Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Olona Momba ny Vavaka?

Inona no Lazain’ny Olona Momba ny Vavaka?

“Tsapako hoe eo akaikiko eo Andriamanitra rehefa mivavaka aho. Hoatran’ny hoe mitantana ahy izy, dia mitari-dalana ahy rehefa mahatsiaro ho very aho.”​—MARÍA.

“Maty ny vadiko rehefa avy niady mafy tamin’ny kansera nandritra ny 13 taona. Mafy be tamiko izany, dia nivavaka tamin’Andriamanitra foana aho isan’andro. Tsapako hoe tena nihaino ahy izy, dia lasa maivamaivana aho.”​—RAÚL.

“Fanomezana tena tsara omen’Andriamanitra antsika olombelona ny vavaka.”​—ARNE.

Ankoatra an’i María sy Raúl ary Arne, dia maro koa ny olona miaiky hoe fanomezana miavaka ny vavaka. Rehefa mivavaka mantsy izy ireo dia afaka miresaka amin’Andriamanitra, misaotra azy, ary mangataka ny fanampiany. Tena mino izy ireo hoe marina ity voalazan’ny 1 Jaona 5:14 ity: “Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”

Betsaka anefa ny olona tsy mino an’ireo tenin’ny Baiboly ireo. Izao, ohatra, no resahin’i Steve momba ny vavaka: “Maty ny namako telo tamin’izaho 17 taona. Ny iray tratran’ny lozam-piarakodia, dia ny roa maty tany an-dranomasina.” Inona no nataon’i Steve? Hoy izy: “Nivavaka tamin’Andriamanitra aho, dia nanontany hoe maninona izany no nitranga, fa tsy nahazo valiny aho. Hitako hoe tsy nisy dikany ny vavaka.” Be dia be ny olona mahatsapa hoatr’izany, dia lasa tsy mety mivavaka intsony.

Misy antony hafa koa mahatonga ny olona hieritreritra hoe tsy tena ilaina ny mivavaka. Hoy izy ireo: ‘Mahalala ny zava-drehetra ange Andriamanitra e! Efa fantany ny zavatra ilaintsika na ny olana mahazo antsika. Tsy misy antony tokony hiresahana an’izany aminy.’

Misy indray nanao zavatra tsy nety taloha, dia mieritreritra hoe tsy hihaino ny vavaka ataony Andriamanitra. Hoy i Jenny: “Nahatsiaro tena ho tsy misy dikany aho, dia izay no tena olana. Nanao zavatra ratsy aho taloha, ary tena nanenenako ilay izy. Dia hoy aho: ‘Olona hoatr’ahy izao ve dia mba hohenoin’Andriamanitra?’”

Ary ianao? Efa lasa saina ve ianao hoe: ‘Mba mihaino vavaka ve Andriamanitra?’ Mamaly an’izany ny Baiboly. Miresaka betsaka momba ny vavaka * izy io. Ho hitanao ao ny valin’ireto fanontaniana ireto:

  • Tena mihaino ny vavaka ataontsika ve Andriamanitra?

  • Nahoana izy no tsy mamaly ny vavaka sasany?

  • Inona no azonao atao mba hohenoiny ny vavaka ataonao?

  • Inona ny soa ho azonao rehefa mivavaka ianao?

^ feh. 9 Misy vavaka be dia be ao amin’ny Baiboly. Nataon’ny mpanompon’Andriamanitra izy ireny, anisan’izany i Jesosy Kristy. Misy vavaka 150 mahery, ohatra, ao amin’ny Soratra Hebreo, na ilay antsoin’ny olona hoe Testamenta Taloha.