Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Inona no atao hoe ‘manavao ny saina’? (Rom. 12:2)

Tsy ampy ny manao zavatra tsara vitsivitsy. Mila mandinika ny tena maha izy antsika koa isika, dia miova mba hankatoavana ny fitsipik’Andriamanitra araka izay fara herintsika.​—w23.01, p. 8-9.

Ahoana no ahitana hoe mahay mandanjalanja isika rehefa mandinika ny zava-mitranga eran-tany?

Tiantsika ho fantatra hoe ahoana no anatanterahan’izy ireny ny faminaniana. Tsy manombantombana anefa isika fa mampisara-bazana izany. Aleontsika kosa mampifanaraka ny resatsika amin’izay zavatra avoakan’ny fandaminana. (1 Kor. 1:10)​—w23.02, p. 16.

Inona no tsy mampitovy ny batisan’i Jesosy amin’ny an’ny mpanara-dia azy?

Tsy nila nanokan-tena ho an’i Jehovah hoatr’antsika i Jesosy, satria vao teraka izy dia efa voatokana ho an’Andriamanitra ny firenena nisy azy. Lavorary sy tsy nisy ota izy ka tsy nila nibebaka.​—w23.03, p. 5.

Ahoana no anampiantsika ny hafa hamaly teny?

Ataontsika fohy ny valin-tenintsika, mba ho afaka hamaly ny hafa. Tsy hiresaka hevitra be loatra koa isika, amin’izay mba misy azon’ny hafa lazaina.​—w23.04, p. 23.

Inona ilay “Lalan’ny Fahamasinana” resahin’ny Isaia 35:8?

Lalan’ny Jiosy nody avy any Babylona io lalambe an’ohatra io taloha. Ary amin’izao? Nisy fiomanana natao nandritra ny taonjato maro talohan’ny 1919, toy ny fandikana sy fanaovana pirinty ny Baiboly. Mandeha amin’io “Lalan’ny Fahamasinana” io ny vahoakan’Andriamanitra, ka mamakivaky an’ilay Paradisa ara-panahy, mandra-pahazony ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana.​—w23.05, p. 15-19.

Iza ireo vehivavy roa an’ohatra ao amin’ny Ohabolana toko faha-9?

Miresaka momba ny “vehivavy tsisy saina” izy io, ary any amin’ny “Fasana” no hiafaran’izay manaiky ny fanasany. Oharina amin’ny vehivavy hafa kosa ny “tena fahendrena”, ary hahazo “fahiratan-tsaina” sy fiainana izay manaiky ny fanasany. (Ohab. 9:1, 6, 13, 18)​—w23.06, p. 22-24.

Inona no porofo fa nanetry tena sy nahay nandanjalanja tamin’i Lota Andriamanitra?

Nasain’i Jehovah niala tao Sodoma sy nandositra tany amin’ny faritra be tendrombohitra i Lota. Rehefa niangavy azy anefa i Lota mba havela handositra tao Zoara, dia nanaiky izy.​—w23.07, p. 21.

Inona no azon’ny vehivavy atao raha mijery zavatra vetaveta ny vadiny?

Tsy ilay vehivavy no diso ary mila mitadidy an’izany izy. Tokony hifantoka amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra izy, ary hisaintsaina ny tantaran’ireo vehivavy resahin’ny Baiboly hoe niady saina nefa nampiononin’i Jehovah. Azony ampiana koa ny vadiny mba tsy hanaiky hanao zavatra sasany sao ho resin’ny fakam-panahy.​—w23.08, p. 14-17.

Inona no hanampy antsika ho lalin-tsaina ka halemy fanahy, rehefa kianina izay inoantsika?

Raiso hoe fomba hahafantaranao ny ao an-tsainy na izay zava-dehibe aminy ny fanontaniany na izay fanakianana ataony. Hahavita halemy fanahy ianao amin’izay.​—w23.09, p. 17.

Ahoana no ahazoana hery, araka ny ohatr’i Maria?

Nahazo hery avy tamin’ny hafa i Maria, rehefa henony hoe hiteraka ny Mesia izy. Nampiasa ny Soratra Masina i Gabriela sy Elizabeta mba hampaherezana azy. Afaka mampahery antsika koa ny mpiara-manompo.​—w23.10, p. 15.

Ahoana no amalian’i Jehovah vavaka?

Mampanantena izy fa hihaino sady handinika ny ifandraisan’ny fangatahantsika amin’ny fikasany. (Jer. 29:12) Na vavaka mitovy aza, dia mety ho samy hafa no hamaliany azy. Hanampy antsika anefa izy.​—w23.11, p. 21-22.

Miresaka “fanantenana” ny Romanina 5:2, dia maninona no mbola resahin’ny andininy faha-4 izany?

Mety hanantena hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny olona iray rehefa maheno ny vaovao tsara. Rehefa miatrika fahoriana sy miaritra ary mahatsapa hoe ankasitrahan’Andriamanitra anefa izy, dia azo inoana fa hihamafy orina ny fanantenany sady hankamamiany kokoa.​—w23.12, p. 12-13.