Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mba Andramo Izao

Mba Andramo Izao

Mandray soa avy amin’ny fanazavana andinin-teny ao amin’ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ianao?

Manampy anao handalina ny Tenin’Andriamanitra ireny fanazavana ireny. Mety horesahina ao ny zava-nitranga tamin’ny fotoana resahin’ilay andininy, ny antony na ny olona nanoratana azy, na ny dikan’ny teny na fehezanteny iray.

Tonga dia afaka mampiasa ny Fitaovana Fikarohana ianao avy eo amin’ny andinin-teny iray, na ao amin’ny JW Library® izany na ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah. Hahita an’ireo loharanon-kevitra ianao eo amin’ny sisim-pejy fianarana. Ahitana an’izany daholo izay Baiboly misy ao.

Mariho ny filaharany rehefa mampiasa an’ireo loharanon-kevitra ianao. Izay lahatsoratra nivoaka farany no eo ambony indrindra. Ny tranainy kosa no any ambany, ary mety ho efa nohavaozina ny fanazavana ao amin’izy ireny.

  • Tonga dia mipoitra ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah ny loharanon-kevitra manazava andinin-teny avy ao amin’ny Fitaovana Fikarohana.

  • Raha te hahita fanazavana andininy kosa ianao ao amin’ny JW Library, dia mila maka an’ilay Fitaovana Fikarohana sy manavao azy io isaky ny misy fanavaozana. Afaka manao an’izany ianao ao amin’izay toko sokafanao, eo amin’ny farany ambony amin’ny sisim-pejy fianarana.