Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 51

Tsy ho Diso Fanantenana Mihitsy Ianao!

Tsy ho Diso Fanantenana Mihitsy Ianao!

“Ny fanantenana tsy mba mandiso fanantenana.”​—ROM. 5:5.

HIRA 142 Fikiro Mafy Ilay Fanantenana

HO HITANAO ATO: a

1. Nahoana no mitombina tsara ny fanantenan’i Abrahama?

 NAMPANANTENA an’i Abrahama namany i Jehovah hoe hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranany ny firenena rehetra eto an-tany. (Gen. 15:5; 22:18) Resy lahatra i Abrahama fa ho tanteraka izany, satria tena nino an’Andriamanitra izy. Tsy nivadika i Abrahama sy ny vadiny. Tsy nanan-janaka ihany anefa ry zareo, na dia efa 100 taona aza i Abrahama, ary 90 taona ny vadiny. (Gen. 21:1-7) Izao anefa no nolazain’ny Baiboly: “Mbola nanantena ihany i Abrahama ..., ka nino hoe ho lasa rain’ny firenena maro izy, araka ilay voalaza.” (Rom. 4:18) Fantatrao fa tanteraka ny fanantenan’i Abrahama. Lasa rain’i Isaka tokoa izy, ary io ilay zanakalahy efa nandrasany hatry ny ela. Inona no nahatonga an’i Abrahama hatoky hoe tsy maintsy ho tanteraka ilay fampanantenana azony?

2. Nahoana i Abrahama no resy lahatra hoe ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah?

2 “Niaiky tanteraka” i Abrahama fa hotanterahin’Andriamanitra ‘izay nampanantenainy’, satria nifandray akaiky taminy izy. (Rom. 4:21) Nankasitrahan’i Jehovah i Abrahama, dia nambarany hoe olo-marina noho ny finoany. (Jak. 2:23) Nisy ifandraisany ny finoan’i Abrahama sy ny fanantenany, araka ny Romanina 4:18. Andao hojerentsika izay nolazain’ny apostoly Paoly momba ny fanantenana, ao amin’ny Romanina toko faha-5.

3. Inona no hazavain’i Paoly momba ny fanantenana?

3 Nanazava i Paoly hoe nahoana isika no afaka matoky fa ‘ny fanantenantsika tsy mba mandiso fanantenana.’ (Rom. 5:5) Noresahiny koa hoe ahoana no hahatonga ny fanantenantsika kristianina ho mafy orina kokoa. Rehefa mandinika ny zava-mitranga eo amin’ny fiainan’ny Kristianina noresahin’i Paoly ao amin’ny Romanina 5:1-5 ianao, dia eritrereto ny zavatra niainanao. Azo inoana fa ho hitanao hoe rehefa mandeha ny fotoana, dia lasa azo antoka kokoa ny fanantenanao. Horesahintsika ato koa izay azonao atao mba hahatonga ny fanantenanao hihamafy orina noho ny amin’izao. Fa andao aloha hojerentsika ilay fampanantenana tsara be noresahin’i Paoly hoe tsy mba mandiso fanantenana.

TSARA BE NY FANANTENANTSIKA

4. Inona no resahina ao amin’ny Romanina 5:1, 2?

4 Vakio ny Romanina 5:1, 2. Ny fiangonana tany Roma no nanoratan’i Paoly an’ireo. Efa nianatra momba an’i Jehovah sy Jesosy, naneho finoana, ary lasa Kristianina ny rahalahy sy anabavy tany. ‘Nambaran’Andriamanitra hoe olo-marina’ àry ry zareo ‘noho ny finoany’, ary nohosorany fanahy masina. Lasa nanana fanantenana tsara be ireo Kristianina ireo, sady azony antoka hoe ho tanteraka ilay izy.

5. Inona no antenain’ny voahosotra?

5 Nanoratra ho an’ny Kristianina voahosotra tany Efesosy i Paoly tatỳ aoriana. Niresaka momba ny fanantenana nomena an-dry zareo izy, anisan’izany ilay hoe hahazo ny “lovan’ny olona masina.” (Efes. 1:18) Noresahin’i Paoly tamin’ny Kolosianina koa hoe aiza ny fanantenan-dry zareo. Ilay “fanantenana notehirizina ho anareo any an-danitra” no niantsoany azy io. (Kol. 1:4, 5) Inona izany no fanantenan’ny Kristianina voahosotra? Ny hatsangana amin’ny maty mba ho velona mandrakizay any an-danitra, dia hiara-manjaka amin’i Kristy any.​—1 Tes. 4:13-17; Apok. 20:6.

Mahalaza tsara ny toky ananan’ny Kristianina voahosotra momba ny fanantenan’izy ireo ny tenin’ny Rahalahy Franz (Fehintsoratra 6)

6. Inona no nolazain’ny rahalahy voahosotra iray momba ny fanantenany?

6 Mankamamy an’izany fanantenana izany ny Kristianina voahosotra. Anisan’izy ireny ny Rahalahy Frederick Franz. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra am-polony taona izy. Tamin’ny fo no nilazany an’izao, tamin’ny 1991: “Azo antoka ny fanantenantsika, ary ho tanteraka an-tsakany sy an-davany amin’ireo ondry vitsy 144 000 izy io, mihoatra lavitra [noho izay eritreretintsika mihitsy aza.] ... Mbola sarobidy amintsika foana ny fanantenantsika. ... Arakaraka ny fahelan’ny tsy maintsy iandrasantsika no vao mainka maha sarobidy azy io eo imasontsika. Mendrika ny handrasana izy io, na dia hitaky iray tapitrisa taona aza. Sarobidy amiko noho ny hatramin’izay ny fanantenantsika.”

7-8. Inona no antenain’ny ankamaroantsika? (Romanina 8:20, 21)

7 Hafa kosa ny fanantenan’ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao. Manantena hoatran’i Abrahama ry zareo hoe hiaina mandrakizay eto an-tany, rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. (Heb. 11:8-10, 13) Nanoratra momba ny fitahiana miavaka miandry an’izay manana an’izany fanantenana izany i Paoly. (Vakio ny Romanina 8:20, 21.) Eritrereto tamin’ianao vao nianatra ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny hoavy. Inona no tena tsy andrinao? Ny ho lavorary ve indray andro any, dia tsy ho mpanota intsony? Sa faly be ianao nahalala hoe mbola ho velona indray ireo olona akaiky anao efa maty, dia hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany? Afaka miandrandra zavatra mahafinaritra be dia be ianao, noho ‘izany fanantenana izany.’

8 Na miandrandra ny hiaina mandrakizay any an-danitra isika na eto an-tany, dia manana fanantenana tsara be ary mahafaly antsika izany. Afaka ny ho mafy orina kokoa aza izany fanantenana mahafaly ananantsika izany. Nohazavain’i Paoly avy eo hoe ahoana no hetezan’izany. Andao àry hojerentsika izay nosoratany momba ny fanantenantsika. Vao mainka isika amin’izay hatoky hoe hihamafy orina foana ny fanantenantsika, sady tsy handiso fanantenana antsika mihitsy.

AHOANA NO HAHAMAFY ORINA NY FANANTENANTSIKA?

Efa ampoizin’ny Kristianina rehetra hoe hiatrika fahoriana izy (Fehintsoratra 9-10)

9-10. Inona no efa ampoizin’ny Kristianina, raha jerena ny zavatra niainan’i Paoly? (Romanina 5:3) (Jereo koa ny sary.)

9 Vakio ny Romanina 5:3. Mariho fa mety hahatonga ny fanantenantsika ho mafy orina kokoa ny fahoriana. Mety hahagaga antsika izany. Raha ny marina, dia efa ampoizin’ny mpanara-dia an’i Kristy rehetra hoe hiatrika fahoriana ry zareo. Diniho ny ohatr’i Paoly. Hoy izy tamin’ny Kristianina tany Tesalonika: “Tamin’izahay teo aminareo, dia matetika izahay no nilaza mialoha taminareo hoe tsy maintsy miaritra fahoriana isika. Izany tokoa no mitranga.” (1 Tes. 3:4) Izao indray no nosoratany tamin’ny Korintianina: “Tianay ho fantatrareo ..., ry rahalahy, ny zava-tsarotra natrehinay ... Tsy nanampo ny ho velona intsony [izahay].”​—2 Kor. 1:8; 11:23-27.

10 Manampo hiatrika fahoriana samihafa koa ny Kristianina amin’izao. (2 Tim. 3:12) Ary ianao? Misy fahoriana mianjady aminao ve noho ianao mino an’i Jesosy sy lasa mpanara-dia azy? Maneso anao angamba ny namanao sy ny havanao, na masiaka aminao mihitsy aza. Sa ianao lasa mahita olana any am-piasana, satria tapa-kevitra ny hilaza sy hanao ny marina foana? (Heb. 13:18) Sa manohitra anao ny fitondram-panjakana, noho ianao niresaka ny fanantenanao tamin’ny olona? Na inona na inona anefa fahoriana mahazo antsika, dia nilaza i Paoly hoe tokony hifaly isika. Fa maninona?

11. Nahoana isika no tokony ho tapa-kevitra ny hiaritra fitsapana?

11 Afaka ny hifaly isika rehefa miatrika fahoriana, noho ny soa entin’izany. Hoy ny Romanina 5:3: “Ny fahoriana mahatonga fiaretana.” Hiatrika fahoriana ny Kristianina rehetra, ka tsy maintsy miaritra daholo. Tokony ho tapa-kevitra ny hiaritra isika na inon-kidona na inon-kihatra. Amin’izay ihany vao ho hitantsika ny fahatanterahan’ny fanantenantsika. Tsy tiantsika ny hitovy amin’ny olona tao an-tsain’i Jesosy, rehefa niresaka momba ny voa latsaka teny amin’ny toerana be vato izy. Faly erỳ ry zareo tamin’ny voalohany nanaiky ny teny, nefa nihemotra “rehefa tratran’ny zava-tsarotra na fanenjehana.” (Mat. 13:5, 6, 20, 21) Marina aloha fa tsy mora na mahafinaritra izany hoe misy manohitra na iharam-pitsapana izany. Tena mahasoa antsika anefa ny miaritra an’ireny. Nahoana?

12. Inona ny soa raisintsika rehefa miaritra fitsapana?

12 Nasongadin’i Jakoba mpianatra ny soa azontsika rehefa miaritra fitsapana isika. Izao no nosoratany: “Avelao hamita ny asany ... ny fiaretana, amin’izay ianareo ho lasa lavorary sy tsy hisy tsiny amin’ny lafiny rehetra, ka tsy hisy tsy ampy ao aminareo.” (Jak. 1:2-4) Nilaza i Jakoba fa hoatran’ny hoe manana asa hotanterahina ny fiaretana. Inona izany? Hanampy anao izy io mba hanana kokoa an’ireto toetra ireto: Faharetana, finoana, ary fianteherana amin’Andriamanitra. Misy soa lehibe hafa koa anefa ho azontsika rehefa miaritra isika.

13-14. Inona no vokatry ny fiaretana, ary inona no ifandraisan’izany amin’ny fanantenana? (Romanina 5:4)

13 Vakio ny Romanina 5:4. Nilaza i Paoly fa mahatonga antsika “hankasitrahan’Andriamanitra” ny fiaretana. Tsy midika izany hoe faly i Jehovah rehefa miatrika fitsapana ianao na mahita olana. Ianao kosa no ankasitrahany. Rehefa miaritra ianao, dia mahazo sitraka aminy. Fitahiana miavaka izany!​—Sal. 5:12.

14 Tadidio fa niaritra fitsapana i Abrahama, ka lasa nankasitrahan’Andriamanitra. Noraisin’i Jehovah ho namany izy, ary nekeny ho olo-marina. (Gen. 15:6; Rom. 4:13, 22) Afaka ny ho hoatr’izany koa isika. Mety hoe mahavita be eo amin’ny fanompoana isika, na manana tombontsoam-panompoana. Tsy miankina amin’izany anefa ny fankasitrahan’Andriamanitra. Ankasitrahany kosa isika rehefa tsy mivadika sady miaritra. Afaka miaritra daholo isika, na firy taona na firy taona, ary na inona na inona zavatra iainantsika na fahaizantsika. Miatrika fitsapana ve ianao amin’izao nefa tsy mivadika? Mahereza fa ankasitrahan’Andriamanitra ianao. Afaka ny hisy vokany be aminao ny fahalalana an’izany. Mety hanamafy orina ny fanantenanao izany.

MAFY ORINA KOKOA NY FANANTENANTSIKA

15. Inona koa ny zavatra noresahin’i Paoly, ary nahoana izany no mety hahagaga ny olona sasany?

15 Nohazavain’i Paoly fa hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah isika, rehefa mahavita miaritra fitsapana. Mariho izay nolazainy avy eo: “Ny fankasitrahan’Andriamanitra kosa mahatonga antsika hanana fanantenana, ary ny fanantenana tsy mba mandiso fanantenana.” (Rom. 5:4, 5) Mahagaga ny olona sasany angamba izany. Nahoana? Satria efa nilaza i Paoly tao amin’ny Romanina 5:2 fa nanana fanantenana ny Kristianina tany Roma, dia “ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra.” Mety hisy àry hieritreritra hoe: ‘Raha efa nanana fanantenana ry zareo, dia maninona i Paoly no mbola niresaka fanantenana indray tatỳ aoriana?’

Lasa lalina kokoa sy mafy orina kokoa ilay fanantenana nanintona anao tamin’ny voalohany (Fehintsoratra 16-17)

16. Ahoana no hahatonga ny fanantenan’ny olona iray ho mafy orina kokoa? (Jereo koa ny sary.)

16 Ho azontsika ny tian’i Paoly holazaina rehefa ataontsika an-tsaina hoe afaka ny hihamafy orina ny fanantenana. Andao isika haka ohatra. Tadidinao ve tamin’ny ianao vao naheno ny fampanantenana tsara be ao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Noheverinao angamba tamin’izay hoe nofinofy fotsiny izany hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany izany. Rehefa nihanahafantatra an’i Jehovah sy ny fampanantenan’ny Baiboly anefa ianao, dia lasa resy lahatra kokoa hoe tsy fampanantenana poakaty izany.

17. Inona no hanamafy orina ny fanantenanao, na dia efa nanokan-tena sy vita batisa aza ianao?

17 Na dia efa nanokan-tena sy vita batisa aza ianao, dia nihamafy orina foana ny fanantenanao. Nitombo mantsy ny fahalalanao sady lasa matotra kokoa ianao. (Heb. 5:13–6:1) Azo inoana fa niainanao ilay voaresaka ao amin’ny Romanina 5:2-4. Niatrika fahoriana samihafa ianao nefa niaritra, dia tsapanao hoe mankasitraka anao Andriamanitra. Matoky ianao hoe mahafaly azy ny ataonao, ka vao mainka ianao izao manana antony hinoana hoe ho azonao izay nampanantenainy. Lasa mafy orina noho ny tamin’ny voalohany ny fanantenanao. Vao mainka ianao resy lahatra hoe tena hisy izy io sady ankamamianao. Lasa misy vokany kokoa aminao ny fanantenanao, ka miova hatramin’ny fiainanao iray manontolo, ny fomba itondranao ny fianakavianao, ny fomba andraisanao fanapahan-kevitra, ary na ny fomba ampiasanao ny fotoananao aza.

18. Inona no antoka nomen’i Jehovah?

18 Misy zava-dehibe hafa nolazain’ilay apostoly koa momba ny fanantenanao, rehefa avy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra ianao. Nanome toky anao izy fa ho tanteraka ny fanantenanao. Nahoana ianao no afaka matoky an’izany? Satria nanome an’izao antoka izao ho an’ny Kristianina Andriamanitra, araka ny tenin’i Paoly: “Ny fanantenana tsy mba mandiso fanantenana, satria efa natao ao am-pontsika ny fitiavan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fanahy masina nomena antsika.” (Rom. 5:5) Tsy misy antony tokony hampisalasala anao àry! Azo antoka ny fanantenanao.

19. Inona no azonao antoka momba ny fanantenanao?

19 Saintsaino ny fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Abrahama sy ilay izy nankasitrahany ary noraisiny ho namana. Tsy hoe nanantena tsy misy akory i Abrahama. Hoy ny Baiboly: “Nahazo an’izany fampanantenana izany ... i Abrahama, rehefa avy nampiseho faharetana.” (Heb. 6:15; 11:9, 18; Rom. 4:20-22) Azo antoka hoe tsy diso fanantenana izy. Matokia fa ho tanteraka izay antenainao raha tsy mivadika mihitsy ianao! Tena hisy ny zavatra antenainao. Mahafaly ilay izy sady tsy mba mandiso fanantenana. (Rom. 12:12) Izao no nosoratan’i Paoly: “Ilay Andriamanitra manome fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana ny fonareo, satria matoky azy ianareo! Amin’izay dia vao mainka ho azo antoka ny fanantenanareo noho ny herin’ny fanahy masina.”​—Rom. 15:13.

HIRA 139 Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao

a Ho hitantsika ato hoe inona no fanantenantsika Kristianina ary nahoana no azontsika antoka fa tsy maintsy ho tanteraka izany. Hanampy antsika ny Romanina toko faha-5 mba hahita hoe inona no maha samy hafa ny fanantenantsika amin’izao amin’ilay nananantsika tamin’isika vao nianatra ny fahamarinana.