Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 17

HIRA 111 Maro ny Antony Mahafaly Antsika

Aza Miala ao Amin’ilay Paradisa Ara-panahy Mihitsy

Aza Miala ao Amin’ilay Paradisa Ara-panahy Mihitsy

‘Miravoravoa sy mifalia mandrakizay noho ny amin’izay hoforoniko.’​—ISAIA 65:18.

HEVITRA HODINIHINA

Ianarantsika ato hoe nahoana no mandray soa isika rehefa ao amin’ilay paradisa ara-panahy, ary inona no azo atao mba hitaomana ny olona ho ao koa.

1. Inona no atao hoe paradisa ara-panahy, ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

 MISY paradisa iray izay eto an-tany amin’izao, ary an-tapitrisany ny olona ao. Variana manao zavatra tsara ry zareo sady tena mihavana. Tapa-kevitra ny tsy hiala ao amin’ilay paradisa mihitsy ny olona efa ao. Miavaka izy io, ary betsaka araka izay azo atao ny olona tian-dry zareo ho tonga ao. Io ilay antsoina hoe paradisa ara-panahy! a

2. Nahoana no mahavariana ny paradisa ara-panahy?

2 Mahavariana hoe namorona paradisa milamina hoatr’izany i Jehovah eto amin’ity tontolo ratsy sy mampidi-doza nofenoin’i Satana fankahalana ity. (1 Jaona 5:19; Apok. 12:12) Hitan’ilay Andriamanitsika be fitiavana ny voka-dratsin’izao tontolo izao eo amintsika, ka ataony izay hahatonga antsika ho voaro, amin’izay isika faly manompo azy foana. Resahin’ny Teniny fa toy ny “fialofana” azo antoka sy “tanimboly azon-drano tsara” ilay paradisa ara-panahy. (Isaia 4:6; 58:11) Mahatsiaro sambatra sy voaro àry izay mipetraka ao amin’izao andro farany efa sarotra izao, satria tahin’i Jehovah.​—Isaia 54:14; 2 Tim. 3:1.

3. Inona no nitranga rehefa tanteraka voalohany ny Isaia toko faha-​65?

3 Nampiasa an’i Isaia mpaminany i Jehovah mba hanazava hoe hoatran’ny ahoana ny fiainan’izay mipetraka ao amin’io paradisa ara-panahy io. Ao amin’ny Isaia toko faha-​65 no misy an’izany. Tanteraka voalohany ny faminaniana ao tamin’ny 537 T.K. Nafahana avy tany Babylona ny Jiosy nibebaka tamin’izay, dia niverina tany an-tanindrazany. Notahin’i Jehovah ny vahoakany, dia nampiany hanova an’ilay tanànan’i Jerosalema efa ravarava ho lasa tsara tarehy indray. Nampiany koa ry zareo hanorina ny tempoly indray, mba ho foiben’ny fivavahana marina tany Israely.​—Isaia 51:11; Zak. 8:3.

4. Ahoana no ahatanterahan’ny Isaia toko faha-​65 amin’izao?

4 Tanteraka fanindroany ilay faminanian’i Isaia nanomboka tamin’ny 1919, rehefa nafahana avy tao Babylona Lehibe ny mpanompon’i Jehovah amin’izao. Niely tsikelikely eran-tany ny paradisa ara-panahy nanomboka tamin’izay. Nazoto erỳ ny mpitory ilay Fanjakana sady nanana toetra tsara, ka be dia be ny fiangonana niforona. Nahery setra be sy nanana toetram-biby ny lehilahy sy vehivavy sasany taloha, nefa ‘mitafy ny toetra vaovao izay noforonina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra’ ry zareo izao. (Efes. 4:24) Mazava ho azy fa betsaka amin’ny fitahiana noresahin’i Isaia no ho tanteraka ara-bakiteny ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy. Be dia be anefa ny soa raisintsika ao amin’ilay paradisa ara-panahy dieny izao. Inona avy izany, ary nahoana isika no tsy tokony hiala ao mihitsy?

HOATRAN’NY AHOANA NY OLONA AO AMIN’ILAY PARADISA ARA-PANAHY?

5. Manao ahoana isika ao amin’ny paradisa ara-panahy, araka ilay fampanantenana ao amin’ny Isaia 65:13?

5 Salama sy velombelona. Mifanipaka be ny fiainan’ny olona ao amin’ny paradisa ara-panahy sy ny any ivelan’izy io, araka ny resahin’ny faminanian’i Isaia. (Vakio ny Isaia 65:13.) Omen’i Jehovah an’izay rehetra ilainy ny mpanompony, mba ho afaka hifandray akaiky aminy foana. Manana ny fanahiny masina sy ny Teniny ary sakafo ara-panahy tondraka isika, ka afaka ‘mihinana’ sy ‘misotro’ ary ‘mifaly.’ (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 22:17.) Ny any ivelan’ilay paradisa ara-panahy kosa ‘noana’ sy ‘mangetaheta’ ary “afa-baraka”, satria tsy mifandray amin’Andriamanitra.​—Amosa 8:11.

6. Manao ahoana ny sakafo ara-panahy azontsika araka ny Joela 2:21-24, ary ahoana no handraisantsika soa avy amin’izany?

6 Niresaka momba ny foto-tsakafo hoatran’ny varimbazaha sy divay ary menak’oliva i Joela tao amin’ilay faminaniana nosoratany. Tiany haseho mantsy hoe malala-tanana i Jehovah, ka manome an’izay ilain’ny vahoakany, anisan’izany ny sakafo ara-panahy. (Joela 2:21-24) Manao an’izany izy amin’ny alalan’ny Baiboly, boky sy gazety, ny tranonkalantsika, ary ny fivoriana sy fivoriambe. Afaka mihinana amin’ireny sakafo ara-panahy ireny isika isan’andro, ka mihasalama sy velombelona kokoa.

7. Inona no mahatonga antsika hanana ‘fo falifaly’? (Isaia 65:14)

7 Sambatra sy afa-po. Afaka ‘mihoby’ ny vahoakan’Andriamanitra satria tena mankasitraka azy. (Vakio ny Isaia 65:14.) Lasa ‘falifaly ny fontsika’ noho ireo fahamarinana mampahery sy fampanantenana mampionona ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary ny fanantenantsika azo antoka miorina amin’ny sorom-panavotan’i Kristy. Tena mahasambatra antsika ny miresaka an’ireny amin’ireo rahalahy sy anabavintsika!​—Sal. 34:8; 133:1-3.

8. Inona ny zavatra roa tena mampiavaka ny paradisa ara-panahy?

8 Ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina misy eo amin’ny vahoakan’i Jehovah no tena mampiavaka an’ilay paradisa ara-panahy. Manampy antsika hahazo an-tsaina ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao io ‘tady mampifamatotra antsika’ io. (Kol. 3:14) Vao mainka hifankatia be sy hiray saina mihoatra noho ny amin’izao mantsy ny mpanompon’i Jehovah amin’izany. Hoy ny anabavy iray momba ny vahoakan’i Jehovah, tamin’izy vao nihaona tamin-dry zareo: ‘Tsy haiko izay tokony hatao mba hahafalifaly ahy, na dia tao amin’ny fianakaviako aza. Teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah no nahitako voalohany hoe hoatran’ny ahoana izany tena mifankatia izany.’ Mila manandrana ny fiainana ao amin’ilay paradisa ara-panahy misy antsika izay olona tena te ho sambatra sy ho afa-po. Na inona na inona eritreretin’izao tontolo izao momba ny mpanompon’i Jehovah, dia manana anarana mendri-kaja na tsara laza ry zareo amin’i Jehovah sy ny fianakaviany eran’izao rehetra izao.​—Isaia 65:15.

9. Hanao ahoana ny fahoriantsika, araka ny ampanantenaina ao amin’ny Isaia 65:16, 17?

9 Milamin-tsaina sy tony. Milaza ny Isaia 65:14 fa ‘mitaraindraina’ ireo mifidy ny hijanona any ivelan’ilay paradisa ara-panahy, ‘satria malahelo ny fony, ary midradradradra [ry zareo] satria kivy.’ Ahoana kosa ny amin’ireo zava-drehetra mahatonga ny vahoakan’Andriamanitra hijaly sy hitebiteby? “Hohadinoina” izy ireny, ‘ka hafenina tsy ho hitan’ny mason’Andriamanitra.’ (Vakio ny Isaia 65:16, 17.) Hesorin’i Jehovah ny olana mahazo antsika, ary tsy ho tadidy intsony ny fahoriana vokatr’izy ireny rehefa mandeha ny fotoana.

10. Nahoana ianao no miaiky hoe fitahiana ny miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy? (Jereo koa ny sary.)

10 Na amin’izao aza, dia efa mampitony antsika ny mandeha mivory. Mahazo aina tsara mantsy isika any, sady mba miala kely amin’ny adin-tsaina eto amin’izao tontolo ratsy izao. Vao mainka manampy an’ireo mpiara-manompo amintsika ho tony kokoa isika ao amin’ilay paradisa ara-panahy, rehefa maneho ny vokatry ny fanahy, ohatra hoe fitiavana, fifaliana, fiadanana, hatsaram-panahy, ary fahalemem-panahy. (Gal. 5:22, 23) Soa ihany isika fa anisan’ny fandaminan’Andriamanitra! Ho hitan’izay mijanona ao amin’ilay paradisa ara-panahy fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao.”

Fitahiana ilay hoe anisan’ny fianakavian’Andriamanitra ao amin’ny paradisa ara-panahy (Fehintsoratra 10) c


11. Inona no tokony ho vokatr’ilay paradisa ara-panahy noforonin’i Jehovah eo amintsika? (Isaia 65:18, 19)

11 Mahay mankasitraka sy falifaly. Resahin’i Isaia avy eo ny antony tokony hahatonga antsika ‘hiravoravo sy hifaly’ ao amin’ilay paradisa ara-panahy. Noforonin’i Jehovah mantsy izy io. (Vakio ny Isaia 65:18, 19.) Tsy mahagaga raha mampiasa antsika izy, mba hitaomana ny olona hiala amin’ny fandaminan’ity tontolo karakaina ara-panahy ity, dia hankao amin’ilay paradisa ara-panahy tena kanto! Faly erỳ isika amin’ny fitahiana be dia be raisintsika noho isika ao amin’ny fahamarinana, dia lasa te hampahafantatra an’izany amin’ny hafa.​—Jer. 31:12.

12. Inona no tsapanao rehefa mahita ny fampanantenana ao amin’ny Isaia 65:20-24, ary nahoana?

12 Ankasitrahantsika koa ny fanantenana ananantsika noho isika ao amin’ilay paradisa ara-panahy, ary tena mahafaly antsika izany sady tsy andrintsika. Eritrereto fotsiny ny zavatra ho hitantsika sy hataontsika any amin’ny tontolo vaovao! Izao no ampanantenain’ny Baiboly: “Tsy hisy ao ... intsony izany hoe zaza velona andro vitsivitsy fotsiny izany, na hoe olona antitra tsy mahatapitra ny androm-piainany.” “Hanao trano” isika “ka hipetraka ao, ary hamboly voaloboka ka hihinana ny vokatra amin’izany.” ‘Tsy ho very maina fotsiny ny asa mafy ataontsika’, satria ‘hotahin’i Jehovah’ isika. Mampanantena izy hoe homeny fiainana mahafa-po sy azo antoka ary tena misy dikany isika. “Na mbola tsy miantso aza” isika, dia ho fantany izay ilaintsika tsirairay, ary ‘hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra’ izy.​—Isaia 65:20-24; Sal. 145:16.

13. Ahoana no ilazan’ny Isaia 65:25 ny fiovana ataon’ny olona manomboka manompo an’i Jehovah?

13 Mihavana tsara amin’ny hafa sady voaro. Betsaka no nanana toetram-biby taloha nefa niova be, satria nampian’ny fanahin’Andriamanitra. (Vakio ny Isaia 65:25.) Nahavita nifehy ny toetra ratsiny izy. (Rom. 12:2; Efes. 4:22-24) Marina hoe mbola tsy lavorary isika vahoakan’Andriamanitra, dia hanao diso ihany. Nataon’i Jehovah mifankatia be sy mihavana tsara anefa “ny karazan’olona rehetra” ka miray saina. (Tit. 2:11) Ilay Andriamanitra mahery indrindra ihany no mahavita an’izany fahagagana izany!

14. Nahoana ny zavatra niainan’ny rahalahy iray no manaporofo hoe marina ny voalazan’ny Isaia 65:25?

14 Tena afaka manova ny toetrany ve ny olona? Eritrereto ity ohatra ity: Ratsy fitondran-tena be sady nahery setra ny tovolahy iray, ary efa imbetsaka izy no nigadra, nefa mbola tsy ampy 20 taona akory tamin’izany. Nogadraina izy satria nangalatra fiara, namaky trano, ary nanao heloka bevava hafa. Tsy natahotra ny hiady izy, na tamin’iza na tamin’iza. Naheno ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly izy tatỳ aoriana, ary nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tonga dia te hanompo an’i Jehovah ao amin’ilay paradisa ara-panahy izy. Resy lahatra mantsy izy hoe izay ihany no mampisy dikany ny fiainany. Rehefa lasa Vavolombelona vita batisa izy, dia matetika no nahatadidy ny Isaia 65:25 ary niaiky hoe nihatra taminy io andinin-teny io. Lasa tia fihavanana hoatran’ny zanak’ondry, ilay olona nahery setra be hoatran’ny liona!

15. Nahoana isika no tokony hanasa ny olona hiaraka amintsika ao amin’ny paradisa ara-panahy, ary ahoana no anaovana an’izany?

15 Izao no fiandohan’ny Isaia 65:13: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony.’ Mifarana amin’ilay hoe “hoy i Jehovah” kosa ny andininy faha-25. Tanteraka foana ny teniny. (Isaia 55:10, 11) Efa misy ilay paradisa ara-panahy amin’izao. Namorona fianakaviana iray tena miavaka sy miara-manompo azy i Jehovah. Afaka ny ho tony sy hiadana araka izay azo atao isika eto amin’izao tontolo mahery setra izao, rehefa miaraka amin’ny vahoakany. (Sal. 72:7) Izany no mahatonga antsika hanampy olona faran’izay betsaka, mba ho lasa anisan’io fianakaviana io. Manao an’izany isika raha ny hampianatra ny olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy no ifantohantsika.​—Mat. 28:19, 20.

AHOANA NO HITAOMANA NY OLONA HO AO AMIN’NY PARADISA ARA-PANAHY?

16. Inona no mahatonga ny olona ho voataona hiditra ao amin’ny paradisa ara-panahy?

16 Samy manana ny anjara birikiny isika mba hahatonga ny hafa ho te ho ao amin’ilay paradisa ara-panahy. Hahavita an’izany andraikitra izany isika raha manahaka an’i Jehovah. Tsy tereny hiditra ao amin’ny fandaminany ny olona, fa ‘taominy’ tsimoramora hanatona azy. (Jaona 6:44; Jer. 31:3) Inona ny vokany rehefa mianatra momba ny fitiavan’i Jehovah sy ny toetra tsarany ny olona tso-po? Tonga dia lasa te hanatona azy ry zareo. Ahoana koa no ampisehoantsika hoe tsara toetra sy tsara fitondran-tena isika mba ho voataona ao amin’ilay paradisa ara-panahy ny olona?

17. Inona no azontsika atao mba hitaomana ny olona ho ao amin’ny paradisa ara-panahy?

17 Mitaona ny olon-kafa ho ao amin’ilay paradisa ara-panahy, ohatra, isika raha be fitiavana sy tsara fanahy rehefa mifandray amin’ny mpiara-manompo. Rehefa misy olona vaovao tonga manatrika ny fivorian’ny fiangonana, dia tiantsika hiaiky hoatran’ireo tsy mpino sambany vao nanatrika fivoriana tany Korinto izy. Izao no nolazain-dry zareo: “Tena eo aminareo Andriamanitra!” (1 Kor. 14:24, 25; Zak. 8:23) Tsy maintsy arahintsika foana àry ilay torohevitra hoe: ‘Mihavàna tsara ianareo samy ianareo.’​—1 Tes. 5:13.

18. Inona no mety hanintona ny olona ho amin’ny fandaminantsika?

18 Tokony hiezaka foana isika mba hitovy amin’ny fahitan’i Jehovah ny rahalahy sy anabavintsika ny fahitantsika an-dry zareo. Manao an’izany isika raha mifantoka amin’ny toetra tsarany. Aza mifantoka amin’ilay izy tsy lavorary, satria tsy ho hoatr’izany intsony izy any aoriana any. Ho voavaha ny olana eo amintsika raha mifankatia isika, ka “tsara fanahy” foana sy ‘mangoraka [ary] mifamela heloka tanteraka.’ (Efes. 4:32) Ho be dia be amin’izay ny olona te ho ao amin’ilay paradisa ara-panahy, satria tian-dry zareo raha mba hoatr’izany koa ny fomba itondrana azy. b

AZA MIALA AO AMIN’ILAY PARADISA ARA-PANAHY

19. a) Inona no lazain’ny olona niverina tao amin’ilay paradisa ara-panahy, araka ilay efajoro hoe “ Niala dia Niverina Indray”? b) Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika? (Jereo koa ny sary.)

19 Tena mankasitraka an’ilay paradisa ara-panahy isika! Tsara tarehy noho ny hatramin’izay izy io, ary mbola tsy betsaka hoatr’izao mihitsy ny olona midera an’i Jehovah ao. Enga anie isika hankasitraka mandrakizay an’io paradisa noforoniny ho antsika io! Tsy maintsy mankao sy tsy miala ao mihitsy izay olona te ho velombelona, afa-po, tony, ary te hahatsiaro ho voaro. Tandremo anefa fa manao izay ho afany i Satana mba hametsifetsena antsika hiala ao. (1 Pet. 5:8; Apok. 12:9) Tsy tokony havelantsika handresy izy. Andao àry isika hiezaka mafy mba hiaro an’ilay paradisa ara-panahy kanto sy madio ary milamina!

Ho afaka hiaina ao amin’ilay paradisa ara-bakiteny koa izay mijanona ao amin’ny paradisa ara-panahy (Fehintsoratra 19)


AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Inona no atao hoe paradisa ara-panahy?

  • Inona ny fitahiana azon’izay ao amin’ny paradisa ara-panahy?

  • Inona no azo atao mba hitaomana ny olona ho ao?

HIRA 144 Banjino Ilay Lokanao!

a FANAZAVANA: Ilay hoe “paradisa ara-panahy” dia ilazana an’ilay isika tsy manana ahiahy manompo an’i Jehovah. Mihavana amin’i Jehovah sy ny mpiara-manompo isika ao amin’io paradisa ara-panahy io.

b Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Mba Manao Ahoana ry Zareo Izao? Alena Žitníková: Tanteraka Ihany ny Nofinofiko! Ho hitanao ao ny fitahiana azon’ny anabavy iray noho izy ao amin’ny paradisa ara-panahy.

c SARY: Be dia be ny olona mandray soa satria mifampiresaka ao am-pivoriana, fa ny rahalahy iray kosa mitokantokana.