Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Manasongadina ny Herin’Andriamanitra ny Fahalemeko

Manasongadina ny Herin’Andriamanitra ny Fahalemeko

FENO herisetra tsy nisy hoatr’izany teto Kolombia, tamin’izahay mivady tonga teto, tamin’ny 1985. Niady tamin’ny mpivarotra rongony tany an-tanàn-dehibe mantsy ny fanjakana, sady nifanandrina tamina mpiady anaty akata tany an-tendrombohitra. Tany amin’ny faritr’i Medellín indray nisy jiolahy tanora nitondra basy nandehandeha teny an-dalana. Tany izahay no nanompo, tatỳ aoriana. Mpivarotra rongony ireny jiolahy ireny, dia nitaky vola tamin’izay olona nila ny fiarovany ary nokaramaina hamono olona. Tsy nisy ela velona izany ry zareo. Hoatran’ny hoe planeta hafa mihitsy no nisy anay!

Avy any Failandy izahay roa. Any avarabaratra indrindra amin’ny tany any no misy azy io. Dia inona moa izany no ataon’ny olon-tsotra roa avy any Failandy atỳ Amerika Atsimo? Ary inona no lesona nianarako nandritra an’izay taona maro izay?

LEHIBE TANY FAILANDY AHO

Teraka tamin’ny 1955 aho. Telo mirahalahy izahay, dia izaho no farany. Tany akaikin’ny morontsiraka atsimon’i Failandy aho no lehibe. Vantaa no anaran’ilay tanàna amin’izao.

Natao batisa i Neny ka lasa Vavolombelon’i Jehovah, taona vitsivitsy talohan’ny nahaterahako. Nanohitra anefa i Dada, dia tsy navelany hampianatra Baiboly anay i Neny, sady tsy navelany hitondra anay hivory. Rehefa tsy teo àry i Dada vao nampianariny ny fahamarinana fototra tao amin’ny Baiboly izahay.

Tsy nanaiky handika ny fitsipik’i Jehovah aho tamin’izaho fito taona

Efa hatramin’ny mbola kely aho no tsy nanaiky handika ny fitsipik’i Jehovah. Tamin’izaho fito taona, ohatra, dia tezitra be ny mpampianatra anay, satria izaho tsy nanaiky hihinana verilättyjä (mofo tampon-tsatroka failandey vita avy amin’ny ra izy io). Notereny tamin’ny tanany ilany anefa ny takolako mba hanokafana ny vavako, moa ny tanany ilany nitazona forsety nisy an’ilay mofo, mba hanerena ahy hihinana an’ilay izy. Nopehiko anefa ilay forsety dia nipitika.

Maty i Dada tamin’izaho 12 taona. Lasa afaka nivory àry aho. Tena niahy ahy ny rahalahy sy anabavy tao amin’ny fiangonana, dia nandrisika ahy handroso izany. Nanomboka namaky Baiboly isan’andro aho, ary nazoto nianatra an’ireo boky sy gazetintsika. Izany fahazarana tsara izany no tena nahatonga ahy hatao batisa tamin’ny 8 Aogositra 1969, tamin’izaho 14 taona.

Nanomboka nanao mpisava lalana maharitra aho vao vita ny fianarako. Nanitatra tany Pielavesi aho, herinandro vitsivitsy taorian’izay. Any Failandy ihany izy io, fa any akaikin’ny afovoan-tany.

Tany Pielavesi aho no nahita an’ilay tovovavy ho lasa vady malalako. Sirkka no anarany. Tsotra be izy sady tena tia an’i Jehovah, dia izany no tena itiavako azy. Izy koa tsy mba vehivavy te hisongadina na ilay te hampiadan-tena ireny. Samy naniry hanompo an’i Jehovah araka izay tratra izahay roa, na inona na inona tombontsoam-panompoana omena anay. Nivady àry izahay tamin’ny 23 Martsa 1974. Tsy nanao volan-tantely anefa izahay fa naleonay nanompo tany Karttula, satria betsaka lavitra ny mpitory nilaina tany.

Ilay trano nohofanay any Karttula, Failandy

NIKARAKARA ANAY I JEHOVAH

Ilay aotomobilina nomen’ny rahalahiko anay

Vao avy nanorin-tokantrano izahay, dia efa nasehon’i Jehovah taminay hoe hikarakara an’izay ilainay izy, raha ilay Fanjakana no ataonay voalohany eo amin’ny fiainana. (Mat. 6:33) Tsy nanana aotomobilina, ohatra, izahay tany Karttula. Nandeha bisikileta izahay tamin’ny voalohany. Namirifiry be anefa ny ririnina, dia nila aotomobilina izahay satria nidadasika ny faritanin’ilay fiangonana. Ny vola amin’io tsy nisy.

Tsy nampoizinay fa tonga nitsidika anay ny zokiko lahy, dia nomeny anay ny aotomobiliny. Efa voaloa ny vola tokony haloa any amin’ny trano fiantohana, dia lasantsy sisa no nila novidinay. Nahazo an’ilay fiara nilainay àry izahay.

Nasehon’i Jehovah taminay fa andraikiny ny nikarakara an’izay nilainay, fa ny anjaranay kosa dia ny manao loha laharana an’ilay Fanjakana.

SEKOLIN’I GILEADA

Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana natrehinay, 1978

Nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana izahay, tamin’ny 1978. Anisan’ny mpampianatra anay i Raimo Kuokkanen. a Nampirisihiny hameno fangatahana hanatrika Sekolin’i Gileada izahay. Nanomboka nianatra teny anglisy àry izahay, mba hahafeno fepetra hanatrika an’ilay izy. Mbola tsy nameno an’ilay fangatahana akory anefa izahay, dia voasa hanompo tany amin’ny biraon’ny sampan’i Failandy, tamin’ny 1980. Tsy nahazo nangataka hanao Sekolin’i Gileada ny Betelita tamin’izany. Naleonay anefa nanompo tany amin’izay hitan’i Jehovah hoe mety indrindra, toy izay any amin’izay hitanay hoe mety aminay. Nekenay àry ilay fanasana. Na izany aza, dia nanohy nianatra teny anglisy ihany izahay, sao mba afaka mangataka hanao Sekolin’i Gileada ihany any aoriana any.

Nilaza ny Filan-kevi-pitantanana, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, hoe afaka mameno fangatahana hanatrika Sekolin’i Gileada koa ny Betelita. Tonga dia nameno izahay! Tsy hoe tsy faly akory izahay tao amin’ny Betela, fa tianay fotsiny raha mba ampiasain’i Jehovah any amin’izay ilana mpitory betsaka kokoa izahay, raha mahafeno fepetra. Voasa hanatrika ny sekoly kilasy faha-79 izahay, dia nahazo diplaoma tamin’ny Septambra 1985. Tany Kolombia izahay no voatendry.

FANENDRENA ANAY VOALOHANY TAMIN’IZAHAY MISIONERA

Tao amin’ny biraon’ny sampana ny fanendrena anay voalohany tany Kolombia. Niezaka nanao izay tsara indrindra vitako aho tao, nefa tsapako hoe nila rivo-baovao izahay rehefa afaka herintaona. Sambany aho teo amin’ny fiainako vao nangataka fanendrena hafa, ary iny no voalohany sady farany. Voatendry ho misionera eny amin’ny saha tao amin’ny tanànan’i Neiva àry izahay. Any amin’ny faritr’i Huila no misy azy io.

Nankafy nanompo teny amin’ny saha foana aho hatramin’izay. Indraindray aho niala maraina be dia hariva vao nody, tamin’izaho mpisava lalana tany Failandy. Mbola tsy nanambady aho tamin’izany. Nitory tontolo andro koa izahay sy Sirkka tamin’ny vao nivady. Indraindray izahay natory tao anaty aotomobilina rehefa lavitra ny faritany. Nitsitsy fotoana kokoa mantsy izany, satria afaka nanomboka maraina be izahay ny ampitso.

Tsapanay indray ilay hafanam-po nanananay teny amin’ny fanompoana, rehefa lasa misionera teny amin’ny saha izahay. Nihanitombo ilay fiangonanay, moa nanaja sy be fitiavana ary tia mankasitraka ny rahalahy sy anabavy atỳ Kolombia.

MAHERY NY VAVAKA

Nisy tanàna vitsivitsy mbola tsy nisy Vavolombelona mihitsy tsy lavitra an’ilay faritaninay tao Neiva. Lasa saina àry aho hoe: ‘Ahoana moa no ahatongavan’ny vaovao tsara any?’ Nampidi-doza ho an’ny olona tsy tompon-tany mantsy ny nankany amin’ireny toerana ireny, vokatr’ilay ady anaty akata. Nivavaka àry aho mba hisy olona avy any ho lasa Vavolombelon’i Jehovah. Dia hoy aho hoe: ‘Tsy maintsy mipetraka atỳ Neiva aloha izany ilay olona mba hianatra ny fahamarinana.’ Nivavaka koa àry aho mba hihamatotra io olona io rehefa vita batisa, dia hiverina hitory any amin’ny tanindrazany. Tokony ho tao an-tsaiko anefa hoe efa nanana vahaolana tsara kokoa noho ny ahy i Jehovah.

Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny tovolahy atao hoe Fernando González aho, tsy ela taorian’izay. Nipetraka tany Algeciras izy. Anisan’ilay tanàna tsy nisy Vavolombelona izy io. Nila nandeha 50 kilaometatra mahery tany Neiva i Fernando rehefa hiasa. Nanomana tsara izy isaky ny hianatra izahay, dia tonga izy dia nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra. Vao ny herinandro voalohany nianaranay fotsiny, dia efa novoriny ny olona tao an-tanànany ka nampianariny an’izay nianaranay.

Miaraka amin’i Fernando, 1993

Natao batisa i Fernando tamin’ny Janoary 1990, enim-bolana taorian’ny nanombohany nianatra Baiboly. Lasa mpisava lalana maharitra izy avy eo. Hitan’ny biraon’ny sampana àry hoe efa tsy nampidi-doza intsony ny nandefa mpisava lalana manokana tao amin’ilay faritra, satria efa nisy Vavolombelona iray tao Algeciras. Nisy fiangonana niforona tao, tamin’ny Febroary 1992.

Tsy tao amin’ilay tanànan-dry zareo ihany i Fernando no nitory. Rehefa nanambady an’i Olga izy, dia nifindra tany San Vicente del Caguán izy mivady. Tsy nisy Vavolombelona koa mantsy tao, nefa lasa nisy fiangonana noho ny fanampian-dry zareo. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra i Fernando tamin’ny 2002, dia mbola manao ny asan’ny faritra izy sy Olga hatramin’izao.

Nianarako avy tamin’iny zavatra niainako iny hoe tena ilaina ny manao vavaka voafaritra tsara mifandray amin’ny fanendrena antsika. I Jehovah mantsy no manao an’izay tsy vitantsika. Azy rahateo io asa fijinjana io, fa tsy antsika.​—Mat. 9:38.

I JEHOVAH NO MANOME ANTSIKA “FANIRIANA SY HERY HANAOVANA ZAVATRA”

Voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany aho tamin’ny 1990. Tany Bogotá, renivohitr’i Kolombia, no faritra niandraiketako voalohany. Somary nampahatahotra ihany aloha ilay izy e! Izahay mivady mantsy olon-tsotra sady tsy mba manan-talenta manokana. Tsy zatra niaina an-tanàn-dehibe koa izahay. Notanterahin’i Jehovah anefa ilay fampanantenany ao amin’ny Filipianina 2:13 hoe: “Andriamanitra ... no manatanjaka anareo, araka izay mahafinaritra azy, ka mahatonga anareo hanana faniriana sy hery hanaovana zavatra.”

Voatendry hanao ny asan’ny faritra tao Medellín izahay tatỳ aoriana. Io ilay tanàna noresahiko terỳ am-piandohana. Lasa zatra be ny herisetra teny an-dalana ny mponina tao, dia efa tsy taitra intsony. Nampianatra Baiboly, ohatra, aho indray mandeha, dia nisy an-kitifitifitra be tany ivelan’ny tranon’ilay olona notsidihiko. Efa saika hitsoraka tamin’ny tany aho, nefa ilay mpianatra Baiboly mbola nanohy namaky an’ilay fehintsoratra ihany sady tsy nihontsina mihitsy. Rehefa vita ny vakiteniny, dia niala tsiny izy sady nandeha nivoaka. Niverina niaraka tamina ankizikely roa izy afaka kelikely, dia tony erỳ nilaza hoe: “Miala tsiny fa nila naka ny zanako aho.”

Nisy fotoana koa izahay saika nidiran-doza. Nitory isan-trano izahay tamin’izay, dia nihazakazaka be nanatona ahy ny vadiko sady hatsatra be. Nisy nitifitra, hono, izy. Ankona tsy nahateny aho! Fantatray anefa tatỳ aoriana hoe tsy i Sirkka no nokendren’ilay olona, fa lehilahy iray nandalo teo akaikiny.

Lasa hainay ny niatrika an’ireny herisetra teny an-dalana ireny rehefa nandeha ny fotoana. Nampahery anay koa ny Vavolombelona teo an-toerana, satria natanja-tsaina be ry zareo na dia niatrika an’ireny sy ny mafy noho ireny aza. Nieritreritra izahay hoe raha nanampy an-dry zareo i Jehovah, dia hanampy anay koa. Nanaraka ny torohevitry ny anti-panahy teo an-toerana foana izahay, dia nitandrina tsara ary nankininay tamin’i Jehovah ny ambiny.

Nisy zava-nitranga sasany indray tsy nampidi-doza araka ny nieritreretanay azy. Naheno hoatran’ny vehivavy roa nifanompa, ohatra, aho indray mandeha izay, tao ivelan’ilay trano notsidihiko. Tsy liana tamin’ilay ady aho aloha e! Niantso ahy hankeo an-tokotaniny anefa ilay tompon-trano. Hay boloky roa no “nifamaly”, dia naka tahaka an’izay nolazain’ny mpiray vodirindrina ry zareo!

TOMBONTSOA FANAMPINY SY ZAVA-TSAROTRA VAOVAO

Voatendry hampianatra tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana b aho, tamin’ny 1997. Tia nanatrika sekoly ara-baiboly aho hatramin’izay. Tsy mbola noeritreretiko mihitsy anefa hoe izaho no hampianatra. Tombontsoa be izany!

Lasa mpiandraikitra ny vondrom-paritra aho tatỳ aoriana. Rehefa tsy nisy intsony anefa izany, dia niverina nanao ny asan’ny faritra aho. Sady mpampianatra àry aho no mpiandraikitra mpitety faritany, nandritra ny 30 taona mahery. Nahazo fitahiana be dia be aho rehefa nanao an’ireo fanendrena ireo. Tsy hoe nilamindamina be foana anefa ny zava-drehetra. Aleo fa hohazavaiko.

Somary maherihery loha izay aho. Nanampy ahy hiatrika zava-tsarotra izany. Indraindray anefa aho nafana fo loatra rehefa nanitsy an’izay tsy nety tao amin’ny fiangonana. Indray mandeha izay, ohatra, nahery fiteny be aho rehefa nampirisika ny olona sasany ho be fitiavana sy hahay handanjalanja rehefa mifandray amin’ny hafa. Mampihomehy anefa fa tamin’izay indrindra aho no tsy nampiseho an’ireo toetra ireo.​—Rom. 7:21-23.

Kivy be aho indraindray noho ny fahadisoako. (Rom. 7:24) Nisy fotoana aho nivavaka tamin’i Jehovah, dia nilaza taminy hoe aleo aho tsy hanao misionera intsony fa hiverina any Failandy. Nivory aho ny harivan’iny. Nampahery ahy ny tany, dia resy lahatra aho hoe tokony hanohy an’ilay asa nanendrena ahy aho, dia hiady mafy amin’ny fahalemeko. Mbola manohina ny foko foana hatramin’izao ny mieritreritra hoe mazava be ny fomba namalian’i Jehovah an’iny vavaka nataoko iny. Tena mankasitraka azy koa aho, satria tsara fanahy izy rehefa manampy ahy handresy ny fahalemeko.

FENO TOKY IZAHAY MIBANJINA NY HOAVY

Hoatran’ny hoe ananan’i Jehovah trosa be izahay sy Sirkka, satria saika nandritra ny androm-piainanay rehetra izahay no navelany hanompo azy manontolo andro. Tena mankasitraka azy koa aho fa nomeny vady be fitiavana sy tsy mivadika nandritra an’izay taona maro izay.

Handray 70 taona tsy ho ela aho, dia tsy ho afaka ny ho mpampianatra eny amin’ny saha sy ho mpiandraikitra mpitety faritany intsony. Tsy mahakivy ahy anefa izany. Fa maninona? Satria resy lahatra tanteraka aho hoe ny manompo an’i Jehovah amim-panetren-tena, sy ny midera azy avy amin’ny fo feno fitiavana sy fankasitrahana, no manome voninahitra azy indrindra. (Mika 6:8; Mar. 12:32-34) Tsy voatery manana fanendrena miavaka isika vao afaka manome voninahitra azy.

Rehefa manao jery todika an’ireny fanendrena ireny aho, dia tonga saina hoe tsy noho izaho mendrika kokoa noho ny olon-kafa na noho izaho manana fahaizana manokana no nahatonga ahy hahazo an’ireny. Tsy izany mihitsy! Noho ny hatsaram-panahy miavaka asehon’i Jehovah kosa no nahatonga azy hanome ahy an’ireny tombontsoa ireny. Nomeny an’ireny aho na eo aza ny fahalemeko. Haiko hoe tsy ho nahavita ny asa nanendrena ahy mihitsy aho raha tsy nampian’i Jehovah. Manasongadina ny herin’Andriamanitra àry ny fahalemeko.​—2 Kor. 12:9.

a Nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2006 ilay tantaram-piainan’i Raimo Kuokkanen hoe “Tapa-kevitra Hanompo An’i Jehovah Izahay.”

b Nosoloana ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana izao io sekoly io.