Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HEVITRA AZO IANARANA

Mahay Manapa-kevitra ny Olona Araka ny Fanahy

Mahay Manapa-kevitra ny Olona Araka ny Fanahy

Vakio ny Genesisy 25:29-34. Diniho hoe nahay nanapa-kevitra ve i Esao sy Jakoba.

Fakafakao ny teny manodidina. Inona no nitranga talohan’ilay tantara? (Gen. 25:20-28) Inona no nitranga tatỳ aoriana?​—Gen. 27:1-46.

Fakafakao ny tsipiriany. Inona avy ny zo sy andraikitry ny lahimatoa tamin’izany?​—Gen. 18:18, 19; w10 1/5 13.

  • Anisan’izany zo izany ve ny hoe ny lahimatoa foana no lasa razamben’ny Mesia? (w17.12 14-15)

Fantaro hoe inona ny lesona azonao raisina, dia ampiharo izany. Maninona no sarobidy tamin’i Jakoba ilay zon’ny lahimatoa, fa tsy hoatr’izany kosa ilay izy tamin’i Esao? (Heb. 12:16, 17; w03 15/10 28-29) Ahoana no fahitan’i Jehovah azy mirahalahy, ary nahoana? (Mal. 1:2, 3) Inona no azon’i Esao natao mba hahaizany manapa-kevitra kokoa?

  • Eritrereto izao: ‘Ahoana no ampisehoako amin’ny zavatra fanaoko isan-kerinandro hoe mankasitraka ny zavatra ara-panahy aho, ohatra hoe rehefa mandamina fotoam-pivavahan’ny fianakaviana?’