Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataon’Andriamanitra ho Antsika?

Inona no Hataon’Andriamanitra ho Antsika?

Efa torina eran-tany izao ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny faminanian’i Jesosy. (Matio 24:14) Resahin’ny bokin’i Daniela fa Andriamanitra no nanorina an’io fitondram-panjakana io. Tanisain’ny Daniela toko faha-2 koa ireo fitondram-panjakana matanjaka hifandimby, nanomboka tamin’ny andron’i Babylona fahiny ka hatramin’izao. Amin’ny hoavy kosa vao ho tanteraka ny andininy faha-44 hoe:

“Hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”

Hita avy amin’io faminaniana io sy ny maro hafa fa ny Fanjakan’Andriamanitra no haka ny toeran’ny fanjakan’olombelona. Kely sisa dia hiadana sy hilamina ny olona eran-tany, rehefa ho tanteraka ireto faminaniana ireto:

  • TSY HISY INTSONY NY ADY

    Salamo 46:9: “Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany [Andriamanitra]. Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona. Dorany ny kalesin’ady.”

    Eritrereto hoe tsy mandany ron-doha na mandany vola hanaovana fitaovam-piadiana mahafaty intsony ny olona, fa mitady fomba hanasoavana ny mpiara-belona aminy. Izany no hitranga rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra.

  • TSY HISY INTSONY NY ARETINA

    Isaia 33:24: “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’”

    Ahoana indray rehefa tsy hisy intsony ny aretim-po, kansera, tazo, na aretina hafa? Tsy hilaina intsony amin’izay ny hopitaly sy ny fanafody. Ho salama tsara daholo ny rehetra.

  • HO TONDRAKA NY SAKAFO

    Salamo 72:16: “Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.”

    Ho ampy ho an’ny rehetra ny sakafo vokarin’ny tany. Tsy hisy intsony ny olona tratran’ny mosary na tsy ampy sakafo.

  • TSY HISY INTSONY NY ALAHELO SY NY FITARAINANA ARY NY FAHAFATESANA

    Apokalypsy 21:4: “[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”

    Ho lavorary ianao ary hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Izany no ampanantenain’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona be fitiavana.

‘HAHOMBY NY TENIKO’

Ahoana no fahitanao an’ireo fampanantenan’ny Baiboly ireo? Hoatran’ny tsy mampino ve? Miaiky ny ankamaroan’ny olona hoe tena tsara ilay izy. Tsy takatry ny sainy mihitsy anefa ilay hoe hiaina mandrakizay. Mbola tsy nisy niaina hoatr’izany mantsy.

Efa ela ny olona no nandevozin’ny ota sy ny fahafatesana, sady nijaly sy niady mafy tamin’ny fiainana. Tsy mahagaga raha mieritreritra izy ireo hoe efa lalam-piainana izany. Tsy izany mihitsy anefa no tao an-tsain’i Jehovah Andriamanitra tamin’izy namorona ny olombelona.

Matokia fa tsy maintsy ho tanteraka ny zavatra nampanantenainy ho antsika. Hoy mantsy izy ao amin’ny Isaia 55:11: “Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teniko, fa hanatanteraka izay sitrako ary hahomby amin’izay andefasako azy.”

Resahin’ny Baiboly fa “tsy mahay mandainga” i Jehovah. (Titosy 1:2) Be dia be ny zavatra mahafinaritra omaniny ho antsika amin’ny hoavy. Tsara àry ny misaintsaina hoe: ‘Ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa tokoa ve ny olombelona? Inona no tokony hataoko raha te hahita an’izany aho?’ Hamaly an’izany ny lahatsoratra manaraka.