Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka ny Hiaina Mandrakizay eto An-tany Ianao

Afaka ny Hiaina Mandrakizay eto An-tany Ianao

ERITRERETO ANGE IZANY E! Hiaina mandrakizay eto amin’ity tany ity isika. Izany no fikasan’ny Mpamorona antsika, saingy maro no tsy mino an’izany. Tsy maintsy ho faty daholo ihany, hono, isika satria efa izay ny lalam-piainana. Ny hafa indray milaza hoe tsy eto an-tany ny fiainana mandrakizay, fa any an-danitra. Lasa any, hono, ny olona rehefa maty. Ary ahoana ny hevitrao?

Aza tonga dia mamaly aloha, fa andao isika hijery hoe ahoana no amalian’ny Baiboly an’ireto fanontaniana telo ireto: Nahoana ny fomba namoronana antsika no manaporofo fa natao hiaina mandrakizay isika? Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona? Nahoana ny olona no maty?

MIAVAKA NY OLOMBELONA

Tena tsy mitovy amin’ny zavaboary hafa eto an-tany isika. Nahoana? Resahin’ny Baiboly fa ny olona ihany no noforonina ‘araka ny endrik’Andriamanitra’ sy ‘misy itovizana aminy.’ (Genesisy 1:26, 27) Inona no dikan’izany? Afaka manana ny toetran’Andriamanitra ny olona, ohatra hoe be fitiavana sy tia rariny.

Afaka mifandray amin’Andriamanitra koa ny olombelona, mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy, sady afaka misaina. Lasa takatsika àry hoe midadasika be izao rehetra izao ary tena kanto ny zavaboary. Afaka mankafy zavakanto sy mozika ary poezia koa isika. Tsy izay ihany anefa. Ny olona irery ihany no afaka mivavaka amin’ny Mpamorona. Tsy manan-tsahala tokoa ny olombelona!

Nomen’Andriamanitra fahaizana sy toetra miavaka isika, sady mbola afaka manatsara an’izany foana. Ho nanao an’izany ve izy, raha tiany hiaina 70 na 80 taona fotsiny ny olombelona? Tsia. Nomeny an’ireo isika, satria tiany hiaina mandrakizay eto an-tany.

INONA NO FIKASAN’ANDRIAMANITRA MOMBA NY TANY SY NY OLOMBELONA?

Misy milaza anefa hoe tsy nataon’Andriamanitra hiaina mandrakizay eto an-tany isika. Fandalovana fotsiny, hono, eto, mba hitsapana an’izay mendrika ho any an-danitra sy ho eo akaikin’Andriamanitra mandrakizay. Hoatran’ny te hilaza izy ireo hoe Andriamanitra no mahatonga ny faharatsiana eto an-tany. Tsy mitombina mihitsy anefa izany satria hoy ny Baiboly momba azy: “Ara-drariny daholo ny lalany. Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny. Marina sy mahitsy izy.”—Deoteronomia 32:4.

Resahin’ny Baiboly mazava tsara ny fikasan’Andriamanitra tamin’izy namorona ny tany. Hoy ny Salamo 115:16: “Ny lanitra dia an’i Jehovah, fa ny tany kosa nomeny ho an’ny zanak’olombelona.” Namorona an’ity tany tsara tarehy ity tokoa Andriamanitra, mba honenan’ny olona mandrakizay. Efa nasiany an’izay rehetra ilaintsika eto, amin’izay isika ho sambatra foana.—Genesisy 2:8, 9.

“Ny lanitra dia an’i Jehovah, fa ny tany kosa nomeny ho an’ny zanak’olombelona.”—Salamo 115:16

Resahin’ny Baiboly mazava tsara koa ny fikasan’Andriamanitra tamin’izy namorona ny olombelona. Hoy izy tamin’ilay mpivady voalohany: “Mamenoa ny tany, anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ... ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28) Nasaina nikarakara an’ilay Paradisa nisy azy izy mivady sady nasaina nanitatra azy io maneran-tany. Tombontsoa be izany! Nanantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany àry i Adama sy Eva sy ny taranany, fa tsy hoe hiaina any an-danitra.

NAHOANA ISIKA NO MATY?

Milaza ny Baiboly fa nikomy ny anjely iray, satria tsy tiany ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany Edena. Nantsoina hoe Satana Devoly izy io. Ahoana no nataony?

Notaomin’i Satana hikomy niaraka taminy ireo ray aman-drenintsika voalohany, izany hoe i Adama sy Eva. Nilaza izy hoe tsy tian’Andriamanitra homena zavatra tsara izy mivady, matoa tsy avelany hanana zo hifidy izay tsara sy ratsy. Nanaraka an’i Satana izy ireo, ary nivadika tamin’Andriamanitra. Inona no vokany? Maty i Adama sy Eva tatỳ aoriana, ka tsy afaka niaina mandrakizay tao amin’ny Paradisa teto an-tany.—Genesisy 2:17; 3:1-6; 5:5.

Mbola mizaka ny vokatry ny fikomian’izy ireo isika hatramin’izao. Hoy ny Romanina 5:12: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana.” Tsy hoe efa voalahatra ho faty àry isika. Maty kosa isika satria nandova ota sy fahafatesana avy tamin’i Adama sy Eva.

AFAKA NY HIAINA MANDRAKIZAY ETO AN-TANY IANAO

Tsy maintsy ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra, na dia teo aza ilay fikomiana tany Edena. Tena tia antsika mantsy izy sady tena tia rariny, ka nanao zavatra mba hahatonga antsika ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana. Hoy ny apostoly Paoly: “Fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.” (Romanina 6:23) Be fitiavana izy, dia “nomeny ny Zanany lahitokana [Jesosy Kristy] mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Nanaiky hanao sorona ny ainy koa i Jesosy, mba ho azontsika izay rehetra nafointsika noho ny nataon’i Adama. a

Tsy ho ela dia ho lasa paradisa ny tany, araka ny fikasan’Andriamanitra. Hahita an’izany ianao, raha manaraka an’ity tenin’i Jesosy ity: “Midira amin’ny vavahady tery. Fa lehibe sady malalaka ny lalana mankany amin’ny fandringanana, ka maro no miditra any. Tery kosa ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.” (Matio 7:13, 14) Miankina amin’ny safidinao àry ny hoavinao, ka mahaiza misafidy.

a Manazava kokoa momba ny vidim-panavotana ny lesona 27 amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io ary azo alaina maimaim-poana ao amin’ny www.pr418.com.