Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 14

HIRA 56 Raiso Am-po ny Fahamarinana

‘Miezaha Handroso Haingana mba ho Matotra’

‘Miezaha Handroso Haingana mba ho Matotra’

“Andao isika hiezaka handroso haingana mba ho matotra.”​—HEB. 6:1.

HEVITRA HODINIHINA

Ianaro ato hoe ahoana no ataon’ny Kristianina matotra mba hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izay eritreretiny sy ataony, sy mba hahaizany manapa-kevitra.

1. Inona no takin’i Jehovah amintsika?

 TSY omby tratra ny hafalian’ny mpivady rehefa mahazo zaza salama tsara ry zareo. Na tian-dry zareo hoatran’ny inona aza anefa ilay sombinainy, dia tsy tiany ho zaza menavava mandrakizay izy. Hanahy be aza ry zareo raha tsy mitombo ny zanany. Faly hoatr’izany koa i Jehovah rehefa manomboka manara-dia an’i Jesosy isika. Tsy tiany ho hoatran’ny zazakely vao miana-mamindra foana anefa isika eo amin’ny ara-panahy. (1 Kor. 3:1) Ampirisihiny ho lasa “olon-dehibe” kosa isika.​—1 Kor. 14:20.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Inona no dikan’ny hoe lasa olon-dehibe ny Kristianina iray? Inona no azontsika atao mba ho lasa Kristianina matotra isika? Nahoana no ilaina ny ventin-kanina ara-panahy raha te hitombo tsara? Nahoana isika no tsy tokony hatoky tena be loatra? Hovaliana ato ireo.

INONA NO DIKAN’NY HOE LASA MATOTRA NY KRISTIANINA IRAY?

3. Inona no dikan’ny hoe olon-dehibe ara-panahy?

3 Ny teny grika nadika hoe “olon-dehibe” ao amin’ny Baiboly dia mety hidika koa hoe “matotra”, “lavorary”, ary “feno.” (1 Kor. 2:6) Lasa olon-dehibe na matotra isika Kristianina rehefa tsy zaza ara-panahy intsony, fa lasa lehilahy na vehivavy araka ny fanahy. Mazava ho azy fa tokony hiezaka handroso foana isika, na dia tratrantsika aza io tanjona io. (1 Tim. 4:15) Afaka ny ho matotra daholo na ny tanora aza. Ahoana anefa no ahafantarana hoe mihamatotra ny Kristianina iray?

4. Ahoana no amantarana ny Kristianina matotra?

4 Manaraka an’izay rehetra takin’Andriamanitra ny Kristianina matotra, fa tsy mifidifidy an’izay tiany harahina. Mazava ho azy fa hanao diso izy, satria tsy lavorary. Na izany aza, dia asehony amin’ny fiainany andavanandro hoe mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izay eritreretiny sy ataony. Mitafy ny toetra vaovao izy, ary miezaka mafy foana mba hitovy kokoa amin’ny an’Andriamanitra ny fomba fisainany. (Efes. 4:22-24) Efa zatra mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny lalàn’i Jehovah sy ny torolalany izy, ka tsy mila lisitra-na fitsipika lava be mba hanoro azy an’izay tokony hataony. Rehefa mandray fanapahan-kevitra izy, dia mifehy tena mba hanatanteraka an’izany.​—1 Kor. 9:26, 27.

5. Inona ny loza mety hanjo ny Kristianina tsy matotra? (Efesianina 4:14, 15)

5 Mora ‘fitahina’ sy ‘fetsifetsena’ kosa ny Kristianina tsy mihamatotra, sady mora mino tsaho sy izay lazain’ny mpivadi-pinoana. a (Vakio ny Efesianina 4:14, 15.) Mora mialona koa izy, tia miady aman’olona, mora tezitra, na tsy mahatohitra fakam-panahy.​—1 Kor. 3:3.

6. Inona ny ohatra azo anazavana an’ilay hoe mihamatotra? (Jereo koa ny sary.)

6 Ampitovin’ny Soratra Masina amin’ny ankizy mihalehibe ilay hoe mihamatotra ara-panahy, araka ny noresahintsika teo. Mbola tsy misaina tsara ny ankizy, ka mila olon-dehibe hiaro sy hanara-maso azy. Mety hotantanan’ny mamany, ohatra, ny zanany vavikely rehefa miampita arabe. Rehefa mihalehibe anefa izy, dia mety havelan’ny mamany hiampita irery, nefa mbola ampahatsiahiviny mba hijery ny havia sy havanana aloha. Rehefa lasa olon-dehibe kosa izy, dia izy ihany dia efa mitandrina amin’ireny loza ireny. Mila fanampiana avy amin’ny olon-dehibe ny ankizy mba hisorohana loza. Hoatran’izany koa fa matetika no mila fanampiana avy amin’ny Kristianina matotra ny Kristianina tsy matotra, mba hisorohana loza ara-panahy sy handraisana fanapahan-kevitra tsara. Rehefa hanapa-kevitra kosa ny Kristianina matotra, dia mandinika ny torolalan’ny Baiboly izy mba hahalalana ny hevitr’i Jehovah. Manao zavatra mifanaraka amin’izany izy avy eo.

Mila mianatra mampihatra ny torolalan’ny Baiboly ny Kristianina tsy matotra mba hahaizany manapa-kevitra (Fehintsoratra 6)


7. Mila fanampian’ny hafa ve ny Kristianina matotra?

7 Midika ve izany fa mahavita tena ny Kristianina matotra? Tsy izany! Mila mangataka fanampiana ny Kristianina matotra indraindray. Ny olona tsy matotra anefa manantena hoe ny olon-kafa no hilaza aminy an’izay tokony hataony na handray fanapahan-kevitra eo amin’ny toerany. Ny Kristianina matotra kosa mandray lesona avy amin’ny fahendrena sy ny traikefan’ny hafa, sady manaiky hoe tian’i Jehovah “hitondra ny entany” izy.​—Gal. 6:5.

8. Inona no mety tsy hitovizan’ny Kristianina matotra iray amin’ny Kristianina matotra hafa?

8 Samy manana ny bikabikany sy ny paoziny ny olon-dehibe. Hoatr’izany koa fa tsy voatery hitovy toetra daholo ny Kristianina matotra. Ny sasany, ohatra, tena hendry, fa ny hafa indray be herim-po. Misy koa malala-tanana, moa ny hafa tena mahay mangoraka. Na dia miatrika zavatra mitovy koa aza ny Kristianina matotra roa, dia mety ho samy hafa ny fomba fahitany an’ilay izy, nefa samy tsy mifanohitra amin’izay voalazan’ny Soratra Masina. Hoatr’izany mihitsy rehefa misy zavatra miankina amin’ny feon’ny fieritreretana. Tsy mifampitsaratsara àry ry zareo, fa miezaka hiray saina foana.​—Rom. 14:10; 1 Kor. 1:10.

AHOANA NO ATAO MBA HO LASA KRISTIANINA MATOTRA?

9. Mihamatotra ho azy ve isika? Hazavao.

9 Mihalehibe ho azy isika rehefa mandeha ny fotoana. Tsy mandeha ho azy hoatr’izany anefa ilay hoe mihamatotra ara-panahy. Nanaiky ny vaovao tsara, ohatra, ny rahalahy sy anabavy tany Korinto, natao batisa, nahazo fanahy masina, ary nandray soa avy tamin’ny fampianaran’ny apostoly Paoly. (Asa. 18:8-11) Betsaka tamin-dry zareo anefa no mbola tsy matotra, taona vitsivitsy taorian’ny batisany. (1 Kor. 3:2) Inona àry no azontsika atao mba tsy hitranga amintsika izany?

10. Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho matotra? (Joda 20)

10 Isika mihitsy aloha no tsy maintsy maniry ho matotra, vao ho tratrantsika izany tanjona izany. Tsy handroso mihitsy mantsy izay “mbola te hiadaladala”, fa aleony mijanona ho zaza ara-panahy. (Ohab. 1:22) Tsy tiantsika ny ho toy ny olona iray efa lehibe, nefa mbola miandry ny ray aman-dreniny hanapa-kevitra ho azy foana. Raisintsika kosa ny andraikitsika, ka miezaka mandroso ara-panahy foana isika. (Vakio ny Joda 20.) Raha mbola miezaka ny hihamatotra ianao, dia mivavaha amin’i Jehovah mba homeny “faniriana sy hery hanaovana zavatra.”​—Fil. 2:13.

11. Inona no hanampy antsika hihamatotra? (Efesianina 4:11-13)

11 I Jehovah aloha tsy manantena hoe ho vitantsika irery ny hihamatotra. Efa nampiofanina mba hanampy antsika ho lasa “olon-dehibe” ara-panahy mantsy ny mpiandry sy ny mpampianatra ao amin’ny fiangonana, amin’izay isika “ho lasa matotra tanteraka hoatran’i Kristy.” (Vakio ny Efesianina 4:11-13) Manome ny fanahiny masina koa i Jehovah mba hanampiana antsika hanana “ny sain’i Kristy.” (1 Kor. 2:14-16) Tsy izay ihany fa nampanoratra ny Filazantsara efatra izy, mba hahitantsika hoe ahoana no nataon’i Jesosy rehefa nieritreritra sy niteny ary nanao zavatra nandritra ny fanompoany tetỳ. Ho tratranao ilay tanjonao hoe ho matotra, raha manahaka ny fomba fisainan’i Jesosy sy ny fanaovany zavatra ianao.

TENA ILAINA NY VENTIN-KANINA ARA-PANAHY

12. Inona “ny fampianarana fototra momba an’i Kristy”?

12 Raha te hihamatotra isika, dia tsy maintsy ‘ilaozantsika [koa] ny fampianarana fototra momba an’i Kristy’, ohatra hoe ny fampianarana momba ny fibebahana, finoana, batisa, ary fananganana amin’ny maty. (Heb. 6:1, 2) Anisan’ny fampianarana fototra inoan’ny Kristianina ireo. Izany no nahatonga ny apostoly Petera hiresaka momba an’ireo, rehefa nitory tamin’ny Pentekosta. (Asa. 2:32-35, 38) Tsy maintsy manaiky an’ireny fampianarana fototra ireny isika raha te ho mpianatr’i Kristy. Nampitandrina, ohatra, i Paoly hoe mandà ny finoana kristianina iray manontolo izay tsy manaiky ny fampianarana momba ny fananganana amin’ny maty. (1 Kor. 15:12-14) Tsy tokony hianina amin’ny fahamarinana fototra fotsiny anefa isika.

13. Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny handray soa avy amin’ny ventin-kanina ara-panahy resahin’ny Hebreo 5:14? (Jereo koa ny sary.)

13 Tsy mitovy amin’ny fampianarana fototra ny ventin-kanina ara-panahy. Tsy ny lalàn’i Jehovah ihany mantsy no resahin’ny ventin-kanina ara-panahy fa ny torolalany koa, ary ireny no manampy antsika hahazo ny fomba fisainany. Inona no tsy maintsy ataontsika raha te handray soa avy amin’izany? Tsy maintsy mianatra sy misaintsaina ary mampihatra tsara ny Tenin’Andriamanitra isika. Mizatra mandray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah isika rehefa manao an’izany. b​—Vakio ny Hebreo 5:14.

Mampianatra antsika handray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah ny ventin-kanina ara-panahy (Fehintsoratra 13) c


14. Ahoana no nanampian’i Paoly ny Korintianina mba hihamatotra?

14 Matetika ny Kristianina tsy matotra no sahirana manapa-kevitra, rehefa tsy misy lalàna mazava ao amin’ny Baiboly. Tsy hainy mantsy ny mamantatra an’izay tokony hatao miainga avy amina torolalana, mainka moa fa ny hampihatra an’izany. Mety hisy hieritreritra hoe afaka manao izay tiany izy, raha tsy misy lalàna momba an’ilay izy ao amin’ny Baiboly. Ny hafa indray mety hitady fitsipika na dia rehefa tsy ilaina akory aza izany. Toa nangataka fitsipika tamin’i Paoly, ohatra, ny Kristianina tany Korinto, momba ny hoe azony natao ve ny nihinana sakafo natolotra ho an’ny sampy. Tsy nilaza tamin-dry zareo an’izay tokony hatao i Paoly, fa niresaka momba ny asan’ny feon’ny fieritreretana sy ny hoe “manana zo hisafidy” ny tsirairay. Torolalana no nohazavainy, amin’izay ny tsirairay hilamin-tsaina sady tsy henjehin’ny eritreriny nefa tsy hanafintohina ny hafa koa. (1 Kor. 8:4, 7-9) Nanampy ny Korintianina hihamatotra àry izy, mba hahaizan-dry zareo hampiasa tsara ny sainy fa tsy hiantehitra amin’ny olon-kafa, na hoe hitady fitsipika fotsiny.

15. Ahoana no nanampian’i Paoly ny Kristianina hebreo mba handroso ara-panahy?

15 Misy lesona lehibe ianarantsika avy amin’izay nosoratan’i Paoly ho an’ny Kristianina hebreo. Tsy nandroso intsony ny olona sasany, ka ‘nila ronono indray fa tsy ventin-kanina.’ (Heb. 5:12) Lasa tsy naharaka an’ilay fahamarinana naharihary tsikelikely tamin’ny alalan’ny fiangonana ry zareo. (Ohab. 4:18) Betsaka, ohatra, ny Jiosy mpino mbola nampirisika hoe tokony harahina ny Lalàn’i Mosesy, na dia efa 30 taona teo ho eo talohan’izay aza ny Lalàna no nofoanana noho ny soron’i Kristy. (Rom. 10:4; Tit. 1:10) Tsy hoe nila voatsiary àry i Paoly raha nangataka tamin’ireo Kristianina jiosy ireo mba hanova ny fomba fisainany, satria efa 30 taona izay no lasa! Miaiky daholo angamba izay mamaky ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo fa tena ventin-kanina ara-panahy no ao. Izay mihitsy no nilain’ireo Kristianina ireo mba hinoany kokoa hoe tsara lavitra ny fivavahana kristianina. Hanampy an-dry zareo ho be herim-po koa izany mba hitory foana, na dia nanohitra aza ny Jiosy.​—Heb. 10:19-23.

AZA MATOKY TENA LOATRA

16. Inona koa no tsy maintsy ataontsika, ankoatra ny hoe miezaka hihamatotra?

16 Tsy maintsy miezaka mafy isika mba hihamatotra sy ho hoatr’izany foana. Midika izany fa tokony hitandrina isika sao matoky tena loatra. (1 Kor. 10:12) Tokony hiezaka “handini-tena foana” isika, mba ho azo antoka hoe manohy mandroso.​—2 Kor. 13:5.

17. Nahoana ny taratasin’i Paoly ho an’ny Kolosianina no mampiseho fa ilaina ilay hoe matotra foana?

17 Nasongadin’i Paoly indray tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kolosianina, fa ilaina ny hoe matotra foana. Na dia efa lasa olon-dehibe ara-panahy aza ireo Kristianina ireo, dia nampitandrina an-dry zareo i Paoly mba tsy ho voafandriky ny fomba fisainan’izao tontolo izao. (Kol. 2:6-10) Toa nahalala tsara an’io fiangonana io i Epafra, ka nanohy nivavaka izy mba ho “feno” na “matotra foana” ry zareo. (Kol. 4:12, f.a.p.) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Fantatr’i Paoly sy Epafra fa mila ezaka be sy fanampiana avy amin’Andriamanitra ilay hoe matotra foana. Tian’izy roa lahy ho matotra foana na olon-dehibe ara-panahy ny Kolosianina, na inona na inona olana natrehin-dry zareo.

18. Inona no mety hitranga amin’ny Kristianina matotra iray? (Jereo koa ny sary.)

18 Nampitandrina an’ireo Hebreo i Paoly fa mety tsy hankasitrahan’Andriamanitra intsony, na dia ny Kristianina matotra aza. Mety ho lasa mafy fo be ny Kristianina iray, ka tsy hahavita hibebaka intsony sy hahazo ny famelan’Andriamanitra. Soa ihany fa mbola tsy tonga tamin’izany ny Hebreo. (Heb. 6:4-9) Ary ahoana ny amin’ireo olona tsy mitory intsony amin’izao na voaroaka nefa nanetry tena sy nibebaka tatỳ aoriana? Porofoin’izany fa tsy hoatran’ireo olona nanoratan’i Paoly izy. Mila ny fanampian’i Jehovah anefa izy rehefa miverina aminy. (Ezek. 34:15, 16) Mety hisy Vavolombelona za-draharaha asain’ny anti-panahy manampy azy, mba hatanjaka ara-panahy indray izy.

Manome fanampiana ho an’izay mila mihamatanjaka ara-panahy indray i Jehovah (Fehintsoratra 18)


19. Inona no tokony ho tanjontsika?

19 Raha miezaka ho lasa Kristianina matotra ianao, dia mahereza fa ho tratranao io tanjona io! Mihinàna foana ventin-kanina ara-panahy, dia ampitovio amin’ny an’i Jehovah araka izay tratra ny fomba fisainanao. Raha efa matotra ianao, dia miezaha mba ho olon-dehibe ara-panahy foana.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Inona no dikan’ny hoe lasa Kristianina matotra?

  • Ahoana no atao mba hihamatotra?

  • Nahoana isika no tsy tokony hatoky tena loatra?

HIRA 65 Mandrosoa Foana!

a Jereo ilay hoe “Mitandrema Amin’ny Vaovao Tsy Marina” ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Foto-kevitra Hafa” ao amin’ny jw.org/mg sy ny JW Library.®

b Jereo ilay hoe “Hevitra Azo Ianarana” ato amin’ity gazety ity.

c SARY: Rahalahy iray mampihatra ny torolalana nianarany avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra rehefa mifidy fialam-boly.