Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona ny Soa Raisinao Rehefa Mivavaka Ianao?

Inona ny Soa Raisinao Rehefa Mivavaka Ianao?

Narary mafy i Pamela, dia nanatona mpitsabo matihanina. Nivavaka tamin’Andriamanitra koa anefa izy, mba hahazo hery hiatrehana an’ilay izy. Nanampy azy ve ny vavaka?

Hoy i Pamela: “Voan’ny kansera aho, dia natahotra be rehefa niatrika an’ilay fitsaboana. Rehefa nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra anefa aho, dia lasa tony sady tsy natahotra be intsony. Mbola manaintaina ny vatako, nefa manampy ahy hifantoka amin’ny zavatra tsara ny vavaka. Rehefa manontany ny fahasalamako ny olona, dia izao no avaliko: ‘Mbola marary aho, fa matanja-tsaina!’”

Tsy voatery hiandry hoe manana olana ngezabe isika vao hivavaka. Miatrika zava-tsarotra daholo isika, na kely ilay izy na lehibe, ary matetika isika no mahatsapa hoe mila fanampiana mba hiatrehana azy ireny. Afaka manampy ve ny vavaka?

Hoy ny Salamo 55:22: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.” Tena mampahery izany e? Nahoana àry no manampy anao ny vavaka? Rehefa mivavaka amin’Andriamanitra araka ny sitrapony ianao, dia omeny anao izay ilainao mba hiatrehana ny olana mahazo anao.​—Jereo ilay efajoro hoe “ Inona ny Soa ho Azonao Raha Mivavaka Ianao?