Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitantarana

Fitantarana

Te Hangoraka ny Olona Rehetra Izy

Nijery an’ilay video hoe Aoka Ianareo Hifampiahy ny anabavy iray any Nouvelle-Zélande. Resahina ao fa rehefa mangoraka i Jehovah, dia tsy fihetseham-po fotsiny ny azy fa asehony mihitsy. (Isaia 63:7-9) Nanapa-kevitra hampihatra ilay anabavy ka hanampy olona. Niantsena izy taoriana kelin’izay, dia nahita vehivavy iray tsy nanan-kialofana. Nilaza taminy izy hoe hividy sakafo ho azy. Nanaiky ilay vehivavy. Rehefa avy nividy an’ilay sakafo izy, dia nitory kely taminy ary nampiasa an’ilay taratasy mivalona hoe Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?

Nitomany ilay vehivavy. Nohazavainy hoe notezaina tao amin’ny fahamarinana izy fa tsy nandroso, dia nijanona taona maro lasa izay. Vao haingana anefa, hono, izy no nivavaka tamin’i Jehovah mba hampiany hiverina aminy indray. Nanome Baiboly azy ilay anabavy, dia nifanao fotoana ry zareo mba hiara-mianatra Baiboly. a

Afaka manahaka an’i Jehovah isika ka mangoraka ny olona, anisan’izany ny havantsika sy ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana. Maneho fangorahana koa isika raha mitady fomba hitoriana amin’ny hafa.

a Manazava ny fomba anampiana an’ireo tsy mitory intsony ilay lahatsoratra hoe “Miverena Amiko” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Jona 2020.