MBA ANDRAMO IZAO
Mitadiava Vatosoa Ara-panahy Azonao Ampiharina
Hahita vatosoa ara-panahy isika rehefa mamaky Baiboly, raha manao fikarohana. Inona anefa no azo atao mba handray soa kokoa amin’izany isika?
Fakafakao ny tsipiriany amin’ilay tantara. Fantaro, ohatra, hoe iza no nanoratra an’ilay izy, ho an’iza, ary oviana no nosoratana. Inona no zava-misy resahina ao, dia inona no nitranga taloha sy taorianan’ilay izy?
Eritrereto izay azonao ianarana. Karohy ny valin’ny fanontaniana hoatran’ireto: ‘Ahoana no fihetseham-pon’ny olona voaresaka ao? Inona ny toetrany? Nahoana aho no tokony hiezaka hanana an’ireo toetra ireo, na hitandrina mba tsy hanana an’izany?’
Ampiharo izay nianaranao, angamba eny amin’ny fanompoana na rehefa mifandray amin’ny olona. Ho hita hoe lalin-tsaina ianao rehefa manao an’izany, araka ilay resahin’ny Baiboly hoe: “Tena lalin-tsaina izay rehetra mankatò ny didiny.”—Sal. 111:10.
-
Soso-kevitra: Mariho fa manampy antsika hifantoka amin’ny fomba hampiharana ny hevitra ao amin’ny Baiboly ilay hoe Harena avy ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fivoriana andavanandro. Matetika ao amin’io fizarana io no misy fanontaniana azontsika eritreretina, hevitra azo saintsainina, ary sary azo dinihina.