Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maminavina ny Hoavy ny Olona

Maminavina ny Hoavy ny Olona

Efa nieritreritra ve ianao hoe hanao ahoana ny hoavinao sy ny an’ny fianakavianao? Ho lasa mpanankarena ve ianareo sa hahantra? Ho tian’ny olona sa tsy hisy hiraharaha? Ho ela velona sa ho faty tampoka? Efa an’arivony taona ny olona no lasa saina tamin’izany.

Mandinika ny zava-misy eran-tany izao ny manam-pahaizana, ary maminavina ny hoavy. Tanteraka ny zavatra sasany lazainy saingy misy kosa diso be. Niresaka momba ny hoavy, ohatra, i Guglielmo Marconi, tamin’ny 1912. Namorona fitaovana fampitana hafatra amin’ny alalan’ny onjam-peo izy, ary niteny hoe: “Tsy hisy intsony ny ady rehefa ampiasaina be ny onjam-peo.” Diso hevitra koa ny mpandraharaha tao amin’ny trano mpamokatra raki-kira iray, tamin’ny 1962. Tsy nety niara-niasa tamin’ilay tarika atao hoe Beatles izy satria efa tsy halaza intsony, hono, ny tarika mitendry gitara.

Te hahalala ny hoavy ny olona maro ka lasa liana amin’ny asan’ny maizina. Misy, ohatra, manatona mpanandro, na mijery tononandro amin’ny boky na gazety. Ny hafa indray mankany amin’ny olona milaza ho mahay mamantatra ny hoavy amin’ny alalan’ny karatra, na isa, na soritra eo amin’ny tanana.

Nanontany mpisikidy na mpisorona milaza fa misolo tena an’andriamanitra ny olona sasany fahiny, mba hahalalana ny hoavy. Voalaza, ohatra, fa nandefa fanomezana lafo vidy be ho an’ilay mpisikidy tao Delphes, any Gresy, i Crésus, mpanjakan’i Lydia. Tiany ho fantatra mantsy hoe iza no handresy raha miady amin’i Kyrosy mpanjakan’i Persa izy. Nilaza ilay mpisikidy fa hisy “fanjakana goavana” ho rava, raha miady amin’i Kyrosy i Crésus. Nino àry izy fa handresy ka niroso tamin’ilay ady. Indrisy fa ny azy ilay fanjakana goavana rava!

Tsy nisy dikany ny vinavina nataon’ilay mpisikidy, satria tsy voafaritra hoe ny fanjakan’iza no ho rava. Marina foana mantsy ny teniny, na iza na iza nandresy tamin’ilay ady. Voafitaka i Crésus ka namoy ny zava-drehetra. Ary ahoana ny amin’izao? Mba afa-po ihany ve ireo miezaka mamantatra ny hoaviny?