Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 4

HIRA 30 Jehovah no Raiko sy Namako

Tena Tia Anao i Jehovah

Tena Tia Anao i Jehovah

“Tena be fitiavana i Jehovah.”​—JAK. 5:11.

HEVITRA HODINIHINA

Ny fitiavan’i Jehovah no hahatonga antsika hifandray akaiky aminy, hahatsiaro tsy hanana ahiahy sy ho voakarakara, ary ho velombelona.

1. Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ny momba an’i Jehovah?

 EFA nieritreritra ve ianao hoe hoatran’ny ahoana i Jehovah? Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mivavaka aminy? Tsy hita maso izy, nefa betsaka ny fomba anazavan’ny Baiboly ny momba azy. Antsoina hoe “masoandro sy ampinga” ary “afo mandevona”, ohatra, izy. (Sal. 84:11; Heb. 12:29) Rehefa nahazo fahitana momba azy i Ezekiela, dia vato safira sy metaly manjelanjelatra ary avana mamirapiratra no hitany. (Ezek. 1:26-28) Mety ho variana sy hahatsiaro ho tsy mendrika mihitsy aza isika noho ireo fanazavana momba an’i Jehovah ireo.

2. Inona no misakana ny olona sasany tsy hinamana amin’i Jehovah?

2 Tsy mahita an’i Jehovah isika, ka mety ho sarotra amintsika ny hino hoe tia antsika izy. Misy mieritreritra hoe tsy afaka ny ho tia azy mihitsy i Jehovah, noho ny zavatra niainany taloha. Tsy mba nanana Dada tia azy angamba izy. Azon’i Jehovah tsara ny fihetseham-po hoatr’izany sy ny vokatr’izany amintsika. Mba hanampiana antsika, dia mampahafantatra momba ny toetrany izy ao amin’ny Teniny.

3. Nahoana isika no tokony handinika akaiky ny fitiavan’i Jehovah?

3 Fitiavana. Io no teny mety indrindra amaritana hoe hoatran’ny ahoana i Jehovah. Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Misy vokany amin’izay rehetra ataony izany. Tsy kahihitra amin’ny fitiavany Andriamanitra sady tena mahery izy io, ka anehoany fitiavana na dia ireo tsy tia azy aza. (Mat. 5:44, 45) Andao isika handinika tsipiriany momba an’ilay Andriamanitsika sy ny fitiavany. Arakaraka ny ianarantsika momba azy mantsy no vao mainka itiavantsika azy.

TIA BE ANTSIKA I JEHOVAH

4. Inona no tsapanao rehefa mandinika ny fitiavan’i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)

4 “Tena be fitiavana i Jehovah.” (Jak. 5:11) Mampitaha ny tenany amin’ny reny be fitiavana izy ao amin’ny Baiboly. (Isaia 66:12, 13) Eritrereto ange hoe misy reny iray mikarakara tsara ny zanany kely e! Mandrotsirotsy azy eo am-pofoany izy, dia malefaka sy tsara fanahy erỳ rehefa miresaka aminy. Rehefa mitomany na misy maharary an’ilay zanany, dia ataony azo antoka hoe mahazo an’izay ilainy izy. Hoatr’izany koa fa afaka miantehitra amin’ny fitiavan’i Jehovah isika rehefa misy mampijaly antsika. Hoy ny mpanao salamo: “Rehefa be dia be ny zavatra nampitebiteby ahy, dia nampionona sy nampitony ahy ianao.”​—Sal. 94:19.

“Hampionona anareo foana aho, hoatran’ny reny mampionona ny zanany lahy” (Fehintsoratra 4)


5. Inona no toky anananao rehefa mahafantatra hoe tia sy tsy mivadika aminao i Jehovah?

5 Tsy mivadika i Jehovah. (Sal. 103:8) Tsy manary antsika izy rehefa manao zavatra tsy mety isika. Imbetsaka ny firenen’Israely no nandiso fanantenana azy, nefa nasehony hoe mbola tia sy tsy mivadika amin-dry zareo izy, rehefa nibebaka ry zareo. Izao no nolazainy: ‘Lasa sarobidy teo imasoko ianao sady nohajaina, ary tiako.’ (Isaia 43:4, 5) Tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra. Afaka matoky an’izany foana isika. Na dia nanao fahadisoana lehibe aza isika, dia tsy hanary antsika i Jehovah. Rehefa mibebaka sy miverina aminy isika, dia ho hitantsika fa mbola hoatran’ny hatramin’izay ihany ny fitiavany antsika. Mampanantena mantsy izy hoe “tena mamela heloka tanteraka.” (Isaia 55:7) Milaza ny Baiboly fa rehefa mamela i Jehovah, dia lasa misy ‘fotoana mamelombelona avy aminy.’​—Asa. 3:19.

6. Inona no ampianarin’ny Zakaria 2:8 antsika momba an’i Jehovah?

6 Vakio ny Zakaria 2:8. Tia antsika i Jehovah, ka mora mahatsapa ny fihetseham-pontsika ary vonona hiaro antsika. Malahelo izy rehefa malahelo isika. Mety tsara àry raha mivavaka hoatr’izao isika: “Arovy toy ny anakandriamasonao aho.” (Sal. 17:8) Saro-pady ny maso sady tena sarobidy. Rehefa ampitovin’i Jehovah amin’ny anakandriamasony àry isika, dia hoatran’ny milaza izy hoe: ‘Izay mikitika anareo ry vahoakako, dia mikitika an’izay sarobidy amiko.’

7. Nahoana ianao no mila matoky kokoa hoe tia anao i Jehovah?

7 Tian’i Jehovah ho resy lahatra ianao hoe tia anao izy. Fantany anefa hoe noho ny zavatra niainanao taloha, dia mety hisalasala ny amin’izany ianao. Na misy olana atrehinao amin’izao, dia lasa tsy dia matoky ny fitiavan’i Jehovah ianao. Inona àry no hanampy anao hatoky kokoa an’izany? Andao hianarantsika hoe ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe tiany i Jesosy sy ny voahosotra ary isika rehetra.

NY FOMBA ANEHOAN’I JEHOVAH FITIAVANA

8. Nahoana i Jesosy no niaiky hoe tia azy ny Rainy?

8 Efa hatry ny ela i Jehovah sy ilay Zanany malala no nifandray am-po sy nifankatia be. Ny an-dry zareo no fifandraisana ela indrindra eo amin’izao rehetra izao. Nolazain’i Jehovah mazava tsara ny fitiavany an’i Jesosy, araka ny Matio 17:5. Afaka nilaza fotsiny i Jehovah hoe: ‘Io ilay ankasitrahako.’ Tiany ho fantatsika anefa hoe tena tiany i Jesosy, ka nantsoiny hoe “Zanako malalako.” Reharehan’i Jehovah mihitsy i Jesosy sy ilay izy vonona hahafoy ny ainy. (Efes. 1:7) Nahazo antoka 100 isan-jato koa i Jesosy hoe tia azy ny Rainy. Resy lahatra tamin’izany izy, ary tsapany hatrany anatiny lalina any izany. Imbetsaka izy no feno toky rehefa nilaza hoe tia azy ny Ray.​—Jaona 3:35; 10:17; 17:24.

9. Inona ny teny mampiseho hoe tian’i Jehovah ny voahosotra? Hazavao. (Romanina 5:5)

9 Porofoin’i Jehovah koa hoe tiany ny voahosotra. (Vakio ny Romanina 5:5.) Azo adika hoe “nararaka” ilay hoe “natao ao” eo amin’io andininy io. Resahin’ny boky iray momba ny Baiboly fa toy ny hoe “araraka hoatran’ny renirano” no tiana holazaina amin’izany. Tena lehibe àry ny fitiavan’i Jehovah ny voahosotra! Fantatr’izy ireo koa hoe ‘tian’Andriamanitra’ izy. (Joda 1) Nilaza ny fihetseham-pon-dry zareo ny apostoly Jaona rehefa nanoratra hoe: “Eritrereto ange ny fitiavana nasehon’ny Ray antsika e! Nantsoiny hoe zanany mihitsy isika.” (1 Jaona 3:1) Fa ny voahosotra ihany ve no tian’i Jehovah? Tsy izany. Nampiseho fitiavana tamintsika rehetra izy.

10. Inona no porofo lehibe indrindra fa tia anao i Jehovah?

10 Inona no porofo lehibe indrindra fa tia antsika i Jehovah? Ny vidim-panavotana. Nasehony tamin’izany fa tsy misy tia antsika mihoatra noho izy! (Jaona 3:16; Rom. 5:8) Nafoiny ilay Sombinainy mba ho faty ho an’ny olona rehetra, amin’izay voavela ny fahotantsika ary afaka ny ho namany isika. (1 Jaona 4:10) Vao mainka ho azontsika hoe tena tia antsika tsirairay i Jehovah sy Jesosy, arakaraka ny hisaintsainantsika momba an’izay nafoin’izy mianaka ho antsika. (Gal. 2:20) Tsy hoe adidy fotsiny mantsy no nahatonga an-dry zareo hanome ny vidim-panavotana, fa fitiavana no tao ambadik’izany. Noporofoin’i Jehovah hoe tia antsika izy, ka izay sarobidy indrindra taminy no nafoiny, izany hoe i Jesosy! Navelany hijaly sy ho faty ho antsika ny Zanany.

11. Inona no ianarantsika avy amin’ny Jeremia 31:3?

11 Hitantsika teo fa tsy kobonin’i Jehovah any am-pony fotsiny ny fitiavany, fa asehony mihitsy. (Vakio ny Jeremia 31:3.) Notaominy hanatona azy isika satria tiany. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 7:7, 8.) Tsy misy mahasaraka antsika amin’izany fitiavana izany, na inona na inona ary na iza na iza. (Rom. 8:38, 39) Inona no tsapanao vokatr’io fitiavana io? Vakio ny Salamo faha-23, dia jereo ny vokatry ny fitiavan’i Jehovah sy ny fikarakarany tamin’i Davida, sy izay mety ho vokatr’izany amintsika rehetra.

INONA NO TSAPANAO REHEFA MANDINIKA NY FITIAVAN’I JEHOVAH?

12. Ahoana no amintinanao ny Salamo faha-23?

12 Vakio ny Salamo 23:1-6. Hira nosoratan’i Davida io Salamo faha-23 io, ary resahina ao ny toky ananany noho i Jehovah tia sy nikarakara azy. Hazavainy ao hoe nifandray am-po be izy sy Jehovah, ilay Mpiandry azy. Tsy natahotra mihitsy izy satria i Jehovah no nitari-dalana azy, ary niantehitra tanteraka taminy izy. Fantany hoe ho tia azy foana i Jehovah isan’andro, mandritra ny androm-piainany. Nahoana izy no natoky be an’izany?

13. Nahoana i Davida no natoky fa hikarakara azy i Jehovah?

13 “Tsy ho ory na inona na inona aho.” Tsapan’i Davida hoe voakarakara tsara izy satria niahy azy foana i Jehovah. Ninamana tamin’i Jehovah sy nankasitrahany koa izy. Lasa tsy nisalasala izy hoe na inona na inona avoakan’ny ampitso, dia hikarakara an’izay rehetra ilainy foana i Jehovah. Natoky ny fitiavan’i Jehovah izy, ary izany no nibahana kokoa tao am-pony noho izay nampanahy azy. Nahatonga azy ho tena sambatra sy ho afa-po izany.​—Sal. 16:11.

14. Ahoana, ohatra, no ikarakaran’i Jehovah antsika?

14 Tena tia sy mikarakara antsika i Jehovah, indrindra rehefa misy zava-dratsy mitranga. Eritrereto i Claire. a Efa 20 taona mahery izy no nanompo tao amin’ny Betela. Nifanesisesy ny olana nahazo ny fianakaviany, dia nahatsiaro ho tapi-dalan-kaleha izy. Tapaka lalan-dra ny dadany, voaroaka ny rahavaviny, moa tsy maintsy nafoin’izy mianakavy koa ny fidiram-bola keliny sy ny tranony. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe tia sy nikarakara an-dry zareo izy? Izao no nolazain’i Claire: “Nataon’i Jehovah nahazo an’izay nilainy foana ny fianakaviako isan’andro. Imbetsaka izy no nanome mihoatra noho izay noeritreretiko! Matetika aho no misaintsaina ny fotoana nampisehoan’i Jehovah fitiavana tamiko, dia tena mankamamy an’ireny aho. Manampy ahy ho vonona hiaritra fitsapana foana izany.”

15. Nahoana i Davida no nahatsiaro ho velombelona? (Jereo koa ny sary.)

15 “Mamelombelona ahy izy.” Kivy i Davida indraindray, noho ny olana sy ny fitsapana rehetra natrehiny. (Sal. 18:4-6) Namelombelona azy anefa ny fitiavan’i Jehovah sy ny fikarakarany azy. Nentin’i Jehovah teny amin’ny “toerana feno ahi-maitso” sy “toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara” io namany efa reraka io. Nahazo hery indray àry i Davida, ka afaka nanohy nanompo an’i Jehovah sady faly foana.​—Sal. 18:28-32.

Tia sy nikarakara an’i Davida i Jehovah na dia tamin’izy nitsoaka aza, ary namelombelona azy izany (Fehintsoratra 15)


16. Namelombelona anao ve ny fitiavan’i Jehovah? Tantarao.

16 Hoatr’izany koa amin’izao. “Noho i Jehovah tia antsika sy tsy mivadika amintsika no tsy maharipaka antsika”, rehefa miady mafy amin’ny fiainana sy ny olana samihafa isika. (Fitom. 3:22; Kol. 1:11) Eritrereto i Rachel. Vaky fo mihitsy izy rehefa nandao azy sy Jehovah ny vadiny, nandritra ilay valanaretina COVID-19. Dia inona no nataon’i Jehovah ho azy? Hoy izy: “Nataon’i Jehovah izay hahatsapako hoe tiany aho. Nomeny namana be dia be aho. Nanokana fotoana hiarahana tamiko ry zareo, dia nitondra sakafo ho ahy, nandefa SMS sy andinin-teny mampahery, nitsikitsiky, ary nampahatsiahy ahy foana hoe nikarakara ahy i Jehovah. Mankasitraka an’i Jehovah foana aho satria nomeny fianakaviambe mifankatia hoatr’izany.”

17. Nahoana no ‘tsy nisy loza natahoran’i’ Davida?

17 “Tsy misy loza atahorako, satria ianao no eo anilako.” Matetika no natahorana ny ain’i Davida, sady nanana fahavalo mahery be dia be izy. Nahatsiaro ho tony sy voaro anefa izy satria tian’i Jehovah. Tsapan’i Davida hoe tsy nandao azy mihitsy i Jehovah, dia nanome toky azy izany. Nihira àry izy hoe: “Nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra [i Jehovah].” (Sal. 34:4) Tena natahotra i Davida, ary ara-dalàna izany! Mbola nahery noho izany tahotra izany anefa ny fitiavan’i Jehovah!

18. Nahoana ianao no hahazo hery rehefa matahotra, raha matoky hoe tia anao i Jehovah?

18 Mahazo hery isika raha matoky hoe tian’i Jehovah, na dia misy mampahatahotra antsika aza. Nahoana? Niresaka momba an’izay tsapan’izy sy ny vadiny ny mpisava lalana atao hoe Susi, rehefa namono tena ny zanany lahy. Izao no nolazainy: “Hoatran’ny nilatsaham-baratra ianao rehefa misy loza tampoka. Lasa marefo kely ny fihetseham-ponao, dia tsy afa-manoatra ianao. Soa ihany anefa fa be fitiavana i Jehovah, dia nataony izay hahatsapanay hoe tony sy voaro izahay.” Hoy koa i Rachel, ilay noresahina terỳ aloha: “Nitaraindraina mafy tamin’i Jehovah aho, indray alina izay, satria narary be ny foko. Sady nitebiteby aho no natahotra. Tonga dia tsapako hoe nataony maivamaivana ny foko sady nampitony ahy izy, hoatran’ny ataon’ny reny amin’ny zanany kely, dia avy eo aho resin-tory. Tsy hohadinoiko mihitsy iny!” Nigadra efa-taona ny anti-panahy antsoina hoe Tasos, satria tsy nety nanao miaramila. Ahoana no nahatsapany hoe tia sy nikarakara azy i Jehovah? Hoy izy: “Nikarakara an’izay rehetra nilaiko i Jehovah, ary nanome mihoatra aza. Vao mainka aho izao resy lahatra hoe afaka miantehitra tanteraka aminy. Nampiasa ny fanahiny koa izy mba hahatonga ahy ho falifaly, na dia zavatra mampalahelo daholo aza no manodidina ahy. Lasa mino aho hoe vao mainka aho handray soa avy amin’ny hatsaran-toetran’i Jehovah, arakaraka ny hiarahako manao zavatra aminy. Nanomboka nanao mpisava lalana maharitra àry aho, na dia mbola nigadra aza.”

MIEZAHA HINAMANA AMIN’ILAY ANDRIAMANITRAO BE FITIAVANA

19. a) Inona no vokany amin’ny vavaka ataontsika rehefa fantatsika hoe tia antsika Andriamanitra? b) Inona amin’ny fitiavan’i Jehovah no manohina ny fonao? (Jereo ilay hoe “ Andinin-teny Manampy Anao Hahatsapa ny Fitiavan’i Jehovah.”)

19 Hitantsika tamin’izay niainan’ireo olona nodinihintsika teo fa tena manampy antsika i Jehovah, “ilay Andriamanitry ny fitiavana.” (2 Kor. 13:11) Mahaliana azy izay mitranga amintsika tsirairay. Resy lahatra isika hoe ‘manodidina [antsika] ny fitiavany sy ny tsy fivadihany.’ (Sal. 32:10) Inona no vokany rehefa misaintsaina ny fomba anehoany fitiavana antsika isika? Vao mainka isika hino hoe tena misy izy, dia ho lasa akaiky kokoa azy. Tsy misalasala mivavaka aminy isika, dia lazaintsika aminy hoe tena mila ny fitiavany isika. Azontsika tantaraina aminy daholo izay mampanahy antsika, satria matoky isika fa ho azony tsara izany ary vonona hanampy antsika izy.​—Sal. 145:18, 19.

20. Nahoana no manintona anao ny fitiavan’i Jehovah?

20 Manintona antsika ny fitiavan’i Jehovah, hoatran’ny afon-dasy manintona antsika rehefa mangatsiaka ny andro. Marina hoe mahery be ny fitiavany, nefa feno hatsaram-panahy koa. Tsy faly erỳ ve ianao satria tia anao izy? Enga anie isika rehetra hamaly fitia azy, dia hilaza koa hoe: “Tiako i Jehovah”!​—Sal. 116:1.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Ahoana no anazavanao ny fitiavan’i Jehovah?

  • Nahoana ianao no afaka matoky hoe tia be anao i Jehovah?

  • Inona no tsapanao rehefa mandinika ny fitiavan’i Jehovah ianao?

HIRA 108 Tsy Miovaova ny Fitiavan’Andriamanitra

a Novana ny anarana sasany.