LAHATSORATRA FIANARANA 3
HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy!
Hanampy Anao i Jehovah Rehefa ao Anatin’ny Sarotra
“[I Jehovah] no mahatonga anao hilamina sy tsy hitebiteby.”—ISAIA 33:6.
HEVITRA HODINIHINA
Inona no azontsika atao mba handray soa avy amin’ny fanampian’i Jehovah isika rehefa ao anatin’ny sarotra?
1-2. Inona avy ny olana mety hatrehin’ny Kristianina tsy mivadika?
TSY hitahita akory dia mety hiova ny fiainantsika, rehefa misy zava-dratsy mitranga. Izany no nitranga tamin’ny rahalahy manam-pinoana antsoina hoe Luis. a Nolazain’ny dokotera hoe voan’ny kansera tsy fahita firy izy, ary volana vitsivitsy sisa no ho velona. I Monika sy ny vadiny indray be atao teo amin’ny fanompoana. Anti-panahy io vadiny io, nefa indray andro fantatr’i Monika hoe hay efa aman-taonany izy no nanota tany ambadimbadika tany. I Olivia kosa anabavy mpitovo. Tsy maintsy niala ny tranony izy, satria nisy rivo-doza nahery be nanatona ny tanànan-dry zareo. Rehefa niverina izy, dia efa tsy nisy noraisina intsony ny tranony. Niova tao anatin’ny indray mipì-maso ny fiainan’ireo olona ireo. Efa nisy fotoana koa ve nitsimbadika tampoka hoatr’izany ny fiainanao?
2 Na dia manompo an’i Jehovah sy tsy mivadika aminy aza isika, dia mbola miatrika zava-tsarotra sy marary hoatran’ny rehetra ihany. Mety hanohitra na hanenjika antsika koa ny olona mankahala ny vahoakan’Andriamanitra. Marina hoe tsy miaro antsika amin’ireny i Jehovah, nefa mampanantena izy fa hanampy antsika. (Isaia 41:10) Hahavita ho faly foana sy handray fanapahan-kevitra tsara ary tsy hivadika aminy isika rehefa ampiany, na dia ao anatin’ny mangidy indrindra aza. Andao àry isika handinika fomba efatra anampiany antsika, rehefa maizina amintsika ny tany aman-danitra. Horesahintsika koa izay mila ataontsika raha te handray soa avy amin’ny fanampiany isika.
HIAMBINA ANAO I JEHOVAH
3. Inona no mety ho sarotra rehefa ao anatin’ny mafy isika?
3 Ny olana. Rehefa miatrika ny mafy isika, dia mety ho sarotra amintsika ny hisaina tsara sy hanapa-kevitra. Nahoana? Satria mety hahatsiaro mijaly be ny fontsika, moa ny saintsika mety hovesaran’ny fanahiana. Hoatran’ny hoe mamakivaky zavona be isika, dia tsy hitantsika intsony ny lalan-kizorana. Mariho ny tenin’ireo anabavy roa tetsy aloha, rehefa niatrika fitsapana ry zareo. Hoy i Olivia: “Nahatsiaro ho very sy kivy tanteraka aho, rehefa ravan’ny rivo-doza ny tranoko.” Izao kosa no nolazain’i Monika rehefa namitaka azy ny vadiny: “Tsy hoe diso fanantenana fotsiny aho, fa hoatran’ny hoe notsindronina tamin’ny antsy ny foko. Tsy nandeha tamin’ny laoniny intsony ny fiainako. Tsy noeritreretiko mihitsy hoe izaho no hiharan’ireny.” Mampanantena anefa i Jehovah hoe hanampy antsika izy, rehefa mahatsiaro ho tototra isika. Ahoana no ataony?
4. Inona no ampanantenain’i Jehovah? (Filipianina 4:6, 7)
4 Ny ataon’i Jehovah. Mampanantena izy fa hanome antsika an’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “ny fiadanan’Andriamanitra.” (Vakio ny Filipianina 4:6, 7.) Tony sy milamina ny fo sy ny sain’ny olona manana azy io, noho izy mifandray tsara amin’i Jehovah. “Mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona” io fiadanana io, izany hoe tsara lavitra noho izay eritreretintsika. Efa nisy fotoana ve ianao gaga be satria tony rehefa avy nivavaka mafy tamin’i Jehovah? Izay tsapanao izay ilay “fiadanan’Andriamanitra.”
5. Ahoana no hiarovan’ny fiadanan’Andriamanitra ny saintsika sy ny fontsika?
5 Resahin’io andininy io ihany hoe “hiambina” na hiaro “ny fonareo sy ny sainareo” ilay fiadanan’Andriamanitra. Ilazana miaramila maromaro niambina sy niaro tanàna ilay teny nadika hoe “hiambina.” Natory tsara ny mponina tao rehefa alina, satria nahafantatra hoe nisy miaramila niambina teny am-bavahady. Hoatr’izany koa fa tony isika rehefa miambina ny fontsika sy ny saintsika ny fiadanan’Andriamanitra, satria mahafantatra hoe voaro. (Sal. 4:8) Na tsy milamina eo no ho eo aza ilay olana, hoatran’ny tamin’ny an’i Hana, dia mbola afaka ny ho tony ihany isika. (1 Sam. 1:16-18) Matetika no mora kokoa amin’izay ny hisaina tsara sy hahay hanapa-kevitra.
6. Inona no azontsika atao mba handray soa avy amin’ny fiadanan’Andriamanitra isika? (Jereo koa ny sary.)
6 Ny mila ataontsika. Rehefa mitaintaina ianao, dia antsoy ilay mpiambina. Ahoana no hanaovana an’izany? Mivavaha mandra-pahazoanao an’ilay fiadanan’Andriamanitra. (Lioka 11:9; 1 Tes. 5:17) Nohazavain’i Luis, ilay noresahina terỳ aloha, hoe inona no nanampy azy sy Ana vadiny, rehefa fantany hoe volana vitsivitsy sisa izy dia ho faty. Hoy izy: “Sarotra be ny mandray fanapahan-kevitra rehefa anatin’ny fotoana hoatr’izao, na momba ny fahasalamana izany na zavatra hafa. Ny vavaka anefa no nanampy anay hilamin-tsaina.” Nilaza i Luis sy ny vadiny hoe nivavaka mafy sy matetika ry zareo, dia nangataka tamin’i Jehovah mba hampiany hiadan-tsaina sy hanana fo tony ary fahendrena handraisana fanapahan-kevitra tsara. Nahatsapa ry zareo hoe nampiany. Raha miatrika fotoan-tsarotra koa ianao, dia mivavaha foana fa ho hitanao hoe hiambina ny fonao sy ny sainao ilay fiadanan’i Jehovah.—Rom. 12:12.
HANAMPY ANAO TSY HITEBITEBY I JEHOVAH
7. Inona no mety ho tsapantsika rehefa miatrika fitsapana mafy isika?
7 Ny olana. Rehefa miatrika fitsapana mafy isika, dia mety hikorontana daholo na ny fihetseham-pontsika na ny saintsika na ny zavatra ataontsika, fa tsy ho hoatran’ny mahazatra. Hoatran’ny sambo atopatopan’ny onja isika, rehefa mifamahofaho be ny fihetseham-pontsika. Nilaza i Ana, ilay voaresaka terỳ aloha, hoe izany mihitsy no tsapany taorian’ny nahafatesan’i Luis. Hoy izy: “Mahatsiaro ho banga be izany aho indraindray, dia manomboka mitsetra tena. Lasa tezitra koa aho hoe tsy eo intsony izy.” Tsy vitan’izay fa nahatsiaro ho manirery i Ana. Sosotra koa izy rehefa nila nandray fanapahan-kevitra tamin’ny zavatra sasany, satria i Luis no tena nahay an’ilay izy. Indraindray izy mahatsapa hoatran’ny hoe anaty tafio-drivotra eny afovoan-dranomasina. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika rehefa manomboka misamboaravoara hoatr’izany ny fihetseham-pontsika?
8. Inona no toky omen’i Jehovah, araka ny Isaia 33:6?
8 Ny ataon’i Jehovah. Manome toky antsika izy hoe ataony milamina sy tsy mitebiteby isika. (Vakio ny Isaia 33:6.) Rehefa sendra tafio-drivotra ny sambo, dia mety hanomboka hitongilangilana be nefa mampidi-doza izany. Betsaka amin’ny sambo àry no manana fitaovana manampy azy tsy hihetsiketsika. Eo amin’ny andaniny roa amin’ilay sambo no misy an’ilay izy, ary tsy tazana etỳ ambony rano. Tsy dia atahorana hitongilangilana na ho rendrika ilay sambo amin’izay, sady mahazo aina kokoa ny mpandeha. Betsaka amin’ireny fitaovana ireny anefa no mandaitra kokoa rehefa manohy mandroso ilay sambo. Hanampy antsika hilamina sy tsy hitebiteby koa i Jehovah ao anatin’ny fotoan-tsarotra, raha manohy manompo azy isika.
9. Nahoana ny fitaovana fikarohana no manampy antsika hifehy ny fihetseham-pontsika? (Jereo koa ny sary.)
9 Ny mila ataontsika. Rehefa mifamahofaho be hoatran’ny tafio-drivotra ny fihetseham-ponao, dia miezaha mafy mba haharaka ny fahazarana ara-panahy efa fanaonao. Marina fa mety tsy hahavita hoatran’ny taloha ianao, nefa tadidio hoe tsy mitaky mihoatra noho izay azonao atao i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Lioka 21:1-4.) Manokàna, ohatra, fotoana hianarana samirery sy hisaintsainana, hoatran’ny hatramin’izay. Fa maninona? Satria mampiasa ny fandaminany i Jehovah mba hanomezana fanazavana mampahery avy ao amin’ny Soratra Masina. Manampy antsika hifehy ny fihetseham-pontsika ireny. Afaka mampiasa an’izay fitaovana misy amin’ny fiteninareo ianao, ohatra hoe ny JW Library®, Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza i Monika, ilay voaresaka terỳ aloha, hoe raha vao tsapany fa nanomboka nisafotofoto ny fihetseham-pony, dia tonga dia nikaroka torohevitra tao amin’ireny fitaovana ireny izy. Nikaroka an’ilay teny hoe “fahatezerana” na indraindray hoe “fivadihana”, ohatra, izy. Novakiny foana izay hitany tao, ary tsy nijanona izy raha tsy rehefa tony. Hoy izy: “Niady saina be aho rehefa nanomboka nanao an’ilay fikarohana, fa avy eo hoatran’ny hoe namihina ahy i Jehovah. Rehefa namaky aho, dia lasa fantatro fa azon’i Jehovah daholo ny fihetseham-poko ary nanampy ahy izy.” Afaka manampy anao hoatr’izany koa i Jehovah, mba tsy hisamboaravoara intsony ny fihetseham-ponao mandra-pahatonganao ho tony.—Sal. 119:143, 144.
HANOHANA ANAO I JEHOVAH
10. Inona no mety ho tsapantsika rehefa avy nisy zava-dratsy nitranga?
10 Ny olana. Rehefa misy zava-dratsy mitranga, dia misy fotoana ianao mety hahatsiaro ho reraka na ara-batana na ara-pihetseham-po. Mety hahatsiaro ho hoatran’ny hoe atleta maratra ianao. Nahery nihazakazaka be izy, nefa mandringa izao. Mety ho sahirana be ianao manao zavatra sasany, nefa tsotra kely taminao izany taloha. Na ianao kamo be hanao ny zavatra nahafinaritra anao. Mahatsapa hoatran’i Elia angamba ianao, ka mafy aminao ny miarina fa satrinao hatory. (1 Mpanj. 19:5-7) Inona no ampanantenain’i Jehovah hoe hataony rehefa mahatsiaro ho reraka hoatr’izany isika?
11. Inona koa ny fomba hafa anampian’i Jehovah antsika? (Salamo 94:18)
11 Ny ataon’i Jehovah. Mampanantena izy hoe hanohana antsika. (Vakio ny Salamo 94:18.) Mila fanampiana ny atleta maratra mba hahavita hamindra. Mety hila fanampiana koa isika, mba hahavita hanompo an’i Jehovah foana. Amin’ireny fotoana ireny i Jehovah no manome toky antsika hoe: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitazona anao mafy amin’ny tananao ankavanana, dia Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’” (Isaia 41:13) Nahatsapa an’izany i Davida Mpanjaka. Rehefa niatrika fitsapana sy nenjehin’ny fahavalo izy, dia nilaza tamin’i Jehovah hoe: “Manohana ahy ny tananao ankavanana.” (Sal. 18:35) Fa ahoana no anampian’i Jehovah antsika?
12. Iza no mety hampiasain’i Jehovah mba hanampy rehefa kivy isika?
12 Matetika i Jehovah no mandrisika ny hafa mba hanampy antsika. Nisy fotoana, ohatra, i Davida kivy dia tonga nitsidika azy i Jonatana namany mba hanohana sy hampahery azy. (1 Sam. 23:16, 17) Hoatr’izany koa fa nifidy an’i Elisa i Jehovah mba hanampy an’i Elia. (1 Mpanj. 19:16, 21; 2 Mpanj. 2:2) Mety hampiasa ny fianakaviantsika, ny namantsika, na ny anti-panahy koa izy amin’izao mba hanohanana antsika. Mety tsy te hifandray na amin’iza na amin’iza mihitsy anefa isika fa te ho irery, rehefa kivy be. Ara-dalàna izany. Inona àry no azo atao mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah?
13. Ahoana no atao mba handraisana soa avy amin’ny fanampian’i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)
13 Ny mila ataontsika. Aza manaiky hitokantokana. Rehefa mitokantokana mantsy isika, dia matetika no lasa tsy mieritreritra afa-tsy ny tenantsika sy ny olana mahazo antsika. Mety hisy vokany amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika anefa izany. (Ohab. 18:1) Mazava ho azy fa mba mila mihataka kely amin’ny hafa isika indraindray, indrindra rehefa manana olana lehibe. Raha mitokantokana mandritra ny fotoana ela be anefa isika, dia lasa hoatran’ny hoe isika indray no manilika an’ilay fanampiana omen’i Jehovah. Raiso àry ny fanampiana omen’ny fianakavianao sy ny namanao ary ny anti-panahy, na dia mafy be aza ny manao an’izany rehefa ao anatin’ny sarotra. Aza hadinoina hoe ry zareo ireo no ampiasain’i Jehovah mba hanohanana anao.—Ohab. 17:17; Isaia 32:1, 2.
HAMPIONONA ANAO I JEHOVAH
14. Inona ny zavatra mampahatahotra mety hanjo antsika?
14 Ny olana. Mety hatahotra isika indraindray. Resahin’ny Baiboly hoe nisy mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika niady saina be sy toran-kovitra noho ny nataon’ny fahavalony, na noho ny antony hafa. (Sal. 18:4; 55: 1, 5) Mety henjehin’ny mpiara-mianatra, mpiara-miasa, fianakaviana, na fanjakana koa isika. Mety hatahotra mihitsy aza isika sao ho faty, satria tsy salama. Tsy afa-manoatra hoatran’ny ankizikely isika ao anatin’ny fotoana toy ireny. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika?
15. Inona ny toky omen’ny Salamo 94:19 antsika?
15 Ny ataon’i Jehovah. Mampionona sy mampitony antsika izy. (Vakio ny Salamo 94:19.) Rehefa mamaky an’io salamo io isika, dia mety hieritreritra ankizivavikely matahotra sy tsy mahita tory, satria misy oram-baratra. Saintsaino anefa hoe tamy ny dadany, dia mitrotro sy mandrotsirotsy azy mandra-pahitany tory. Na dia mitohy aza ilay oram-baratra, dia tsy manana ahiahy ilay ankizivavikely, satria fihinin’ny dadany. Hoatr’izany koa rehefa miatrika fitsapana mampahatahotra isika. Angamba isika mila fihinin’ilay Raintsika any an-danitra, mandra-pahalefin’ilay tahotra. Ahoana no ahazoantsika fampiononana avy aminy hoatr’izany?
16. Inona no azontsika atao mba handray soa avy amin’ny fampiononan’i Jehovah isika? (Jereo koa ny sary.)
16 Ny mila ataontsika. Manokàna fotoana matetika hiarahana amin’i Jehovah, izany hoe mivavaha aminy ary vakio ny Teniny. (Sal. 77:1, 12-14) Amin’izay ianao rehefa miady saina, dia azo inoana hoe ny hiresaka amin’ilay Rainao any an-danitra no ho tonga voalohany ao an-tsainao. Tantarao aminy izay mampahatahotra sy mampanahy anao. Avelao izy hiresaka sy hampionona anao amin’ny alalan’ny Soratra Masina. (Sal. 119:28) Hitanao angamba hoe misy ampahany ao amin’ny Baiboly tena mampitony rehefa matahotra ianao. Mety hampahery, ohatra, ny bokin’i Joba, Salamo, Ohabolana, ary ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio toko faha-6. Ho tsapanao hoe mampionona anao i Jehovah, rehefa mivavaka aminy sy mamaky ny Teniny ianao.
17. Inona ny toky ananantsika?
17 Afaka matoky isika hoe tsy hanary antsika i Jehovah, na dia mandritra ny fotoana manjombona eo amin’ny fiainantsika aza. Tsy ho irery mihitsy isika. (Sal. 23:4; 94:14) Mampanantena izy fa hiambina antsika ary hanampy antsika hilamina sy tsy hitebiteby. Hanohana sy hampionona antsika koa izy. Izao no lazain’ny Isaia 26:3 momba an’i Jehovah: “Harovanao izay miantehitra tanteraka aminao. Hampiadaninao foana izy ireo, satria ianao no itokisany.” Matokia àry an’i Jehovah ary hararaoty izay fomba ampiasainy mba hanampiana anao. Raha manao an’izany ianao, dia hahazo hery indray na dia ao anatin’ny sarotra aza.
AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?
-
Rahoviana isika no tena mila ny fanampian’i Jehovah?
-
Inona avy ireo fomba efatra anampian’i Jehovah antsika rehefa ao anatin’ny sarotra?
-
Ahoana no handraisantsika soa avy amin’ny fanampian’i Jehovah?
HIRA 12 Jehovah Tompo, Ilay Avo Indrindra
a Novana ny anarana sasany.