LAHATSORATRA FIANARANA 50
Mino sy Manao Zavatra ny Olo-marina
‘Asehontsika amin’ny fomba fiainantsika hoe manana finoana hoatran’ny an’i Abrahama raintsika’ isika.—ROM. 4:12.
HIRA 119 Tena Ilaina ny Finoana
HO HITANAO ATO: a
1. Inona no mety hoeritreretintsika rehefa mandinika ny finoan’i Abrahama isika?
MARO ny olona efa nahenoheno an’izany Abrahama izany, nefa zara raha mahalala azy ny ankamaroany. Ianao kosa mahalala betsaka momba azy. Fantatrao, ohatra, fa nantsoina hoe “rain’izay rehetra manam-pinoana” izy. (Rom. 4:11) Mety ho lasa saina anefa ianao hoe: ‘Ho vitako ve ny hampiseho amin’ny fomba fiainako fa manana finoana hoatran’ny an’i Abrahama aho?’ Ie, vitanao izany!
2. Nahoana no ilaina ny mianatra ny modelin’i Abrahama? (Jakoba 2:22, 23)
2 Afaka mianatra ny modelin’i Abrahama, ohatra, isika raha te hanam-pinoana hoatran’ny azy. Nomen’Andriamanitra baiko izy, dia nifindra tany an-tany lavitra, nipetraka tao anaty tranolay am-polony taona, ary vonona hanao sorona an’i Isaka zanany malala. Hita amin’ireo hoe nanana finoana matanjaka izy. Nankasitrahan’Andriamanitra izy ka lasa namany, satria nanam-pinoana sy nampiseho an’izany tamin’ny nataony. (Vakio ny Jakoba 2:22, 23.) Tian’i Jehovah hahazo an’izany fitahiana izany koa isika, anisan’izany ianao. Nanome fanahy masina an’i Paoly sy Jakoba àry izy, mba hahatonga azy ireo hanoratra ny ohatr’i Abrahama ao amin’ny Baiboly. Andao isika izao hifantoka amin’ny modely nomeny resahin’ny Romanina toko faha-4 sy Jakoba toko faha-2. Misy zavatra tena nampiavaka an’i Abrahama samy resahin’ireo toko ireo.
3. Inona ilay andinin-teny samy noresahin’i Paoly sy Jakoba?
3 Avy ao amin’ny Genesisy 15:6 ny teny nolazain’i Paoly sy Jakoba. Izao no voalaza ao: “Naneho finoana an’i Jehovah [i Abrahama], ka nekeny hoe olo-marina.” Marina ny olona iray raha ankasitrahan’Andriamanitra, ary heveriny mihitsy aza hoe tsy meloka. Mahavariana hoe olona tsy lavorary sy mpanota, nefa azon’Andriamanitra heverina hoe tsy meloka! Azo inoana fa te ho hoatr’izany ianao, ary azo atao tsara izany. Ahoana no hatao? Andao aloha hojerentsika hoe nahoana i Abrahama no nantsoina hoe olo-marina, fa hanampy antsika izany.
ILAINA NY FINOANA RAHA TE HO OLO-MARINA
4. Nahoana ny olona no tsy afaka ny ho olo-marina?
4 Rehefa nanoratra ho an’ny Romanina i Paoly, dia nilaza hoe mpanota ny olombelona rehetra. (Rom. 3:23) Ahoana àry no ahafahan’ny olona iray ho lasa olo-marina, na tsy manan-tsiny eo imason’Andriamanitra, ka ankasitrahany? Niresaka momba an’i Abrahama i Paoly mba hanampiana ny Kristianina tso-po hamaly an’izany.
5. Nahoana i Jehovah no nanambara hoe olo-marina i Abrahama? (Romanina 4:2-4)
5 Nambaran’i Jehovah hoe olo-marina i Abrahama tamin’izy nipetraka tany Kanana. Fa maninona? Satria ve i Abrahama nanaraka tsara ny Lalàn’i Mosesy? Mazava ho azy fa tsia! (Rom. 4:13) Tsy nomena ny firenen’Israely mantsy io Lalàna io, raha tsy 400 taona mahery taorian’ny nilazan’Andriamanitra tamin’i Abrahama hoe olo-marina izy. Dia nahoana izany Andriamanitra no afaka nilaza hoe olo-marina i Abrahama? Naneho hatsaram-panahy miavaka izy, ka nambarany hoe olo-marina i Abrahama noho ny finoany.—Vakio ny Romanina 4:2-4.
6. Inona no ataon’i Jehovah rehefa hambarany hoe olo-marina ny mpanota iray?
6 Nanazava i Paoly avy eo hoe rehefa maneho finoana an’Andriamanitra ny olona iray, dia “ekena ho olo-marina izy satria manam-pinoana.” (Rom. 4:5) Hoy koa izy: “I Davida koa nilaza fa sambatra izay eken’Andriamanitra hoe olo-marina na dia tsy noho ny zavatra ataony aza. Hoy izy: ‘Sambatra izay voavela ny helony, ary voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy hisain’i Jehovah mihitsy ny fahotany.’” (Rom. 4:6-8; Sal. 32:1, 2) Mamela na manarona ny fahotan’izay maneho finoana azy Andriamanitra. Avelany tanteraka ny helok’izy ireo, ary tsy isainy intsony izany. Tsy meloka àry ny fahitan’Andriamanitra azy ireo, ary ekeny ho olo-marina izy noho ny finoany.
7. Nahoana no azo lazaina hoe olo-marina ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika?
7 Mbola tsy lavorary sy mpanota ihany i Abrahama sy Davida ary ny olona tsy nivadika hafa, na dia nambara hoe olo-marina aza. Tsy manan-tsiny anefa ny fahitan’Andriamanitra azy ireo noho izy nanam-pinoana, indrindra raha noharina tamin’ny olona tsy nanompo azy. (Efes. 2:12) Nolazain’i Paoly mazava tsara ao amin’ny taratasiny hoe tena ilaina ny finoana raha te hifandray akaiky amin’Andriamanitra. Marina izany rehefa jerena ny tantaran’i Abrahama sy Davida, ary mbola hoatr’izany koa amintsika.
MIFANDRAY NY FINOANA SY NY ZAVATRA ATAO
8-9. Inona ny hevi-diso ananan’ny olona sasany momba ny asa soratr’i Paoly sy Jakoba, ary nahoana?
8 Efa an-jatony taona ny mpivavaka milaza azy ho Kristianina no niady hevitra be momba ny ifandraisan’ny finoana sy ny zavatra atao. Misy mpitondra fivavahana mampianatra fa finoana an’i Jesosy Kristy Tompo fotsiny no ilaina dia efa voavonjy. Ianao angamba efa naheno an’ilay hoe: “Raiso ao am-ponao i Jesosy dia ho voavonjy ianao!” Misy amin’ireny mpitondra fivavahana ireny aza mampiasa an’ilay tenin’i Paoly hoe: “Eken’Andriamanitra hoe olo-marina [ny olona iray] na dia tsy noho ny zavatra ataony aza.” (Rom. 4:6) Ny hafa indray manizingizina fa “ho voavonjy” ianao, raha manao fivahiniana masina sy manao ny adidy hafa ao am-piangonana. Angamba ry zareo mampiasa an’ilay Jakoba 2:24 hoe: “Lazaina hoe olo-marina ny olona noho izay ataony, fa tsy noho ny finoany fotsiny.”
9 Noho ireny adihevitra ireny, dia misy mpanoratra boky ara-pivavahana mieritreritra fa mifanipaka ny hevitr’i Paoly sy Jakoba. Mety hilaza ny mpitondra fivavahana sasany fa resy lahatra i Paoly hoe ambara ho olo-marina ny olona iray noho ny finoany, na dia tsy noho ny zavatra ataony aza. I Jakoba kosa, hono, nampianatra fa tsy maintsy aseho amin’ny atao ny finoana raha te hankasitrahan’Andriamanitra. Hoy ny mpampianatra teolojia iray momba an’izany: “Tsy azon’i Jakoba ny nahatonga an’i Paoly hanizingizina hoe finoana fotsiny dia efa ampy [hanambarana hoe marina ny olona iray], fa tsy mila aseho amin’ny atao izany.” Samy nahazo fanahy masina avy tamin’i Jehovah anefa na i Paoly na i Jakoba rehefa nanoratra. (2 Tim. 3:16) Tsy maintsy hoe misy fomba tsotra anazavana àry hoe tsy mifanipaka ireo hevitra ireo, ary manaporofo an’izany ny teny manodidina.
10. Inona ireo ‘zavatra atao’ tena noresahin’i Paoly? (Romanina 3:21, 28) (Jereo koa ny sary.)
10 Inona ireo ‘zavatra atao’ tena tian’i Paoly horesahina ao amin’ny Romanina toko faha-3 sy faha-4? Ny ‘zavatra atao mifanaraka amin’ny lalàna’, izany hoe amin’ny lalàn’i Mosesy nomena teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. (Vakio ny Romanina 3:21, 28.) Toa sarotra tamin’ny Kristianina jiosy sasany tamin’izany ny nanaiky hoe tsy ilaina intsony ny mitandrina ny Lalàn’i Mosesy sy manao an’izay takina ao. Izany no nahatonga an’i Paoly hiresaka momba ny modelin’i Abrahama, mba hampisehoana hoe afaka ny ho marina eo anatrehan’Andriamanitra ny olona iray, na dia tsy “manao zavatra mifanaraka amin’ny lalàna” aza. Ny finoana kosa no tena ilaina. Mampahery izany, satria manome toky antsika hoe afaka ny hifandray tsara amin’Andriamanitra koa isika. Midika mantsy izany hoe raha maneho finoana an’Andriamanitra sy Kristy isika dia hankasitrahany.
11. Inona ireo ‘zavatra atao’ nasongadin’i Jakoba?
11 Tsy ny ‘zavatra atao mifanaraka amin’ny lalàna’ noresahin’i Paoly kosa ireo ‘zavatra atao’ noresahina ao amin’ny Jakoba toko faha-2. Izay zavatra ataon’ny Kristianina amin’ny fiainany andavanandro no tian’i Jakoba horesahina. Ireny mantsy no ahitana hoe tena manam-pinoana an’Andriamanitra ve ny Kristianina iray sa tsia. Andao isika handinika ohatra roa noresahin’i Jakoba.
12. Ahoana no nanazavan’i Jakoba ny ifandraisan’ny finoana sy ny zavatra atao? (Jereo koa ny sary.)
12 Nilaza i Jakoba ao amin’ilay ohatra voalohany noresahiny hoe tsy tokony hanavakavaka ny Kristianina. Niresaka momba ny lehilahy iray niangatra tamin’ny manankarena izy, fa nanao tsinontsinona ny mahantra. Nilaza ho nanam-pinoana io lehilahy io, fa nifanaraka tamin’izany ve ny zavatra nataony? (Jak. 2:1-5, 9) Tao amin’ilay ohatra faharoa kosa i Jakoba niresaka momba ny olona iray nahita “rahalahy na anabavy tsy manana akanjo sady tsy ampy sakafo”, nefa tsy mba nanampy. Na dia nilaza aza io olona io hoe nanam-pinoana, dia tsy nasehony tamin’ny nataony izany ka tsy nisy dikany ny finoany. Izany no nahatonga an’i Jakoba hanoratra hoe: “Maty [ny finoana] raha tsy aseho amin’ny atao.”—Jak. 2:14-17.
13. Ny ohatr’iza no noresahin’i Jakoba mba hampisehoana hoe mila aseho amin’ny atao ny finoana? (Jakoba 2:25, 26)
13 Niresaka momba an’i Rahaba i Jakoba mba hampisehoana hoe mila aseho amin’ny atao ny finoana. (Vakio ny Jakoba 2:25, 26.) Naheno momba an’i Jehovah izy, dia niaiky hoe nanohana ny Israelita io Andriamanitra io. (Jos. 2:9-11) Nasehony tamin’ny nataony ny finoany. Narovany mantsy ireo mpitsikilo israelita roa, rehefa natahorana ny ain-dry zareo. Nambara ho olo-marina hoatran’i Abrahama àry io vehivavy tsy lavorary sady tsy Israelita io. Hita amin’ny modely nomeny hoe tena mila aseho amin’ny atao ny finoana.
14. Nahoana no tsy mifanipaka ny asa soratr’i Paoly sy Jakoba?
14 Samy hafa fotsiny ny fomba nanazavan’ireo mpanoratra ny Baiboly roa ireo an’ilay resaka finoana sy zavatra atao. Nilaza tamin’ny Kristianina jiosy i Paoly hoe tsy hankasitrahan’i Jehovah mihitsy ry zareo, raha manao an’izay takin’ny Lalàn’i Mosesy fotsiny. I Jakoba kosa nanasongadina hoe mila manao soa amin’ny hafa ny Kristianina rehetra mba hahitana fa manam-pinoana.
15. Inona avy ny fomba ampisehoantsika hoe manam-pinoana isika ary asehontsika amin’ny atao izany? (Jereo koa ny sary.)
15 Tsy milaza i Jehovah hoe tsy maintsy manao hoatran’i Abrahama mihitsy isika, raha te hambara ho marina. Be dia be aza no azontsika atao mba hampisehoana hoe manam-pinoana isika. Afaka mandray tsara an’ireo vaovao tonga mivory, ohatra, isika, manome tanana ny rahalahy sy anabavy mila fanampiana, ary manao soa amin’ny mpianakavintsika satria ankasitrahan’Andriamanitra daholo izany sady tahiny. (Rom. 15:7; 1 Tim. 5:4, 8; 1 Jaona 3:18) Misy porofo iray tena tsara koa azontsika ampisehoana hoe manam-pinoana isika. Inona izany? Mila mazoto mitory ny vaovao tsara isika. (1 Tim. 4:16) Isika rehetra no afaka mampiseho amin’izay ataontsika hoe mino isika fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah, ary ny fomba fanaovany zavatra no tsara indrindra. Raha manao an’izany isika, dia afaka matoky tanteraka hoe heken’Andriamanitra ho olo-marina ary hantsoiny hoe namany.
MANATANJAKA FINOANA NY FANANTENANA
16. Inona no ifandraisan’ny finoan’i Abrahama sy ny fanantenany?
16 Misy lesona lehibe hafa avy amin’ny fiainan’i Abrahama asongadin’ny Romanina toko faha-4. Inona izany? Hoe tena ilaina ny fanantenana. Nampanantena i Jehovah hoe hahazo fitahiana amin’ny alalan’i Abrahama ny “firenena maro.” Tsara be izany fanantenan’i Abrahama izany! (Gen. 12:3; 15:5; 17:4; Rom. 4:17) Mbola tsy niteraka zazalahy ihany anefa ry zareo, na dia efa 100 taona aza i Abrahama ary 90 taona i Saraha. Hoatran’ny hoe tsy hanan-janaka mihitsy izy mivady, raha ny fijerin’olombelona. Tena fitsapana mafy ho an’i Abrahama iny! “Mbola nanantena ihany [anefa izy] ... ka nino hoe ho lasa rain’ny firenena maro.” (Rom. 4:18, 19) Tanteraka ihany ilay nantenainy, tatỳ aoriana. Teraka i Isaka, ilay zanaka nandrasany hatry ny ela, ka lasa dada izy.—Rom. 4:20-22.
17. Ahoana no ahalalantsika fa afaka ny heken’Andriamanitra ho olo-marina isika ka ho lasa namany?
17 Afaka ny hankasitrahan’Andriamanitra koa isika sady hekeny hoe olo-marina ka ho lasa namany, hoatran’i Abrahama. Momba an’izany mihitsy no noresahin’i Paoly rehefa nanoratra izy hoe: ‘Tsy ho [an’i Abrahama] ihany no nanoratana an’ilay hoe: “Nekena hoe olo-marina izy”, fa ho antsika koa. Natao ho antsika koa izany, satria mino an’Ilay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty isika.’ (Rom. 4:23, 24) Mila manam-pinoana sy mampiseho an’izany amin’ny ataontsika isika sady manana fanantenana, hoatran’i Abrahama. Mbola nanohy niresaka momba ny fanantenantsika i Paoly ao amin’ny Romanina toko faha-5, ary izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
HIRA 28 Te ho Namanao Izahay, Jehovah
a Te hankasitrahan’Andriamanitra isika ary tiantsika raha olo-marina no fahitany antsika. Azo atao ve izany? Nahoana isika no mila manam-pinoana sy mampiseho an’izany amin’ny atao, raha te hankasitrahany? Mamaly an’izany ny asa soratr’i Paoly sy Jakoba hodinihina ato.
b SARY: Nampirisika ny Kristianina jiosy i Paoly mba hifantoka amin’ny finoana, fa tsy amin’ny “zavatra atao mifanaraka amin’ny lalàna”, ohatra hoe manisy kofehy manga amin’ny akanjo, na mankalaza ny Paska, na manao fombafomba fidiovana.
c SARY: Nampirisihin’i Jakoba ny Kristianina mba hampiseho ny finoany ka hanao soa olona, ohatra hoe manampy ny mahantra.