Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 19

Miezaha Hino Kokoa ny Fampanantenan’i Jehovah Tontolo Vaovao

Miezaha Hino Kokoa ny Fampanantenan’i Jehovah Tontolo Vaovao

“Tsy [hotanterahin’i Jehovah] ve izay nolazainy?”​—NOM. 23:19.

HIRA 142 Fikiro Mafy Ilay Fanantenana

HO HITANAO ATO a

1-2. Inona no mila ataontsika eo am-piandrasana ny tontolo vaovao?

 SAROBIDY amintsika ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hosoloany tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana izao tontolo izao. (2 Pet. 3:13) Tsy haintsika aloha hoe rahoviana marina izany no ho tanteraka. Porofoin’ny zava-mitranga eran-tany anefa fa tsy mila miandry ela intsony isika.​—Mat. 24:32-34, 36; Asa. 1:7.

2 Misy zavatra mila ataontsika anefa mandra-pahatongan’izany. Na efa ela aza isika no tao amin’ny fahamarinana, dia mila miezaka isika rehetra mba hino kokoa an’io fampanantenana io. Fa maninona? Satria mety hihamalemy na dia ny finoana matanjaka aza. Oharin’ny apostoly Paoly amin’ny “ota mora manakantsakana antsika” mantsy ilay hoe tsy ampy finoana. (Heb. 12:1) Inona àry no tokony hataontsika mba tsy hihamalemy ny finoantsika? Mila dinihintsika matetika ny porofo manamarina fa kely sisa dia ho tonga ny tontolo vaovao.​—Heb. 11:1.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Inona no azontsika atao mba hino kokoa an’ilay fampanantenan’i Jehovah tontolo vaovao isika? Handinika fomba telo isika ato: 1) Misaintsaina ny vidim-panavotana, 2) mandinika ny herin’i Jehovah, ary 3) manokana fotoana hanaovana zavatra ara-panahy. Hiresaka momba ny hafatra nampitain’i Jehovah ho an’i Habakoka isika avy eo. Manatanjaka ny finoantsika koa mantsy izy io. Andao anefa aloha hojerentsika hoe inona ny zavatra mety hatrehintsika amin’izao, ka tena ilana an’ilay finoana hoe tena hisy ny tontolo vaovao.

RAHOVIANA ISIKA NO MILA FINOANA MATANJAKA?

4. Inona avy ny fanapahan-kevitra ilana finoana matanjaka?

4 Mandray fanapahan-kevitra ilana finoana matanjaka isika isan’andro, anisan’izany ny momba ny namana, fialam-boly, fianarana, fanambadiana, zanaka, ary asa. Tsara àry ny mieritreritra hoe: ‘Hita amin’ny safidy ataoko ve fa resy lahatra aho hoe mandalo ihany izao tontolo izao, ary tsy ho ela dia hosoloan’Andriamanitra tontolo vaovao? Sa ny safidy ataoko mitovy amin’ny an’ny olona mino hoe ny fahafatesana no faran’ny zava-drehetra?’ (Mat. 6:19, 20; Lioka 12:16-21) Ny fanapahan-kevitra tsara indrindra no horaisintsika, raha miezaka hino kokoa isika hoe efa akaiky ny tontolo vaovao.

5-6. Nahoana isika no mila finoana matanjaka rehefa ao anatin’ny sarotra? Manomeza ohatra.

5 Miatrika fitsapana ilana finoana matanjaka koa isika. Mety henjehina isika, na harary mafy, na hiatrika zavatra hafa mety hahakivy antsika. Tapa-kevitra ny hiaritra angamba isika amin’ny voalohany. Ahoana anefa raha mitohy ela be ilay fitsapana, hoatran’ny mitranga matetika? Mila finoana matanjaka isika mba hahavita hiaritra sy ho faly manompo an’i Jehovah foana.​—Rom. 12:12; 1 Pet. 1:6, 7.

6 Rehefa ao anatin’ny fitsapana isika, dia mety hieritreritra hoe tsy ho tonga mihitsy ny tontolo vaovao. Midika ve izany fa malemy finoana isika? Tsy voatery. Eritrereto ity ohatra ity: Rehefa ao anaty ririnina mamirifiry isika, dia mety hieritreritra hoe tsy ho tonga mihitsy ny lohataona. Tsy maintsy ho tonga anefa ilay izy. Hoatr’izany koa rehefa kivy be isika. Mety hieritreritra isika hoe tsy ho tonga mihitsy ny tontolo vaovao. Raha matanjaka anefa ny finoantsika, dia fantatsika fa tsy maintsy ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. (Sal. 94:3, 14, 15; Heb. 6:17-19) Rehefa feno toky hoatr’izany isika, dia ny fanompoana an’i Jehovah foana no ataontsika voalohany eo amin’ny fiainantsika.

7. Inona ny toe-tsaina tsy maintsy tandremantsika?

7 Rahoviana koa isika no mila manana finoana matanjaka? Rehefa mitory. Betsaka amin’ny olona itoriantsika no misalasala rehefa maheno ny ‘vaovao tsara’ momba an’ilay tontolo vaovao ho avy ampanantenain’Andriamanitra. Tsara loatra, hono, izany ka sarotra inoana. (Mat. 24:14; Ezek. 33:32) Tsy tokony havelantsika hisy vokany eo amintsika anefa izany toe-tsaina izany. Inona àry no tokony hataontsika? Tsy maintsy manatanjaka ny finoantsika foana isika. Andao isika handinika fomba telo hanaovana an’izany.

SAINTSAINO NY VIDIM-PANAVOTANA

8-9. Nahoana no hihamatanjaka ny finoantsika rehefa misaintsaina ny vidim-panavotana isika?

8 Voalohany, manatanjaka ny finoantsika isika rehefa misaintsaina ny vidim-panavotana. Antoka avy amin’Andriamanitra izy io hoe tena ho tanteraka ny fampanantenany. Inona no vokany rehefa saintsainintsika tsara ny antony nanomezan’i Jehovah ny vidim-panavotana sy izay rehetra nafoiny mba hanomezana azy io? Vao mainka isika lasa mino ny fampanantenany hoe hanome antsika fiainana tsy misy farany izy ao amin’ny tontolo iray tsara kokoa. Maninona isika no milaza an’izany?

9 Inona marina moa no nafoin’i Jehovah mba hanomezana ny vidim-panavotana? Nalefany avy any an-danitra ilay Zanany lahimatoa tena tiany sady akaiky azy indrindra, mba ho teraka etỳ an-tany ka ho lasa olombelona lavorary. Niaritra an’izao karazana fahoriana rehetra izao i Jesosy tetỳ. Nijalijaly sy tena nanaintaina izy avy eo rehefa novonoina. Novidin’i Jehovah lafo àry isika! Ilay Andriamanitsika be fitiavana ve dia ho namela ny Zanany hijaly sy ho faty, mba hampetipety ny fiainantsika mandritra ny fotoana fohy fotsiny? (Jaona 3:16; 1 Pet. 1:18, 19) Matoa àry i Jehovah nahafoy zavatra sarobidy be hoatr’izany, dia azo antoka fa hataony izay hahazoantsika fiainana tsy mety tapitra ao amin’ny tontolo vaovao.

DINIHO NY HERIN’I JEHOVAH

10. Inona no vitan’i Jehovah, araka ny Efesianina 3:20?

10 Faharoa, mihamatanjaka ny finoantsika rehefa mandinika ny herin’i Jehovah isika. Manana hery hanatanterahana an’izay rehetra ampanantenainy izy. Raha ny fomba fijerin’olombelona aloha, dia hoatran’ny tsy mampino ilay fampanantenana hoe hanome fiainana tsy mety tapitra ao amin’ny tontolo vaovao izy. Matetika anefa i Jehovah no mampanantena zavatra tsy ho vitan’ny olombelona mihitsy. Izy mantsy no Andriamanitra Mahery Indrindra. (Joba 42:2; Mar. 10:27) Isika àry ve dia hieritreritra hoe fampanantenana tsotsotra no ataony?​—Vakio ny Efesianina 3:20.

11. Inona, ohatra, no fampanantenana miavaka nomen’Andriamanitra? (Jereo ilay hoe “ Fampanantenana Miavaka Vitsivitsy Efa Tanteraka.”)

11 Hoatran’ny tsy mampino ny zavatra nampanantenain’i Jehovah ny vahoakany taloha. Ireto misy sasany amin’izany: Nanome toky an’i Abrahama sy Saraha izy hoe hataony manan-janakalahy ry zareo, na dia efa antitra aza izy mivady. (Gen. 17:15-17) Nilaza tamin’i Abrahama koa izy fa homeny ny taranany ny tany Kanana. Ny Israelita no taranak’i Abrahama. Aman-taonany ry zareo no andevo tany Ejipta, ka lasa hoatran’ny hoe tsy ho tanteraka mihitsy ilay fampanantenan’Andriamanitra. Tanteraka anefa izany. Nisy fampanantenana niavaka nataon’i Jehovah koa tatỳ aoriana. Nilaza izy hoe hahazo zanaka i Elizabeta na dia efa antitra aza. Niteny tamin’i Maria koa izy fa hiteraka an’ilay Zanany lahy, na dia mbola virjiny aza i Maria. Efa an’arivony taona talohan’izay i Jehovah no nampanantena ny fahatongavan’io Zanany io, tamin’ny mbola tany amin’ny zaridainan’i Edena. (Gen. 3:15) Tanteraka koa io fampanantenana io!

12. Inona no toky ananantsika momba ny herin’i Jehovah, araka ny Josoa 23:14 sy ny Isaia 55:10, 11?

12 Vao mainka isika mino hoe manana hery hampisy ny tontolo vaovao i Jehovah, rehefa saintsainintsika ny fampanantenana nomeny hatramin’izay sy ny fomba nanatanterahany an’ireny. (Vakio ny Josoa 23:14; Isaia 55:10, 11.) Lasa vonona kokoa hanampy ny olona hino àry isika hoe tsy nofinofy na angano izany tontolo vaovao ampanantenainy izany. Rehefa niresaka momba ny lanitra vaovao sy tany vaovao i Jehovah, dia izy mihitsy no nilaza hoe: “Azo antoka sady marina ireo teny ireo.”​—Apok. 21:1, 5.

FENOY ZAVATRA ARA-PANAHY NY FIAINANAO

FIVORIAN’NY FIANGONANA

Nahoana izany no afaka manatanjaka ny finoanao? (Fehintsoratra 13)

13. Nahoana ny fivorian’ny fiangonana no manatanjaka ny finoantsika?

13 Fahatelo, mihamatanjaka ny finoantsika rehefa manao zavatra ara-panahy isika. Eritrereto, ohatra, ny soa raisintsika rehefa manatrika ny fivorian’ny fiangonana. Niresaka momba an’izany i Anna. b Efa am-polony taona izy no nanao fanompoana manontolo andro isan-karazany. Hoy izy: “Manampy ahy hanana finoana matanjaka foana ny fivoriana. Na tsy dia mahay mampianatra aza ilay mpandahateny na hoe tsy vaovao amiko ilay zavatra resahiny, dia matetika aho no maheno fanazavana hanampy ahy hahazo kokoa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Izany no manatanjaka ny finoako.” Azo antoka hoe mankasitraka ny valin-teny mampahery omen’ny mpanatrika koa isika.​—Rom. 1:11, 12; 10:17.

FANOMPOANA ENY AMIN’NY SAHA

Nahoana izany no afaka manatanjaka ny finoanao? (Fehintsoratra 14)

14. Nahoana ny fanompoana no manatanjaka finoana?

14 Mihamatanjaka koa ny finoantsika rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha isika. (Heb. 10:23) Nahatsapa an’izany i Barbara. Efa 70 taona mahery izy no nanompo an’i Jehovah. Izao no nolazainy: “Hitako hoe manatanjaka finoana ny fitoriana. Vao mainka mihamatanjaka ny finoako arakaraka ny iresahako amin’ny olona momba ny fampanantenana tsara be omen’i Jehovah.”

FIANARANA SAMIRERY

Nahoana izany no afaka manatanjaka ny finoanao? (Fehintsoratra 15)

15. Nahoana ny fianarana samirery no manatanjaka ny finoantsika? (Jereo koa ny sary.)

15 Misy zavatra hafa koa manatanjaka ny finoantsika. Inona izany? Fianarana samirery. Efa manana fandaharam-potoana hianarana i Suzanne, ary hitany hoe tena manampy izany. Izao no nolazainy: “Mianatra Ny Tilikambo Fiambenana hatao amin’ny herinandro manaraka aho rehefa alahady. Ny alatsinainy sy talata indray aho manomana ny fivoriana andavanandro. Mianatra zavatra hafa ilaiko manokana kosa aho ny andro sisa amin’ny herinandro.” Manaraka tsara an’io fandaharam-potoanany io i Suzanne, ka mihamatanjaka foana ny finoany. Mianatra samirery hoatr’izany koa i Irène. Efa am-polony taona izy no nanompo tao amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitany hoe manatanjaka finoana ny mianatra ny faminanian’ny Baiboly. Izao no nolazainy: “Mahavariana hoe tanteraka hatramin’ny tsipiriany kely indrindra ny faminanian’i Jehovah.” c

‘TSY MAINTSY HO TANTERAKA IZANY’

16. Nahoana no mahasoa antsika amin’izao ny toky nomen’i Jehovah an’i Habakoka? (Hebreo 10:36, 37)

16 Efa hatry ny ela ny mpanompon’i Jehovah sasany no niandry ny hifaranan’izao tontolo izao. Raha ny fomba fijerin’olombelona, dia hoatran’ny hoe ela be Andriamanitra vao manatanteraka ny fampanantenany. Fantatr’i Jehovah fa izany no tsapan’ny mpanompony, dia nanome toky an’i Habakoka mpaminany izy hoe: “Mbola amin’ny fotoana voatondro vao ho tanteraka ilay fahitana, sady mihazakazaka mafy ho amin’ny farany ka tsy handainga. Na dia hoatran’ny hoe elaela aza ilay izy, dia andraso ihany, satria tsy maintsy ho tanteraka. Tsy ho tara izany.” (Hab. 2:3) I Habakoka irery ve no nomen’Andriamanitra toky hoatr’izany? Sa mahasoa antsika amin’izao koa ny teniny? Notarihin’ny fanahy masina ny apostoly Paoly, dia nampihariny tamin’ny Kristianina manantena tontolo vaovao ireo teny ireo. (Vakio ny Hebreo 10:36, 37.) Afaka matoky àry isika fa na dia hoatran’ny ela be aza vao tanteraka ilay fampanantenana hoe hafahana isika, dia ‘tsy maintsy ho tanteraka izany, [ary] tsy ho tara.’

17. Ahoana no nampiharan’ny anabavy iray an’ilay torohevitra nomen’i Jehovah an’i Habakoka?

17 Betsaka ny mpanompon’i Jehovah mampihatra an’ilay torohevitr’i Jehovah hoe “andraso ihany.” Efa nanao an’izany am-polony taona mihitsy aza ny sasany! Nanomboka nanompo an’i Jehovah, ohatra, i Louise tamin’ny 1939. Izao no nolazainy: “Nieritreritra aho tamin’izany hoe tsy ho vita akory ny fianarako teny amin’ny lise dia ho tonga ny Aramagedona. Tsy izany anefa no nitranga. Hitako hoe nanampy ahy nandritra ny taona maro ny namaky ny tantaran’ireo olona ao amin’ny Baiboly hoatran-dry Noa, Abrahama, Josefa, ary ny maro hafa. ‘Tantaran’ireo nahay niandry’ no iantsoako an’ireny. Tsy maintsy niandry ela be mantsy ry zareo vao nahazo ny valisoa nampanantenain’i Jehovah. Ilay hoe miezaka miandry foana no manampy ahy sy ny olon-kafa hatoky hoe tena efa akaiky ny tontolo vaovao.” Be dia be koa ny mpanompon’i Jehovah efa hatry ny ela mitovy hevitra amin’izany!

18. Nahoana isika no vao mainka mino hoe hisy ny tontolo vaovao rehefa mandinika ny zavaboary?

18 Marina hoe mbola tsy eo izao ny tontolo vaovao. Mariho anefa ny zavatra efa eo, anisan’izany ny kintana, ny hazo, ny biby, ary ny olombelona. Tsy misy amintsika misalasala hoe tena misy ireo, na dia tsy nisy aza ireny taloha. Matoa misy anefa ireo rehetra ireo izao, dia satria noforonin’i Jehovah. (Gen. 1:1, 26, 27) Nilaza koa ny Andriamanitsika fa hamorona tontolo vaovao. Tsy maintsy hotanterahiny izany fikasany izany. Ho velona foana ny olona ao amin’ny tontolo vaovao sady ho salama tsara. Tena hisy hoatr’izao zava-drehetra manodidina antsika izao ilay tontolo vaovao, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra.​—Isaia 65:17; Apok. 21:3, 4.

19. Inona no azonao atao mba hanatanjahana ny finoanao?

19 Mandra-pahatongan’izany, dia mitadiava foana hirika hanatanjahana ny finoanao. Miezaha hankasitraka ny vidim-panavotana. Diniho ny herin’i Jehovah. Fenoy zavatra ara-panahy ny fiainanao. Raha manao an’izany ianao, dia ho anisan’ireo ‘mandova ny fampanantenana noho ianao mino sy manam-paharetana.’​—Heb. 6:11, 12; Rom. 5:5.

HIRA 139 Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao

a Betsaka no tsy mino an’ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe hisy tontolo vaovao. Nofinofy, hono, izany na angano fotsiny, ary tsara loatra ka sarotra inoana. Isika kosa matoky hoe ho tanteraka daholo ny fampanantenan’i Jehovah. Tsy maintsy manohy miezaka anefa isika, raha te hanana finoana matanjaka foana. Ahoana no hanaovana an’izany? Hanazava an’izay ity lahatsoratra ity.

b Novana ny anarana sasany.

c Betsaka ny lahatsoratra miresaka momba ny faminanian’ny Baiboly ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, eo ambanin’ilay foto-kevitra hoe “Faminaniana.” Jereo, ohatra, ilay lahatsoratra hoe “Tanteraka ny Faminanian’i Jehovah” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2008.