Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 53

Ry Rahalahy Tanora, Miezaha Hihamatotra

Ry Rahalahy Tanora, Miezaha Hihamatotra

“Mahereza ary asehoy hoe tena lehilahy ianao.”​—1 MPANJ. 2:2.

HIRA 135 Miangavy Anao i Jehovah hoe: “Hendre, Anaka”

HO HITANAO ATO: a

1. Inona no tsy maintsy ataon’ny lehilahy kristianina raha te hahomby?

 HOY i Davida Mpanjaka tamin’i Solomona: “Mahereza ary asehoy hoe tena lehilahy ianao.” (1 Mpanj. 2:1-3) Tsara raha mampihatra an’io daholo ny lehilahy kristianina. Raha te hahomby ry zareo, dia tsy maintsy mianatra mankatò ny lalàn’Andriamanitra sy mampihatra ny torolalan’ny Baiboly eo amin’ny fiainany manontolo. (Lioka 2:52) Fa maninona marina moa ny rahalahy tanora no tokony hiezaka mba ho lasa Kristianina matotra?

2-3. Nahoana ny rahalahy tanora no tokony ho lasa Kristianina matotra?

2 Manana andraikitra be ny lehilahy kristianina, ao amin’ny fianakaviana sy ny fiangonana. Rahalahy tanora ve ianao? Raha izany, dia azo antoka fa efa noeritreretinao hoe inona ny andraikitra mety hiantsorohanao amin’ny hoavy. Angamba ianao te ho lasa mpanompo manontolo andro, mpikarakara fiangonana, dia ho anti-panahy any aoriana any. Mety ho te hanambady aman-janaka koa ianao. (Efes. 6:4; 1 Tim. 3:1) Mila mihamatotra anefa aloha ianao, mba hanatratraranao an’ireo tanjona ireo sy hahatonga anao hahomby. b

3 Inona no hanampy anao ho lasa Kristianina matotra? Misy zava-dehibe maromaro mila ianaranao aloha. Inona àry no azonao atao dieny izao mba hiomananao ho amin’izay andraikitra miandry anao, ka hahavita tsara an’izany?

DINGANA HANAMPY ANAO HO MATOTRA

Ho lasa Kristianina matotra ianao raha manahaka ny toetra tsara nampiavaka an’i Jesosy (Fehintsoratra 4)

4. Aiza ianao no hahita modely azonao tahafina? (Jereo koa ny sary.)

4 Mifidiana modely hotahafina. Feno ohatra tsara azonareo rahalahy tanora tahafina ao amin’ny Baiboly. Tia an’Andriamanitra ireny lehilahy ireny, sady niantsoroka andraikitra samihafa rehefa nikarakara ny vahoakany. Misy lehilahy kristianina matotra azonareo atao modely koa anefa, ao amin’ny fianakavianareo sy ny fiangonana. (Heb. 13:7) Aza hadinoina koa i Jesosy Kristy, satria modely tonga lafatra izy. (1 Pet. 2:21) Ianaro tsara ny momba an-dry zareo, dia mariho ny toetra tsara mampiavaka azy. (Heb. 12:1, 2) Eritrereto avy eo hoe ahoana no hanahafanao an-dry zareo.

5. Inona no hanampy anao hahay hisaina, ary nahoana izany no tena ilaina? (Salamo 119:9)

5 Miezaha hanana “fahaiza-misaina” ary “arovy” izany. (Ohab. 3:21) Mandinika tsara ny safidy rehetra ananany ny lehilahy mahay misaina vao manao zavatra. Miezaha mafy àry mba ho lasa hoatr’izany sy tsy hiova mihitsy. Fa maninona? Satria tsy hoatr’izany ny tovolahy eto amin’izao tontolo izao. Manao izay saim-pantany fotsiny ry zareo, na baikoin’ny fihetseham-pony. (Ohab. 7:7; 29:11) Mety hisy vokany be aminao koa ny tele, Internet, ary ny tambazotran-tserasera. Inona anefa no hanampy anao hahay hisaina? Izao anombohana azy: Ianaro ny torolalan’ny Baiboly, dia saintsaino hoe maninona ireny no mahasoa. Ampiharo avy eo ireny torolalana ireny mba hanampy anao handray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah. (Vakio ny Salamo 119:9.) Raha mahay misaina hoatr’izany ianao, dia efa dingana lehibe hanampy anao ho lasa Kristianina matotra izany. (Ohab. 2:11, 12; Heb. 5:14) Eritrereto hoe nahoana ny fahaiza-misaina no hanampy anao rehefa: 1) Mifandray amin’ny anabavy sy 2) manapa-kevitra ny amin’ny fiakanjonao sy ny taovolonao.

6. Nahoana ny fahaiza-misaina no hanampy ny rahalahy tanora hanaja ny anabavy?

6 Rehefa mahay misaina ianao, dia hanampy anao hanaja vehivavy izany. Ara-dalàna raha mba te hiaraka amin’ny anabavy iray ny rahalahy tanora iray, ary tsy misy maha ratsy an’izany. Raha mahay misaina anefa ny tovolahy iray, dia tsy hiteny na hanoratra na hanao zavatra mampiseho hoe taratara amin’ny anabavy iray izy, raha tsy hoe tena mieritreritra angaha izy hoe mety ho azony alaina vady io anabavy io. (1 Tim. 5:1, 2) Ary ahoana raha efa miaraka ry zareo? Hiaro ny lazan’ilay anabavy izy, ka tsy hitokantokana mihitsy izy roa raha tsy hoe misy olona matotra miaraka aminy.​—1 Kor. 6:18.

7. Nahoana ny fahaiza-misaina no hanampy ny rahalahy tanora hifidy akanjo sy taovolo?

7 Misy fomba hafa koa azon’ny tovolahy ampisehoana hoe mahay misaina izy. Inona izany? Mifidy tsara ny akanjo sy taovolony izy. Matetika no olona tsy miraharaha an’i Jehovah na maloto fitondran-tena no mamorona sy manaparitaka ny lamaody. Hita amin’ny paozin’ny akanjony ny toe-tsainy. Mifinjifinjy kely mantsy izy ireny, na matetika no tsy hita intsony izay anavahana ny lehilahy amin’ny vehivavy. Manaraka ny torolalan’ny Baiboly sy ny modely ao amin’ny fiangonana àry ny tovolahy miezaka ho matotra, rehefa mifidy an’izay hanaovany. Afaka mieritreritra an’ireto izy: ‘Hita amin’ny safidiko ve hoe misaina tsara aho sady mitsinjo ny hafa? Mora amin’ny olona ve ny mino hoe tena mpanompon’Andriamanitra aho raha ny fiakanjoko no jerena?’ (1 Kor. 10:31-33; Tit. 2:6) Tsy vitan’ny hoe hohajain’ny rahalahy sy anabaviny ny tovolahy mahay misaina, fa hohajain’ilay Rainy any an-danitra koa.

8. Inona no azon’ny rahalahy tanora atao mba ho azo ianteherana?

8 Miezaha ho azo ianteherana. Manao tsara ny andraikiny rehetra ny tovolahy azo ianteherana. (Lioka 16:10) Eritrereto i Jesosy, ilay modely tonga lafatra. Efa nisy fotoana ve izy tsy nivaky loha na tsy niraharaha ny andraikiny? Tsy nanao an’izany mihitsy izy! Novitainy tsara kosa izay nasain’i Jehovah nataony, na dia rehefa sarotra aza ny nanao an’izany. Tia olona izy, indrindra fa ny mpianany, ka vonona hamoy ny ainy ho an-dry zareo. (Jaona 13:1) Tahafo àry i Jesosy, ka miezaha mafy mba hamita an’izay ampanaovina anao. Raha tsy hainao tsara ny fanaovana an’ilay izy, dia miezaha hanetry tena ka mangataha fanampiana amin’ny rahalahy matotra. Aza mianina amin’ny hoe efa nahavita aloha dia izay! (Rom. 12:11) Ataovy tsara kosa izay ampanaovina anao, ka ataovy hoatran’ny hoe “ho an’i Jehovah, fa tsy ho an’olona.” (Kol. 3:23) Mazava ho azy fa tsy lavorary ianao, ka manetre tena ary ekeo rehefa diso ianao.​—Ohab. 11:2.

MIEZAHA HANANA AN’IZAY FAHAIZANA ILAINA

9. Nahoana ny rahalahy tanora no tsy maintsy mianatra fahaizana ilaina eo amin’ny fiainana?

9 Misy fahaizana mila iezahanao hananana raha te hihamatotra ianao. Hanampy anao hiantsoroka andraikitra ao amin’ny fiangonana mantsy izany, sady hanampy anao hateza amin’ny asanao, ka ho afaka hamelon-tena na hamelona ny fianakavianao ianao. Hifandray tsara amin’olona koa ianao rehefa manana an’ireny fahaizana ireny. Andao isika handinika fahaizana sasany tena ilainao.

Handray soa ianao sy ny fiangonana raha mahay mamaky teny sy manoratra tsara ianao (Fehintsoratra 10-11)

10-11. Nahoana ny rahalahy tanora sy ny fiangonana no handray soa raha mianatra mamaky teny sy manoratra tsara izy? (Salamo 1:1-3) (Jereo koa ny sary.)

10 Miezaha hahay hamaky teny sy hanoratra tsara. Milaza ny Baiboly hoe manokana fotoana isan’andro hamakiana sy hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra ny lehilahy sambatra sy mahomby. (Vakio ny Salamo 1:1-3.) Hahafantatra ny fomba fisainan’i Jehovah izy rehefa mamaky azy io isan’andro. Hanampy azy hisaina sy handinika tsara izany. (Ohab. 1:3, 4) Tena mila lehilahy hoatr’izany ny fiangonana. Nahoana?

11 Lehilahy mahay no andrasan’ny mpiara-manompo mba hampianatra sy hanome torohevitra an-dry zareo avy ao amin’ny Baiboly. (Tit. 1:9) Raha mahay mamaky teny sy manoratra tsara ianao, dia ho afaka hanomana lahateny sy valin-teny mampahery sady misy hevitra mahasoa. Hahay handray naoty tsara koa ianao, rehefa mianatra sy mihaino lahateny any amin’ny fivoriana sy fivoriambe. Hanampy anao hanatanjaka ny finoanao sy hampahery ny hafa ireny naoty ireny.

12. Inona no hanampy anao hahay hifampiresaka tsara amin’ny hafa?

12 Miezaha hahay hifampiresaka amin’ny hafa. Tsy maintsy mianatra mifampiresaka amin’olona ny lehilahy kristianina. Hahay an’izany izy raha mihaino tsara, dia mahazo an’izay any an-tsain’ny olona sy ny fihetseham-pony. (Ohab. 20:5) Hainy ny mamantatra ny fihetseham-pon’ilay olona amin’ny alalan’ny toe-peony, ny endriny, ary ny fihetsiny. Tsy hahay an’izany mihitsy anefa ianao, raha tsy manokana fotoana hiarahana matetika amin’olona. Raha fitaovana elektronika foana no ampiasainao mba hifandraisana amin’ny hafa, ohatra hoe amin’ny alalan’ny e-mail sy SMS, dia vao mainka ianao tsy hahay hifampiresaka mivantana. Mitadiava àry hirika hifampiresahana mivantana amin’ny hafa.​—2 Jaona 12.

Tsara ny mianatra zavatra hanampy anao hahita asa (Fehintsoratra 13)

13. Inona koa no tsy maintsy ianaran’ny tovolahy? (1 Timoty 5:8) (Jereo koa ny sary.)

13 Ataovy izay hahafahanao hamelon-tena. Tsy maintsy mahavita mamelona ny tenany sy ny fianakaviany ny lehilahy kristianina matotra. (Vakio ny 1 Timoty 5:8.) Mety hianatra fahaizana manokana avy amin’ny dadany na ny havany ny rahalahy tanora, any amin’ny tany sasany. Any amin’ny lise kosa no mianatra asa ny tovolahy, any an-tany hafa. Na ahoana na ahoana, dia tsara foana ny mianatra fahaizana hanampy anao hahita asa any aoriana any. (Asa. 18:2, 3; 20:34; Efes. 4:28) Miasa mafy sy mamita asa hatramin’ny farany ve no ahalalana anao? Miezaha mba ho hoatr’izany. Ho mora kokoa aminao amin’izay ny hahita asa sy hateza amin’izany. Tena ilain’ny lehilahy kristianina koa ireny toetra sy fahaizana noresahintsika ireny, mba hahavitany hiantsoroka ny andraikiny amin’ny hoavy. Andao isika handinika ny sasany amin’izany.

MIOMÀNA HANDRAY ANDRAIKITRA

14. Inona no fiomanana azon’ny rahalahy tanora atao raha te ho mpanompo manontolo andro izy?

14 Mpanompo manontolo andro. Betsaka ny rahalahy matotra nanomboka nanompo manontolo andro, na dia mbola tanora aza. Lasa mahay miara-miasa amin’ny olona isan-karazany ny tovolahy iray, rehefa manao mpisava lalana. Manampy azy hanao teti-bola sy hahay hitsitsy koa izany. (Fil. 4:11-13) Ahoana no atao raha te hanompo manontolo andro? Manaova aloha mpisava lalana mpanampy. Betsaka no manao an’izany mandritra ny fotoana kelikely. Manampy azy ho vonona hanao mpisava lalana maharitra tsinona izany. Mety ho afaka hanao karazana fanompoana manontolo andro hafa ianao rehefa manao mpisava lalana, ohatra hoe mpanao fanorenana na Betelita.

15-16. Inona no azon’ny rahalahy tanora atao mba hahafeno fepetra hanompo ao amin’ny fiangonana izy?

15 Mpikarakara fiangonana na anti-panahy. Tokony ho tanjon’ny lehilahy kristianina ny hahafeno fepetra ho anti-panahy, ka hanompo ny rahalahy sy anabaviny ao amin’ny fiangonana. Milaza ny Baiboly hoe “maniry hanao asa tsara” izay miezaka hahazo an’izany andraikitra izany. (1 Tim. 3:1) Tsy maintsy mahafeno fepetra ho mpikarakara fiangonana anefa aloha izy vao afaka ny ho anti-panahy. Manampy be an’ireo anti-panahy ny mpikarakara fiangonana. Samy manetry tena ry zareo ka manompo ny rahalahy sy anabaviny, ary mazoto mitory sy mampianatra. Afaka ny hahafeno fepetra ho mpikarakara fiangonana ny rahalahy tanora, na dia 20 taona latsaka kely aza. Ny mpikarakara fiangonana mahay kosa azo tendrena ho anti-panahy, na dia 20 taona na mahery kely aza.

16 Inona no azonao atao mba hahafeno fepetra amin’ireo andraikitra ireo? Misy toetra vitsivitsy resahin’ny Baiboly fotsiny hoe mila anananao. Ny fitiavanao an’i Jehovah sy ny fianakavianao ary ny fiangonana no hahatonga anao hiezaka hanana an’ireo. (1 Tim. 3:1-13; Tit. 1:6-9; 1 Pet. 5:2, 3) Ataovy izay hahazoanao tsara ny fepetra tsirairay, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hampiany hahafeno an’ireny. c

Tian’i Jehovah ho tia ny vady aman-janany ny lehilahy, dia hamelona azy, sy ho namana tsara ho azy, ary indrindra hanampy azy hatanjaka ara-panahy foana (Fehintsoratra 17)

17. Inona no fiomanana azon’ny rahalahy tanora atao raha mieritreritra ny hanambady sy ho loham-pianakaviana izy? (Jereo koa ny sary.)

17 Vady sy loham-pianakaviana. Nilaza i Jesosy hoe misy lehilahy kristianina matotra mifidy ny hijanona ho mpitovo. (Mat. 19:12) Raha mifidy ny hanambady anefa ianao, dia hahazo andraikitra fanampiny satria ho lasa vady sy loham-pianakaviana. (1 Kor. 11:3) Manantena i Jehovah hoe ho tia ny vadiny ny lehilahy dia hamelona azy, sy ho namana tsara ho azy, ary hanampy azy hatanjaka ara-panahy foana. (Efes. 5:28, 29) Hanampy anao ho vady tsara koa ny toetra sy ny fahaizana noresahina tato, ohatra hoe miezaka hahay hisaina sy hanaja vehivavy ary ho azo ianteherana. Ho vonona tsara ianao amin’izay hiantsoroka ny andraikitry ny lehilahy manambady sy loham-pianakaviana.

18. Inona no fiomanana azon’ny rahalahy tanora atao raha mieritreritra ny hanan-janaka izy?

18 Dada. Mety ho lasa dada ianao rehefa manambady. Be dia be no azonao ianarana avy amin’i Jehovah, raha te hahay hitaiza ianao. (Efes. 6:4) I Jehovah, ohatra, tsy nisalasala nilaza tamin’i Jesosy Zanany hoe tiany izy ary nankasitrahany. (Mat. 3:17) Raha lasa dada àry ianao, dia omeo toky foana ny zanakao hoe tianao ry zareo. Derao foana koa ry zareo amin’izay zavatra tsara ataony. Manampy ny zanany ho lasa lehilahy sy vehivavy kristianina matotra ny raim-pianakaviana manahaka an’i Jehovah. Afaka miomana ho amin’izany andraikitra izany ianao dieny izao. Ahoana no atao? Miezaha ho be fitiavana rehefa mikarakara ny olona ao amin’ny fianakavianao sy ny fiangonana, dia mianara mampiseho fitiavana sy fankasitrahana an-dry zareo. (Jaona 15:9) Hanampy anao hiantsoroka ny andraikitrao izany rehefa manambady ianao ary lasa dada. Ho sarobidy amin’i Jehovah sy ny fianakavianao ary ny fiangonana ianao mandra-pahatongan’izay.

INONA IZAO NO HATAONAO?

Be dia be ny tovolahy lasa Kristianina matotra rehefa nampianarina ny Soratra Masina sy nampihatra an’izay nianarany (Fehintsoratra 19-20)

19-20. Inona no hanampy ny rahalahy tanora ho lasa Kristianina matotra? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

19 Ry rahalahy tanora, tsy ho lasa Kristianina matotra ho azy eo ianareo. Mila mifidy modely hotahafina ianareo, dia misaina tsara, azo ianteherana, mianatra fahaizana ilaina eo amin’ny fiainana, ary miomana ho amin’izay andraikitra miandry anareo.

20 Izany ve tsy sarotra be? Mety hahatsapa hoatr’izany ianao indraindray, rehefa mieritreritra an’izany zava-drehetra mila iezahanao izany. Afaka ny hahomby anefa ianao. Tadidio hoe tena te hanampy anao i Jehovah. (Isaia 41:10, 13) Hanampy anao koa ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana. Hahafinaritra sy hahafa-po be ny fiainanao rehefa lasa ilay karazan’olona tian’i Jehovah ianao. Tianay ianareo, ry rahalahy tanora! Enga anie i Jehovah hitahy ny ezaka ataonareo izao mba ho lasa Kristianina matotra.​—Ohab. 22:4.

HIRA 65 Mandrosoa Foana!

a Mila lehilahy matotra ny fiangonana kristianina. Hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity hoe inona no azonareo rahalahy tanora atao mba ho lasa hoatr’izany any aoriana any.

b Jereo ilay hoe “Fanazavana” ao amin’ny lahatsoratra teo aloha.

c Jereo ilay boky hoe Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, toko 5-6.