Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 52

Ry Anabavy Tanora, Miezaha Hihamatotra

Ry Anabavy Tanora, Miezaha Hihamatotra

‘Tokony hahay handanjalanja amin’izay zavatra fanaony ny vehivavy, ary ho mendri-pitokisana amin’ny zava-drehetra.’​—1 TIM. 3:11.

HIRA 133 Tanora Manompo An’i Jehovah

HO HITANAO ATO: a

1. Inona no tsy maintsy ataontsika raha te ho lasa Kristianina matotra isika?

 GAGA isika fa tsy hitahita akory ny ankizy dia lasa olon-dehibe. Hoatran’ny hoe mandeha ho azy ilay izy. Tsy hoatr’izany anefa ilay hoe lasa Kristianina matotra. b (1 Kor. 13:11; Heb. 6:1) Mila mifandray tsara amin’i Jehovah isika vao ho tonga amin’izany. Mila ny fanahiny masina koa isika, mba hananana toetra tsara sy fahaizana ilaina eo amin’ny fiainana, ary hiomanana ho amin’ny andraikitsika amin’ny hoavy.​—Ohab. 1:5.

2. Inona no ampianarin’ny Genesisy 1:27 antsika, ary inona no hodinihina ato?

2 Rehefa namorona ny olombelona i Jehovah, dia nataony lahy sy vavy izy ireo. (Vakio ny Genesisy 1:27.) Miharihary hoe tsy mitovy bika ny lehilahy sy vehivavy. Misy zavatra hafa tsy itovizan-dry zareo koa anefa. Samy nomen’i Jehovah andraikitra manokana, ohatra, ny lehilahy sy ny vehivavy, dia samy mila ny toetra sy ny fahaizana ilainy mba hamitany an’izay nanendrena azy. (Gen. 2:18) Ho hitantsika ato hoe inona no tokony hataon’ny anabavy tanora mba ho lasa Kristianina matotra izy. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka kosa izay tokony hataon’ny rahalahy tanora.

MIEZAHA HANANA TOETRA TSARA

Hihamatotra ianao, raha miezaka manahaka an’ireo vehivavy tsy mivadika, ohatra hoe Rebeka, Estera, ary Abigaila (Fehintsoratra 3-4)

3-4. Aiza ny anabavy tanora no hahita modely hotahafina? (Jereo koa ny sary.)

3 Miresaka vehivavy miavaka be dia be ny Baiboly. Tia an’i Jehovah ry zareo sady nanompo azy. (Jereo ao amin’ny jw.org ilay hoe “Inona no Ianarantsika avy Amin’ireo Vehivavy Voatantara ao Amin’ny Baiboly?”) ‘Nahay nandanjalanja tamin’izay zavatra fanaony’ ry zareo, ary ‘mendri-pitokisana tamin’ny zava-drehetra’, araka ny andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity. Mahita vehivavy kristianina matotra azony tahafina koa ny anabavy, ao amin’ny fiangonany.

4 Ry anabavy tanora, mahalala vehivavy kristianina matotra vitsivitsy azonareo tahafina ve ianareo? Mariho ny toetra tsarany, dia diniho hoe ahoana no azonareo anehoana an’izany. Hiresaka toetra lehibe telo ilain’ny vehivavy matotra isika, ao amin’ireo fehintsoratra manaraka.

5. Nahoana ny anabavy matotra no tena mila manetry tena?

5 Manetry tena. Tena ilain’ny Kristianina matotra io toetra io. Hifandray tsara amin’i Jehovah sy amin’ny hafa ny vehivavy manetry tena. (Jak. 4:6) Raha tia an’i Jehovah, ohatra, izy dia hanetry tena ka hanaiky an’ilay torolalana nomen’ny Rainy any an-danitra hoe “ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.” (1 Kor. 11:3) Azo ampiharina tsara eo anivon’ny fiangonana sy ny fianakaviana io torolalana io. c

6. Inona no ianaran’ny anabavy tanora avy amin’i Rebeka momba ny fanetren-tena?

6 Diniho ny ohatr’i Rebeka. Vehivavy narani-tsaina sy sahy nanapa-kevitra izy, ary fantany hoe rahoviana izy no tokony hanao zavatra ary amin’ny fomba ahoana. (Gen. 24:58; 27:5-17) Na izany aza, dia nanaja sy nanaiky fahefana izy. (Gen. 24:17, 18, 65) Raha manetry tena sy manohana ny fandaharan’i Jehovah hoatran’i Rebeka ianao, dia ho ohatra tsara ho an’ny fianakavianao sy ny fiangonanareo.

7. Ahoana no anahafan’ny anabavy tanora an’i Estera ka hiaiky koa hoe voafetra ny mety ho vitany?

7 Miaiky fa voafetra ny mety ho vitanao. Toetra ilain’ny Kristianina matotra rehetra koa io. Milaza ny Baiboly hoe “izay miaiky fa voafetra ihany ny zavatra vitany no hendry.” (Ohab. 11:2, f.a.p.) Nanana an’io toetra io i Estera sady natahotra an’Andriamanitra, ka tsy sahisahy ratsy. Narahiny ny torohevitr’i Mordekay, ilay zanaky ny rahalahin-drainy sady zokiny kokoa. (Est. 2:10, 20, 22) Ahoana no ampisehoanao fa miaiky ianao hoe voafetra ny mety ho vitanao? Mangataha torohevitra amin’ny hafa, ary araho ilay izy.​—Tit. 2:3-5.

8. Ahoana no hahaizan’ny anabavy mifidy fitafiana sy taovolo mety? (1 Timoty 2:9, 10)

8 Naneho an’io toetra io koa i Estera, rehefa nanaja ny hevitry ny hafa. “Sady tsara bika izy no tsara tarehy”, nefa tsy nisarika ny sain’ny hafa ho amin’ny tenany. (Est. 2:7, 15) Inona ny soa raisin’ny anabavy avy amin’ny ohatr’i Estera? Manasongadina iray amin’izany ny 1 Timoty 2:9, 10. (Vakio.) Nampirisika ny vehivavy kristianina ny apostoly Paoly, mba hanao akanjo maotina sady hisaina tsara. Asehon’ny teny grika nampiasaina eo hoe tokony ho mendrika ny fitafian’ny vehivavy kristianina, ary tokony ho hita hoe hajainy ny fihetseham-pon’ny hafa na ny heviny. Tena faly isika manana anabavy kristianina matotra manao akanjo maotina hoatr’izany.

9. Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Abigaila?

9 Mahay manavaka. Mila maneho an’io toetra io ny anabavy kristianina matotra rehetra. Fa inona no dikan’ny hoe mahay manavaka? Mahalala ny fahasamihafan’ny tsara sy ny ratsy, dia mifidy ny hanao ny tsara. Diniho ny ohatr’i Abigaila. Tsy nety ny fanapahan-kevitry ny vadiny, dia ny ankohonany manontolo no mety ho nizaka ny vokany. Tonga dia nanao zavatra àry i Abigaila. Nahay nanavaka izy, dia ain’olona maro no voavonjy. (1 Sam. 25:14-23, 32-35) Raha mahay manavaka koa isika, dia hahafantatra hoe rahoviana no tokony hiteny na hangina. Hanampy antsika hahay handanjalanja koa izany, rehefa miahy ny hafa isika.​—1 Tes. 4:11.

MIEZAHA HANANA AN’IZAY FAHAIZANA ILAINA

Inona ny soa noraisinao rehefa nianatra namaky teny sy nanoratra tsara ianao? (Fehintsoratra 11)

10-11. Inona ny soa horaisinao sy ny hafa raha mahay mamaky teny sy manoratra tsara ianao? (Jereo koa ny sary.)

10 Mila miezaka hanana an’izay fahaizana ilaina ny anabavy. Mbola kely izy dia efa mianatra ny sasany amin’izy ireny, nefa hahasoa azy foana izany mandritra ny androm-piainany. Andao isika handinika ohatra vitsivitsy.

11 Miezaha hahay hamaky teny sy hanoratra tsara. Tsy zava-dehibe amin’ny kolontsaina sasany ilay hoe mahay mamaky teny sy manoratra ny vehivavy. Tena mila an’izany anefa ny Kristianina rehetra. d (1 Tim. 4:13) Miezaha foana àry hahay hamaky teny sy hanoratra tsara na inona na inona sakantsakana. Inona ny soa ho azonao amin’izay? Mety hanampy anao izany mba hahita asa sy hateza amin’izany. Ankoatra izay, dia ho mora kokoa aminao ny hianatra sy hampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Ny zava-dehibe indrindra anefa dia hoe ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao rehefa mamaky sy misaintsaina ny Teniny.​—Jos. 1:8; 1 Tim. 4:15.

12. Nahoana ny Ohabolana 31:26 no manampy anao hahay hifampiresaka amin’ny hafa?

12 Miezaha hahay hifampiresaka amin’ny hafa. Mila mahay an’izany ny Kristianina. Nanome torohevitra mahasoa antsika i Jakoba mpianatra. Hoy izy: “Aoka ny olona rehetra ho vonona hihaino, sady tsy ho maimaika hiteny.” (Jak. 1:19) Hahay ‘hiara-ory’ amin’ny hafa ianao raha mihaino tsara rehefa miteny izy. (1 Pet. 3:8) Ahoana anefa raha tsy azonao tsara ny tiany holazaina na ny fihetseham-pony? Mametraha fanontaniana mety tsara, dia avadibadiho impito ny lela vao miteny. (Ohab. 15:28) Saintsaino izao: ‘Marina ve ilay zavatra tiako holazaina sady mampahery? Tsy mivantambatana ve ilay izy fa tsara fanahy?’ Mianara avy amin’ireo anabavy matotra mahay miresaka tsara amin’ny hafa. (Vakio ny Ohabolana 31:26.) Henoy tsara izay lazainy sy ny fomba ilazany azy. Hihatsara ny fifandraisanao amin’ny hafa, arakaraka ny hahaizanao mifampiresaka aminy.

Mahasoa ny ankohonany sy ny fiangonany ny vehivavy mianatra mikarakara tokantrano (Fehintsoratra 13)

13. Ahoana no hahaizanao mikarakara tokantrano? (Jereo koa ny sary.)

13 Mianara mikarakara tokantrano. Ny vehivavy no tena mikarakara tokantrano any amin’ny tany maro. Mety hanampy anao hianatra an’izay tokony ho hainao ny mamanao, na ny anabavy mahay hafa. Hoy ny anabavy iray atao hoe Cindy: “Nampianarin’i Neny ahy hoe mahafaly ny miasa mafy. Izany no anisan’ny fanomezana sarobidy indrindra nomeny ahy. Lasa tsy sahirana aho teo amin’ny fiainana sady afaka nanompo an’i Jehovah bebe kokoa, satria nampianariny hahandro, hanadio, hanjaitra, ary hiantsena. Nampianariny ho tia mandray vahiny koa aho, ka afaka nihaona tamin’ny ranadahy sy rahavavy mahafinaritra be dia be, dia afaka nianatra avy amin-dry zareo.” (Ohab. 31:15, 21, 22) Mahasoa ny fianakaviany sy ny fiangonana ny vehivavy miasa mafy, tia mandray vahiny, ary mahay mikarakara tokantrano.​—Ohab. 31:13, 17, 27; Asa. 16:15.

14. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Crystal, ary inona no tokony hifantohanao?

14 Mianara zavatra hanampy anao hahavita tena. Tokony hiezaka hahavita tena ny Kristianina matotra rehetra. (2 Tes. 3:7, 8) Hoy i Crystal: “Nanampy ahy hifidy ny fianarana hataoko teny amin’ny lise i Dada sy Neny, amin’izay aho mba manana ny fahaizana ilaiko any aoriana any. Nampirisihin’i Dada hanao comptabilité aho, dia tena nahasoa ahy izany.” Tsy ampy ny mianatra zavatra sasany mba hahitana asa fivelomana. Miezaha koa hianatra hanao teti-bola sy tsy handany mihoatra an’izay. (Ohab. 31:16, 18) Mifantoha foana amin’ny tanjona ara-panahy, ka aza midi-trosa tsy amin’antony, ary miezaha hanana fiainana tsotra foana.​—1 Tim. 6:8.

MIOMÀNA HANDRAY ANDRAIKITRA

15-16. Nahoana ny anabavy mpitovo no tena sarobidy? (Marka 10:29, 30)

15 Ho vonona kokoa hiantsoroka andraikitra ianao, raha miezaka hanana toetra tsara sy hanana an’izay fahaizana ilaina. Andao isika handinika ny safidy sasany mety hanananao.

16 Afaka mifidy ny hijanona ho mpitovo mandritra ny fotoana kelikely ianao. Mifidy ny tsy hanambady ny vehivavy sasany, araka ny tenin’i Jesosy, na dia tsy ampirisihina aza izany any amin’ny kolontsain-dry zareo. (Mat. 19:10-12) Misy indray tsy manambady noho ny antony samihafa. Matokia fa tsy manambany ny Kristianina mpitovo i Jehovah sy Jesosy. Ohatra tsara ho an’ny fiangonana ny anabavy mpitovo, any amin’ny tany maro. Be fitiavana sy miahy ny hafa ry zareo, ka lasa hoatran’ny hoe anabavy sy reny ho an’ny mpiara-manompo aminy.​—Vakio ny Marka 10:29, 30; 1 Tim. 5:2.

17. Inona no azon’ny anabavy tanora atao mba hiomanana ho amin’ny fanompoana manontolo andro?

17 Afaka ny ho lasa mpanompo manontolo andro ianao. Mandray anjara be amin’ny asa fitoriana eran-tany ny vehivavy kristianina. (Sal. 68:11) Afaka miomana dieny izao ve ianao mba hanompo manontolo andro? Mety ho afaka hanao mpisava lalana ianao, hiasa an-tsitrapo hanao fanorenana, na ho Betelita. Mivavaha momba ny tanjonao. Miresaha amin’izay efa nahatratra tanjona hoatr’izany, dia fantaro hoe inona no mila ataonao mba hahafeno fepetra ianao. Fidio avy eo izay hataonao mba hanatratraranao an’ilay tanjona. Be dia be ny zavatra mahafinaritra hankafizinao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, rehefa tratranao ny tanjonao.

Tokony hofidinao tsara izay ho vadinao, raha mieritreritra ny hanambady ianao (Fehintsoratra 18)

18. Nahoana ny anabavy no tena tokony hifidy tsara ny olona ho vadiny? (Jereo koa ny sary.)

18 Mety hifidy ny hanambady ianao. Hanampy anao ho vady tsara ireo toetra sy fahaizana noresahina tato. Mazava ho azy fa mila fidinao tsara izay ho vadinao, raha te hanorin-tokantrano ianao. Anisan’ny fanapahan-kevitra lehibe indrindra horaisinao izany. Tadidio fa mila manaiky ny fitarihan’ilay olona ho vadinao ianao. (Rom. 7:2; Efes. 5:23, 33) Saintsaino àry izao: ‘Kristianina matotra ve izy? Ny zavatra ara-panahy ve no ataony loha laharana? Mahay manapa-kevitra ve izy? Miaiky ny fahadisoany ve izy? Manaja vehivavy ve izy? Vitany ve ny hanampy ahy hatanjaka ara-panahy sy hamelona ahy? Afaka ny ho namana tsara ho ahy ve izy? Manao tsara ny andraikiny ve izy? Inona, ohatra, ny asa anendrena azy ao amin’ny fiangonana, ary ataony tsara ve izany?’ (Lioka 16:10; 1 Tim. 5:8) Mazava ho azy fa raha te hahita vady tsara ianao, dia ianao aloha no tokony ho vady tsara.

19. Nahoana ilay hoe “mpanampy” no andraikitra mendri-kaja?

19 Milaza ny Baiboly hoe “mpanampy” ho an’ny vadiny ny vehivavy sady “famenony.” (Gen. 2:18) Manambany ve izany? Tsy izany mihitsy. Andraikitra mendri-kaja ilay hoe “mpanampy.” Matetika aza ny Baiboly no milaza hoe “mpanampy” i Jehovah. (Sal. 54:4; Heb. 13:6) Tena mpanampy ho an’ny vadiny ny vehivavy rehefa manohana azy. Ampiany koa izy hanatanteraka an’izay fanapahan-kevitra misy vokany amin’ny ankohonany. Tia an’i Jehovah koa ilay vehivavy, dia miezaka manampy ny vadiny hanana laza tsara. (Ohab. 31:11, 12; 1 Tim. 3:11) Inona no azonao atao mba hiomanana amin’izany andraikitra izany? Miezaha mba ho tia kokoa an’i Jehovah, ary ho mpanampy ho an’ny fianakavianao sy ny fiangonana.

20. Nahoana no tena ilaina ny renim-pianakaviana?

20 Mety ho lasa mama ianao. Rehefa manambady ianao, dia mety hanan-janaka ianareo. (Sal. 127:3) Fahendrena àry ny miomana mialoha. Hanampy anao ny toetra sy ny fahaizana noresahina tato, raha mieritreritra ny hanambady sy hanan-janaka ianao. Raha be fitiavana sy tsara fanahy ary manam-paharetana ianao, dia ho sambatra ny ankohonanao, moa ny zanakao hahatsiaro ho voaro sy hahatsapa hoe tiana.​—Ohab. 24:3.

Be dia be ny tovovavy lasa Kristianina matotra, rehefa nampianarina ny Soratra Masina sy nampihatra an’izay nianarany (Fehintsoratra 21)

21. Inona no tsapanao momba ny anabavintsika? Nahoana? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

21 Tianay ianareo ry anabavy, noho izay rehetra ataonareo ho an’i Jehovah sy ny vahoakany. (Heb. 6:10) Miezaka mafy ianareo hanana toetra tsara, sy hanana ny fahaizana hahatonga ny fiainanareo sy ny an’ny hafa hahafinaritra kokoa. Mikely aina koa ianareo mba hiomanana ho amin’ny andraikitra mety hiantsorohanareo amin’ny hoavy. Tena sarobidy ianareo ao amin’ny fandaminan’i Jehovah!

HIRA 137 Vehivavy Manam-pinoana sy Tsy Mivadika

a Sarobidy amin’ny fiangonana ianareo ry anabavy tanora malala. Ho lasa Kristianina matotra ianareo, raha miezaka hanana toetra tsara sy fahaizana ilaina, ary miomana ho amin’ny andraikitra mety hiantsorohanareo amin’ny hoavy. Hahazo fitahiana maro eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ianareo amin’izay.

b FANAZAVANA: Ny Kristianina efa matotra dia tarihin’ny fanahin’Andriamanitra fa tsy ny fahendren’izao tontolo izao. Manahaka ny modely nomen’i Jesosy izy, ary miezaka mafy hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Be fitiavana sy mahafoy tena ho an’ny hafa koa izy.

d Zava-dehibe ny mahay mamaky teny. Jereo ao amin’ny jw.org ilay lahatsoratra hoe: “Nahoana no Ilain’ny Ankizy ny Mamaky Teny? Fizarana 1: Hamaky sa Hijery?