Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampitovio Amin’ny An’Andriamanitra ny Fiheveranao ny Toaka

Ampitovio Amin’ny An’Andriamanitra ny Fiheveranao ny Toaka

AZO antoka hoe sarobidy aminao ny fanomezana isan-karazany avy amin’i Jehovah, anisan’izany ilay hoe afaka mifidy ny fomba hankafizanao an’ireny ianao. Mahaliana fa lazain’ny Baiboly hoe fanomezana avy amin’Andriamanitra ny divay. Izao mihitsy aza no lazainy: “Natao hampifalifaly ny sakafo, ary mahafinaritra erỳ ny fiainana rehefa misotro divay.” (Mpito. 10:19; Sal. 104:15) Mety ho hitanao anefa hoe misy olona lasa manana olana amin’ny zava-pisotro misy alkaola. Samy hafa koa ny hevitry ny olona sy ny fitsipika arahin’izy ireo maneran-tany, arakaraka ny kolontsainy. Inona àry no mety indrindra ho an’ny Kristianina?

Na aiza na aiza misy antsika, ary na inona na inona kolontsaina nitaizana antsika, dia handray soa foana isika sady ho sambatra kokoa, raha Andriamanitra no avelantsika hibaiko ny fomba fisainantsika sy ny fanapahan-kevitsika.

Tsikaritrao angamba hoe betsaka ny olona eto amin’izao tontolo izao tia misotrosotro, dia misy koa misotro toaka be. Misotrosotro ny sasany satria mahazo aina erỳ rehefa mahazoazo kely. Ny hafa indray misotro toaka mba hiatrehana olana. Any amin’ny tany sasany kosa, heverina hoe manana ny maha izy azy na tena lehilahy ny olona misotro be.

Ny Kristianina anefa mahazo tari-dalana tsara avy amin’ilay Mpamorona be fitiavana. Mampitandrina antsika, ohatra, izy hoe ratsy ny vokany rehefa misotro be loatra. Efa namaky ny Ohabolana 23:29-35 angamba ianao. Resahina amin’ny an-tsipiriany ao hoe hoatran’ny ahoana ny olona mamo, ary inona ny olana sasany vokatr’izany. a Niresaka momba ny fiainany tamin’izy mbola tsy Kristianina i Daniel, anti-panahy iray any Eoropa. Hoy izy: “Nandray fanapahan-kevitra ratsy aho rehefa nisotro be loatra, dia lasa nanaonao foana. Manenina tongotra aman-tanana aho hatramin’izao.”

Ahoana no azon’ny Kristianina ampiasana ny safidy malalaka ananany, mba hisorohana ny olana vokatry ny fisotroana be loatra? Mila ampifanarahiny amin’ny hevitr’Andriamanitra ny fomba fisainany sy ny ataony.

Andao hodinihintsika izay lazain’ny Baiboly momba ny zava-pisotro misy alkaola sy ny antony mahatonga ny olona sasany hisotro.

NY FITSIPIKY NY BAIBOLY

Tsy raran’ny Tenin’Andriamanitra ny zava-pisotro misy alkaola, raha sotroina araka ny antonony. Milaza mihitsy aza izy io hoe mahafinaritra ny misotro divay. Izao no voalaza ao: “Hano amim-pifaliana ny sakafonao, ary sotroy amin’ny fo falifaly ny divainao.” (Mpito. 9:7) Nisy fotoana i Jesosy nisotro divay, ary nanao an’izany koa ny mpanompon’i Jehovah hafa tsy nivadika.​—Mat. 26:27-29; Lioka 7:34; 1 Tim. 5:23.

Avahan’ny Tenin’Andriamanitra mazava tsara amin’ny hoe misotrosotro kely anefa ny hoe mimamo. Izao no lazainy: “Aza mba mamon’ny divay.” (Efes. 5:18) Resahiny mihitsy aza hoe “ny mamo lava ... dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra.” (1 Kor. 6:10) Tena melohin’i Jehovah ny olona misotro be loatra sy mimamo. Tsy manaraka am-bokony ny kolontsaina fotsiny àry isika, fa manaraka ny fomba fihevitr’Andriamanitra.

Misy mieritreritra hoe tsy mety mamo izy na dia misotro toaka be aza. Tena mampidi-doza anefa izany. Resahin’ny Soratra Masina hoe mety haloto fitondran-tena ka hanimba ny fifandraisany amin’i Jehovah, ny lehilahy na vehivavy ‘andevozin’ny divay be.’ (Tit. 2:3; Ohab. 20:1) Nampitandrina mihitsy aza i Jesosy fa mety tsy ho tonga any amin’ny tontolo vaovao izay ‘miboboka toaka.’ (Lioka 21:34-36) Inona àry no hanampy ny Kristianina tsy ho tratran’ireo fandrika vokatry ny fisotroana toaka?

DINIHO NY ANTONY HISOTROANAO SY NY FAHAZARANAO

Mampidi-doza raha manaraka am-bokony ny kolontsaina nitaizana azy ny olona iray, rehefa hanapa-kevitra hoe hisotro na tsia. Hendry kosa ny Kristianina, ka izay mampifaly an’i Jehovah no ataony amin’ny resaka sakafo sy zava-pisotro. Mampahatsiahy antsika ny Baiboly hoe: “Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny zava-drehetra.” (1 Kor. 10:31) Ireto misy fanontaniana sy torolalana azo dinihina:

Misotro ve aho amin’izay tsy ailikiliky ny olona? Hoy ny Eksodosy 23:2: “Aza manaraka ny maro.” Nampitandrina ny Israelita i Jehovah mba tsy hanara-drenirano ny nataon’ny olona tsy nampifaly azy. Mihatra amintsika Kristianina koa izany. Raha ny hafa no avelantsika hibaiko ny fiheverantsika sy ny fanapahan-kevitsika momba ny zava-pisotro misy alkaola, dia hanalavitra an’i Jehovah isika amin’ny farany ka handika ny fitsipiny.​—Rom. 12:2.

Misotro ve aho mba hampisehoana hoe mafy be? Efa mahazatra sy ekena any amin’ny kolontsaina sasany ilay hoe misotro matetika sy be loatra. (1 Pet. 4:3) Mariho anefa izay ampirisihin’ny Baiboly antsika: “Miambena foana, miorena tsara amin’ny finoana, ary aoka ianareo hitomban-dahy sy hatanjaka.” (1 Kor. 16:13, f.a.p.) Tena afaka manampy ny olona iray hatanjaka ve ny toaka? Mifanohitra amin’izany aza no mitranga. Lasa dontodonto izay misotro, ka tsy misaina tsara dia mandray fanapahan-kevitra tsy mety. Tsy hoe mafy be àry izay mahery misotro toaka, fa malemy kosa aza. Lazain’ny Isaia 28:7 hoe diso lalana izay misotro toaka, ka mivembena sy tsy mahay manapa-kevitra tsara intsony.

Avy amin’i Jehovah ny tena hery ary mila miambina foana sy miorina tsara amin’ny finoana izay te hahazo an’izany. (Sal. 18:32) Hahavita an’izany ny Kristianina raha mailo foana sy manao zavatra hentitra, mba hiarovana ny fifandraisany amin’i Jehovah. Nasehon’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany hoe nanana an’izany hery izany izy, ary betsaka no nanaja azy rehefa nahita hoe tena lehilahy sy be herim-po izy.

Misotro ve aho mba ho verivery dia rehefa misy olana? Nahazo fanahy masina ny mpanao salamo ka nanoratra hoe: “Rehefa be dia be ny zavatra nampitebiteby ahy, dia nampionona sy nampitony ahy ianao [Jehovah].” (Sal. 94:19) Raha misy manavesatra anao, dia any amin’i Jehovah mitady fanamaivanana fa tsy any amin’ny toaka. Anisan’ny fomba mandaitra indrindra anaovana an’izany ny mivavaka matetika aminy. Betsaka koa no nahita hoe mahasoa ny mangataka torohevitra amin’ny namana matotra ao amin’ny fiangonana. Raha ny marina aza, dia vao mainka mora resin’ny fakam-panahy ny olona miatrika olana raha misotro toaka, ka tsy tena tapa-kevitra hanao ny tsara intsony. (Hosea 4:11) Niaiky hoatr’izao i Daniel, ilay voaresaka terỳ aloha: “Niady saina sy nanamelo-tena be aho, dia nisotro toaka mba hanadinoana an’izany. Vao mainka anefa aho tototry ny olana, dia very namana sady tsy nisy hasiny intsony.” Inona no nanampy azy? Hoy izy: “Tonga saina aho hoe nila niantehitra tamin’i Jehovah aho, fa tsy tamin’ny toaka. Nahavita niatrika ny olana nahazo ahy ihany aho tamin’ny farany.” Tadidio hoe eo foana i Jehovah mba hanamaivamaivana anao, na dia toa tapi-dalan-kaleha aza ianao.​—Fil. 4:6, 7; 1 Pet. 5:7.

Raha misotrosotro ianao indraindray, dia jereo sao misy mila ovanao. Saintsaino ireto: ‘Efa nisy namako akaiky na fianakaviako nilaza ve fa mampanahy azy ny fisotroako toaka?’ Raha eny, dia mety ho famantarana izany hoe manomboka zatra misotro ianao, na manomboka manana olana nefa tsy fantatrao akory. ‘Misotro matetika kokoa noho ny taloha ve aho?’ Raha izany, dia marina hoe mbola tsy miankin-doha amin’ny toaka ianao, nefa efa atahorana hiafara amin’izany ihany. ‘Mafy amiko ve ny tsy misotro toaka mandritra ny andro vitsivitsy na mihoatra an’izay?’ Raha izany, dia mety ho efa fahazarana ny anao na andevozin’ny toaka ianao. Mety hidika izany hoe mila manatona mpitsabo manokana momba an’izany ianao, mba hanampy anao hiala amin’ny toaka.

Nanapa-kevitra ny Kristianina sasany hoe aleo tsy mikasika zava-pisotro misy alkaola mihitsy, satria mety hampidi-doza na hahitana olana ilay izy. Ny hafa indray tsy misotro, satria tsy tiany fotsiny ny tsiron’ilay izy. Raha misy namanao misafidy an’izany, dia asehoy hoe tsara fanahy ianao ka hajao ny fanapahan-keviny fa aza kianina izy.

Na mety ho hitanao hoe ilaina ihany ny manisy fetra. Mety hanapa-kevitra, ohatra, ny Kristianina iray fa hoferany ny habetsahan’ny zavatra hosotroiny. Na izy mety hametraka fitsipika hoe impiry no hisotro, ohatra hoe indray mandeha isan-kerinandro na mba misotro kely rehefa misakafo. Ary ahoana ny an’ny hafa? Noferan-dry zareo ny karazana zava-pisotro misy alkaola sotroiny. Misotro divay na labiera araka ny antonony, ohatra, izy, fa tsy misotro toaka mahery na dia afangaro zavatra hafa aza izany. Inona no ho vokany raha manisy fetra mazava tsara hoatr’izany ianao? Ho mora kokoa aminao ny hanaraka an’izany foana. Tsy misy tokony hahamenatra ny Kristianina matotra iray, raha hoatr’izany ny safidiny ary tsy miova hevitra mihitsy izy.

Mila mitsinjo ny fihetseham-pon’ny hafa koa isika amin’ny resaka fisotroana. Hoy ny Romanina 14:21: “Aleo tsy mihinan-kena na misotro divay na manao zavatra hafa mety hanafintohina ny rahalahinao.” Ahoana no azonao ampiharana an’izany? Asehoy hoe tianao ny rahalahinao. Raha tsapanao fa mety hanafintohina olona ianao raha misotro, dia tsy handrisika anao hampandefitra ny zonao ve ny fitiavana? Ho hita amin’izany hoe miahy sy manaja ny fihetseham-pon’ny hafa ianao, ka mitady izay hahasoa an-dry zareo fa tsy ny anao.​—1 Kor. 10:24.

Mety hametraka lalàna momba ny zava-pisotro misy alkaola koa ny fanjakana. Mazava ho azy fa mankatò an’ireny ny Kristianina. Mety horaran’ny lalàna tsy hisotro toaka, ohatra, ny zaza tsy ampy taona, na hoe tsy mahazo mitondra fiara na mampiasa masinina sasany izay avy nisotro.​—Rom. 13:1-5.

Manome voninahitra antsika i Jehovah ka avelany hankafy ny fanomezana be dia be avy aminy isika. Anisan’izany ilay hoe afaka mifidy an’izay hohanintsika sy hosotrointsika isika. Enga anie ny safidintsika hampiseho hoe sarobidy amintsika ilay fahafahana nomen’ilay Raintsika any an-danitra, ka ampiasaintsika hampifaliana azy.

a Milaza ny Foibe Miady Amin’ny Aretina any Etazonia fa na indray mandeha fotsiny aza ny olona iray no misotro tafahoatra, dia mety hanao an’ireto: Hamono olona, hamono tena, hametaveta, hikasi-tanana ny olon-tiany, hahazo vohoka tsy nirina, ho tratran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, ary ho afa-jaza.