eo Foana i Jehovah na dia Miovaova aza ny Fiainanao

“Maro ny zava-tsarotra atrehin’ny olo-marina, nefa manafaka azy amin’izany rehetra izany i Jehovah.​—SAL. 34:19.

HIRA 44 Vavaky ny Torotoro Fo

HO HITANAO ATO a

1. Resy lahatra ny amin’ny inona isika?

 VAHOAKAN’I Jehovah isika ka fantatsika hoe tia antsika izy, ary tiany ho tsara indrindra araka izay azo atao ny fiainantsika. (Rom. 8:35-39) Resy lahatra koa isika hoe handray soa foana isika rehefa mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. (Isaia 48:17, 18) Ahoana anefa raha miatrika olana tsy nampoizina isika?

2. Inona ny olana mety hatrehintsika? Inona no mety hampieritreritra antsika vokatr’izany?

2 Miatrika olana daholo ny mpanompon’i Jehovah. Mety handiso fanantenana antsika, ohatra, ny olona ao amin’ny fianakaviantsika. Mety harary mafy koa isika, ka ho voafetra ny azontsika atao ho an’i Jehovah. Na mety hijaly isika vokatry ny rivo-doza na horohoron-tany na loza hafa. Mety henjehina noho ny finoantsika koa isika. Rehefa miatrika fitsapana hoatr’ireo isika, dia mety ho lasa saina hoe: ‘Fa maninona àry aho no tratran’izao? Nisy tsy nety nataoko ve? Fa angaha izaho tsy tahin’i Jehovah?’ Efa nahatsapa hoatr’izany ve ianao? Raha izany, dia aza kivy. Betsaka amin’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika mantsy no mahatsapa hoatr’izany.​—Sal. 22:1, 2; Hab. 1:2, 3.

3. Inona no ianarantsika avy amin’ny Salamo 34:19?

3 Vakio ny Salamo 34:19. Voamarikao ve ireo hevi-dehibe roa ao amin’io salamo io? 1) Miatrika zava-tsarotra ny olo-marina. 2) Manafaka antsika amin’ny fitsapana mahazo antsika i Jehovah. Ahoana no anaovany an’izany? Ampiany, ohatra, isika hijery ny tena zava-misy raha mbola eto amin’izao tontolo izao. Marina fa mampanantena izy hoe ho faly isika rehefa manompo azy, nefa tsy manome toky izy hoe hisosa fotsiny ny fiainantsika. (Isaia 66:14) Mampirisika antsika kosa izy mba hifantoka amin’ny hoavy. Amin’izay mantsy isika vao hanana an’ilay fiainana tiany hankafizintsika mandrakizay. (2 Kor. 4:16-18) Ampiany hahavita hiatrika ny andro tsirairay anefa isika mandra-pahatongan’izay.​—Fitom. 3:22-24.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Andao isika handinika an’izay azontsika ianarana avy amin’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, na taloha na amin’izao. Ho hitantsika amin’izany hoe mety hiatrika olana tsy ampoizina isika. Rehefa miantehitra amin’i Jehovah anefa isika, dia tsy hanary antsika mihitsy izy. (Sal. 55:22) Saintsaino izao rehefa mandinika an’ireo isika: ‘Ahoana no ho nataoko raha izaho no niaina an’izany? Fa maninona ireo ohatra ireo no manampy ahy hatoky kokoa an’i Jehovah? Inona ny lesona azoko ampiharina eo amin’ny fiainako?’

TALOHA

Notahin’i Jehovah i Jakoba nandritra ny 20 taona tamin’izy niasa mafy tao amin’i Labana, na dia namitaka azy foana aza io dadatoany io (Fehintsoratra 5)

5. Inona ny olana natrehin’i Jakoba noho ny nafitsok’i Labana? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

5 Niatrika olana tsy nampoizina ny mpanompon’i Jehovah taloha. Eritrereto i Jakoba. Nasain’ny dadany naka vady tamin’ireo zanakavavin’i Labana izy, ary nomena toky hoe tena hotahin’i Jehovah. Mpanompon’i Jehovah io Labana io sady havan-dry zareo. (Gen. 28:1-4) Nety àry ny nataon’i Jakoba. Niala tany Kanana izy, dia nanao dia lavitra nankany an-tranon’i Labana. Nanan-janakavavy roa io lehilahy io. Lea no anaran’ilay vavimatoa, dia Rahely no faravavy. I Rahely no nahababo ny fon’i Jakoba, dia nanaiky hiasa fito taona ho an-drainy izy mba hahazoana azy ho vady. (Gen. 29:18) Tsy araka ny noeritreretin’i Jakoba anefa ny zava-nitranga. Nofitahin’i Labana mantsy izy, ka i Lea indray no nomeny ho vadiny. Navelany hanambady an’i Rahely ihany izy herinandro tatỳ aoriana, fa nila niasa fito taona fanampiny, hono. (Gen. 29:25-27) Tsy rariny koa ny nataon’i Labana, rehefa niasa ho azy i Jakoba. Raha atambatra, dia nanararaotra an’i Jakoba nandritra ny 20 taona izy!​—Gen. 31:41, 42.

6. Inona ny olana hafa niaretan’i Jakoba?

6 Niaritra olana hafa koa i Jakoba. Maro anaka izy, nefa matetika ny zanany lahy no tsy nifankahazo. Namidin-dry zareo ho andevo mihitsy aza i Josefa rahalahin-dry zareo. Tsy izay ihany, fa nanala baraka ny fianakaviana sy ny anaran’i Jehovah ny roa taminy, izany hoe i Simeona sy Levy. Maty teo am-piterahana ny zanak’izy ireo faharoa koa i Rahely vady malalany. Ankoatra izay, dia voatery nifindra tany Ejipta i Jakoba na dia efa antitra aza, satria nisy mosary mafy tao amin’ny taniny.​—Gen. 34:30; 35:16-19; 37:28; 45:9-11, 28.

7. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe nankasitraka an’i Jakoba izy?

7 Mbola nino an’i Jehovah sy ny fampanantenany foana i Jakoba tao anatin’izany rehetra izany. Ho setrin’izany, dia nasehon’i Jehovah taminy hoe nankasitraka azy izy. Na teo aza, ohatra, ny fitapitaka nataon’i Labana, dia nataon’i Jehovah nanan-karena be i Jakoba. Eritrereto koa ange e! Tsy maintsy hoe nankasitraka be an’i Jehovah i Jakoba rehefa tafahaona tamin’i Josefa indray. Noheveriny hoe maty efa ela mantsy io zanany lahy io. Nahavita niatrika an’izany fitsapana rehetra izany i Jakoba, satria ninamana be tamin’i Jehovah. (Gen. 30:43; 32:9, 10; 46:28-30) Hahavita hiatrika olana tsy ampoizina koa isika, rehefa mifandray akaiky amin’i Jehovah foana.

8. Inona no tian’i Davida Mpanjaka hatao?

8 Tsy afaka nanao an’izay rehetra tiany hatao teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah i Davida Mpanjaka. Naniry mafy hanorina tempoly ho an’ny Andriamaniny, ohatra, izy. Noresahiny tamin’i Natana mpaminany izany faniriany izany. Izao no navalin’i Natana azy: “Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa manohana anao ilay tena Andriamanitra.” (1 Tan. 17:1, 2) Tsy maintsy hoe nampahery an’i Davida ireo teny ireo. Angamba izy tonga dia nanomboka nanomankomana an’io tetikasa lehibe io.

9. Ahoana no nataon’i Davida rehefa nisy vaovao nandiso fanantenana azy?

9 Tsy ela anefa dia niverina tany aminy ilay mpaminanin’i Jehovah, ary nitondra vaovao nandiso fanantenana. “Ny alin’iny ihany”, dia nilaza tamin’i Natana i Jehovah hoe tsy i Davida no hanorina an’ilay tempoly, fa ny iray amin’ny zanany lahy. (1 Tan. 17:3, 4, 11, 12) Ahoana no nataon’i Davida rehefa naheno an’izany? Novany hifanaraka tamin’izany ny tanjony. Dia inona indray no nifantohany? Nanangona ny vola sy fitaovana nilain’i Solomona zanany hamitana an’ilay tetikasa izy.​—1 Tan. 29:1-5.

10. Ahoana no nitahian’i Jehovah an’i Davida?

10 Tonga dia nanao fifanekena tamin’i Davida i Jehovah, raha vao avy nampahafantatra azy hoe tsy izy no hanorina an’ilay tempoly. Nampanantena an’i Davida izy hoe hanjaka mandrakizay ny iray amin’ny taranany. (2 Sam. 7:16) Ho faly be izao i Davida rehefa any amin’ny tontolo vaovao! Ho fantany mantsy hoe taranany i Jesosy, ilay hitondra mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Hitantsika avy amin’io tantara io fa na dia tsy afaka manao an’izay rehetra tiantsika hatao ho an’i Jehovah aza isika, dia mety hisy fitahiana hafa tsy ampoizintsika omaniny ho antsika.

11. Ahoana no nitahian’i Jehovah ny Kristianina voalohany, na dia tsy tonga tamin’ny fotoana nieritreretany azy aza ilay Fanjakana? (Asan’ny Apostoly 6:7)

11 Niatrika zava-tsarotra tsy nampoizina koa ny Kristianina voalohany. Tena naniry ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ohatra, ry zareo, nefa tsy hainy hoe rahoviana izy io no ho tonga. (Asa. 1:6, 7) Inona àry no nataony? Nitory foana ireo Kristianina ireo. Rehefa niely ny vaovao tsara, dia nahita porofo mivaingana ry zareo hoe nitahy ny ezaka nataony i Jehovah.​—Vakio ny Asan’ny Apostoly 6:7.

12. Inona no nataon’ny Kristianina voalohany rehefa nisy mosary?

12 Nisy mosary lehibe ‘nanerana ny tany’ indray mandeha. (Asa. 11:28) Tsy afa-bela tamin’izany ny Kristianina voalohany. Azonao an-tsaina ve hoe inona no vokatr’io mosary lehibe io tamin-dry zareo? Azo antoka fa nanahy ny loham-pianakaviana hoe ahoana no hamelomany ny ankohonany. Ary ahoana ny amin’ny tanora nieritreritra hampitombo ny fanompoany? Lasa saina ve ry zareo hoe sao dia tokony hahemotra aloha izany? Na inona na inona nitranga, dia nampifanarahin’ireo Kristianina ireo tamin’izany ny zavatra nataony. Mbola nitory foana araka izay azony natao ry zareo, sady faly nizara an’izay nananany tamin’ny mpiara-manompo taminy tany Jodia.​—Asa. 11:29, 30.

13. Inona ny fitahiana azon’ireo Kristianina ireo nandritra an’ilay mosary?

13 Inona ny fitahiana azon’ireo Kristianina ireo nandritra an’ilay mosary? Izay nahazo fanampiana aloha nahatsapa mivantana hoe nanohana azy i Jehovah. (Mat. 6:31-33) Tsy maintsy hoe lasa nifandray kokoa tamin’ireo mpiara-manompo nanome tanana ry zareo. Izay nanao fanomezana na nanampy tamin’ny fomba hafa kosa nahatsapa an’ilay hoe mahasambatra ny manome. (Asa. 20:35) Notahin’i Jehovah àry izy rehetra rehefa nanao fiovana nifanaraka tamin’ny zavatra niainany.

14. Inona no nahazo an’i Barnabasy sy ny apostoly Paoly, ary inona no vokatr’izany? (Asan’ny Apostoly 14:21, 22)

14 Nenjehina matetika ny Kristianina voalohany, ary tamin’ny fotoana tsy nampoizina izany indraindray. Eritrereto izay nitranga tamin’i Barnabasy sy ny apostoly Paoly, tamin-dry zareo nitory tany amin’ny faritr’i Lystra. Nandray tsara an-dry zareo tamin’ny voalohany izay nihaino azy. “Nandresy lahatra ny vahoaka” anefa ny mpanohitra tatỳ aoriana, ka ny sasany tamin’ireo olona ireo ihany no nitora-bato an’i Paoly. Rehefa noheverin-dry zareo fa maty izy vao navelany. (Asa. 14:19) Mbola nitory tany an-kafa indray anefa i Barnabasy sy Paoly. Dia inona no vokany? “Nanampy olona be dia be ho lasa mpianatra” ry zareo, ary nampahery ny mpiara-manompo ny teniny sy ny modely nomeny. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 14:21, 22.) Betsaka àry no nandray soa satria tsy nilavo lefona izy roa lahy, na dia nisy fanenjehana tampoka aza. Hotahin’i Jehovah koa isika rehefa tsy milavo lefona fa manao an’izay asainy atao foana.

AMIN’IZAO

15. Inona no ianaranao avy amin’ny Rahalahy Macmillan?

15 Nanantena zavatra tsara be ny vahoakan’i Jehovah, talohan’ny 1914. Eritrereto, ohatra, ny Rahalahy MacMillan. Nieritreritra izy hoe tsy ho ela dia hahazo ny valisoany any an-danitra, hoatran’ny olona maro tamin’izany ihany. Izao no nolazainy tao amin’ny lahateny iray nataony tamin’ny Septambra 1914: “Ity angamba no lahateny ho an’ny besinimaro hataoko farany.” Mazava ho azy anefa fa tsy iny no farany. Izao àry no nosoratany tatỳ aoriana: “Angamba somary maika loatra ny sasany tamintsika rehefa nieritreritra ny ho any an-danitra avy hatrany.” Hoy koa izy: “Ny zavatra tokony hatao dia ny miasa hatrany ho an’ny Tompo.” Tena nafana fo sy nazoto nanompo tokoa ny Rahalahy MacMillan. Nanana tombontsoa hampahery rahalahy maro nigadra izy. Tsy nanaiky hanao miaramila mantsy izy ireo. Nivory foana koa izy, na dia efa antitra aza. Inona ny soa noraisin’ny Rahalahy MacMillan, noho izy nazoto nanompo an’i Jehovah teo am-piandrasana ny valisoany? Izao no nosoratany taloha kelin’ny nahafatesany, tamin’ny 1966: “Mbola matanjaka hoatran’ny hatramin’izay ny finoako.” Toe-tsaina tsara tena tokony hotahafintsika rehetra izany, indrindra raha tsy maintsy miandry ela kokoa noho ny noeritreretintsika isika.​—Heb. 13:7.

16. Inona ny olana tsy nampoizina natrehin’i Herbert Jennings sy ny vadiny? (Jakoba 4:14)

16 Betsaka amin’ny mpanompon’i Jehovah no lasa marary mafy tampoka. Izany no nahazo an’ny Rahalahy Herbert Jennings. b Misionera tany Ghana izy mivady ary noresahiny tao amin’ny tantaram-piainany hoe tena nankamamy an’ilay fanendrena ry zareo. Hita anefa tatỳ aoriana hoe niovaova be ny fihetseham-pony, ary nolazain’ny dokotera hoe efa aretina mihitsy ilay izy. Nantsoin’ny Rahalahy Herbert hoe “ny ‘ampitso’ tsy nampoizinay” iny zava-nitranga iny, araka ny Jakoba 4:14. (Vakio.) Izao no nosoratany: “Niatrika ny zava-misy àry izahay, ka nandamin-javatra handao an’i Ghana sy ireo namanay akaiky maro be, [dia] niverina teto Kanada [mba hitsabo tena].” Nanampy an’ny Rahalahy Herbert sy ny vadiny i Jehovah, ka nahavita nanompo azy foana ry zareo na teo aza ny olana natrehiny.

17. Inona ny porofo fa nandray soa tamin’ny modely nomen’ny Rahalahy Herbert ny mpiara-manompo?

17 Noresahin’ny Rahalahy Herbert tamim-pahatsorana tao amin’ny tantaram-piainany ny nahazo azy, ary nisy vokany be tamin’ny hafa izany. Izao no nosoratan’ny anabavy iray: ‘Io no lahatsoratra nanohina ny foko indrindra. Lasa nijery ny fiainako araka ny tokony ho izy aho, rehefa namaky fa tsy maintsy niala tamin’ny fanendrena azony ny Anadahy Jennings mba hikarakarana ny fahasalamany.’ Izao koa no nosoratan’ny rahalahy iray: “Anti-panahy nandritra ny folo taona aho. Tsy maintsy nitsahatra anefa aho noho ny aretin-tsaina. Nahatsapa ho tsy nisy vidiny aho, ka matetika no nalahelo be rehefa namaky tantaram-piainana. ... Nampahery ahy anefa ny faharetan’ny Rahalahy Jennings.” Mampahatsiahy antsika izany fa afaka mampahery ny olon-kafa isika, raha miaritra rehefa misy olana tsy ampoizina. Na tsy araka ny eritreretintsika aza mantsy ny zava-mitranga, dia mbola afaka ny ho modely amin’ny finoana sy fiaretana foana isika.​—1 Pet. 5:9.

Rehefa miantehitra amin’i Jehovah isika, dia lasa mahatonga antsika ho akaiky kokoa azy ny olana tsy ampoizina mitranga eo amin’ny fiainana (Fehintsoratra 18)

18. Inona no ianaranao avy amin’ilay anabavy avy any Nizeria, araka ny aseho eo amin’ny sary?

18 Misy vokany amin’ny vahoakan’i Jehovah ny loza, ohatra hoe ilay valanaretina COVID-19 teo. Tsy nanam-bola sy sakafo intsony, ohatra, ny anabavy iray any Nizeria. Efa maty vady izy. Tsy nanana afa-tsy vary iray kapoaka ry zareo indray maraina izay. Nanontany azy ilay zanany vavikely hoe inona indray izao no hohanin-dry zareo rehefa lany io. Dia ahoana no navalin’ilay anabavintsika? Nilaza tamin’ny zanany izy hoe tsy manam-bola sy sakafo intsony ry zareo nefa aleo, hono, manahaka an’ilay mpitondratena tany Zarefata. Andrahoina fotsiny ny sakafo farany misy eo, dia avy eo mitoky tanteraka amin’i Jehovah. (1 Mpanj. 17:8-16) Mbola tsy nieritreritra an’izay hatokona ny antoandro akory ry zareo tamin’iny andro iny, dia efa nahazo fanampiana vonjy rano vaky avy amin’ny mpiara-manompo. Ampy an-dry zareo nandritra ny tapa-bolana mahery ilay sakafo. Nilaza ilay anabavy fa tsy nampoiziny hoe nihaino tsara an’izay nolazainy tamin’ilay zanany kely i Jehovah. Hoatr’izany mihitsy ilay izy! Rehefa miantehitra amin’i Jehovah isika, dia lasa mahatonga antsika ho akaiky kokoa azy ny olana tsy ampoizina mitranga eo amin’ny fiainana.​—1 Pet. 5:6, 7.

19. Inona ny fanenjehana niaretan’i Aleksey Yershov?

19 Betsaka amin’ny rahalahy sy anabavintsika no niaritra fanenjehana tsy nampoizina tato ho ato. Eritrereto ny Rahalahy Aleksey Yershov. Any Rosia izy no mipetraka. Mbola tsy tena voarara ny asantsika tany, tamin’ny Rahalahy Yershov natao batisa tamin’ny 1994. Niova anefa izany tatỳ aoriana. Nanao bemidina tao amin-dry Rahalahy Yershov ny polisy tamin’ny 2020, nataony savahao ny tranony, ary betsaka tamin’ny fananany no nalain-dry zareo. Nampangain’ny fanjakana hoe mpanao heloka bevava izy, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Ilay porofo niampangana azy aza no tena loza! Video nalain’ny olona iray mody nianatra Baiboly nandritra ny herintaona mahery mantsy ilay izy. Fitaka tsy misy hoatr’izany!

20. Inona no nataon’ny Rahalahy Yershov mba hanatsarana ny fifandraisany amin’i Jehovah?

20 Ao anatin’ny mangidy, hono, anefa no misy ny mamy. Mba nisy vokany tsara ihany àry ve izany zavatra mangidy niainan’ny Rahalahy Yershov izany? Ie! Vao mainka lasa mpinamana be izy sy Jehovah. Izao no nolazainy: “Lasa miara-mivavaka matetika kokoa izahay mivady. Hitako hoe tsy hahavita hiatrika an’ity olana ity aho raha tsy eo i Jehovah.” Hoy koa izy: “Rehefa kivy aho, dia ny fianarana samirery no manampy ahy. Misaintsaina ny modely nomen’ny mpanompon’i Jehovah nanam-pinoana taloha aho. Be dia be mantsy ny tantara ao amin’ny Baiboly manasongadina hoe tena ilaina ny manana fo tony sy matoky an’i Jehovah.”

21. Inona no nianarantsika tato?

21 Inona no nianarantsika tato? Miovaova be ny fiainana eto amin’izao tontolo izao. Na izany aza, dia manampy ny mpanompony foana i Jehovah rehefa miantehitra aminy ry zareo. Resahin’ilay andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity mantsy hoe “maro ny zava-tsarotra atrehin’ny olo-marina, nefa manafaka azy amin’izany rehetra izany i Jehovah.” (Sal. 34:19) Enga anie àry isika tsy hifantoka amin’ny olana mahazo antsika, fa amin’ny hery anampian’i Jehovah antsika! Hilaza hoatran’ny apostoly Paoly isika amin’izay hoe: “Fa manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.”​—Fil. 4:13.

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

a Tsy hay izay havoakan’ny ampitso eto amin’ity tontolo ity, ka mety hiatrika olana tampoka isika. Ny azo antoka anefa dia hoe hanohana ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah. Ahoana no nanampiany azy ireo taloha? Ary ahoana no anohanany antsika amin’izao? Andao isika handinika tantara avy ao amin’ny Baiboly sy tantaran’olona amin’izao. Hanampy antsika izany hatoky kokoa hoe raha miantehitra amin’i Jehovah isika, dia tsy hanary antsika koa izy.